FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/10 p. 31
  • Faran’ny Fandravana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Faran’ny Fandravana
  • Mifohaza!—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fandrobana ny Ala Tropikaly
    Mifohaza!—1998
  • Mbola ho Velona Ihany ve ny Ala Tropikaly?
    Mifohaza!—1998
  • Mampanantena Andriamanitra fa ho Tsara Fiafara ity Tanintsika Ity
    Mifohaza!—2023
  • Ho Simba Tanteraka ve ny Tany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/10 p. 31

Faran’ny Fandravana

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

“Simba noho ny nataon’ny olombelona ny ampahatelon’ny tontolon’ny natiora, tato anatin’ny 25 taona farany.”

IZANY no tatitra nataon’ny Tahiry Iraisam-pirenena ho An’ny Tontolo Iainana. Naharihary izany antontan’isa nanaitra izany tamin’ny fotoana namoahana indeksa iray, dia ny Living Planet Index (Indeksan’ny Planeta Misy Zavamananaina), izay famakafakana vaovao ampiarahina amin’ny antontan’isa momba ny tontolo iainana eto an-tany.

Nanao tatitra ireo mpiaro ny loharanon-karena voajanahary fa nihena 10 isan-jato ny faritra misy ala eto amin’ny planeta. Mbola betsaka noho ny voalazan’io tarehimarika io anefa ny ala nafoy ao amin’ny ala tropikalin’ny tany mafana sy ny faritra misy ala maina, ary tsy lazaina intsony ny famoizana karazam-biby sy karazan-javamanirin’ny ala, izay mety ho mihoatra noho ny 10 isan-jato, araka ny fanamarihan’ilay gazety hoe The Independent, any Londres. Ny 30 isan-jato no nafoy teo amin’ny tontolo iainana an-dranomasina, ary miharihary izany eo amin’ny fihenan’ny karazam-biby toy ny lamàtra manga vombo ao amin’ny Atlantika, sy ny sokatra luth ao amin’ny ranomasimben’i Azia. Ny ratsy indrindra amin’izany rehetra izany dia ny fihenana 50 isan-jato ao amin’ny Freshwater Ecosystems Index (Indeksan’ny Ekôsisteman’ny Ranomamy), voalaza indrindra indrindra fa vokatry ny fitomboan’ny fandotoana ara-pambolena sy ara-taozava-baventy, ary koa ny fandaniana rano betsaka kokoa.

“Tsy haitraitra, izay ny manankarena ihany no afaka mahazo azy, akory ny fitsimbinana ny ekôsistema voajanahary”, hoy ny tenin’ny Sir Ghillian Prance, talen’ny Royal Botanical Gardens, any Kew, Londres, any Angletera, “fa zavatra tena ilaina mba hiantohana ny fiarovana ny fiasan’ny ekôlôjian’ny planetantsika, izay tena zava-dehibe sady iankinan’ny fahavelomantsika rehetra.” Voakasika avokoa ny mponina tsirairay eto amin’ity planeta ity. Ahoana àry no hahatongavana amin’ny vahaolana maharitra maneran-tany?

Mahaliana fa ny boky farany ao amin’ny Baiboly, ny Apokalypsy, dia miresaka ny amin’ny olona izay manimba ny tany. Milaza mialoha ny amin’ny fotoana izay hanimbana koa ny olona toy izany io boky io. (Apokalypsy 11:18). Hisy tsy ho ringana ve amin’izany? Eny, satria izany dia hitranga noho ny fisalovanan’i “Jehovah Andriamanitra, ilay Tsitoha”, izay manana ny hany fanafodin’ireo olana mahazo ny tontolo iainan’ity tany ity sy manana ny hery hanatanterahana izany. (Apokalypsy 11:17, NW ). Milazalaza fotoana iray izay ‘hitoeran’Andriamanitra eo amin’ny taranak’olombelona, sy hahatongavan’izy ireo ho olony’ ny Apokalypsy 21:3.

Ahoana no hahatongavanao ho “olony” sy hanananao ny fanantenana hahita ny fitsimbadihan’ny fiharatsian’ny tontolo iainana eto an-tany amin’izao andro izao? Mifandraisa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao, amin’ny fanoratana any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza eo amin’ny pejy faha-5. Na miresaha aminy, amin’ny fotoana manaraka itsidihany anao ao an-tokantranonao. Ho faly izy ireo hanampy anao hahafantatra misimisy kokoa momba izay azonao atao dieny izao mba ho vonona rehefa hisalovana Andriamanitra, tsy ho ela.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara