FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g92 8/10 p. 22
  • Death Metal — Hafatra Inona no Omeny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Death Metal — Hafatra Inona no Omeny?
  • Mifohaza!—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Mitandrema Tena Amin’ny Mozika Tsy Mahasoa!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mety Hanimba Ahy Tokoa ve ny Mozika?
    Mifohaza!—1993
  • Inona no Maha-ratsy ny Mozika Henoiko?
    Mifohaza!—1993
  • Tokony Hanatrika Rindran-kira Rock ve Aho?
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1992
g92 8/10 p. 22

Death Metal — Hafatra Inona no Omeny?

MITSANGANA eo anoloan’ireo mpankasitraka mihoby sy manakora azy ny tovolahy iray masiaka maso sy lava volo. Maka gamela iray feno ram-biby sy taovam-biby izy ary manipy izany eo amin’ireo laharana voalohany. Toran’ny hehy ireo mpankasitraka azy, mamafa izany amin’ny tenany ary mifanipy ireo taovany. Io fisehoan-javatra io, araka ny St. Petersburg Times any Floride, dia nitranga tao amin’ny rindran-kira rock iray nataon’ny tarika iray antsoina hoe “Deicide”, izay midika hoe ‘ny famonoana andriamanitra’. Io karazana mozika io dia antsoina hoe death metal, izay lazaina fa ny tafahoatra indrindra amin’ny endriky ny rock heavy metal (mozika rock elktronika misy paika mafy ary mifandray amin’ny zavatra hafahafa ivelan’ny fiainana tena izy). Tao anatin’ireo taona faramparany, dia nihananjary tiam-bahoaka izy io, tsy any Floride ihany, fa maneran-tany koa, hatramin’ny fahombiazana hitan’ny kapila iray mitondra ny lohateny hoe Scream Bloody Gore, an’ny tarika iray antsoina hoe “Death” (Fahafatesana).

Ny tarika “Deicide” dia tarihin’ny mpanompo an’i Satana tsy miafina iray izay milaza fa mankahala an’Andriamanitra hatramin’ny nahazoany olatra iray miendrika J tamin’ny lozam-piarakodia iray. Azony antoka, hono, fa io J io dia mampiseho na, an’i Jesosy na, an’i Jehovah. Milaza izy fa mahare feo mampirisika azy hamono tena, ary mitondra famantarana satanika iray napetany tamin’ny vy mahamay eo amin’ny handriny.

Na dia ireo tarika heavy metal tsotra kokoa aza dia mampiely hafatra maharikoriko toy izany ihany koa. Nanao tatitra ny gazety Time fa ny tarika heavy metal “Guns N’ Roses” dia nahavarotra 1, 5 tapitrisa tao anatin’ny telo andro tamin’ireo kapila roa nataony. Ireo kapila ireo anefa dia mifanaraka tsara amin’ilay antsoin’ny Time hoe “ny tonon-kira mampiseho fampietrena tsy misy indrafo ny vehivavy sy herisetra miharihary” mampiavaka ilay tarika ary koa “ny tahotra miharo fankahalana zavatra na olona vahiny, ny fanavakavaham-bolon-koditra ary ny fahafinaretana mampijaly ny hafa”, asehony koa indraindray. Anisan’ny asehon’ireo kapila ireo koa ny firaisana amin’ny vava sy ny famonoana olona, ary feno teny ratsy avokoa izy rehetra ireo. Mpivarotra maromaro no nanda tsy hivarotra azy ireo.

Ny rock heavy metal, ary koa ny mozika rap sasany, tato ho ato dia nihaniharan’ny fanakianana — ary tsy avy amin’ireo mpanaraka fitsipika ara-pivavahana hentitra na ireo antoko ara-politika mpitana fatratra ny fanao ela ihany; ny American Medical Association (AMA) sy ny American Academy of Pediatrics koa dia sahy nanohitra ireo loza miafin’ny tonon-kiran’ireo karazana mozika roa ireo. Araka ny gazety American Health, dia manambara toy izao ny AMA: “Ireo hafatra entin’ny karazana mozika rock sasany dia mety tena handrahona ny fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-pon’ireo ankizy sy zatovo izay efa mora iharam-pahavoazana.”

Moa ve tena mampidi-doza tokoa ireo karazana mozika ireo? Diniho fotsiny ny loha hevitra enina fandre amin’ny mozika rap sy heavy metal izay inoan’ny AMA fa mampidi-doza aoka izany: ny zava-mahadomelina sy ny alkaola, ny famonoan-tena, ny herisetra, ny fanompoana an’i Satana, ny fampiasana ny hafa eo amin’ny lahy sy ny vavy ho an’ny tombontsoan’ny tena ary ny fanavakavaham-bolon-koditra. Afaka ny hampahery ve ny loha hevitra toy izany? — Ampitahao amin’ny Ohabolana 6:27, 28; Filipiana 4:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara