Fanilihana Ireo Hevi-diso Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
TEO am-panaovana ny asa fitoriany isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah roa, dia tojo lehilahy iray izay niteny taminy fa tsy liana ny tenany. Niala tamim-pilaminana ireo Vavolombelona, nefa rehefa nidina ny sisin-dalana izy ireo, dia nahamarika fa nanaraka azy ireo ilay lehilahy. “Mijanòna, aza fady!”, hoy ilay lehilahy niantso. “Te hiala tsiny aho. Tsy mahafantatra na inona na inona momba ny Vavolombelona aho, ary mino aho fa olona maro no tsy nampahafantarina tamin’ny fomba marina ny aminareo.”
Avy eo ilay lehilahy dia nampahafantatra ny tenany ho Renan Dominguez, mpitari-draharaha amin’ny fandaharan’ny Rotary Club any San Francisco Atsimo, any Californie. Nanontany izy raha toa ka ho afaka hankany amin’ilay kilioba ny Vavolombelona iray mba hanao lahateny momba ny zavatra inoana sy ireo asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao ny fandaharana. Handaha-teny mandritra ny 30 minitra ilay Vavolombelona ary avy eo dia hanokatra ilay fivoriana hamaliana ireo fanontanian’ny mpanatrika. Nangatahina mba hanao ilay famelabelarana teo anoloan’ny Rotary Club tamin’ny 17 Aogositra 1995 i Ernest Garrett, Vavolombelona efa hatramin’ny taona maro tao amin’ny faritr’i San Francisco, ary nitantara izao manaraka izao:
“Nanontany tena aho sady nivavaka momba izay ho azoko lazaina tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Rotary Club izay mpitarika eo amin’ny fandraharahana sy ny fiaraha-monina, toy ny mpandraharaha amin’ny banky, ny mpisolovava sy ny mpitsabo. Nanao fikarohana kely aho ary nahita fa ny tanjona voambaran’ny Rotary Club dia ny hanatanjaka ny fiaraha-monina. Koa ilay fanazavana teo amin’ny pejy faha-23 amin’ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Taonjato Faha-20 (anglisy), mitondra ny lohateny hoe: ‘Manam-bidy Azo Ampiharina eo Amin’ny Fiaraha-monina Misy Anao ny Vaovao Tsara’, no natolotro.”a
“Nohazavaiko fa fitaomana iray ho amin’io zava-kendrena io ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’ny andro rehetra ao anatin’ny herinandro, dia mivoaka mandondòna eo am-baravaran’ireo mpiara-monina aminy ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny faniriany dia ny hitaona ny mpiara-belona aminy hanana fianakaviana matanjaka — ary ny fianakaviana matanjaka no mahatonga fiaraha-monina matanjaka. Arakaraka ny maha-betsaka kokoa ny olona sy ny fianakaviana voataonan’ny Vavolombelon’i Jehovah hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika kristiana no maha-kely kokoa ny fisian’ny ditran’ny tanora sy ny fahalotoam-pitondran-tena ary ny heloka bevava eo amin’ny fiaraha-monina. Tena noraisin’ireo mpikambana tsara io fanazavana io, satria mifanaraka amin’ireo tanjon’ny Rotary Club.”
“Nahoana ianareo no tsy miditra amin’ny raharaha politika?”
“Rehefa nosokafana ho amin’ireo fanontaniana ilay fivoriana, ny iray tamin’ireo fanontaniana voalohany dia hoe: ‘Nahoana ianareo no tsy miditra amin’ny raharaha politika sy amin’ny fitondram-panjakana?’ Nanampy teny toy izao avy eo ilay andriamatoa nametraka ilay fanontaniana: ‘Milaza ilay Boky Tsara hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara”.’ Nilaza taminy aho fa niray hevitra tanteraka tamin’io fanambarana io ary nanaiky azy io tamin’ny fomba feno izahay. Nomarihiko fa ny ankamaroan’ny olona izay reko nanonona io andinin-teny io, dia tsy nanonona mihitsy ny tapany faharoa amin’izy io, izay milaza hoe: ‘Aloavy ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’. (Matio 22:21). Koa tsy maintsy manatsoaka hevitra àry isika fa tsy an’i Kaisara avokoa ny zava-drehetra. Misy zavatra sasany izay an’Andriamanitra. Isika dia miatrika ilay raharaha ny amin’ny hahalalana hoe inona no an’i Kaisara ary inona no an’Andriamanitra.
