Ny Toetran’ny Olona Ankehitriny
Nisy tabataba tampoka tany Littleton, akaikin’i Denver, any Colorado, Etazonia, indray marainan’ny Aprily 1999. Nisy tovolahy roa nanao akanjo mainty fiaro orana niditra tao amin’ny lise ka nitifitra ny mpianatra sy mpampianatra. Nanapoaka baomba koa izy ireo. Mpianatra 12 sy mpampianatra iray no maty, ary 20 mahery no naratra. Namono tena izy ireo avy eo. Vao 17 sy 18 taona monja izy ireo, ary tena nankahala antokon’olona sasany.
MAMPALAHELO fa tsy mahalana izany no mitranga. Milaza vaovao toy izany maneran-tany ny gazety sy ny radio ary ny televiziona. Milaza ny Foibem-pirenena Momba ny Fianarana Antontan’isa fa nisy fitrangan-javatra 11 000 toy izany nampiasana fitaovam-piadiana, tany amin’ny sekoly amerikanina, tamin’ny 1997. Voalaza fa nitombo 10 isan-jato ny herisetra tany Hambourg, Alemaina, tamin’ny 1997, ary ny 44 isan-jaton’ireo voarohirohy tamin’izany no latsaka ny 21 taona.
Manao tsolotra koa matetika ny mpanao politika sy ny mpitondra fanjakana. Nilaza i Anita Gradin, iraky ny Firaisambe Eoropeanina (UE), tamin’ny 1998, fa 1 400 tapitrisa dolara no fatiantoka nateraky ny tsolotra tao anatin’ny UE, nandritra ny 1997. Tafiditra tamin’izany ny tsy fandoavana saran’ny parking ka hatramin’ny hosoka mba hahazoana vola fanampiana momba ny fiompiana sy fambolena na zavatra hafa avy amin’ny UE. Nanomezan-dalana ny fanodinana vola maloto sy ny fivarotana an-tsokosoko fitaovam-piadiana sy zava-mahadomelina, ary nanao tsolotra tamin’ny mpiasan’ny UE ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava, mba hampangina an’ireo mpiasa ireo. Nametra-pialana ny Vaomieran’ny UE manontolo, tamin’ny 1999.
Tsy ny mpitondra ambony indrindra ihany anefa no mangalatra. Nasehon’ny tatitry ny Vaomieran’ny UE momba ny mpiasa tsy ara-dalàna fa ny 16 isan-jaton’ny vokatra ankapoben’ireo firenena ao amin’ny UE no avy amin’ny asan’ireo fandraharahana tsy voasoratra ara-dalàna ka tsy mandoa hetra. Voalaza fa ny antsasaky ny vokatra ankapobe no avy amin’ny asa tsy ara-dalàna, any Rosia. Voalazan’ny Fikambanana Ara-dalàna Mpandinika ny Hosoka any Etazonia koa fa very 400 000 tapitrisa isan-taona ny orinasa amerikanina, satria mangalatra vola sy zavatra ny mpiasa.
Mampiasa ny Internet ny mpanao firaisana amin’ankizy mba hitaomana ny ankizy sy ny tsy ampy taona hanao firaisana tsy ara-dalàna. Mampanahy hatrany koa ny fisian’ny sary vetaveta ampiasana ankizy ao amin’ny Internet, araka ny mpitondra tenin’ny Vonjeo ny Ankizy, any Soeda. Naharay filazana 1 883 momba ny toerana mampiseho sary vetaveta ampiasana ankizy, ao amin’ny Internet, io fikambanana io, tamin’ny 1997 tany Norvezy. Nitombo efa ho 5 000 ny isan’izany filazana izany, herintaona taorian’izay. Tsy mahavita manara-maso an’io asa mamoafady io ny fitondram-panjakan’ny tany sasany, ka maro amin’izany sary izany no atao any.
Tsara kokoa ve ny taloha?
Maro no manembona ny toe-tsain’ny olona tamin’ny andron’ny ray aman-dreniny, na ny an’ny raibeny sy renibeny, satria mihoron-koditra mahita ny toetra ratsin’ny olona ankehitriny. Ren’izy ireo angamba fa niadana kokoa ny olona tamin’izany, ary tena mbola nanao ny marina, na nampiseho toetra tsara hafa koa. Mety ho nolazain’ireo be taona fa nifanampy ny olona sady niasa mafy, nifandray tsara ny fianakaviana, ary tsy nanana ahiahy sy nanampy ny ray aman-dreniny ny tanora teo amin’ny asa fambolena na fiompiana, na tao amin’ny trano fiasana.
Izao àry ny fanontaniana: ‘Tena tsara toetra kokoa ve ny olona taloha? Sa manimanina ny lasa fotsiny isika ka miova ny fahatsiarovantsika izany? Andeha hojerentsika ny valin-tenin’ny mpahay tantara sy ny mpandinika hafa.
[Efajoro, pejy 3]
Inona no Atao hoe Toetra Tsara?
Ny “toetra tsara” resahina ato amin’ireto lahatsoratra ireto dia ny fitsipika momba izay tsara sy ratsy eo amin’ny toetran’olombelona. Anisan’izany ny filazana sy fanaovana ny marina ary ny fitondran-tena tsara momba ny lahy sy ny vavy sy ny zavatra hafa.