Avy Amin’ny Mpamaky
Tia Vorona Misaotra noho ilay filazalazana mahafinaritra tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Akoholahim-bato — Vorona Kanto ao Amin’ny Ala Mikitroka Amazonianina” (8 Oktobra 1998), momba ny zavaboary iray mahatalanjona nataon’i Jehovah. Nitondra ahy vetivety tany amin’ny alan’i Amazone ilay lahatsoratrareo.
E. L. V., Brezila
Somary nisarika ny saiko tamin’ny fomba hafa io lahatsoratra io. Tamin’ny fomba tena feno hatsikana no nampisehoana azy io, ary nanantitrantitra izy io fa nanao ireny zavaboary rehetra ireny i Jehovah mba hahafaly antsika!
L. H., Barbade
Tiako be ilay lahatsoratra hoe “Ny Fizahana Vorona — Fialam-boly Mahavariana ho An’ny Rehetra Ve?” (8 Jolay 1998). Voalaza ao anefa fa avy any “Amerika Avaratra/Afovoany” ny soy, mety ho hita any Amerika Atsimo koa izy io.
J. P., Arzantina
Tsy ampy tokoa ilay fanazavana niaraka tamin’ilay sary nomenay, ary ankasitrahanay io fanampim-panazavana io. — MPAMPANONTA.
Fifantohan-tsaina Nahita fahasahiranana aho taloha teo amin’ny fampifantohana ny saiko rehefa niteny ny mpampianatra. Ilay lahatsoratrareo hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Ahafahako Mampifantoka ny Saiko?” (8 Oktobra 1998) anefa, dia nanampy ahy hanova ny fahazarako tao an-dakilasy. Hatramin’ny fotoana namakiako ilay lahatsoratrareo, dia nandresy an’io zava-manahirana io aho, ary mahafehy tena kokoa aho izao.
M. A. M., Brezila
Tsy mora amiko ny mampifantoka ny saiko. Tsy takatro fa ny hany ilaina mba hampifantohana ny saina dia antony manosika kely sy fifehezan-tena. Hitaky ezaka ihany izany, nefa inoako fa azoko atao!
D. R. A., Etazonia
Ahafantaran-javatra maro izay tena mahaliana tanora toa ahy ny Mifohaza! Nandray soa avy tamin’io lahatsoratra io aho, satria tsy mba mahavita mampifantoka ny saiko aho. Misaotra indrindra.
M. N., Italia
Lamasinina Nankafiziko tanteraka ny famakiana ilay lahatsoratra hoe “Quel avenir pour le rail? (8 Oktobra 1998, frantsay). Efa hatramin’ny fahazazako aho no liana tamin’ny lamasinina. Tena araka ny marina ny fanazavanareo momba ny tantaran’ny teknôlôjian’ny lalamby nanomboka tamin’ireo taona 1800 ka hatramin’izao. Misaotra noho io lahatsoratra mahafinaritra io.
L. M., Etazonia
Ao amin’ny ozinina mandroso indrindra eran-tany mpanao lamasinina aho no miasa. Midera anareo aho noho ny nanoratanareo lahatsoratra tsara dia tsara toy io. Araka ny marina ny fanazavana nomenareo sady misy fanaporofoan-kevitra tsara. Tiako fotsiny ny manamarika fa ny lamasinina haingam-pandeha sasany dia tsy mampiasa tsỳ (acier) tsy mety harafesina, fa alimo. Araka ny hita tamin’ilay lozam-pifamoivoizana an-dalamby tany Alemaina mantsy, dia mety hamoizana aina betsaka ny hafainganam-pandeha loatra.
I. D. C., Portogaly