FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g92 8/10 p. 10-11
  • Ny Faharatsiana — Iza no Tokony Homen-tsiny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Faharatsiana — Iza no Tokony Homen-tsiny?
  • Mifohaza!—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy Andriamanitra no tokony homena tsiny
  • Aharihary ny tena fototra
  • Hamarana ny faharatsiana ve Andriamanitra?
  • Nahoana moa Andriamanitra no namela ny zava-dratsy hisy hatramin’izao androntsika izao?
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Nahoana no Mbola Manjaka ny Faharatsiana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Faharatsiana
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Faharatsiana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—1992
g92 8/10 p. 10-11

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ny Faharatsiana — Iza no Tokony Homen-tsiny?

REHEFA niditra tao an-tranony ity vehivavy iray, dia nahazo an-tsaina avy hatrany fa nisy zavatra tsy ara-dalàna nitranga. Ny topy maso haingana eran’ny trano dia nanamafy ny ahiahiny maizina indrindra — ny vata fahitalavitra, ny fitaovana stéréo fihainoana mozika, akanjo sasantsasany, ary zavatra hafa no tsy tao intsony. Tamin’izay, dia tonga haingana tao an-tsainy ny eritreritra mampivadi-po, ‘Ahoana raha mbola ato an-trano ireo mpanamy trano?’ Nitady fiarovana tany amin’ny trano iray teo amin’ny manodidina izy mba hiantso ny polisy. Eny, anisan’ireo izay niharam-pahavoazana noho ny fanaovana heloka bevava indray koa izy.

Raha tsy niharan’ny fanaovana heloka bevava manokana ny tenanao, dia azo inoana fa mahafantatra olona izay niharan’izany. Izany dia tantara fahita matetika loatra maneran-tany, izay andraisan’ny mpilalao tsy an-tsitrapo anjara. Araka ny fanadihadihana iray nataon’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Momba ny Fisakanana sy ny Ady Atao Amin’ny Heloka Bevava, dia misondrotra haingana kokoa noho ny toe-karem-pirenena sy ny mponina amin’ny firenena ny isan’ny fanaovana heloka bevava nahazoana tatitra.

Hatraiza hatraiza ny olona tso-po sy mahitsy dia manjary velona ahiahy noho ny heloka bevava, ny famonoana olona mahatsiravina, ny tsy fahamarinana, ary ny fandraisana kolikoly mahazo an’izao tontolo izao toy ny aretina, ary tsy mahahetsika izy ireo noho ny tahotra ny herisetra atao tsy amin’antony. Maro no manontany hoe: ‘Nahoana Andriamanitra no tsy mamarana izany toe-javatra izany?’

Fanontaniana mety izany, ary manome ny valiny tokoa ny Baiboly. Kanefa, mba hahatakarana ny valiny, dia zava-dehibe ny hahalalana ny loharano, ny fototry ny faharatsiana.

Tsy Andriamanitra no tokony homena tsiny

“Misy tsi-fahamarinana va amin’Andriamanitra?” hoy ny fanontanian’i Paoly, mpanoratra ao amin’ny Baiboly. “Sanatria izany!” hoy ny valin-teniny. (Romana 9:14). Nefa, mihevitra angamba ny sasany fa noho izy tsitoha, dia tompon’andraikitra amin’izay zavatra mitranga rehetra Andriamanitra. Tsy izany anefa no izy. Hevero izao: Ny mpanao mari-trano iray dia manao ny sarin’ny trano iray izay sady tsara tarehy no misy izay ilaina. Faran’izay tsara indrindra ny fanatanterahana ny tao trano, ary ny fitaovana nampiasaina dia ny tsara indrindra. Mandrava sy manimba ilay trano anefa ny mpanofa trano. Vetivety dia mila fanamboarana lehibe izy io. Tsy isalasalana fa ekenao fa ireo mpanofa trano, fa tsy ilay nanao ny mari-trano na ilay nanamboatra azy no tompon’andraikitra amin’ny toetra mampalahelon’ilay trano! Toy izany ny amin’ny olombelona sy ny tany amin’izao andro izao. Araka ny anazavan’ny Deoteronomia 32:4, 5 (NW ) azy, dia tanteraka ny asan’i Jehovah. “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy ahitana tsy fahamarinana ao aminy.” Iza àry izany no tokony homen-tsiny amin’ny ankamaroan’ny fahasahiranana misy eto an-tany amin’izao andro izao?

Manohy toy izao ilay andinin-teny: “Izy ireo kosa dia nanao zavatra tamin’ny fomba mandrava (...) azy ireo ny tsiny.” Marina tokoa fa noho ny fahalemen’ny olombelona mivantana, na angamba noho ny sitrapony no mahatonga ny ankamaroan’ny fahasahiranana misy maneran-tany amin’izao andro izao. Kanefa, misy loharano hafa sy fototry ny faharatsiana mbola lehibe kokoa.

Aharihary ny tena fototra

Ao amin’ny Apokalypsy 12:9, dia vakintsika fa i Satana Devoly, “izay mamitaka izao tontolo izao”, dia nazera etỳ amin’ny manodidina ny tany. Inona no vokany? Ny andininy faha-12 amin’io toko io ihany dia manohy toy izao: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” Noho izany dia izy, ilay Fahavalo lehibe, no mahatonga ny tsy fahamarinana rehetra izay mameno ny tany. Marina fa misy olona sasany miara-miasa aminy amin’izany fiezahana ataony izany; kanefa, izy no ilay lazalazaina ho toy ny “mpamono olona hatramin’ny taloha.” (Jaona 8:44). Asehon’ny Soratra Masina amintsika fa i Satana Devoly no fototry ny zava-manahirana ny olona. Tsy hoe fototr’izany fotsiny izy, fa mampaharitra hatrany ny faharatsiana koa, amin’ny fanamafisana ny fiezahana ataony amin’izao “andro farany” izao. (2 Timoty 3:1-5, 13, NW ). Noho izany, dia tsy i Jehovah Andriamanitra no niavian’ny faharatsiana. Nefa, moa ve ampy fiahiana antsika izy ka hanao zavatra mba hamaranana ny fahorian’ny olombelona?

Hamarana ny faharatsiana ve Andriamanitra?

Eny, miahy antsika tokoa izy, ary hamarana ny faharatsiana sy ny fahoriana. Andriamanitra fitiavana izy, ary amin’ny maha-Ray be fitiavana azy dia fantany izay ilain’ny zanany sy ny fanirian’izy ireo sady maniry hanome fahafaham-po azy amin’izany izy. (Salamo 145:16; 1 Jaona 4:8-10). Ny hoe mbola tsy nanaovan’Andriamanitra izany dia tsy milaza akory fa tsy miraika izy. Tsy izany, fa ny fifehezany tena sy ny fahari-po nasehony kosa dia porofon’ny maha-tsitoha azy sy ny fahatakaran-javatra tsy manam-petra ananany. Fantany ny fotoana tsara indrindra hamaranana ity fandehan-javatra ratsy ity, ka hanao izany amin’ny fomba tsy diso izy amin’ny fotoana mety.

Ny tarehin-javatra dia azo oharina amin’izay mahazo ny reny iray bevohoka. Na dia mitebiteby aza izy eo am-piandrasana ny hahaterahan’ny zanany kely, dia fantany fa tsy misy tokony hanahiana tafahoatra. Takany fa mila fotoana sasany mba hitomboan’ilay zazakely amin’ny fomba feno ao am-bohoka. Tsy isalasalana fa hisy tebiteby sasany sy fahadisadisana mandritra izany fotoana izany, nefa ny fahaterahan’ny zazakely iray salama sy miforona tsara ary tonga volana dia mendrika izany fanahiana sy fiandrasana rehetra izany.

Tahaka izany koa ny amin’ilay tontolom-piadanana vaovao be voninahitra lazalazain’ny Baiboly. Ho tonga avy hatrany aorian’ny fandraisan’ny Fanjakan’Andriamanitra anjara amin’ny raharahan’ny olombelona izy io, rehefa ho nofoanana ny tontolo tsy marina misy amin’izao fotoana izao. Aorian’izany, dia ho anisan’ny zavatra lasa ny faharatsiana amin’ny endriny rehetra. Ny fahoriana, ny fanaintainana, ny aretina, ary ny fahafatesana — izany zavatra rehetra izany dia ho efa nanjavona. (Apokalypsy 21:3, 4). Ireo tompon’andraikitra tamin’ny fahoriana rehetra dia ho efa nofoanana koa. I Satana sy ny demoniany, ary koa ny olona izay tonga anisan’ity fandehan-javatra ity, dia ho voakasika amin’izany. — Malakia 3:19; Apokalypsy 20:1-4.

Ireo izay tahaka ilay vehivavy voalaza teo am-piandohan’ity lahatsoratra ity dia tsy hila ny hatahotra intsony rehefa hody irery ao an-trano. Hoy ny nolazain’izy sy ny vadiny: “Taorian’ny nidirana an-keriny tao an-tranonay, dia nasianay fitaovam-panairana tao an-trano. Taona maromaro izay no efa lasa hatramin’ilay halatra, noho izany dia tsy dia manahy be loatra momba izany intsony izahay. Nefa, fantatray fa amin’ny hoavy ihany, eo ambanin’ny fandaharan’ny Fanjakan’Andriamanitra vao hifaly amin’ny tena fiadanana sy filaminana izahay.”

Mandra-pisehon’izany andro efa antomotra izany, dia tokony hampiasa ny fotoana ananantsika ankehitriny amim-pahendrena isika. Milaza amintsika i Petera mba hihevitra “ny fahari-pon’ny Tompontsika (...) ho famonjena”. (2 Petera 3:15). Ary ho famonjena ny hafa koa, satria rehefa milaza amin’ny olona izany fanantenana mahatalanjona izany isika, dia ‘hamonjy ny tenantsika sy izay mihaino antsika’. (1 Timoty 4:16). Izao no fotoana tokony hambolentsika ireo toetra izay hahatonga antsika ho ny karazan’olona hiaina ao amin’izany tontolo vaovao izany, ka ao dia ho anisan’ny zavatra efa lasa ny faharatsiana. (Salamo 37:9-11). Tokony handinika ny Baiboly isika, tsy hoe mba hahitana valin’ireo fanontaniantsika fotsiny, fa mba hahazoana koa ny fitarihana ilaina mba hampifanarahana ny fiainantsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

[Sary, pejy 10]

Hosodoko nataon’i Doré ny amin’i Lucifer ho an’ny Comédie Divine nosoratan’i Dante

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara