Avy Amin’ny Mpamaky
Fampiasam-panafody Tsy Anatonana Dokotera Ravoravo aho nahita ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Manampy sa Manimba ny Fampiasam-panafody Tsy Anatonana Dokotera?” (8 Jolay 1998). Voasoratra tamin’ny fomba tsara izy io, ary manome fomba fijery voalanjalanja amin’ny ankapobeny momba ilay loha hevitra, izay azo ampiharina any amin’ny ankamaroan’ny firenena maneran-tany. Tsara dia tsara izy io, satria manamafy ny maha zava-dehibe ny fandraisantsika manokana andraikitra manoloana ny fahasalamantsika, amin’ny alalan’ny fomba fiaina mahasalama, fa tsy amin’ny fihinanana pilina isaky ny tsy metimety.
J. M. J., Angletera
Filalaovana Fitia Misaotra noho ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Inona no Maha Ratsy ny Filalaovana Fitia?” (8 Jolay 1998). Eo an-dalam-pahasitranana tamin’ny vokatry ny filalaovako fitia ny fianakaviako. Namela ny tenako tsy hiraharaha ny ratram-po nampitondraiko ny fianakaviako aho, indrindra fa ny vadiko be fitiavana. Raha afaka milaza zavatra amin’ireo rahalahiko sy anabaviko kristianina aho, dia izao no ambarako: “Mihainoa re an’i Jehovah Raintsika e! Aza milalao fitia, ary mangataha fanampiana, mivavaha amin’i Jehovah, ary mandosira, mandosira, mandosira ny faharatsiana.”
D. B., Etazonia
Io lahatsoratra io dia nanamafy tamiko fa tsy raharaha madinika ny filalaovana fitia. Niharam-pahavoazana, dia ny fisaraham-panambadiana ny fianakavianay, ary toa vazivazy natao tamin’ny fo madio no niteraka ilay olana. Manantena aho fa io torohevitra io dia hanampy an’ireo izay tsy mahita mialoha ny vokatra mety hoentin’ny fitondran-tenany, ny teniny, na ny fihetsiny eo amin’ny tsy lahy na tsy vavy toa azy.
O. M., Repoblika Tseky
Nampiharihary zavatra tamiko ilay fehintsoratra eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Fangalaram-pitia”. Nanjary nifandray akaiky tamin’ny rahavavy iray tao amin’ny kôngregasiôna, izay nitovy zavatra nahaliana taminy, ny vadiko, noho izy ireo nitovy fiaviana. Tsy nahitako antony tsy ahatokisana azy mihitsy izy nandritra ny 17 taona nivadianay, nefa nanomboka nisalasala aho. Tsy mora ny niresaka momba ny fihetseham-poko taminy. Taitra izy tamin’ny voalohany, nefa niezaka nahatakatra ny fomba fijeriko. Nilaza izy fa tsy naniry hampitondra ratram-po ahy sy ireo zanakay telo, ka dia natsahany avy hatrany ny fifandraisana rehetra. Maivamaivana be aho noho izany fihetsiny izany.
D. T., Kanada
Fizahana Vorona Ankizivavy fito taona aho. Tiako ilay lahatsoratra hoe “Ny Fizahana Vorona — Fialam-boly Mahavariana ho An’ny Rehetra Ve?” (8 Jolay 1998). Ireo sary sy fanazavana dia tena nanampy ahy hahita fa tamin’ny fomba mahatalanjona tokoa no nanaovan’i Jehovah an’izao tontolo izao. Ny grue misatro-mainty avy any Afrika no tiako indrindra, satria mampihomehy ny fijery azy. Misaotra noho ny fikarohana nataonareo.
F. C., Italia