FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 20
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

Deoteronomia 20:1

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Js 11:4
  • +De 3:22; 31:6; Sl 20:7; 46:7; Oh 21:31; Ro 8:31
  • +Ek 13:3

Deoteronomia 20:2

Fanondroana Andininy Hafa

  • +No 31:6; Mpts 20:28; 1Sa 30:7; 2Ta 13:12

Deoteronomia 20:3

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Sl 27:3; Is 35:4; 41:10
  • +Sl 3:6

Deoteronomia 20:4

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ek 14:14; De 32:30; Js 23:10

Deoteronomia 20:5

Fanondroana Andininy Hafa

  • +No 31:14; De 16:18
  • +Mpto 2:24

Deoteronomia 20:6

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Sl 145:9; Mpto 3:13

Deoteronomia 20:7

Fanondroana Andininy Hafa

  • +De 24:5

Deoteronomia 20:8

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mpts 7:3
  • +No 13:33; 14:1; 32:9; De 1:28; As 21:13

Deoteronomia 20:10

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Js 11:19

Fanondroana

  • Fitaovana Fikarohana

    Fandalinana, Boky 1,

Deoteronomia 20:11

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Le 25:46; De 20:15; Js 9:22, 27

Fanondroana

  • Fitaovana Fikarohana

    Fandalinana, Boky 1,

Deoteronomia 20:12

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Sl 120:7

Deoteronomia 20:13

Fanondroana Andininy Hafa

  • +No 31:7

Fanondroana

  • Fitaovana Fikarohana

    Fandalinana, Boky 1,

Deoteronomia 20:14

Fanondroana Andininy Hafa

  • +No 31:9, 18
  • +Js 8:2
  • +No 31:12, 27; 2Ta 14:13; Sl 68:12
  • +Js 22:8

Fanondroana

  • Fitaovana Fikarohana

    Fandalinana, Boky 1,

Deoteronomia 20:16

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Js 6:17; 10:28; 11:11

Deoteronomia 20:17

Fanondroana Andininy Hafa

  • +De 7:1

Deoteronomia 20:18

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ek 34:15; De 7:4; Js 23:12; Sl 106:35; Is 2:6; 1Ko 5:6; 15:33

Deoteronomia 20:19

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ne 9:25

Fanondroana

  • Fitaovana Fikarohana

    Manatòna An’i Jehovah, p. 135

    Fandalinana, Boky 1,

  • Fanondroana Boky

    cl 135

Deoteronomia 20:20

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ta 26:15; Mpto 9:14; Is 37:33; Je 6:6; Ezk 17:17

Dikan-teny Hafa

Tsindrio ny andininy iray raha te hijery andininy mifanitsy aminy.

Ankapobeny

Deot. 20:1Js 11:4
Deot. 20:1De 3:22; 31:6; Sl 20:7; 46:7; Oh 21:31; Ro 8:31
Deot. 20:1Ek 13:3
Deot. 20:2No 31:6; Mpts 20:28; 1Sa 30:7; 2Ta 13:12
Deot. 20:3Sl 27:3; Is 35:4; 41:10
Deot. 20:3Sl 3:6
Deot. 20:4Ek 14:14; De 32:30; Js 23:10
Deot. 20:5No 31:14; De 16:18
Deot. 20:5Mpto 2:24
Deot. 20:6Sl 145:9; Mpto 3:13
Deot. 20:7De 24:5
Deot. 20:8Mpts 7:3
Deot. 20:8No 13:33; 14:1; 32:9; De 1:28; As 21:13
Deot. 20:10Js 11:19
Deot. 20:11Le 25:46; De 20:15; Js 9:22, 27
Deot. 20:12Sl 120:7
Deot. 20:13No 31:7
Deot. 20:14No 31:9, 18
Deot. 20:14Js 8:2
Deot. 20:14No 31:12, 27; 2Ta 14:13; Sl 68:12
Deot. 20:14Js 22:8
Deot. 20:16Js 6:17; 10:28; 11:11
Deot. 20:17De 7:1
Deot. 20:18Ek 34:15; De 7:4; Js 23:12; Sl 106:35; Is 2:6; 1Ko 5:6; 15:33
Deot. 20:19Ne 9:25
Deot. 20:202Ta 26:15; Mpto 9:14; Is 37:33; Je 6:6; Ezk 17:17
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Hamaky Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (nwt)
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
  • 13
  • 14
  • 15
  • 16
  • 17
  • 18
  • 19
  • 20
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Deoteronomia 20:1-20

Deoteronomia

20 “Raha mivoaka hiady amin’ny fahavalonao ianao, ka mahita soavaly sy kalesin’ady+ ary vahoaka maro noho ianao, dia aza matahotra azy. Momba anao mantsy i Jehovah Andriamanitrao+ izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta.+ 2 Koa rehefa manatona hiady ianareo, dia hankeny aminareo ny mpisorona mba hiresaka aminareo,+ 3 ka hilaza hoe: ‘Mihainoa, ry Israely ô! Efa manatona hiady amin’ny fahavalonareo ianareo izao, koa aoka tsy ho ketraka ny fonareo.+ Aza matahotra na mikoropaka mandositra na mipararetra noho ny aminy,+ 4 fa miara-mandeha aminareo i Jehovah Andriamanitrareo ka hiady amin’ny fahavalonareo ho anareo, mba hamonjena anareo.’+

5 “Hilaza amin’ny vahoaka koa ny mpiadidy+ hoe: ‘Iza no lehilahy nahavita trano vaovao nefa mbola tsy nitokana azy? Aoka hody any an-tranony izy, sao maty any an’ady ka lehilahy hafa no hitokana ilay trano.+ 6 Iza no lehilahy nanao tanimboaloboka, nefa mbola tsy nisantatra ny vokatra avy aminy? Aoka hody any an-tranony izy, sao maty any an’ady ka lehilahy hafa no hisantatra izany.+ 7 Iza no lehilahy manana fofombady nefa mbola tsy nampakatra azy? Aoka hody any an-tranony izy,+ sao maty any an’ady ka lehilahy hafa no hampakatra an-dravehivavy.’ 8 Hilaza amin’ny vahoaka koa ny mpiadidy hoe: ‘Iza no lehilahy kanosa na saro-tahotra?+ Aoka hody any an-tranony izy, sao hihorohoro toy ny fony koa ny fon’ny rahalahiny.’+ 9 Ary rehefa avy milaza izany amin’ny vahoaka ny mpiadidy, dia hanendry lehiben’ny tafika hitarika ny vahoaka izy.

10 “Raha manatona hiady amin’ny tanàna iray ianao, dia lazao aminy aloha izay fepetra tsy hisian’ny ady.+ 11 Koa raha manaiky izy fa tsy hiady ary mamoha vavahady hidiranao, dia ho lasanao ny olon-drehetra ao amin’ilay tanàna, ary hoterena hanao fanompoana izy ka hanompo anao.+ 12 Raha tsy manaiky hihavana aminao kosa izy,+ fa te hiady aminao ka voatery hanao fahirano azy ianao, 13 dia hatolotr’i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao ilay tanàna, ka asio amin’ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra+ ao. 14 Ny zaza amam-behivavy ihany+ mbamin’ny biby fiompy+ sy ny zava-drehetra azo baboina ao amin’ilay tanàna, no halainao ho babo.+ Ary hano ny zavatra nobaboinao avy tamin’ny fahavalonao, izay natolotr’i Jehovah Andriamanitrao teo an-tananao.+

15 “Toy izany no hataonao amin’ny tanàna rehetra lavitra be, izay tsy tanànan’ireto firenena ireto. 16 Aza avela hisy zavamiaina ho velona+ kosa ao amin’ny tanànan’ireto firenena ireto izay homen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, 17 fa tsy maintsy haringanao tanteraka ny Hetita sy ny Amorita, ny Kananita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita,+ araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao, 18 sao hampianarin’izy ireo hanao hoatran’ny zava-maharikoriko rehetra fanaony tamin’ireo andriamaniny ianareo, ka hanota amin’i Jehovah Andriamanitrareo.+

19 “Ary raha manao fahirano tanàna iray mandritra ny andro maro ianao, dia aza simbana ka kapaina amin’ny famaky ny hazo maniry ao. Aza tapahina ny hazo, fa hohaninao ny voany.+ Olona angaha moa ny hazo any an-tsaha no hataonao fahirano? 20 Izay hazo fantatrao hoe tsy fihinana ihany no hosimbanao ary hotapahinao ka hampiasainao hanaovana fahirano+ an’ilay tanàna miady aminao, mandra-paharesiny.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara