Tsy Filaminan-tsaina — Olana Maneran-tany
TSAPANAO ve indraindray fa marefo sy tsy azo antoka ny ainao sy ny fomba fiainanao? Tsy ianao irery no mahatsapa izany, fa olona hafa an-tapitrisany maro koa. Tsy voasakan’ny fefy ara-pirenena, ara-pivavahana, na ara-tsosialy ny tsy filaminan-tsaina, ka mihanaka toy ny aretina, ary mampahory olona manomboka any Moscou ka hatrany Manhattan.
Rehefa tsy azo antoka ny fiainantsika, dia lazain’ny diksionera iray hoe “ianjadian’ny tahotra sy ny tebiteby” isika. Enta-mavesatra ara-pihetseham-po izay miteraka fihenjanana mety hanimba ny fahasalamantsika ny fitebitebena. Fa nahoana anefa isika no mitebiteby sy tsy milamin-tsaina?
Fitebitebena any Eoropa
Eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina, izay hafohezintsika amin’ny hoe VE, dia olona 1 amin’ny 6 no miaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny, 18 tapitrisa no tsy an’asa, ary hafa tsy tambo isaina no miaina ao anatin’ny tahotra ny hamoy ny asany. Mihorohoro ny ray aman-dreny, any amin’ny tany maromaro anisan’ny VE, satria mandrahona ny zanany ny fisian’ny mpanao firaisana amin’ankizy. Olona 2 amin’ny 3, ao amin’ny firenena iray anisan’ny VE, no mitebiteby noho ny fandrahonan’ny heloka bevava. Mahatsapa tahotra mihamitombo ny mponina hafa any amin’ny tany anisan’ny VE noho ny fisian’ny olona mpanimbanimba zavatra, mpampihorohoro, ary noho ny fandotoana.
Tandindomin-doza ny aina sy ny fivelomana, tsy noho ireo zavatra tsy ara-dalàna ireo ihany, fa noho ny loza araka ny natiora ihany koa. Ohatra, tamin’ny 1997 sy 1998, dia nisy oram-batravatra, riakam-potaka, ary tafio-drivotra nandrava faritra maro tany Etazonia. Tamin’ny 1997, dia namely an’i Eoropa Afovoany ny tondra-drano, rehefa nihoatra ny morony ny ony Oder sy Neisse. Araka ny voalazan’ilay gazety poloney mpiseho isan-kerinandro hoe Polityka, dia nandifotra tanim-boly midadasika maro sy tanàna 86 ary vohitra 900 eo ho eo, ilay tondra-drano. Tokantrano tokony ho 50 000 no namoy ny biby fiompiny sy ny voliny, ary olona efa ho 50 no maty. Trano niisa 13 000 no difotry ny rano tao amin’io tany io, ka olona 50 no namoy ny ainy. Namono olona maro be ny riakam-potaka nitranga tany amin’ny faritra atsimon’i Italia, teo am-piandohan’ny taona 1998.
Raharaha mahakasika ny filaminan-tsain’ny isam-batan’olona
Moa ve anefa tsy omena toky isika fa azo antoka kokoa noho ny tamin’ny folo taona lasa ny fiainana? Moa ve tsy nitarika ho amin’ny fampihenana ny tafika ny nifaranan’ny Ady Mangatsiaka? Eny, mety ho nihanilamina tokoa ny tany teo amin’ny sehatry ny firenena. Izay mitranga ao an-tokantrano sy eny amin’ny arabe anefa no misy fiantraikany eo amin’ny filaminan-tsain’ny isam-batan’olona. Raha mamoy ny asantsika isika, na miahiahy sao misy mpangalatra na mpanao firaisana amin’ankizy mamitsaka ao ivelan’ny tranontsika, amin’izay, na firy na firy fitaovam-piadiana nopotehina, dia mitebiteby sy tsy milamin-tsaina ihany isika.
Ahoana no iatrehan’ny olona sasany izao fiainana tsy azo antoka izao? Ny mbola zava-dehibe kokoa aza, misy fomba azo atao ve mba hananan’ny tsirairay, anisan’izany ny tenanao, fiainana azo antoka maharitra? Hodinihina ao amin’ireo lahatsoratra roa manaraka ireo hevitra ireo.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
UN PHOTO 186705/J. Isaac
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
FAO photo/B. Imevbore