-
2 Mpanjaka 22:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Izao kosa lazaina amin’ny mpanjakan’ny Joda, izay naniraka anareo hanontany an’i Jehovah: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba an’izay henonao: 19 ‘Mora nandray anatra* ny fonao ka nanetry tena+ teo anatrehan’i Jehovah ianao, rehefa nandre ny nanamelohako an’ity toerana ity sy ny mponina ao aminy.—Nilaza mantsy aho hoe hihorohoro ny olona hahita an’izay hanjo azy ireo ary ho voaozona izy ireo.—Ary nandrovitra ny akanjonao+ ianao ka nitomany teo anatrehako. Noho izany, dia nihaino anao koa aho, hoy i Jehovah.
-
-
Lioka 15:22-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Fa hoy ny rainy tamin’ny mpanompony: ‘Mandehana haingana! Makà akanjo lava, ilay tsara indrindra, dia ampanaovy azy, ary asio peratra ny tanany dia asio kapa ny tongony. 23 Alaivo koa ilay zanak’omby mifahy, dia vonoy. Ary andao isika hihinana sy hanao fety, 24 satria efa maty ity zanako ity nefa velona indray,+ ary efa very nefa hita indray.’ Dia nanomboka nifaly izy ireo.
-
-
Lioka 18:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Nijoro lavidavitra kosa ilay mpamory hetra, ary tsy sahy nitraka nijery ny lanitra, fa nikapo-tratra foana ka niteny hoe: ‘Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko* mpanota.’+ 14 Lazaiko aminareo fa izany lehilahy izany no hita fa marina noho ilay Fariseo,+ rehefa nidina tany an-tranony. Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”+
-