FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/11 p. 20-24
  • Fianarana avy Amin’ny Fitoera-menaka Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fianarana avy Amin’ny Fitoera-menaka Iray
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Taranaka Jiosy
  • Fanapahan’ny Nazia
  • Fifindrana rodobe tao anaty sahotaka
  • Fiainana tamin’ny naha-mpitsoa-ponenana
  • Ny safidy ara-pivavahana nataon’ny fianakavianay
  • Fanompoana any amin’ny tany iray vaovao
  • Inona no Azoko Avaly An’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Nentanin’ny Tsy Fivadihan’ny Fianakaviako Tamin’Andriamanitra
    Mifohaza!—1998
  • “Mba Hananana Finoana Tsy Hihemotra”!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Matoky ny Fitiavana sy Fiahian’i Jehovah Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/11 p. 20-24

Fianarana avy Amin’ny Fitoera-menaka Iray

Ny zava-mahatsiravina ateraky ny ady no sasany amin’ireo fahatsiarovako voalohany indrindra, indrindra fa ny fandosirana mba hamonjena ny ainay, tamin’ny faramparan’ny Ady Lehibe Faharoa, raha mbola vao efa-taona monja aho. Ny fianakavianay, nisy fito mianaka, dia niaina tany Prusse-Orientale, izay tapany tamin’i Alemaina tamin’izany fotoana izany.

NANDINIKA ilay haizina mampahatahotra aho, teo am-pihainoana ny fanatonan’ny andian-tafika rosiana mpandatsaka baomba. Tampoka teo, dia nisy tselatra mahajamba sy fipoahana mankarenin-tsofina nandrehitra ny fitoerana tahirin-tsolika, kilaometatra vitsivitsy avy teo aminay. Nihovotrovotra teo ambonin’ny lalany ilay fiarandalamby nisy anay, ka nikiakiaka ny olona. Vetivety anefa, dia lasa ireo mpandatsaka baomba, ka nitohy ny dianay.

Tamin’ny toe-javatra iray hafa, dia taitra tamin’ny torimasoko tsizarizary aho, ka nahita vehivavy iray nikiakiaka sy niezaka hivoaka ilay vagô mpitondra biby nandehananay. Nanakana azy i Dada, ary nanosika azy hiverina. Resin-tory teo akaikin’ny varavarana ilay vehivavy, niaraka tamin’ny zanany kely teny an-tsandriny. Rehefa taitra izy, dia nahita fa jihitry ny hatsiaka ny zanany ka maty. Nanipy ilay faty tany ivelany, tany amin’ireo ranomandry, ireo lehilahy avy eo, ary rehefa difotry ny alahelo ilay reny, dia nanandrana nanokatra ny varavarana mba hitsambikina any ivelany ka ho faty miaraka amin’ilay zanany.

Mba hiadiana tamin’ny hatsiaka be, dia nasianay afo narehitra tao anaty tapaka barika teo afovoan’ilay vagô mpitondra biby nisy anay. Ny tahirin-kitay kely nanananay terỳ amin’ny ilany iray tamin’ilay vagô, dia notsitsiana mba hahandroana ovy. Nataonay fandriana koa ireo ovy, satria ny fatoriana teo amboniny dia nampisaraka anay tamin’ny gorodona mangatsiakan’ilay vagô.

Nahoana izahay no nandositra mba hiarovana ny ainay? Ahoana no naha-tafita velona ny fianakavianay nandritra ireo volana, tamin’ny naha-mpitsoa-ponenana? Mamelà ahy hitantara izany aminareo.

Taranaka Jiosy

Teraka tamin’ny 22 Desambra 1940 aho — ny zandriny indrindra tamin’ny zaza dimy — tany Lyck, tany Prusse-Orientale (Elk, any Polonina amin’izao fotoana izao). Ny fanenjehana ara-pivavahana dia nanery ireo razako jiosy hiala tany Alemaina tamin’ny faramparan’ireo taona 1700. Nifindra tany Rosia izy ireo, nandritra ilay fifindrana rodobe goavana teo amin’ny tantara. Avy eo, tamin’ny 1917, mba handosirana ny fanenjehana ho fanoherana ny Jiosy tany Rosia tamin’izany fotoana izany, ny raibeko jiosy dia nifindra tany Prusse-Orientale avy eo amin’ny tanànany akaikin’ny Renirano Volga.

Nahazo ny zom-pirenena alemà i Dadabe, ary toy ny toeram-pialofana niaro tamin’ny loza i Prusse-Orientale. Ireo izay nanana fanampin’anarana jiosy dia nandray anarana arianina. Noho izany, ny raiko, Friedrich Salomon, dia nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe Fritz. Etsy an-danin’izany kosa, i Neny dia Prosiana. Nivady tamin’ny 1929 izy sy i Dada, izay mpahay mozika.

Ny fiainan’ireo ray aman-dreniko dia toa feno fahasambarana sy fanantenana. I Bebe Fredericke sy i Bebe Wilhelmine (beben’i Neny) dia nanana toeram-pambolena sy fiompiana lehibe, izay toy ny tokantrano faharoa ho an’ireo ray aman-dreniko sy izahay ankizy. Nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiainam-pianakavianay ny mozika. I Neny dia nively amponga tao amin’ny antoko-mpandihy nisy an’i Dada.

Fanapahan’ny Nazia

Tamin’ny 1939 dia nisy rahona nanomboka nanakona ny faritry ny politika. Ilay nolazaina fa vahaolana farany naroson’i Adolf Hitler ho an’ny zava-manahirana mahakasika ny Jiosy, dia nanomboka nampahatahotra ireo ray aman-dreniko. Izahay ankizy dia tsy nahafantatra ny maha-taranaka jiosy anay, ary tsy nahafantatra momba izany raha tsy tamin’ny nahafatesan’i Neny tamin’ny 1978 — sivy taona taorian’ny nahafatesan’i Dada.

Mba tsy hiahiahian’ny sasany azy ho Jiosy, dia niditra tao amin’ny Tafika Alemà i Dada. Teo am-boalohany, dia niasa tao amin’ny andiany mpahay mozika izy. Kanefa, nisy olona izay toa nahafantatra ny tantarany, nilaza fa Jiosy izy. Noho izany, dia nalaina am-bavany sy nalaina sary ny fianakavianay manontolo. Ireo manam-pahaizana manokana nazia dia nanandrana namantatra raha toa ka manana endrika Jiosy izahay na tsia. Tsy maintsy ho hitan’izy ireo ho toy ny Arianina izahay, ka soa ihany, noho izany, fa tsy nosamborina sy tsy nampidirina am-ponja.

Rehefa nanafika an’i Polonina i Alemaina, tamin’ny 1 Septambra 1939, ny tahotra dia nanomboka nanjaka teo amin’ny faritra nisy anay, izay nandry feizay teo aloha. Naniry ny hifindra avy hatrany tany amin’ny toerana tsy nampidi-doza kokoa i Neny, nefa noteren’ireo manamboninahitra nazia tsy hanao izany ny fianakaviana. Avy eo, arakaraka ny nanatonan’ny tafika rosiana an’i Prusse-Orientale nandritra ny lohataonan’ny 1944, ny Alemà dia tapa-kevitra ny hanala ireo olona tao Lyck sy ireo toerana manodidina. Indray andro, tamin’ny volana Jolay, dia nomena adiny enina monja izahay mba hialana tao amin’ny tranonay.

Fifindrana rodobe tao anaty sahotaka

Taitra i Neny. Inona no tokony hoentina? Aiza no haleha? Ahoana no fomba handehanana? Mbola hiverina ve izahay indray andro any? Tena voafetra ny amin’izay azony nentina ny fianakaviana tsirairay. Nisafidy tamim-pahendrena ny hitondra ireo zavatra ilaina fototra i Neny — anisan’izany ny siny tany lehibe iray nisy menak’omby niaraka tamin’ny kitozan-kisoa — izay ampy indrindra ho mora entinay. Ny fianakaviana sasany dia nisafidy ny hitondra ireo fananany ara-nofo sarobidy.

Tamin’ny 22 Oktobra 1944, dia niditra tao Prusse-Orientale ny tafika rosiana. Nanazava toy izao ny mpanoratra iray: “Ara-dalàna raha hanao valy faty ireo miaramila rosiana, izay nahita ny fianakaviany novonoina sy ny tranony ary ny famboleny nodorana.” Nampahatahotra eran’i Prusse-Orientale ny fanimbana, ka nandositra tao anaty sahotaka ny vahoaka.

Tamin’izany izahay dia mpitsoa-ponenana, nipetraka tany andrefana lavitra kokoa, tany Prusse-Orientale. Ny hany lalana hitsoahana izao dia toa ny Ranomasina Baltika, noho izany, dia nandositra tany amin’ny tanàna nisy seranan-tsambo tao Danzig (Gdansk, Polonina amin’izao fotoana izao) ny olona. Teo, ireo sambo dia nalain’ny miaramila mba hampiasaina ho amin’ny famonjena maika. Ny fianakaviako dia tsy nahatratra ny fiarandalamby izay tokony hitondra anay ho any amin’ilay sambo alemà Wilhelm Gustloff, mpitondra mpandeha, izay niala avy ao Gdynia, akaikin’i Danzig, tamin’ny 30 Janoary 1945. Fantatray tatỳ aoriana fa nalentiky ny sambo mpisitrika rosiana ilay sambo, ka maty tao amin’ilay rano namanala ny mpandeha 8 000 teo ho eo.

Satria nihidy ny lalana fandosirana an-dranomasina, dia nandeha niankandrefana izahay. Koa satria niala vetivety tamin’ny tafika i Dada, dia niaraka taminay nandritra ny tapany tamin’ilay dia tamin’ny fiarandalamby izy, araka ny nolazalazaina terỳ am-panombohana. Tsy ela dia tsy maintsy niverina tany amin’ny asany maha-miaramila azy izy, ary nanohy ilay dia lava be sy nampidi-doza samirery izahay. Niambina ilay vilany fitoera-menaka i Neny, nizara kely isaky ny nandeha. Nanampy izay mety ho ambin-tsakafo hitanay teny an-dalana izany, nihazona anay ho velona nandritra ny ririnina lava sy nangatsiaka. Io fitoera-menaka io dia hita ho lafo vidy kokoa noho izay volamena na volafotsy!

Farany izahay dia tonga tao amin’ny tanànan’i Stargard, izay nizaran’ny miaramila alemà sy ny Vokovoko Mena lasopy kely, teo akaikin’ny garan’ny fiarandalamby. Ho an’ny zaza noana be iray, izany lasopy izany dia toa tena natsiro be. Rehefa nandeha ny fotoana, dia tonga tao Hambourg, any Alemaina, izahay, noana sady reraka, kanefa feno fankasitrahana satria velona. Napetraka tao amin’ny toeram-piompiana iray teo akaikin’ny renirano Elbe izahay, niaraka tamin’ireo babo an’ady rosiana sy poloney. Tena tsy azo antoka ny tarehin-javatra nisy anay tamin’ny fifaranan’ny ady tany Eoropa tamin’ny 8 May 1945.

Fiainana tamin’ny naha-mpitsoa-ponenana

Azon’ny Amerikana babo i Dada. Nentin’izy ireo tamin’ny fomba tsara izy, indrindra rehefa fantatr’izy ireo fa mpahay mozika. Nampiasain’izy ireo tamin’ny fankalazany ny Andron’ny Fahaleovan-tenany ny fahaizan’i Dada mozika. Fotoana fohy taorian’izay, dia afaka nitsoaka izy, ka nandeha tany Hambourg, izay nanaovanay fihaonana nahafinaritra. Nipetraka tao amin’ny tranokely iray izahay, ary tsy ela ireo renibenay dia tonga soa aman-tsara ka afaka niaraka taminay.

Kanefa, rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka tsy tia ireo mpitsoa-ponenana maro be, ireo mponina teo an-toerana, anisan’izany ireo tao amin’ny Fiangonana Loterana nisy anay. Indray hariva, dia nitsidika ny fianakavianay ilay mpitondra fivavahana. Hita fa ninia nanao izay hahatafintohina izy tamin’ny fanaovana fanamarihana feno fitenenan-dratsy ny amin’ny maha-mpitsoa-ponenana anay. Tezitra mafy i Dada, lehilahy tomady, ka namely ilay mpitondra fivavahana. Nanakana an’i Dada ny reninay sy ireo renibenay. Tamin’izay anefa dia ningainy ilay mpitondra fivavahana, nobatainy ho eny am-baravarana ary natosiny hivoaka. Nanomboka tamin’izay i Dada, dia nandrara ny resadresaka rehetra momba ny fivavahana tsy hisy ao an-tranony.

Tsy ela taorian’io fitrangan-javatra io, dia nahazo asa tao amin’ny lalamby alemà i Dada, ka nifindra tany amin’ny faritra manamorona an’i Hambourg izahay. Tao izahay dia nipetraka tao anaty vagô iray tsy nampiasaina. Tatỳ aoriana, dia nanamboatra trano tsotsotra iray ho anay i Dada. Nitohy anefa ny fankahalana mpitsoa-ponenana, ka tamin’ny naha-ankizy ahy, dia tonga lasibatry ny famelezana ara-batana sy ara-pihetseham-po avy tamin’ireo ankizy teo an-toerana aho.

Ny safidy ara-pivavahana nataon’ny fianakavianay

Fony aho ankizy, dia natory tao amin’ny efitrano iray niaraka tamin’ireo renibeko roa aho. Na dia teo aza ny fandraran’i Dada, rehefa tsy eo izy, dia matetika ireo renibeko no niresaka tamiko momba an’Andriamanitra, nihira hiram-pivavahana sy namaky ny Baibolin’izy ireo. Taitra ny fahalianako tamin’ny zavatra ara-panahy. Koa fony aho folo taona, dia nanomboka nandeha an-tongotra folo kilaometatra mahery mandroso sy folo kilaometatra mahery miverina aho, mba handehanana hiangona ny alahady. Tsy maintsy milaza anefa aho fa diso fanantenana aho rehefa tsy voavaly tamin’ny fomba nahafa-po ahy ny maro tamin’ireo fanontaniana napetrako.

Avy eo, tamin’ny lohataonan’ny taona 1951, dia nisy lehilahy iray nilamina sy nadio fitafiana nandona tao am-baravaranay ary nanolotra ho an’i Neny nomerao iray tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. “Ny Tilikambo Fiambenana dia miresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra”, hoy izy. Niontana iray ihany ny foko, satria izany no niriko. Nandà tamim-pahalalam-pomba i Neny, tsy isalasalana fa noho ny fanoheran’i Dada ny fivavahana. Kanefa, niangavy azy mafy aho, hany ka nanaiky izy ary naka nomerao iray ho ahy. Fotoana fohy tatỳ aoriana, dia niverina i Ernest Hibbing, ka nametraka ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”.

Tokotokony ho tamin’io fotoana io, dia nisy loza nahazo an’i Dada tany am-piasana, ka tapaka ny tongony. Nidika izany fa voatery nijanona tao an-trano izy. Tena nanorisory azy izany. Na dia tao anaty platira aza ny tongony, dia afaka nikotringa izy. Gaga be izahay fa tsy hita mihitsy izy nandritra ny andro, nitranga kely fotsiny nandritra ny fotoan’ny sakafo antoandro. Naharitra herinandro maninjitra izany. Voamariko fa rehefa tsy hita i Dada, dia tsy hita koa ilay bokiko. Avy eo, tamin’ny fotoan’ny sakafo antoandro, indray mandeha, dia hoy i Dada tamiko: “Raha miverina eto izany lehilahy izany, dia tiako ny hahita azy!”

Rehefa niverina ny Rahalahy Hibbing, dia gaga be izahay raha natsipin’i Dada teo ambony latabatra ilay boky ary niteny izy hoe: “Itỳ boky itỳ no fahamarinana!” Natomboka avy hatrany ny fianarana Baiboly, ary rehefa nandeha ny fotoana dia nisy mpianakavy hafa nandray anjara tamin’ny fianarana. Nanjary mpampianatra azo itokiana sy tena namana ho ahy ny Rahalahy Hibbing. Tsy ela dia voaroaka tao amin’ny Sekoly Alahady aho, noho izaho nanandrana nizara ireo zavatra ninoako vaovao. Noho izany, dia niala tamin’ny Fiangonana Loterana aho.

Tamin’ny Jolay 1952, dia nanomboka niaraka tamin’ilay namako tiako tamin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra isan-trano aho. Isaky ny alahady, dia niteny tamiko mba hihaino amim-pitandremana ny fomba ilazany ilay hafatra ho an’ireo tompon-trano ny Rahalahy Hibbing. Afaka herinandro vitsivitsy, dia nanondro fitambaran-trano maromaro izy, sady niteny hoe: “Anjaranao ny miasa irery amin’ireo rehetra ireo.” Rehefa nandeha ny fotoana dia nandresy ny tsy fahatoniako aho, ka nahita vokatra tsara tamin’ny firesahana tamin’ny olona sy ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly tamin’izy ireny.

Tsy ela, dia nahafeno fepetra ho amin’ny batisa aho, ho fanamarihana ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah. Niara-natao batisa tamin’ny 29 Martsa 1953 izaho sy i Dada, ary taoriana kokoa tamin’io taona io, dia natao batisa koa i Neny. Rehefa nandeha ny fotoana, dia natao batisa daholo ireo mpianakavinay, anisan’izany i Erika anabaviko sy i Heinz sy i Werner rahalahiko ary ireo bebenay tena tianay, izay efa nihoatra lavitra ny faha-80 taonany avy tamin’izay. Avy eo, tamin’ny Janoary 1959, dia tonga mpisava lalana aho, araka ny iantsoana ireo mpanompo manontolo andro.

Fanompoana any amin’ny tany iray vaovao

Nampirisika ahy foana hiala tany Alemaina i Dada, ary raha atao jery todika, izany dia inoako fa vokatry ny fahatahorany tsy nety tapitra ny fanoherana ny Jiosy. Nangataka ny hifindra teto Aostralia aho, tamin’ny fanantenana fa izany dia ho dingana ho amin’ny fanompoana amin’ny maha-misionera ao Papouasie-Nouvelle-Guinée na nosy hafa ao Pasifika. Niara-tonga tao Melbourne, teto Aostralia, tamin’ny 21 Jolay 1959 izaho sy i Werner rahalahiko.

Afaka herinandro vitsivitsy, dia nihaona tamin’i Melva Peters aho. Izy dia nanompo tamin’ny naha-mpanompo manontolo andro tao amin’ny Kongregasiona Footscray, ary nivady izahay tamin’ny 1960. Notahina izahay tamin’ny fananana zanakavavy roa, izay tonga tia an’i Jehovah Andriamanitra ihany koa ka nanolotra ny fiainan’izy ireo ho azy. Niezaka mafy izahay mba hihazonana ny fiainanay ho tsotra sy tsy ho feno fananana tsy nilaina mba hahafahanay mianakavy hikatsaka ireo zava-kendrena ara-panahy amin’ny fomba feno kokoa. Nandritra ny taona maro, mandra-panakan’ny toe-pahasalamany azy tsy hanohy intsony, dia nanompo tamin’ny naha-mpisava lalana i Melva. Amin’izao fotoana izao, dia loholona sy mpisava lalana aho, eto amin’ny Kongregasiona Belconnen, eto amin’ny tanànan’i Canberra.

Nanomboka tamin’ireo fanandraman-javatra hitako fony aho mbola kely, dia nianatra aho ny ho faly sy hianina amin’izay omen’i Jehovah. Araka ny nasehon’ilay fitoera-menak’i Neny, dia nanjary nahatakatra aho fa ny fahatafitana velona dia tsy miankina amin’ny volamena na ny volafotsy, fa amin’ireo zavatra ilaina fototra kosa, ary ny zava-dehibe kokoa, amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, sy ny fampiharana izay ampianariny. — Matio 4:4.

Tena marina tokoa ireo teny lalina nataon’i Maria, renin’i Jesosy, hoe: “Ny noana novokisany [i Jehovah] soa; fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.” (Lioka 1:53). Mahafaly fa afaka manisa aho, mpianakavy 47 mandeha amin’ny lalan’ny fahamarinan’ny Baiboly, anisan’izany ny zafikely fito. (3 Jaona 4). Miaraka amin’ireo rehetra ireo, sy ireo zanaka sy zafikely ara-panahy maro be, izahay sy i Melva dia miandrandra hoavy mahafinaritra iray feno fiadanana, eo ambany fiahian’i Jehovah feno fitiavana, sy ny fihaonam-be miaraka amin’ireo olon-tianay maro hafa rehefa hatsangana amin’ny maty izy ireny. — Notantarain’i Kurt Hahn.

[Sary, pejy 21]

Andian-tafika rosiana mandroso ho any Prusse-Orientale, tamin’ny 1944

[Sary nahazoan-dalana]

Sovfoto

[Sary, pejy 23]

Heinz rahalahiko, Erika anabaviko, Neny, Herbert sy Werner rahalahiko, sy izaho, eo aloha

[Sary, pejy 24]

Miaraka amin’i Melva vadiko

[Sary, pejy 24]

Ny vilany tany tahaka itỳ, feno menaka, dia nanohana anay

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara