FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/10 p. 12-15
  • Mihoatra Noho Izay Nantenaiko ny Zava-misy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mihoatra Noho Izay Nantenaiko ny Zava-misy
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Novalian-tsoa ny fitadiavany
  • Ny fanompoanay tany Holandy
  • Fanompoana any amin’ny fonenanay vaovao
  • Lesona nianarako
  • Izay nanampy anay hanohy
  • “Te Hiasa ho An’i Jehovah Aho”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Fiainana Nisy Vidiny na dia Nitokana Aza
    Mifohaza!—1993
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Manompo Amin’ny Fahatsapana Fahadodonana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/10 p. 12-15

Mihoatra Noho Izay Nantenaiko ny Zava-misy

NOTANTARAIN’I WILLEM VAN SEIJL

Ny taona 1942 tamin’izay, ary tao anatin’ny Ady Lehibe Faharoa ny taninay. Iray tamin’ny tovolahy dimy niafina ny Nazia tao Groningen, any Holandy, aho. Rehefa nipetraka tao amin’ny efitra kely iray izahay, dia nanomboka niresaka momba ny hahafahanay ho tafavoaka velona.

NIHARIHARY fa tsy azo antoka firy ny hahafahanay ho tafavoaka velona. Araka ny hita tokoa tamin’ny farany, dia maty noho ny herisetra ny telo taminay. Raha ny marina, dia izaho irery no nahatratra ny fahanterana. Izany dia ohatra iray monja ny amin’ny zava-misy mihoatra noho izay nantenaiko.

Vao 19 taona monja aho, tamin’ny fotoan’ilay fisehoan-javatra voalaza tetsy ambony, ary tsy nahafantatra firy momba ny Baiboly na ny fivavahana. Raha ny marina, dia nanohitra ny fivavahana rehetra i Dada. Nitarika an’i Neny hanaiky ny spiritisma ny fitadiavany fivavahana iray. Raha ny amiko, dia tsy nanana fanantenana aho. Nihevitra aho fa raha maty tamin’ny zera baomba iray, na tamin’ny fomba hafa aho, dia tsy hanana antony hahatsiarovana ahy Andriamanitra. Tsy nanandrana na dia ny hianatra momba azy akory aza aho.

Novalian-tsoa ny fitadiavany

Tsy ela taorian’ilay resaka nifanaovanay dimy mirahalahy, dia babon’ny Nazia aho, ary nentina tany amin’ny fonja fiasana tany Alemaina, teo akaikin’i Emmerich. Anisan’ny asanay ny nanadio ny korontan-javatra rava sy ny nanamboatra ny zavatra simba, taorian’ny nandatsahan’ireo Mpiray Dina baomba. Tamin’ny faran’ny 1943, dia nandositra aho, ary na dia mbola namely ihany aza ny ady, dia afaka niverina tany Holandy aho.

Tsy fantatro hoe tamin’ny fomba ahoana fa nahazo bokikely iray feno fanontaniana sy andinin-teny ara-baiboly aho. Nampiasaina nifandray tamin’ny fianarana ilay boky hoe Salut, izay navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izy io. Rehefa namaky ireo fanontaniana sy nijery ireo andinin-teny aho, dia nanjary liana fatratra tamin’ny fahatanterahan’ny faminaniana ara-baiboly.

Niresaka tamin’i Gré, fofombadiko, momba izay novakiko aho, nefa tsy dia liana firy izy tamin’ny voalohany. I Neny kosa dia nanjary nifantoka tanteraka tamin’ilay bokikely. “Intỳ ilay fahamarinana izay notadiaviko efa nandritra ny fiainako manontolo!”, hoy ny fihiakany. Niresaka tamin’ny namako aho, ary naniry ny hahafantatra bebe kokoa ny sasany taminy. Raha ny marina, dia nanjary Vavolombelona ny iray tamin’izy ireo, ary nanohy nifandray tsy tapaka tamin’ny alalan’ny taratasy sy ny fifampitsidihana izahay mirahalahy, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1996.

Nandritra izany fotoana izany, dia nanomboka nianatra Baiboly i Gré, ary samy natao batisa izahay tamin’ny Febroary 1945. Nifarana ny ady, volana vitsivitsy taorian’izay. Taorian’ny nivadianay, dia naniry ny ho tonga mpisava lalana, araka ny iantsoana ny minisitra ara-pivavahana manontolo andro eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izahay. Niatrika sakana anefa izahay — aretina sy fahasahiranana ara-bola. Afa-tsy izany koa, dia nisokatra ho anay ny fahafahana hahazo vola betsaka kokoa. Hiasa mba hahazoana fidiram-bola azo antoka ve aloha izahay, vao hanomboka hanao ny asan’ny mpisava lalana, sa hanomboka avy hatrany?

Ny fanompoanay tany Holandy

Ny hanao avy hatrany ny asan’ny mpisava lalana, izay natombokay tamin’ny 1 Septambra 1945, no fanapahan-kevitray. Tamin’io andro io, teny an-dalana hody tamin’ny alina be, dia niditra tao amin’ny hotely fisakafoana iray mba hisotro zavatra aho. Nomeko vola izay noheveriko fa iray florin (3000 FMG eo ho eo) ilay mpandroso sakafo, ary dia nilaza taminy aho hoe: “Hazòny ny famerim-bola.” Rehefa tonga tany an-trano aho, dia hitako fa 100 florins (300 000 FMG eo ho eo) no nomeko azy! Vola iray florin katroka no hany sisa nanombohanay ny asan’ny mpisava lalana!

Fony aho nanomboka nanao lahateny ara-baiboly ampahibemaso tamin’ny 1946, dia palitao hoditra iray no hany mba nananako. Mpitari-draharaha ny namako iray izay nitovitovy habe tamiko. Nampiditra ny lahateniko izy ary nandeha haingana tany ambadiky ny sehatra ka nanome ahy ny palitaony. Avy eo, dia nanao ilay lahateny aho. Ny nifamadika tamin’izany no nataonay teo am-pifaranan’ilay lahateny!

Tamin’ny Martsa 1949, izahay sy i Gré dia nahazo fanasana hanao ny asan’ny fizaran-tany, ka nitsidika ireo kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanatanjahana azy ireo ara-panahy. I Fritz Hartstang, izay mpanompo nahatoky, taloha sy nandritra ny ady, no nampiofana ahy ho amin’ny asan’ny fizaran-tany. Nanome ahy torohevitra tsara toy izao izy: “Wim a, araho ireo toromarika azonao amin’ny alalan’ny fandaminan’i Jehovah, na dia heverinao fa tsy ny tsara indrindra aza ireo amin’ny voalohany. Tsy hanenina na oviana na oviana ny amin’izany ianao.” Marina ny teniny.

Tamin’ny 1951, dia nitsidika an’i Holandy, i Nathan H. Knorr, prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izany. Tamin’izay fotoana izay, dia nanao fangatahana mba hahazoana fiofanana ho misionera tany Etazonia, izahay sy i Gré. Tsy ela taorian’izay, dia nahazo fanasana hanatrika ny kilasy faha-21 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, izahay. Fony izahay nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny 1945, dia Vavolombelona tokony ho 2 000 no tany Holandy; tamin’ny 1953 anefa, dia 7 000 mahery izy ireo — tena zava-misy mihoatra lavitra noho izay nantenainay!

Fanompoana any amin’ny fonenanay vaovao

Voatendry ho any Nouvelle-Guinée-Holandey, provansin’i Indonezia ankehitriny, izahay, nefa rehefa tsy nahazo niditra tany izahay, dia novana ho Suriname, tany mafana iray eto Amerika Atsimo, ny toerana nanendrena anay. Tonga tamin’ny Desambra 1955 izahay. Vavolombelona tokony ho zato monja no teto Suriname tamin’izany fotoana izany, nefa faran’izay tia nanampy be izy ireo. Tsy ela dia nahatsapa ho toy ny tany aminay mihitsy izahay.

Marina fa voatery nizatra tamin’ny tarehin-javatra maro samy hafa izahay, ary sarotra ny fanaovana izany indraindray. Ohatra, natahotra izao karazana bibikely rehetra izao i Gré. Tany Holandy, rehefa nahita hala kely tao amin’ny efitra fatorianay izy, dia tsy nandeha natory mihitsy mandra-panalako azy io. Ahitana hala avo folo heny noho ny haben’izy iny anefa eto Suriname, ary misy poizina ny sasany! Nisy kalalao, voalavo, vitsika, moka, ary valala koa ny trano misioneranay. Nisy bibilava koa aza tonga nitsidika anay. Nanjary efa zatra aoka izany an’ireny biby ireny i Gré, hany ka anisan’ny fahazarana eo amin’ny fiainany fotsiny izao ny fiezahana hanala azy ireny.

Taorian’ny 43 taona mahery, dia mahafantatra tsara kokoa an’ilay tany noho ny maro izay teraka teto izahay. Nanjary nankafizinay ny renirano sy ny ala tropikaly ary ny heniheny ao aminy, any amorontsiraka. Fantatray tsara koa ireo biby maro samihafa — ny sokina, ny bibikamo, ny jagoara, ary eny, fa na dia ireo karazana bibilava maro aza, izay matetika manana loko kanto. Nanjary nankafizinay indrindra koa anefa ny fiaviana maro samy hafan’ny olona eto. Ny razamben’ny sasany dia avy tany Afrika, Inde, Indonezia, Chine, ary tany hafa koa. Ary Indianina, taranak’ireo mponina voalohany teto ny sasany

Eny amin’ny fanompoanay kristianina, dia mahita olona avy amin’ireny fiaviana rehetra ireny izahay, rehefa mitsidika azy ireny any an-tranony. Ao amin’ireo Efitrano Fanjakananay izahay dia mahita io fahasamihafana mahafinaritra io eo amin’ireo rahalahinay sy anabavinay kristianina. Nahita ny fitomboana teto izahay: Efitrano Fanjakana tokana, izay efa hianjera, tamin’ny 1953, ary ankehitriny dia Efitrano Fanjakana maherin’ny 30, misarika ny maso sy Efitrano Fivoriambe tsara tarehy iray ary tranon’ny sampana tsara dia tsara iray izay notokanana tamin’ny Febroary 1995.

Lesona nianarako

Any afovoan-tanin’i Suriname, dia misy kôngregasiôna maromaro voaforon’ireo antsoina hoe Nègres, taranak’ireo andevo afrikanina izay nandositra ny toeram-pambolena, ka nitsoaka araka izay azony natao nankany akaikin’ny toerana avo niavian’ireo renirano. Imbetsaka aho no talanjona noho ny zava-bitany — ohatra, ny fampiasany ilay renirano ho fitaterana sy ny fanaovany ny ala tropikaly ho fonenany. Mikapa hazo sy manamboatra sambo ary mamily azy ireny hamakivaky riana sy rano mahery izy ireo. Mitady sakafo amin’ny alalan’ny fihazana sy ny fanjonoana izy ireo, ka mahandro sakafo tsy misy fampiasana fitaovana maoderina, ary manao zavatra hafa maro izay hitanay fa tena sarotra tokoa.

Tao anatin’ireo taona maro lasa, dia nanjary fantatray koa ireo mponina hafa miaina eto Suriname, ny fombafombany sy ny fomba fisainany ary ny fomba fiainany. Tsaroako ny nitsidihana ny tanànan’ny Indianina tany amin’ireo taona 1950. Tamin’ny misasakalina, dia tonga tao amin’ny toby iray tsy nonenana intsony, tany anaty ala tropikaly, izay tsy maintsy niainganay sy ilay Indianina mpitari-dalana ahy tamin’ny sambo aho. Nampirehitra ilay afo izy, nahandro ilay sakafo, namatotra ilay fandriana harato mihantona. Zavatra ara-dalàna taminy ny nanao ny zavatra rehetra ho ahy, satria fantany fa tsy haiko izany.

Rehefa nianjera avy teo amin’ny fandrianako aho tamin’ny misasakalina, dia tsy nihomehy izy. Nikopaka ny loto tamin’ny akanjoko kosa izy, ary namatotra indray ilay fandriana. Rehefa nanao dia teny amin’ny renirano tery iray izahay, dia tena maizina aoka izany, hany ka tsy nahita na dia ny tanako teo anoloako aza aho, nefa ilay mpitari-dalana ahy dia nahavita namily ilay sambo hiala an’ireo fiolahana sy sakana maro. Rehefa nanontany azy ny fomba nanaovany izany aho, dia hoy izy: “Tsy mahay mijery ianao. Mitrakà ary mariho ny fahasamihafana eo amin’ireo tendron-kazo sy ny lanitra. Hampiseho aminao ilay fiolahana eo amin’ny renirano izany. Miondreha ary jereo ireo alon-drano. Hanampy anao ireo hahafantatra raha misy vato na sakana hafa eo aloha. Ary mihainoa. Milaza izay zavatra hitranga koa ny feo.”

Mampidi-doza sy mandreraka ny fandehanana lakana sy ny fiampitana rano mahery ary ny fialana rian-drano. Amin’ny fifaranan’ilay dia anefa, dia mahatsiaro ho velombelona izahay, rehefa mihaona amin’ireo rahalahinay sy anabavinay kristianina miandry mba handray anay amin’ny fahaiza-mandray vahiny mafana. Misy sakafo ho an’ny vahiny foana, angamba lasopy eran’ny lovia. Matetika no misedra sy sarotra ny fiainana misionera, nefa tsy mandiso fanantenana na oviana na oviana.

Izay nanampy anay hanohy

Tsy dia tsara loatra ny fahasalamanay. Tsy nahazo fampaherezana firy avy tamin’ny mpianakavinay koa izahay, satria ny reniko no hany havanay Vavolombelona. Kanefa, ny fanampiana sy ny fampaherezana avy tamin’ireo namana tsy foy dia nahazoanay foana ny zavatra nilainay, ka nanampy anay hanohy ny asa nanendrena anay. Nampahery indrindra i Neny.

Rehefa tokony ho enin-taona no nahatongavanay tany amin’ny faritaninay, dia nanjary narary be i Neny. Naniry ny hiverenanay mba hijery azy farany ireo namanay, nefa nanoratra toy izao i Neny: “Mijanòna re, raha sitrakareo, amin’ny asa nanendrena anareo. Ilay izaho talohan’ny naharariako tadidina. Manantena ny hahita anareo aho amin’ny fitsanganana amin’ny maty.” Vehivavy nanana finoana natanjaka izy.

Tsy afaka niverina tany Holandy mba hanao vakansy izahay, raha tsy tamin’ny 1966. Tena faly be izahay nahita ireo namanay taloha, nefa tsapanay fa i Suriname izao no fonenanay. Hitanay, araka izany, ny fahendrena ao amin’ilay torohevitry ny fandaminana hoe tsy tokony hiverina any amin’ny taniny mba hanao vakansy ireo misionera, raha tsy efa avy nanompo tany amin’ny tany nanendrena azy nandritra ny telo taona, fara fahakeliny.

Ny zavatra iray hafa nanampy anay hankafy ny asa nanendrena anay, dia ny fihazonana fahaizana manao sy mandray vazivazy — fahafahana mihomehy amin’ny zava-drehetra, anisan’izany ny tenanay. Nanome fahaizana vazivazy ho an’ny sasany tamin’ireo zavatra noforoniny mihitsy aza i Jehovah. Rehefa mijery ireo lalao feno sangisangy ataon’ny rajako sy ny babakoto ary indrindra fa ireo zana-biby maro ianao, dia mitondra tsiky eo amin’ny endrikao izany. Afa-tsy izany koa, dia zava-dehibe ny hijerena lafy tsaran-javatra, fa tsy ny hiheveran-tena ho zavatra loatra — zavatra izay nianaranay tao anatin’ireo taona maro lasa.

Novalian-tsoa ny asanay teny amin’ny fanompoana, ka nanampy anay indrindra hanohy ny asa nanendrena anay izany. Nanomboka fampianarana Baiboly tany Paramaribo tamin’ny lehilahy sivy, tao amin’ny tranon’ny be taona, i Gré. Samy 80 taona mahery izy rehetra. Balatableeder (mpandalatra hazo fingotra) na mpihady volamena ny tsirairay taminy taloha. Nanjary tia izay nianarany ny tsirairay, ka natao batisa ary nandray anjara tamim-pahatokiana tamin’ny asa fitoriana hatreo amin’ny fahafatesany.

Ny mpitory teny antitra nantsoina hoe Rivers, avy tamin’ny Fiangonana Vaovaon’i Swedenborg, dia nihaino avy teny lavitra ilay fianarana ary nanao fanamarihana naneso. Isan-kerinandro anefa dia nanatona akaiky kokoa izy ary nanomboka nihena ny fanesoany. Tamin’ny farany, dia niara-nipetraka tamin’ireo hafa izy ary nandray anjara. Roa amby sivifolo taona izy tamin’izay, ary zara raha afaka nahita na nandre, nefa afaka nanonona andinin-teny, toy ny hoe namaky azy ireo, izy. Tamin’ny farany, dia nanomboka niara-nandray anjara taminay tamin’ny fanompoana izy, ary nitory tamin’izay rehetra nihaino. Taloha kelin’ny hahafatesany, dia nandefa hafatra fangatahana anay ho tonga tany aminy izy. Rehefa tonga izahay, dia efa maty izy, nefa hitanay tao ambany ondany ny tatitra momba ny fotoana laniny teny amin’ny fanompoana tamin’iny volana iny.

Tamin’ny 1970, rehefa avy nanao ny asa fitoriana manontolo andro nandritra ny 25 taona mahery izahay, dia voatendry hiandraikitra ny biraon’ny sampana eto Suriname aho. Niasa tao amin’ny birao aho, ary naniry ny hiaraka tamin’i Gré, izay mbola nandeha teny amin’ny fanompoana teny amin’ny saha isan’andro ihany. Miasa ato amin’ny sampana koa izao i Gré, ary manana asa misy zava-kendrena izahay mivady eto, amin’izao izahay mihantitra izao.

Eny tokoa, rehefa ampitahaiko amin’ireo mpitory ilay Fanjakana narisika naneran-tany izay latsaka ny 160 000 tamin’ny 1945, ireo mpitory 6 000 000 eo ho eo, amin’izao andro izao, dia hitako fa mihoatra lavitra noho izay nantenaiko ny zava-misy. Ary hatramin’ny nahatongavanay teto Suriname tamin’ny 1955, dia nitombo maherin’ny avo 19 heny ny nandray anjara tamin’ny fanompoana — mpitory sahabo ho 100 tamin’izany, ka tonga mpitory maherin’ny 1 900 amin’izao andro izao!

Matoky aho fa mbola hahita fisehoan-javatra lehibe lavitra eo amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah amin’ny hoavy isika, raha mitoetra ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitsika fotsiny. Ary izany no kasainay hatao.

[Sary, pejy 13]

Tamin’ny 1955, fony izahay tonga teto Suriname

[Sary, pejy 15]

Fampiasana lakana eny amin’ny fanompoanay

[Sary, pejy 15]

Miaraka amin’ny vadiko

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara