Ny Hasina Tsy Misy Tsilo — Zavamaniry Hafa Kely Mahay Mifanaraka Amin’ny Toe-javatra
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY COSTA RICA
MANANA toetran’ny bozaka sy ny savony, matsiro sy manome hery mamelona. Io zavamaniry tsy toy ny mahazatra io dia manana ireo toetra rehetra ireo sy ny maro hafa koa! Fantatr’ireo mponin’i Amerika Afovoany tsara izy io, saingy tsy amin’ny anarana hoe hasina tsy misy tsilo. Raha mampiasa io teny io ianao atỳ Amerika Afovoany, ny ankamaroan’ny olona dia azo inoana fa hibanjina anao amim-pahalalam-pomba sy toa ta hanontany. Kanefa, hitsiky be avy hatrany izy ireo fa hay, fantany ilay izy, raha manonona ny hoe itabo na izote na daguillo ianao, araka ny amantarana mahazatra io zavamaniry io eto Costa Rica sy atsy Goatemalà sy Honduras ary Nikaragoay. Tian’ireo mponin’i Costa Rica sy ny hafa avy atỳ Amerika Afovoany ny manandrana ny felany ao amin’ny karazan-tsakafo samihafa.
Anisan’ny zavamaniry ambony karazana
Toa nanaovan’ny manam-pahaizana ady hevitra be ny nanakilasiana ny hasina tsy misy tsilo ho anisan’ny fianakaviana Liliaceae, ary vao haingana kokoa, ho anisan’ny fianakaviana Agavaceae. Io sokajy farany amin’ny zavamaniry marokoroko io, dia mahatafiditra karazany 550 avy amin’ny anisan’ny Liliales (lilia). Nomen’ireo mpandinika ny zavamaniry anarana siantifika hoe Yucca elephantipes izy io.
Tombanana ho misy 40 karazana ny hasina, izay ny ankamaroany dia hita any Amerika Avaratra sy Meksika ary atỳ Amerika Afovoany sy any Amerika Atsimo. Anisan’ny iray fiaviana aminy ny hazo Joshua goavana sy ilay hazo kely kokoa, Yucca aloifolia. Tena fianakaviam-be izy io!
Inona avy no sasany amin’ireo lafiny mampiavaka io zavamaniry azo ampiasaina amin’ny fomba samihafa io? Manana endrika tsy dia tsara nefa tsy fahita firy ny raviny henjana sy lava izay mahatratra iray metatra mivoaka avy amin’ny vatany. Ny vatany matevina sy toy ny hazo be, ny hodiny marokoroko manopy volombatolalaka dia mitovitovy amin’ny tongotra anoloan’ny elefanta — ka nahatonga ilay anarana siantifika hoe elephantipes.
Raha manopy maso voalohany amin’ny hasina tsy misy tsilo, izay manana haavo mahatratra maherin’ny 4 metatra ka hatramin’ny 7 metatra mahery, ianao dia mety hihevitra azy amin’ny fomba diso ho toy ny hazo. Mandritra ny main-tany eto Costa Rica, indrindra fa amin’ny volana Febroary sy Martsa, dia mandravaka ny zavamaniry itabo ny voninkazo miendrika lakolosy, miloko fotsy mavo, an-jatony maro. Noho izy amidy eny an-tsena sy eny amoron-dalana, dia toy ny hoe eny rehetra eny, amin’ny fotoana iray ihany, izy ireo! Mifanohitra tanteraka amin’ny ravina mafy sy maranitr’ilay zavamaniry, ireny voninkazo malemy sy marefo ireny dia mamelana miendrika rirakitso, mijoro tsara manao jery atrika eo afovoan’ilay zavamaniry mihitsy.
Ny itabo no iray amin’ireo karazana hasina tian’ireo mpanao zaridaina indrindra, satria mahay mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny toetran’ny tany samihafa izy io, ka manome endrika tsy fahita firy sy toy ny hoe any amin’ny tropika izany. Koa satria nampiasaina teto Costa Rica ho toy ny fefy voajanahary namaritra ny sisin-tany izy io teo aloha, dia tsy mahagaga raha hita betsaka saika manerana ny faritra ao amin’ilay tany ilay zavamaniry itabo mora mitombo.
Azo antoka fa manararaotra ny maha-azo ampiasaina amin’ny fomba samihafa an’io zavamaniry io ireo mponina eto an-toerana. Ohatra, ny tsiratsiraka alaina avy amin’ireo raviny dia ampiasaina mba hanaovana tsihy sy fehikibo ary kitapo. Afa-tsy izany koa, raha hafanaina mandra-pahatongany ho azo aforitra ireo raviny, dia azon’ireo mpanao zaridaina ampiasaina mba hamatorana ireo vokatra azony. Toa tsy misy farany ny zavatra azo ampiasana io zavamaniry io!
Azo hanina sady matsiro!
Hoy ny nosoratan’i Frances Perry, mpanoratra ny Flowers of the World: “Ny vonin’ny karazana hasina dia hanin’ireo Indiana, ary ny voany sy ny fakany dia manana toetran’ny savony ka azo ampiasaina mba hanasana lamba.” Nampiasa tsara ny hasina izay azo hanina sy manadio, ny mponin’i Amerika Afovoany. Tian’izy ireo ny tsiron’izy io toa marikivy nefa mahadilo. Atao salady mangatsiaka na andrahoina miaraka amin’ny atody sy ovy ireo voninkazo — sakafo tian’ireo mponin’i Costa Rica sy ny hafa atỳ Amerika Afovoany indrindra. Manome hery mamelona ny hasina satria misy vitamina sy mineraly betsaka toy ny kalsiôma sy ny vy, ny vitamina B1 sy ny fôsfôra ary ny vitamina B2.
Tsara homarihina koa ny fahafahan’ny hasina manasitrana; mampitony ny aretim-bavony ny ranon-javatra azo avy amin’ny fampangotrahana sy ny fandomana ireo voninkazo. Azo ampiasaina mba hitsaboana albumine sy ny aretin’ny tsinaibe ny raviny, ary azo ampiasaina koa ho toy ny fampandehanana ny fivalanan-drano. Ary io zavamaniry manana toetran’ny bozaka sy ny savony, matsiro sy manome hery mamelona io, dia iray monja amin’ireo zavatra noforonina eto an-tany izay azon’ny lelantsika ankafizina!
[Sary, pejy 26]
Vonin’ny hasina andrahoina miaraka amin’ny atody sy ovy, sakafo tian’ny olona indrindra atỳ Amerika Afovoany
[Sary, pejy 27]
Toy ny hazo ireo hasina maniry any ambanivohitra