Manontany ny Tanora Hoe...
Nahoana ny Anadahiko no Mahazo ny Fiahiana Rehetra?
“Ny mahasosotra ahy, dia izao: Rehefa tsy mitondra tena tsara ireo anadahiko sy rahavaviko, dia tena mahazo fiahiana be dia be izy ireo — na hahazoana fampianarana izany na fanasaziana noho ny toetra ratsy. Kanefa, noho izaho mirona hankatò foana, dia tsy mahaliana loatra azy ireo aho.” — Kaya, 18 taona.
“Mahazo fiahiana bebe kokoa sy entina amin’ny fomba tsara kokoa ireo anadahiko sy rahavaviko. Izay mba fiahiana azoko dia matetika amin’ny endrika torohevitra. Ho faly kokoa aho raha fantatro fa mahazo torohevitra koa izy ireo.” — Ruth, 15 taona.
“Amiko, dia toa mahazo tombontsoa sy fiahiana bebe kokoa noho izaho, ireo zokiko lahy sy ireo anabaviko.” — Bill, 13 taona.
NANOMBOKA tamin’ny andro nahaterahantsika, isika rehetra dia mila fiahiana avy amin’ireo ray aman-drenintsika. Ary raha mihevitra ianao fa tsy mahazo ny anjara fiahiana tokony ho anao, dia takatra fa hahatsapa alahelo sy fahatezerana ianao. Marina indrindra izany raha toa ireo iray tam-po aminao — zokinao, na zandrinao, na ny hendry indrindra, na ny tsy mpankatò indrindra aza — no mahaliana ny rehetra amin’ny fotoana rehetra. Mety hahatsapa izay tsapan’i Davida mihitsy aza ianao, fony izy nanoratra hoe: “Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.” — Salamo 31:12.
Afaka ny hampanaintaina ny fijerena ny iray tam-po aminao mahazo ny fiahiana irinao ho anao. Kanefa moa ve izany voatery hidika fa tsy tiana ianao? Tsy izany mihitsy. Indraindray ny tanora dia mahazo fiahiana fanampiny noho izy ireo manana fahaizana manokana na toetra miavaka. Nilaza toy izao i Kenneth, 11 taona: “Na dia mbola any amin’ny taona faha-3 aza i Arthur, zandriko lahy, dia miara-milalao mozika amin’ireo mpianatra ao amin’ny taona faha-5 izy. Mahay ihany koa izy eo amin’ny fanatanjahan-tena sy ny matematika. Raha ny marina, dia mahazo ny laharana voalohany izy amin’ireo taranja rehetra any am-pianarana. Indraindray aho dia mihevitra fa tian’ny olona kokoa noho izaho izy, kanefa tsy mialona azy aho. Eny e, angamba kely fotsiny.”
Avy eo koa, dia misy ireo tanora izay toa mahazo tombony be indrindra amin’ny fotoanan’ireo ray aman-dreniny satria izy ireo no zokiny indrindra — na ny zandriny indrindra. Milaza toy izao momba an’i Josefa, tovolahy, ny Baiboly: “Tian’Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy”. (Genesisy 37:3, 4). Etsy an-danin’izany, i Todd, 18 taona, dia nihevitra fa niangarana ny rahalahiny, satria izy io no lahimatoa. Mahatsiaro toy izao izy: “Indray mandeha dia nasaina nitondra ny sarin-jazakely tianay indrindra izahay, noho ny tetik’asa iray nataon’ny sekoly. Sariko vitsy kely monja no hitako, kanefa maro kosa ny an’ny zokiko lahy. Izany dia nahatonga ahy hanontany tena hoe nahoana.”
Matetika anefa, dia misy fiahiana fanampiny omena ny zaza iray, satria manana zava-manahirana izy — angamba zava-manahirana tsy voamarikao. “Fony aho 16 taona, dia nandalo fotoan-tsarotra ny zokiko lahy”, hoy i Cassandra, 22 taona ankehitriny. “Tsy nahazo antoka izy raha naniry marina hanompo an’i Jehovah ny tenany, ka nampifantoka saika ny eritreriny manontolo taminy, ny ray aman-dreniko. Tamin’izany fotoana izany dia tsy takatro ny antony. Nihevitra aho fa tsy niraharaha ahy mihitsy izy ireo. Nahatonga ahy halahelo sy hahatsapa ho tsy noraharahaina izany — ho tezitra koa aza.”
Nahoana izy ireo no miangatra?
Kanefa, indraindray ny ray aman-dreny dia meloka noho ny fiangarana tsotra izao. Niaiky toy izao ny reny iray: “Fantatro fa malahelo noho ny fireharehanay noho ny zanakay vavy, i Paul, zanako lahy. Nilaza nivantana taminay izy hoe ‘Mifampijery foana ianao sy i Dada rehefa misy zavatra lazain’i Liz.’ Tamin’ny voalohany, dia tsy azonay izay tiany holazaina. Tatỳ aoriana izahay dia nahatsapa fa mifampijery toy ny miresaka hoe ‘fatratra izy’ foana izahay. Koa satria noteneniny izahay, dia nanao ezaka marina mba tsy hanao izany intsony.”
Maninona anefa ireo ray aman-dreny no miangatra? Mety ho anton-javatra iray ny fomba nitaizana azy ireo. Ohatra, raha notezaina tamin’ny naha-faravavy azy ny reninao, dia mety hirona akaiky kokoa amin’ny zanany farany izy. Tsy tsapany akory fa mety hirona hiaro azy io foana izy. Na koa, ny ray na reny iray dia mety ho tia kokoa zanaka iray izay mitovy fomba fihevitra na zava-mahaliana aminy. Hevero izay lazain’ny Baiboly momba an’i Isaka sy i Rebeka, mahakasika ny zanak’izy ireo kambana, dia i Jakoba sy i Esao: “Nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day. Ary Isaka tia an’i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an’i Jakoba.” — Genesisy 25:27, 28.
Inona no tokony hataonao raha toa ka miangatra amin’ny iray amin’ireo iray tam-po aminao ireo ray aman-dreninao?b Azonao atao ny manandrana miresaka izany amin’izy ireo amin’ny fomba tony sy tsy manome tsiny. (Ohabolana 15:22). Amin’ny fihainoana amim-panajana azy ireo, dia mety ho afaka hahatakatra ny fomba fijerin’izy ireo zavatra ianao. Afaka manampy mba hampitonena ny fahakivianao izany. (Ohabolana 19:11). Nilaza toy izao ny zatovo iray: “Tena nahasosotra mihitsy ny hoe voasarika kokoa ho amin’ny anadahiko ny reniko, fa tsy amiko. Rehefa nanontany azy momba izany aho, dia nanazava izy fa mitovy be amin’i Dada ny anadahiko, ka voasarika ho aminy izy. Ary satria izaho mitovy be aminy, dia voasarika ho amiko i Dada. Mitovy amin’izany koa, satria mitovy be izahay, dia tsy mahay mifanaraka. Ary satria mitovy be ny raiko sy ny anadahiko, dia mifandona foana. Rehefa nohazavainy tamin’izany fomba izany ilay izy — na dia tsy faly tamin’izany aza aho — dia afaka nanaiky izany aho.”
Fitondrana tsy mitovy — Tsy rariny ve?
Nahoana anefa ireo ray aman-dreny no tsy afaka tsotra izao mitondra ny tsirairay amin’ny fomba mitovy tanteraka? Milaza toy izao i Beth, 18 taona ankehitriny: “Fony aho 13 taona, dia nihevitra aho fa tokony hoentina amin’ny fomba mitovy — mitovy tanteraka — izaho sy ny anadahiko. Izaho foana anefa no bedy, ary izy tsy bedy mihitsy. Mandany fotoana betsaka kokoa hanamboarana aotomobilina miaraka amin’i Dada izy. Tena ohatry ny tsy rariny izany.”
Kanefa ny fomba fitondrana tsy mitovy dia tsy voatery hidika ho tsy rariny. Hevero ny fomba nitondran’i Jesosy Kristy ireo apostoliny. Tsy isalasalana fa tia azy 12 izy, kanefa tsy nanasa afa-tsy 3 tamin’izy ireo izy mba hanatri-maso fisehoan-javatra manokana sasany, anisan’izany ny fananganana ny zanakavavin’i Jairo sy ny fiovan-tarehy. (Matio 17:1; Marka 5:37). Fanampin’izany, i Jesosy dia nanana fisakaizana manokana akaiky tamin’ny apostoly Jaona. (Jaona 13:23; 19:26; 20:2; 21:7, 20). Fitondrana tsy mitovy ve izany? Mazava ho azy. Tsy rariny ve izany? Tsy izany velively. Satria na dia voasarika kokoa ho amin’ny sasany aza i Jesosy, dia tsy hoe tsy niraharaha izay nilain’ireo apostoliny hafa akory izy. — Marka 6:31-34.
Mitovy amin’izany koa, mety hahazo fiahiana manokana ny iray amin’ireo iray tam-po aminao noho ny talentany na ny toetrany, na ny zavatra ilainy. Mazava ho azy fa mety hampanaintaina ny mahafantatra izany. Kanefa ny fanontaniana dia hoe: Moa ve ny zavatra ilainao tena natao ambanin-javatra tokoa? Rehefa mila ny torohevitra sy ny fanampiana ary ny fanohanan’ireo ray aman-dreninao ianao, eo ve izy ireo mba hanampy anao? Raha izany no izy, moa ve tena afaka milaza marina ianao fa iharan’ny tsy rariny ny tenanao? Ny Baiboly dia mampirisika antsika mba hitondra ny hafa “araka izay ilainy”. (Romana 12:13). Koa satria olona manana zavatra ilaina maro samy hafa ianao sy ireo iray tam-po aminao, dia tsy ho afaka tsotra izao hitondra anareo amin’ny fomba mitovy foana ireo ray aman-dreninareo.
I Beth, noresahina teo aloha, dia nanjary nahatakatra, araka izany, fa tsy hoe mety foana akory ny fitondrana mitovy, ary tsy hoe mitovy foana akory ny fitondrana araka ny mety. Hoy izy: “Nanjary nahatakatra aho fa olona roa samy hafa izaho sy ny anadahiko, ka mila ny hoentina amin’ny fomba samy hafa. Raha mitodika ny lasa aho, dia tsy mino aho hoe tsy nahatakatra izany fony aho mbola kely kokoa. Angamba miankina amin’ny fomba fijerinao zavatra amin’ny taonanao fotsiny izany.”
Fianarana hahay hanavaka
Eny, “ny fomba fijerinao zavatra” dia misy ifandraisany be dia be amin’ny fihetsikao manoloana ny tarehin-javatra misy anao. Sahala amin’ny veran-tsolomaso matroka, ny fihetseham-ponao dia mety hanova ny fahitanao zavatra. Ary mahery ny filana ara-pihetseham-po ny hoheverina sy hankasitrahan’ny ray aman-dreny. Ireo mpanao fikarohana atao hoe Stephen Bank sy Michael Kahn dia manamarika toy izao: “Na dia afaka manatanteraka ny nofinofiny sarotra tanterahina ny hitondra ireo zanany tena samy hafa amin’ny fomba mitovy aza ireo ray aman-dreny, ny ankizy tsirairay dia hihevitra ireo ray aman-dreny ho miangatra amin’ny iray amin’ireo zanany.”
Ohatra, hevero indray izay nolazain’ireo tanora telo noresahina terỳ am-piandohana. Toa mahakivy ny tarehin-javatra misy azy ireo, afa-tsy noho ny zava-misy iray ihany: Iray tam-po izy telo ireo! Eny, mihevitra ny tsirairay aminy fa mahazo fiahiana bebe kokoa noho ny tenany ny hafa, na koa hoe izy no ilay tsy raharahaina! Matetika, araka izany, dia somary mivaona ny fomba fijerintsika zavatra. “Izay mahatsindry fo [“mahay manavaka”, NW ] no manan-tsaina”, hoy ny Ohabolana 17:27. Ny fahaiza-manavaka dia ny fijerena ny tena zava-misy sy amin’ny fomba tsy miangatra, fa tsy araka ny fihetseham-po. Ny fahaiza-manavaka dia afaka manampy anao hahatakatra fa na dia mety tsy hitondra anareo rehetra amin’ny fomba mitovy aza ireo ray aman-dreninao, dia liana indrindra aminareo rehetra ao am-pony izy ireo! Ny fahatakarana izany dia afaka manampy anao hanalavitra ny ho tezitra sy halahelo.
Ahoana anefa, raha toa hita fa tsy mahazo ny fiahiana tokony ho anao ianao? Inona no azonao atao? Hodinihina ao amin’ny nomerao manaraka amin’ny Mifohaza! izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany.
b Hisy lahatsoratra amin’ny ho avy hanazava amin’ny fomba feno kokoa ny amin’ny fomba iatrehana ny fiangarana.
[Sary, pejy 26]
Toa tsy rariny ny fitondrana tsy mitovy