“Nasehoko taminy fa fony i Jesosy nametrahana ilay fanontaniana hoe: ‘Mety va ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara, sa tsia?’, dia tsy namaly tamin’ny filazana hoe eny na tsia izy. Hoy izy: ‘Asehoy Ahy ny farantsakely [denaria romana] fandoa amin’ny hetra.’ Hoy izy nanontany: ‘An’iza ity sary sy soratra ity?’ Hoy izy ireo: ‘An’i Kaisara’. Hoy izy avy eo: ‘Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara’. (Matio 22:17-21). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mandoava hetra ho an’i Kaisara, satria misy asa mahasoa sasany azontsika avy amin’i Kaisara, ary mandoa hetra aminy araka ny tokony ho izy isika noho ireny. Nohazavaiko fa mandoa ny hetrany ny Vavolombelon’i Jehovah ary tsy mamitaka ny fitondram-panjakana amin’izay tokony ho azy ara-drariny.
“Avy eo aho dia nanambara fa tsy mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa tokony ho an’i Kaisara ny fiainan’izy ireo. Mino kosa izy ireo fa tokony ho an’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahan’izy ireo, ka efainy ara-drariny ho azy izany. Koa rehefa mitana io fijoroana io izahay dia tsy ao an-tsainay ny hoe haneho tsy fanajana na inona na inona ho an’i Kaisara. Mankato ny lalàn’i Kaisara rehetra izahay, nefa rehefa misy fifanoherana, dia mifidy amim-panajana ny hankato an’Andriamanitra ho mpanapaka izahay fa tsy ny olona. Tamin’izay, dia nilaza toy izao teo anoloan’ilay antokon’olona manontolo ilay lehilahy nametraka io fanontaniana io: ‘Tsy afaka ny tsy hiray hevitra amin’izany aho!’
“Afaka namaly fanontaniana maro be momba ny asa fitoriantsika koa izahay. Maro tamin’ireo mpikambana no nanatona taorian’ilay fivoriana ka nifandray tanana, ary nilaza fa niray hevitra tanteraka taminay izy ireo — fa ny fianakaviana no fototry ny fiaraha-monina matanjaka. Samy nomenay ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Taonjato Faha-20 avy eo ny mpikambana tsirairay.
“Taorian’io fivoriana io, dia niantso ahy an-telefaonina Atoa Dominguez, mpitari-draharaha amin’ny fandaharana, ary nanontany raha toa ka afaka ny ho tonga any amin’ny biraony aho, satria nanana fanontaniana maro kokoa hapetraka momba ny zavatra inoantsika izy. Nanao fiaraha-midinika tsara dia tsara momba ny andinin-teny maro izahay. Niriny indrindra ny hanazavako ny toerana tanantsika momba ny ra. Nanaiky tamin’ny nahim-pony tsy handray fampidiran-dra ny tenany, ary nanaitra azy aoka izany ny fanazavana nomeko azy avy tao amin’ilay bokikely hoe Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?, hany ka nanasa ahy hiverina izy mba handaha-teny momba ny toerana tanantsika mahakasika ny ra, eo anoloan’ireo mpikambana amin’ilay kilioba. Nasaiko hiaraka tamiko tamin’io fandaharana io ny Vavolombelona hafa iray, i Don Dahl. Izy dia mankany amin’ireo hopitaly mba hiara-midinika amin’ny mpitsabo momba ilay raharaha iadian-kevitra rehefa tsy maintsy miditra hopitaly mba hodidiana ny Vavolombelona. Niarahanay nanazava tamin’ny fomba feno ny fomba fiarahantsika miasa amin’ireo mpitsabo sy ireo mpitantana hopitaly, mba hanazavana ny toerana araka ny Soratra Masina tanantsika ary mba hanolorana ireo fomba hafa mahomby azo asolo ny fampidiran-dra.” — Levitikosy 17:10-12; Asan’ny Apostoly 15:19-21, 28, 29.
‘Te hilaza ve ianao fa hamela ny zanakao lahy ho faty ianao?’
“Taorian’ilay fivoriana, dia nanatona ny lehilahy iray, ka nanontany ahy nitokana hoe: ‘Te hilaza ve ianao fa hamela ny zanakao lahy ho faty ianao raha toa ka tra-doza tsy ampoizina izy, ka entina any amin’ny urgences iny izy mandeha ra be iny?’ Nanome toky azy aho fa miombona fanahiana aminy aho, satria nanan-janaka lahy iray ary namoy azy tamin’ny nipoahan’ilay fiaramanidina teo ambonin’i Lockerbie, any Ekosy, tamin’ny 1988. Ho valin’ny fanontaniany, dia nilazako izy aloha fa tsy haniry ny hahafatesan’ny zanako lahy aho.
“Tsy hoe tsy tia mpitsabo, na tsy tia fitsaboana, na tsy tia hopitaly izahay. Tsy mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana izahay. Ilainay ny asa ataon’ny mpiasan’ny fitsaboana. Mametraka ny fitokianay amin’Andriamanitra izahay ary matoky fa ny fitarihan-dalana avy aminy momba io raharaha iadian-kevitra ny amin’ny ra io dia hahasoa anay maharitra. Lazalazaina ao amin’ny Baiboly ho ‘Ilay mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao’ Andriamanitra. (Isaia 48:17). Nomeny ny Zanany ny fahaizana manangana ny maty. Hoy i Jesosy: ‘Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao?’ — Jaona 11:25, 26.
“Ny hany angatahinay mba ho azon’ny mpitsabo dia hoe raharaha momba ny feon’ny fieritreretana ny toerana tananay ary tsy azo iadiana varotra. Tsy afaka miady varotra amin’io raharaha io mihitsy izahay, toy ny tsy ahafahanay miady varotra amin’ny lalàn’Andriamanitra momba ny fanitsakitsaham-bady. Tsy afaka miady varotra amin’Andriamanitra izahay ka hilaza hoe: ‘Andriamanitra ô, misy toe-javatra hahafahako hanitsakitsa-bady ve?’ Hoy aho tamin’izay tamin’io lehilahy io: ‘Nanontany ahy ianao raha hamela ny zanako lahy ho faty aho amin’ny fandavana fampidiran-dra. Mamelà ahy hanontany anao raha hamela ny zanakao lahy ho faty amin’ny fanaovana raharaha miaramila ho an’ny firenena na iza na iza ianao?’ Namaly avy hatrany izy sady nanamafy hoe: ‘Eny! Satria izany no adidiny!’ Hoy aho: ‘Hamela ny zanakao lahy ho faty ianao noho ny ady iray izay inoanao. Mamelà ahy hanana tombontsoa mitovy amin’izany koa amin’ny zanako lahy.’
“Ny fitrangan-javatra nahaliana momba izany rehetra izany tatỳ aoriana dia ny nanasan’Atoa Dominguez, ilay mpitari-draharaha amin’ny fandaharana, anay mivady hiara-misakafo amin’izy mivady. Nihevitra izy fa nahazo fanazavana diso sy hevi-diso momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny. Marina ny azy. Nomena fanazavana diso ilay ramatoa. Nandany takariva nahafinaritra izahay, ary nametraka fanontaniana maro momba antsika sy ny asantsika ny vadiny, ka namela anay hamaly tamin’ny an-tsipiriany. Ny ampitso dia niantso an-telefaonina ilay rangahy mba hilaza fa nahafinaritra tanteraka ny vadiny ny nihaona taminay mivady, ary nihevitra izy fa olona tena mahafinaritra isika.
“Nanohy nitsidika tsy tapaka an’Atoa Dominguez aho, ary mampiseho fahalianana marisika amin’ny Baiboly izy. Nilaza tamiko toy izao izy: ‘Tsy hisalasala aho hampirisika anao hifandray amin’ireo mpitari-draharaha amin’ny fandaharan’ny Rotary Clubs rehetra eto amin’ny faritry ny Helo-dranomasina Lehiben’i San Francisco ary hanolo-kevitra mba hanao lahateny any amin’ny kilioban’izy ireo, mitovy amin’ilay nataonao tany amin’ny kiliobanay. Azonao tononina ny anarako, ary rehefa misy mifandray amiko dia ho faly aho hanolotra anao amin’ny fomba mafana indrindra mba ho mpandaha-teny nasaina.’
“Iraisam-pirenena ny Rotary Clubs. Mety ho afaka hanokatra ny varavarany ho amin’ireo famelabelarana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ireo kilioba hafa eto Etazonia sy manerana ny tany manontolo?”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., tamin’ny 1989.
[Sary, pejy 18]
Atoa Renan Dominguez, eo an-kavia sy ny Rahalahy Ernest Garrett