FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g95 8/4 p. 26-28
  • Ny Eglizy Katolika ao Afrika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Eglizy Katolika ao Afrika
  • Mifohaza!—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Adim-poko
  • Voalaza fa iadian-kevitra ny fahavelomana
  • Ny Eglizy sy ny “fampifanarahana ny kolontsaina”
  • Inona no tokony hataonao?
  • Ny Eglizy — Fiovana sy Fisafotofotoana
    Mifohaza!—1994
Mifohaza!—1995
g95 8/4 p. 26-28

Ny Eglizy Katolika ao Afrika

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY ITALIA

NY EGLIZY Katolika ao Afrika dia manana mpikambana am-polo tapitrisany maro, ary ireo zava-manahirana azy any dia tena lehibe. Tamin’ny fiandohan’ny taona 1994, dia nihaona tao amin’ny Vatikana, any Roma, ireo filohan’ny eglizy maherin’ny 300, mba handinika ny sasantsasany tamin’ireny zava-manahirana ireny, nandritra ny synoda manokana iray, naharitra iray volana.

Rehefa nanokatra ny fotoam-pivoriana ny papa dia izao no nolazainy, araka ny tatitra nataon’ny gazety L’Osservatore Romano: “Voalohany androany no nisy Synodan’ny Eglizy Afrikana nahafaoka ilay kontinenta manontolo. (...) Manatrika eto amin’ny Bazilikan’i Md. Piera anio ny solontena rehetra avy any Afrika. Miarahaba an’i Afrika amim-pitiavana lalina ny Evekan’i Roma.”

Adim-poko

Araka ny fantatry ny maro, dia tena lehibe ireo zava-manahirana ny Eglizy Katolika ao amin’ireo tany afrikanin’i Burundi sy i Rwanda, izay Katolika ny ankamaroany. Ny adim-poko misy any dia nanjary vaovao niraisam-pirenena tamin’io lohataona io, rehefa naripak’ireo mpifanila trano taminy ny olona ana hetsiny maro. Nanao izao tatitra izao ny vavolombelona iray nanatri-maso: “Nahita vehivavy nibaby ny zanany sady namono olona izahay. Nahita ankizy namono ankizy izahay.”

Ny gazety National Catholic Reporter dia nilaza ny amin’ny fahorian’ireo filoha katolika. Nolazainy fa ny papa dia “ ‘nalahelo mafy’ rehefa nahazo ireo tatitra farany momba ny ady tao amin’io firenena [Burundi] kely afrikana io, izay Katolika ny ankamaroany”.

Mbola fahavoazana be kokoa ho an’ireo filoha katolika ireo fandripahana tany Rwanda. “Nomelohin’ny Papa ny Fandripahana tao Amin’ny Firenena Iray Izay ny 70 Isan-jatony Aminy dia Katolika”, hoy ny lohateny iray tao amin’io gazety io ihany. Nomarihin’ilay lahatsoratra fa: “Ny ady tao amin’ilay firenena afrikana dia ‘tena fandripahana marina, ka mampalahelo fa na dia ireo Katolika aza dia tompon’andraikitra tamin’izany’, hoy ny papa.”

Koa satria ireo habibiana nitranga tany Rwanda dia nifanitsy tamin’ny fotoana nanaovana ilay synoda katolika nanan-tantara novorìna tao Roma, dia niharihary fa nifantoka tamin’ny tarehin-javatra nisy tany Rwanda ny sain’ireo eveka. Nomarihin’ny National Catholic Reporter fa: “Ny ady tao Rwanda dia mampiharihary zavatra iray mampanahy: Tsy niorim-paka firy tao Afrika ny finoana kristiana mba handresy ny fisaratsarahana ara-poko.”

Nanohy ny filazany toy izao ny National Catholic Reporter rehefa nanamarika ny fanahian’ireo eveka tafavory: “Nohazavain’i Albert Kanene Obiefuna, evekan’i Awka, any Nizeria, io loha hevitra [ny amin’ny fisaratsarahana ara-poko] io rehefa niteny teo anoloan’ilay synoda izy.” Izao no nohazavain’i Obeifuna tao amin’ny lahateniny: “Ny Afrikana dia miaina ny fiainam-pianakaviany ary koa ny fiainany kristiana manodidina ireo fiheverany ara-poko.”

Tsy isalasalana àry fa i Rwanda no noeritrerein’i Obiefuna rehefa nanohy ny lahateniny teo anoloan’ilay synoda toy izao izy: “Miely aoka izany io fomba fihevitra io, hany ka misy fitenenana eo amin’ireo Afrikana manao hoe rehefa mafy ny tarehin-javatra ka voatery misafidy dia tsy ilay hevitra kristiana an’ny Eglizy amin’ny maha-fianakaviana no mandresy fa ilay hain-teny hoe: ‘matevina kokoa noho ny rano ny ra’. Ary azo ampoizina fa voafaoka ao anatin’ny rano eto ny ranon’ny Batemy, izay amin’ny alalany no ahaterahan’ny olona iray ao amin’ny fianakavian’ny Eglizy. Mbola zava-dehibe kokoa ny fatoran’ny ra na dia ho an’ny Afrikana iray tonga Kristiana aza.”

Araka izany, dia niaiky ilay eveka fa ny finoana katolika ao Afrika dia tsy nahomby tamin’ny famoronana fianakavian’ny mpirahalahy kristiana izay ifankatiavan’ireo mpino marina tokoa, araka ny nampianarin’i Jesosy Kristy fa tokony hataony. (Jaona 13:35). Ho an’ireo Katolika afrikana kosa, dia “mbola zava-dehibe kokoa ny fatoran’ny ra”. Izany no nahatonga azy ireo hametraka ny fankahalana ara-poko alohan’ny fiheverana hafa rehetra. Araka ny fieken’ny papa, dia tsy maintsy miantsoroka ny andraikitra ny amin’ireo zavatra feno habibiana loatra natao vao haingana teo amin’ny tantara, ireo Katolika ao Afrika.

Voalaza fa iadian-kevitra ny fahavelomana

Ireo eveka afrikana tao amin’ilay synoda dia naneho ny tahotr’izy ireo ny amin’ny fahaveloman’ny Fivavahana Katolika ao Afrika. “Raha tiantsika ny hahaveloman’ny Eglizy hatrany ao amin’ny taniko”, hoy i Bonifatius Haushiku, eveka namibiana, dia “tsy maintsy tena heverintsika ny raharaha ny amin’ny fampifanarahana ny kolontsaina.”

Izao no nolazain’ny masoivohon’ny gazety katolika italiana Adista rehefa naneho fihetseham-po nitovy tamin’izany koa izy: “Ny firesahana momba ny ‘fampifanarahana ny kolontsain’ny’ Filazantsara amin’i Afrika dia midika ho firesahana momba ny fisian’ny Eglizy Katolika mihitsy ao amin’io kontinenta io, momba ny fahafahany ho velona na tsy ho velona.”

Inona marina moa no tian’ireo eveka holazaina amin’ny hoe “fampifanarahana ny kolontsaina”?

Ny Eglizy sy ny “fampifanarahana ny kolontsaina”

Nohazavain’i John M. Waliggo fa “fampifanarahana no teny izay nampiasaina hatry ny ela mba hilazana io zava-misy io ihany”. Raha lazaina amin’ny teny tsotra, ny hoe “fampifanarahana ny kolontsaina” dia midika ho fandraisana ny lovantsofina sy ny hevitr’ireo fivavahana ara-poko ho ao anatin’ny fombafombam-pivavahana sy fanompoam-pivavahana katolika, ka izany dia manome anarana sy heviny vaovao ireo fomba fanao, ireo fitaovana sy ireo fihetsehana ary ireo toerana tranainy.

Ny fampifanarahana ny kolontsaina dia mamela ireo Afrikana ho Katolika tsara laza, kanefa mbola manohy mitana ireo fanao sy fombafombam-pivavahana ary zavatra inoan’ireo fivavahany ara-poko. Misy tokony handavana izany ve? Ilay gazety italiana atao hoe La Repubblica, ohatra, dia nanao izao fanontaniana izao: “Moa ve tsy marina fa tany Eoropa ny Krismasy dia niorina tamin’ny fankalazana ny Solis Invicti izay nianjera ny 25 Desambra?”

Izany marina tokoa, araka ny nomarihin’i Josef Tomko, kardinalin’ny Kongregasiona ho Amin’ny Fampielezana ny Filazantsara Amin’ny Sarambaben’olona, toy izao: “Ny Eglizy misionera dia nanao ny asan’ny fampifanarahana ny kolontsaina efa ela be talohan’ny nampiasana an’io teny io.” Ny fankalazana ny Krismasy dia mampiseho tsara izany, araka ny nomarihin’ny La Repubblica. Tany am-boalohany, dia fankalazana avy amin’ny fanompoan-tsampy izy io. “Tsy mifanitsy amin’ny nahaterahan’i Kristy ny datin’ny faha-25 Desambra, fa amin’ny fetin’ny Natalis Solis Invicti, ilay fety romana fankalazana ny masoandro amin’ny solstice [rehefa lavitra indrindra ny ekoatera ny masoandro]”, hoy ny fieken’ny New Catholic Encyclopedia.

Ny Krismasy dia anankiray monja amin’ireo fanao maron’ny Eglizy izay miorina amin’ny fanompoan-tsampy. Toy izany koa ireo zavatra inoana hafa tahaka ny Trinite, ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme) sy ny fampijaliana mandrakizay ny fanahy olombelona aorian’ny fahafatesana. Ny Kardinaly John Henry Newman tamin’ny taonjato faha-19 dia nanoratra fa “ireo mpitarika ny Eglizy hatrany am-boalohany dia vonona, raha sendra nipoitra ny fahafahana ho amin’izany, ny handray, na haka tahaka, na hankasitraka ireo fombafomba amam-panaon’ny sarambabem-bahoaka”. Rehefa nanonona ireo fanao sy andro fankalazana maron’ny eglizy izy dia nilaza fa “samy avy amin’ny fanompoan-tsampy avokoa [izy ireny], ary nanjary masina rehefa noraisin’ny Eglizy”.

Fony niditra tany amin’ireo faritra tsy kristiana, toy ny tao Afrika, ireo Katolika, dia matetika izy ireo no nahita mponina, izay efa nanana fanao sy zavatra ninoana nitovy tamin’ny an’ny eglizy. Izany dia noho ny nandraisan’ny eglizy tao aminy, fanao sy fampianarana avy tamin’ireo tsy kristiana nandritra ny taonjato maro tany aloha, ka nampidirana izany tao amin’ny Fivavahana Katolika. Ireny fanao sy fampianarana ireny dia “nanjary masina rehefa noraisin’ny Eglizy” araka ny filazan’ny Kardinaly Newman.

Araka izany, rehefa nitsidika vahoaka tsy kristiana tao Afrika ny Papa Jean-Paul II tamin’ny taona 1993, dia nanonona izao teny izao izy, araka ny voalazan’ny L’Osservatore Romano: “Tany Cotonou [Bénin, any Afrika] aho, dia nihaona tamin’ireo mpanaraka ny vaudou, ary niharihary tamin’ny fomba firesany fa efa nanana sahady tao an-tsainy ireo fanao, ireo famantarana sy toe-tsaina, izay tamin’ny fetra sasany dia izay nirin’ny Eglizy hatolotra azy, izy ireo. Niandry fotsiny izy ireo ny fotoana hisian’ny olona hanampy azy hanao ny fiovana ka hiainany tamin’ny alalan’ny batemy, izay efa niainany sy hitany tamin’ny heviny sasany, talohan’ny bateminy.”

Inona no tokony hataonao?

Ny tsy fahombiazan’ny eglizy nampianatra Kristianisma marina sy tsy voaloto tamin’ireo vahoaka tany Afrika dia nitondra vokany nahatsiravina. Nampaharitra ny fisaratsarahana ara-poko izany, toy ny fanindrahindram-pirenena tany amin’ny toeran-kafa, ka niteraka ny fifandripahan’ny samy Katolika. Fanalam-baraka toy inona moa izany ho an’i Kristy! Lazain’ny Baiboly fa ny fifamonoana tsy ara-dalàna toy izany dia mampahafantatra ny olona ho “zanaky ny Devoly” ary nilaza toy izao ny amin’ny olona tahaka izany i Jesosy: “Mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” — 1 Jaona 3:10-12; Matio 7:23.

Noho izany, inona no tsy maintsy hataon’ireo Katolika tso-po? Ny Baiboly dia mampirisika ny Kristiana hitandrina mafy mba tsy hilefitra amin’izay fanao na zavatra inoana rehetra hahatonga ny fanompoam-pivavahany haloto eo imason’Andriamanitra. “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino”, hoy ny Baiboly. Mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia ilainao ny ‘misaraka ary tsy manendry izay zavatra tsy madio eo imason’Andriamanitra’. — 2 Korintiana 6:14-17.

[Teny notsongaina, pejy 28]

‘Ny ady any Rwanda dia tena fandripahana, ka na dia ireo Katolika aza dia tompon’andraikitra tamin’izany’, hoy ny papa

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Sary: Jerden Bouman/Sipa Press

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara