Manontany ny Tanora Hoe...
Rock Alternatif — Tsara ho Ahy ve Izy Io?
“Azoazoko ireo hira momba ireo olana sy fanandraman-javatra samy hafa atrehinay tanora.” — George, 15 taona.a
“Eo anelanelan’ny pop sy ny heavy metal izy io.” — Dan, 19 taona.
“Vaovao ilay izy. Hafa. Tsy mozika mahazo vahana, novokarina tambabe.” — Maria, 17 taona.
ROCK alternatif. Tanora maro no mankafy ny fihainoana azy io. Mampikorontan-tsaina ny olon-dehibe sasany izy io. Ary ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny dia azo inoana fa tsy manan-kevitra firy na tsy manan-kevitra mihitsy raha ny amin’ny hoe inona izy io.
Ekena fa tsy mora ny manazava marina izay atao hoe rock alternatif. Tany am-boalohany izy io dia mozikan’ireo tanora izay naniry zavatra hafa ankoatra ny mozika be mpitia nahazo vahana, re tao amin’ny radio. Milaza ny sasany fa nanomboka izy io, rehefa nisy radion’ny sekoly ambony teo an-toerana nandefa ny hiran’ny tarika sasany saika tsy fantatra tanteraka — tarika izay nirehareha fa tsy nivarotra tamin’ny indostrian’ny mozika ara-barotra. Nanalavitra ireo kompania lehibe mpamoaka kapila sy ireo teknika fivarotana tambabe, toy ny vidéos mirakitra mozika, ilay karazany vaovao amin’ny mpihira. Afa-tsy izany koa, dia namoron-kira momba ny foto-kevitra izay mahalana vao resahina amin’ireo hira ao amin’ny Top 40, izy ireo.
Tsy tahaka ny mozika heavy metal na rap ny rock alternatif noho izy tsy mora fantatra na mora kilasina foana. Na dia ireo manam-pahaizana ao amin’ny indostrian’ny mozika aza dia tsy mitovy hevitra raha ny amin’izay atao hoe rock alternatif marina. Izany no izy satria, araka ny toa tondroin’ny anarany, izy io dia mahafaoka feo sy toe-po ary fihetseham-po maro isan-karazany. Hoy ny tovolahy iray: “Tena sarotra kilasina izy io. Mahafaoka mozika maro isan-karazany amin’ny misy amin’izao andro izao izy io.” Sahy nanome izao fanazavana izao ny tanora hafa iray: “Tsy hoe mafy na malefaka, haingana na miadana, mihetsiketsika na manjombona, foana akory izy io.” Niaiky toy izao mihitsy aza ny tanora iray: “Tsy azoko antoka raha afaka milaza aho hoe tiako ny rock alternatif, satria tsy azoko antoka hoe inona izy io.”
Na ahoana na ahoana, dia nitombo ny fitiavan’ny besinimaro ny rock alternatif, ka tonga hatramin’ny hoe maro amin’ireo mpanakantony be mpitia kokoa no heverina ho anisan’ireo mahazo vahana amin’ny mozika ankehitriny. Afa-tsy izany koa, ireo ray aman-dreny dia toa tsy mirona firy hanohitra azy io toy ny amin’ny heavy metal na ny endrika rock mankarenin-tsofina hafa. Eny tokoa, vitsy koa moa ny ray aman-dreny toa mahafantatra izay tarika na lohatenin’albums antsoina hoe alternatifs. Na dia izany aza, dia ilainao ny maneho fitandremana antonona, raha ny amin’io mozika io.
Inona no manintona amin’izy io?
Diniho, ohatra, ny antony mahatonga tanora maro aoka izany ho voatarika ho amin’io mozika io. Ho an’ny maro, dia zavatra mba hitoviana hevitra amin’ny naman’ny tena fotsiny izy io. Manome marimaritra iraisana amin’ny resaka na fanaovan-javatra, toy ny fifanakalozana cassettes sy CD, koa izy io.
Ho an’ny ankamaroan’ny tanora anefa, dia ilay karazan-kira sy ilay hafatra ampitain’ny rock alternatif no mahatonga azy io ho manintona aoka izany. Amin’ny fomba miavaka, dia hitan’ny tanora maro fa miombona fanandraman-javatra sy fihetseham-po amin’ireo mpamoron-kira izy ireo. Nanazava toy izao ny fitohitohizan-dahatsoratra momba an’io foto-kevitra io, nisongadina teo amin’ny fonon’ny gazetiboky Time: “Raha matetika ireo hira pop no momba ny fitiavana, ireo tonon-kira alternatifs kosa mazàna dia momba ny fihetseham-po mafy kokoa: famoizam-po, filan-dratsin’ny nofo, fisafotofotoana. (...) Raha latsaka ny 20 taona ianao na mahery kelin’izany, dia azo inoana fa nandalo fisaraham-panambadiana ny fianakavianao. Ny mozika alternatif dia nanjary mozika ara-pihetseham-po, mifantoka mivantana amin’ireo raharaha tsy voalamina, dia ny fandaozana sy ny fiangarana.” Araka izany, dia hoy ny olona iray 21 taona, mpanentana amin’ny fandaharan-kira ao amin’ny sekoly ambony: “Nanintona ahy sy ireo namako izy io satria tsy miraharaha mihitsy an’izao tontolo izao ny taranaka misy anay. Tsy hisy zavatra hiandry anay rehefa hahavita ny fianarana izahay.”
Nanjary nankafy toy izany koa ny rock alternatif ny tanora kristiana sasany. Mazava ho azy fa nanalavitra ireo hira henjana kokoa, maneho fikomiana, herisetra, na fahalotoam-pitondran-tena, kokoa, ny ankamaroan’izy ireo. Na dia izany aza, ny sasany amin’ireny Kristiana tanora ireny dia nilaza ny fandavany an’ireo hira toa tsy mampaninona firy. Naneho ny heviny toy izao i Dan tanora: “Fantatra ho lehilahy miray amin’ny lehilahy sy vehivavy miray amin’ny vehivavy, na mpampiasa zava-mahadomelina, ny sasany amin’ireo mpihira, ary mampiseho taratry ny fomba fiainany ny tonon-kirany.” Hoy ny tanora hafa iray atao hoe Jack: “Mihevitra ny sasany amin’ireo tarika fa tsy misy miraharaha azy sy ny olana mahazo azy, na ny hoavin’ny tanora amin’izao andro izao, koa maneho izany ao amin’ireo hirany izy ireo. Maro no tsy manana antony manosika na fanantenana.”
Teny fampitandremana
Milaza amintsika ny Baiboly fa “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy [Satana Devoly] avokoa”. (1 Jaona 5:19). Tsy tokony hahagaga anao àry raha ny mozika no iray amin’ireo fomba ampiasain’i Satana mba hamitahana ny tanora. Namerimberina nampiseho izany zava-misy izany ireo lahatsoratra teo aloha tato amin’itỳ gazety itỳ sy Ny Tilikambo Fiambenana, ilay gazety namany.b Ireo fampitandremana nomena mikasika ny mozika heavy metal sy rap dia mifanentana koa raha ny amin’ny rock alternatif. Araka ny filazan’ny Baiboly, “ny mahira-tsaina mandinika ny diany”. — Ohabolana 14:15.
Ohatra fotsiny, hadalana ny manara-drian-drano raha ny amin’ny fitiavanao mozika. Mariho izao fotopoto-pitsipiky ny Baiboly izao, izay azo ampiharina amin’ny famelana ny hafa hanapa-kevitra ho anao: “Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo hianareo na ho an’iza na ho an’iza, dia mpanompon’izay arahinareo?” (Romana 6:16). Ho an’ny tanora kristiana iray, ilay raharaha dia tsy momba izay ankasitrahana eo anivon’ireo mitovy taona amin’ny tena, fa izay “ankasitrahan’ny Tompo”. (Efesiana 5:10). Ankoatra izany, karazana tanora manao ahoana no voataona ho amin’ny rock alternatif? Tanora toa sambatra, mahay mandanjalanja, sy liana amin’ny zavatra ara-panahy ve? Sa toa eo anivon’ireo tanora izay sosotsosotra, tsy sambatra, na tezitra mihitsy aza, no ahitana ireo mpihaino azy io voalohany indrindra?
Marina fa misy tanora sasany manan-toetra falifaly, miramiran-dava, mety ho voataona ihany ho amin’ny rock alternatif. Diniho anefa izao: Manana hoavy mamirapiratra miandry azy ireo Kristiana, tanora sy antitra. (2 Petera 3:13). Mampahatsiahy antsika toy izao ny amin’ny maha-azo antoka ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra ny apostoly Paoly: ‘Andriamanitra tsy mahay mandainga’. (Hebreo 6:18). Inona àry no soa azo avy amin’ny famelana ny tenanao hiharan’ny fomba fijery mahakivy sy tsy manorina momba ny hoavy asehon’ireo hira rock alternatif sasany? Ho afaka hanimba ny finoanao ve ny fahatongavana ho revo amin’ny mozika izay maneho tahotra sy famoizam-po ary tsy fananana fanantenana? Ankoatra izany, inona no mety ho vokatry ny fihainoana tsy an-kijanona mozika toy izany eo amin’ny fihetseham-ponao?
Mahaiza mifantina
Tsy te hilaza akory izahay hoe ny mozika rehetra kilasina hoe “alternatifs” dia tsy maintsy manimba na manafintohina avokoa. Kanefa, aoka hatao hoe fantatrao fa misy olona mitady hanapoizina anao. Na dia tsy hitsahatra ny hihinan-kanina aza ianao, dia azo antoka fa handinika amim-pitandremana ny sakafonao ianao, sa tsy izany? Ny fahafantarana fa mitady hanapoizina ny fomba fihevitrao sy ny toe-tsainao i Satana dia tokony hahatonga anao hitandrina toy izany koa momba ny mozika fidinao. Araka ny lazain’ny Baiboly, “ny sofina no mamantatra teny, ary ny vava no manandrana hanina”. (Joba 34:3). Aza manara-drian-drano an-jambany àry fa tsapao kosa ny mozika tianao.
Ahoana no ahafahanao manao izany? Manana fanoloran-kevitra mahasoa sasany izay azonao andramana ilay faritra voafefy mitondra ny lohateny hoe “Tari-dalana Amin’ny Fifantenana Mozika”. Afa-tsy izany koa, dia manandrama manontany ny ray aman-dreninao kristiana ny amin’izay heveriny momba ny mozika henoinao. (Ohabolana 4:1). Mety ho gaga ianao amin’ny valin-teniny! Mazava ho azy fa be taona kokoa noho ianao ny ray aman-dreninao. Takatra fa mety tsy hitovy fitiavana mozika aminao izy. Raha tsy tia ny mozika henoinao anefa izy ka tonga hatramin’ny fahitana azy io ho manafintohina, mampikororosy, na maharikoriko, moa ve ianao tokony hody tsy hahafantatra izay lazainy? Hoy ny Baiboly: “Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina”. — Ohabolana 1:5.
Diniho ny vokatra entin’ilay mozika eo aminao. Moa ve izy io mahatonga anao hahatsiaro ho tezitra, te hikomy, na ketraka? Raha izany no izy, dia famantarana mampitandrina izay tsy tokony hodianao tsy fantatra izany! Nahoana no tsy mitady mozika izay manala hamohamo sy mampitony anao, na mahatonga anao ho falifaly?
Eo am-piovana tsy an-kijanona ny fironana amin’ny mozika. Tsy ho ela dia hisy karazana mozika hafa izay ho ny lamaody farany indrindra. Aza manaiky hindaosina hanaraka ireny fiovaovana ireny anefa. Mahaiza manavaka sy mifantina raha ny amin’ny mozika henoinao. Ataovy azo antoka fa izay henoinao dia mahasoa sy mampandroso. (Filipiana 4:8). Amin’izay ny mozika dia afaka ny ho tapany sarobidy sy mahafinaritra amin’ny fiainanao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany.
b Jereo ireo lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe...” nivoaka tao amin’ny Mifohaza! No. 2/1993, No. 3/1993. Jereo koa ilay hoe “Mitandrema Tena Amin’ny Mozika Tsy Mahasoa!”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aprily 1993.
[Teny notsongaina, pejy 22]
“Raha matetika ireo hira pop no momba ny fitiavana, ireo tonon-kira alternatifs kosa mazàna dia momba ny fihetseham-po mafimafy kokoa: famoizam-po, filan-dratsin’ny nofo, fisafotofotoana.” — Gazetiboky Time
[Efajoro, pejy 23]
Tari-dalana Amin’ny Fifantenana Mozika
◆ Diniho ny fonon’ilay “album”. Matetika izany no hilaza zavatra be dia be aminao momba ilay mozika sy ireo mpihira mihitsy. Mitandrema amin’ireo fonona album izay manasongadina herisetra, marika famantarana araka ny demonia, fitafiana sy fisehoana ankapobe sampontsampona, na fitanjahana.
◆ Diniho ilay hafatra ampitain’ireo tonon-kira. Izany dia mampahafantatra ireo fihevitra sy fomba fiainan’ireo mpihira. Hevitra inona avy no tian’izy ireo hekenao?
◆ Ny feo ankapoben’ilay mozika dia mampahafantatra ny toe-po sy ny fihetseham-po tian’ireo mpihira hanananao — alahelohelo, fifaliana, fihaikana, fahatairana eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, fahatoniana, na famoizam-po.
◆ Diniho ny mpihaino ankapobe voataona ho amin’ilay tarika. Ho tianao ve ny hampitovina amin’izany antokon’olona izany sy ny fihetsiny?
[Sary, pejy 23]
Tanora maro no miombon-kevitra amin’ireo tonon’ny hira amin’izao andro izao