Ny Olona Kavia Mahita Tombony sa Maty Antoka?
RAHA kavia ianao, moa ve izany manelingelina anao satria hoe hafa noho ireo olona kavanana ianao? Marina fa vitsy an’isa ireo kavia, na dia sarotra aza ny mamantatra ny tena ampahany isan-jato marina. Ny fanombantombanana dia mametraka ny isan’ny olona kavia ho eo anelanelan’ny 1 isan-jato sy ny 30 isan-jato amin’ny mponina amin’ny tany.
I Michael Barsley, izay nanao fikarohana lalina momba io foto-kevitra io, dia nanoratra toy izao ao amin’ny bokiny hoe Left-Handed People (Ireo Kavia): “Eo anelanelan’ny 1 isan-jato sy ny 30 isan-jato dia miharihary fa tsy maintsy misy isa marina iray, kanefa tsy misy antontan’isa naroso ka neken’ny rehetra. Ho azontsika atao ny hanombana fa ho azo inoana ny 4 na 5 isan-jato ao amin’ny tany demokratika iray manana kolon-tsaina ambony.”
Ny Encyclopedia International-n’i Grolier dia mametra ho eo amin’ny 6 isan-jato eo ho eo ny isan’ny kavia maneran-tany. Kanefa na dia ny 5 na 6 isan-jato amin’ny mponina amin’ny tany aza dia mbola hanome isan’olona eo amin’ny 300 tapitrisa ihany. Koa raha kavia àry ianao, dia mana-namana be dia be.
Ny olona kavia iray dia mety ho sosotra noho ireo fitaovana ao an-tokantrano miharihary fa namboarina ho an’ireo kavanana. Ohatra, ny raobinen-drano mangatsiaka matetika dia eo amin’ny ankavanan’ny tavy fanasan-tanana, angamba satria izy io no tena fampiasa. Ireo bokotra fampandehanana ny televiziona koa mazàna dia hita eo amin’ny ankavanana. Koa tsy maintsy miampita ny tenany manontolo àry ny tanan’ireo kavia mba hampiasana zavatra toy izany.
Inona no mahatonga ny olona ho kavia?
Nahoana ny sasany no mampiasa ny tanany havia amin’ny ankamaroan’ny zavatra ataony? Misy fanazavana maro samihafa. Misy fandinihana manipy hevitra fa nolovana io lafin-toetra io, na dia mety hanana fiantraikany eo amin’ny fironany ho amin’ny fampiasana ny tanana havanana na ny tanana havia aza ny manodidina ny zaza iray mandritra ireo taona iforonan’ny maha-izy azy.
Nisy tsangan-kevitra mahaliana nipoitra arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Ny mpitsabo aretin’ny fitatitra frantsay iray tamin’ny taonjato faha-19 atao hoe Paul Broca dia nanolotra ny tsangan-kevitra fa ny olona kavia iray dia sarin’ny olona kavanana iray araka ny asehon’ny fitaratra, raha ny amin’ny fiasan’ny atidoha.
Ny hafa mitarika io tsangan-kevitra io ho lasa lavidavitra kokoa, ary mino fa mihatra eo amin’ny ara-batana koa, hono, izany. Koa nanampo ny hahita ny fon’ny olona kavia ho eo amin’ny faritra havanan’ny vatany àry izy ireo. Tsy ela ireo mpandinika ny vatan’olombelona dia nanaporofo fa diso izany. Kanefa, tena misy fifandraisana akaiky tokoa eo amin’ny fiasan’ny atidoha, na ny fandaminana ao anatiny, sy ny maha-kavia na ny maha-kavanana, ary ireo mpahay siansa momba ny fitatitra dia eo am-panaovana fikarohana fanampiny momba io foto-kevitra io.
Ny ilany tsirairay amin’ny atidohan’olombelona dia antsoina hoe hémisphère, na ilabetro, ary hatramin’ny taonjato faha-19, dia takatra fa ireo ilabetron’ny atidoha dia samy manam-pahaizana manokana mba hanatontosa asa samy hafa avy. Manipy hevitra ny fikarohana vita fa ho an’ny ankamaroan’ny olona, ny ilabetro havia amin’ny atidoha no foiben’ny asa fitenenana, fanaovana marika, fandrindran-kevitra ary ny asa fandinihan-javatra hafa. Ny ilabetro havanana kosa dia toa mirona kokoa ho amin’ny zavatra toy ny mozika sy ny zavakanto. Ireo kavia anefa dia toa hita ho hafa raha ny amin’ny fomba fandraisany zavatra sy ny fomba fampiasany ireo ilabetro roa ireo.
Avakavahana ve ny kavia?
Any amin’ny tany mandroso amin’izao andro izao, dia tsy dia misy fanavakavahana loatra aseho amin’ireo kavia, afa-tsy ny famazivaziana tsindraindray. Tsy izany foana anefa no nitranga. Ny tany sasany dia nampiseho tsy fileferana teo anoloan’ireo kavia. Norarana mihitsy aza ny fanoratana tamin’ny tanana havia tany am-pianarana. Ary tsy ela akory izay, ireo ray aman-dreny sy mpampianatra dia fantatra fa namatotra ny tanana “tsy izy” tao an-damosin’ilay ankizy mba hanerena azy hampiasa ny tanany “tsara”.
Tamin’ny lasa, ny fankahalana voajanahary tsapan’ny olombelona amin’izay zavatra rehetra hafa noho ny mahazatra azy dia nampirisihin’ny angano ara-pivavahana. Nisy fotoana nilazana fa kavia, hono, ny Devoly, fa Andriamanitra kosa kavanana. Hita amin’ny sary hoso-doko tamin’ny taonjato maro lasa izany. Rehefa mijery azy ireny ianao, dia mariho hoe tanana inona no manao fihetsehana na mihazona zavatra. Voalaza koa fa ny ankamaroan’ireo mpanao ody ratsy, hono, dia kavia.
Tokony homarihina fa tsy tohanan’ny Baiboly Masina velively ny angano toy izany. Tamin’ny andron’ny Baiboly dia samy nahatanteraka zava-dehibe nankasitrahan’Andriamanitra na ny lehilahy kavia na ny lehilahy kavanana. Ny ohatra manaitra iray dia ny fitantarana ny amin’i Ehoda Mpitsara. Noho izy ireo nampahorin’i Eglona Mpanjakan’i Moaba, dia nitodika tany amin’Andriamanitra mba hahazoana fanampiana ny Isiraelita. Nampiasa an’i Ehoda, lehilahy kavia, i Jehovah mba hamonoana an’i Eglona Mpanjaka natavy, ary ny naha-kavia an’i Ehoda no hita fa nitondra tombony nazava tsara ho azy teo amin’ny tetika nampiasainy. — Mpitsara 3:15, 21.
Fanampin’izany, ny foko Isiraelitan’i Benjamina dia nanana antokon’olo-manga voaforona mpiady 700 izay samy kavia avokoa ary niavaka noho ny fampiasana araka ny marina tsara ny antsamotady nahavita namono olona. (Mpitsara 20:16). Tatỳ aoriana, dia voalaza fa nisy mpiady afaka nampiasa ireo tanany havia sy havanana tao amin’ireo tafik’i Davida Mpanjaka. (1 Tantara 12:2). Koa izay mampiseho fanavakavahana amin’ireo kavia àry dia manao zavatra tsy amim-pahalalana.
Tsy misy antony tokony hahatsiarovan-tena ho ambany
Diniho koa ny zava-bitan’olona kavia amin’izao andro maoderina izao. Maro amin’izy ireo no nanjary nalaza teo amin’ny fanatanjahan-tena. I Babe Ruth, izay heverina ho ny iray amin’ireo mpilalao lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny base-ball, dia kavia, toy ny mpilalao base-ball maro.
Eo amin’ny filalaovana cricket koa dia misy olona kavia mahomby maro, tsy amin’ny fampiasana ilay baolina ihany fa ilay hazo fikapohana azy koa. Tamin’ny fifaninanana cricket iray tany Angletera, tao amin’ny ekipa avy tany amin’ireo Nosin’i Caraïbes dia betsaka kokoa noho ny mpilalao kavanana ny mpilalao kavia. Ny iray tamin’ireo nahay indrindra tamin’ny lafiny rehetra tamin’ilay lalao, i Gary Sobers avy tany amin’ireo Nosin’i Caraïbes, dia nampiasa ilay baolina sy ilay hazo fikapohana tamin’ny tanany havia.
Eo amin’y ady sabatra, fanatanjahan-tena olympika tiam-bahoaka, koa dia maro be ireo mpandray anjara kavia. Tamin’ireo Lalao Olympika tamin’ny 1980, ny 3 tamin’ireo 4 nahazo ny medaly volamena tamin’ny ady sabatra dia kavia.
Ny olo-malaza sasany eo amin’ny fampialana voly ny mpijery amin’izao andro izao dia kavia. I Charles Chaplin, ohatra, tao amin’ny iray amin’ireo sarimihetsika malaza nataony, dia nitendry violon tamin’ny tanany havia. Ny hafa dia i Harpo Marx sy i Danny Kaye izay nahay nanao zavatra maro.
Eo amin’ny tontolon’ny zavakanto, dia tsy misy malaza ohatra an’i Leonardo da Vinci angamba eo amin’ny asa nataony tamin’ny tanany havia. Na dia misy misalasala aza raha kavia hatramin’ny nahaterahany izy, dia toa misy porofo maro manamarina fa nanoratra sy nandoko tamin’ny tanany havia izy, na dia nasehony koa aza fa ambidextre (sady kavia no kavanana) izy, tamin’ny fampiasana koa ny tanany havanana.
Ny fanoratana mivadika
Misy fifandraisana akaiky eo amin’ny maha-kavia sy ny fanoratana mivadika. Ny fanoratana mivadika dia rehefa soratana mivadika ireo litera ka atao avy any ankavanana miankavia ny fanoratana. Manazava toy izao ny Dr. Macdonald Critchley ao amin’ny bokikeliny hoe Mirror-Writing (Fanoratana Mivadika): “Ny tiana holazaina amin’ny teny hoe fanoratana mivadika (...) dia ilay karazana soratra izay mifanipaka amin’ny fandehan’ny soratra mahazatra ny fandehan’ny fanoratana azy, ka ireo litera tsirairay koa amin’izay dia mivadika. Tsy azo vakina àry ilay soratra raha tsy atsangana eo anoloan’ny fitaratra iray; ny ohatra fantatry ny rehetra ny amin’ny fanoratana mivadika dia ireo marika tavela eo amin’ny buvard (taratasy fanamainan-tsoratra) iray.”
Mazava ho azy fa mety tsara amin’ny penina hazonina amin’ny tanana havia izany, hany ka tsy misy afa-tsy ny olona kavia ihany no manao io fomba fanoratana mahavariana io. Ny filazana voalohany momba azy io dia ny amin’ny miaramila iray izay namoy ny tanany havanana tamin’ny ady. Rehefa nanomboka nanoratra tamin’ny tanana havia izy, dia nandeha ho azy fotsiny ny fanoratany tamin’ny fomba nivadika. Ny ankizy vao mianatra manoratra sasany dia manao izany amin’ny litera mahasanganehana azy toy ny b, ny d, ny p ary ny q.
Angamba ny olona malaza indrindra amin’ny fanoratana mivadika eo amin’ny haisoratra dia i Lewis Carroll, ilay mpanoratra kavia ny hoe Alice aux pays des merveilles. Izany dia nanainga ny fony hanoratra ny bokiny hoe Through the Looking Glass (Ao Ambadik’ilay Fitaratra). Ny zavatra rehetra ao dia mivadika, mifandiso na toy ny aseho amin’ny fitaratra.
Fitahiana sa fatiantoka?
Raha kavia àry ianao, dia mifalia fa, any amin’ny ankamaroan’ny tany, dia takatry ny olona kokoa ny toerana misy anao noho ny an’ireo kavia tahaka anao tamin’ny lasa. Amin’izao andro izao, dia misy fitaovana sy fiasana fampiasa ao an-trano maro — toy ny hety, ny ouvre-boîtes, ny antsy famoasana ovy, ary ny sotron-tsokain’ny mpanao trano biriky — namboarina manokana ho anao. Afaka mividy penin-dranomainty natao hanana endrika manamora ny fanoratana amin’ny tanana havia mihitsy aza ianao.
Tena tsy misy antony tokony hialanao tsiny mihitsy satria hoe kavia ianao. Mety ho haingana kokoa sy marina kokoa noho ny an’ireo kavanana aza ny réflexes-nao sasany. Mety hisy talenta manokana ho amin’ny mozika na ny zavakanto aza miafina ao amin’ny tananao havia.
Inona àry no famaranan-kevitrao? Mitondra tombony sa fatiantoka ny hoe kavia eo anivon’ny tontolo iray natao ho an’ny kavanana? Na dia mety tsy hilaza aza ny sasany fa fitahiana ny maha-kavia azy, dia hita fa mihena tsikelikely ny fatiantoka hitan’ny kavia, ary indraindray aza dia mety hitondra tombony izy io.