Ny Diary—Namana Mendri-pitokisana
METY ho namana azo itokisana sy mahay miombom-pihetseham-po ny diary, eo amin’ity tontolo tsy mangoraka ity. Ny diary dia “ahafahantsika mahazo sary an-tsaina ny fiainantsika taloha”, hoy i Christina Baldwin, mpanoratra. Tahaka ny boky fitoeran-tsary mitantara ny fiainantsika taloha, ny diary dia manome antsika “sary” an-tsoratra mampiseho sy mitahiry ny tantaram-piainantsika.
Matetika ny fitondram-panjakana tamin’ny andron’ny Baiboly no nitana an-tsoratra ny fisehoan-javatra niavaka. Na ny Baiboly aza dia manisy firesahana ny maro amin’ireny tantara ara-panjakana ireny. (Nomery 21:14, 15; Josoa 10:12, 13) Nanao karazana alimanaka nantsoina hoe éphémérides,a ny Grika, ary nosoratany tao ny fizotran’ny kintana sy ny planeta isan’andro. Nampiasa ireny alimanaka ireny ny Romanina rehefa nandresy ny Grika, nefa nosoratany tao koa ny zava-nitranga isan’andro teo amin’ny fiaraha-monina sy ny zava-mahaliana ny olona. Nantsoiny hoe diarium, izay avy amin’ny teny latinina hoe dies, midika hoe “andro”, ireo.
Tamin’ny taonjato faha-17, vao natao ho fandraketana ny zava-niseho teo amin’ny fiainan’ny tena isan’andro ny diary, fony nosoratana ny tantaram-piainan’i Samuel Pepys, anglisy iray. Samy voarakitra tao amin’ny diarin’i Pepys ny fitiavam-pivavahana sy ny rendrarendran’izao tontolo izao, ka izany dia nahatonga ireo mpahay tantara hahatakatra tsara ny tantaram-piainan’ireo olona nandritra ny fanapahan’i Charles II, mpanjaka anglisy.
Nanjary fanao ny fanoratana diary, nanomboka tamin’izay. Diary maro mihitsy aza no nanjary boky ara-tantara sarobidy. Mendri-komarihina amin’ireny ny diarin’ny tovovavy jiosy iray niafina ny Nazia. Ny Diarin’ny Ankizivavy Iray (anglisy) nosoratan’i Anne Frank dia porofo mampahonena ny amin’ny habibiana nampiharin’ny olombelona tamin’ny namany.
Nahoana no mahaliana ny diary?
Ny fanoratana diary dia toa fanomezana fahafaham-po ny iray amin’ireo fanirian’olombelona fototra haneho ny heviny. Mamela antsika hisaintsaina ireo fisehoan-javatra mamolavola ny fiainantsika ny diary, na ny fifaliantsika noho ny fandrenesana ny teny voalohany nolazain’ny zazakely iray no soratantsika ao, na ny fitombon’ny fifandraisana feno fitiavana. Mampahatsiahy antsika ireo fotoana sarobidy ireo sy ny fihetseham-po naterak’izany ny famakiana ireo teny nosoratana ao amin’ny diary.
Iray amin’ny soa lehibe indrindra azo avy amin’ny diary ny fanampiany antsika hahafantatra ny tenantsika. Miantso azy io ho “fitaovana ara-tsaina mahasoa izay mahatonga anao ho afaka haneho tsara ny fihetseham-ponao”, i Tristine Rainer, mpanoratra.
Hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 12:25: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy.” Azon’ny olona iray atao ny milaza an-tsoratra ny ‘alahelony’, raha tsy te hiresaka izany amin’ny hafa izy. Matetika àry no anipazana hevitra ny fanoratana diary satria fitaovana manampy mba hiatrehana ny vokatry ny fanaintainana ara-pihetseham-po izy io. Mety ho azo ampiasaina mba hisaintsainana ny fiainan’ny tena, sy hamerana tanjona vaovao, ary angamba handaminana ireo zava-manahirana ny diary. Ny fanoratana ny zava-manahirana sy ny fihetseham-pon’ny tena dia manampy mba hifantohana amin’ny tena zava-misy sy hijerena azy ireo amin’ny saina tsy miangatra.
Mety ho fitaovana fampianarana koa ny fanoratana diary. Manoro hevitra ny ray aman-dreny toy izao ny Federasionan’ny Mpampianatra Amerikanina: “Ampirisiho hanoratra diary ny zanakareo. Manatsara ny fahaiza-manoratra sy mamorona ny fanoratana diary.”
Ahoana no hanombohana azy?
Voalohany, dia mitadiava toerana mangina sy kahie tena tianao. Marina aloha, fa mety hampahatahotra ny mameno pejy iray tsy misy soratra. Ny fanalahidiny anefa dia ny hoe marina sy manao zavatra vokatry ny fo ary tsotra. Mety hanontany tena toy izao ianao: ‘Inona no nataoko androany? Inona no akon’izany teo amiko? Inona no nohaniko? Iza no niresaka tamiko? Inona no mitranga amin’ny fiainan’ireo olona tiako?’ Na mety hanontany ianao izao hoe: ‘Manao ahoana ny fiainako izao? Inona ny zava-kendreko? Inona no zavatra iriko mafy?’ Avy eo dia aza manakiana fa avelao hizotra tsara ny zavatra soratanao.
Manorata betsaka na kely araka izay tianao. Manorata matetika na mahalana araka izay tianao. Aoka ianao ho tsotra sy ho marina. Aza manahy ny amin’ny fitsipi-pitenenana na ny tsipelin-teny. Tsy hisy hahita izay nosoratanao. Mety hanandrana hametaka sary na sombin-gazety na zavatra hafa misy vidiny aminao ianao. Bokinao io. Mety hilamina tsara na hikorontana izy io, ho kely na ho lehibe koa. Ary afaka manoratra ao ianao na rahoviana na rahoviana tianao hanaovana izany. Tsy hahomby sy ho diso fanantenana mihitsy ianao, raha lasa latasy fotsiny ny fanoratana diary.—Jereo ilay faritra voafefy.
Toy ny mety hampiasan’ny mpahay siansa iray boky hanamarihana na handraiketana an-tsoratra ny fiovana eo amin’ny zavatra sasany hanaovany fandinihana, dia toy izany koa fa mety hanampy anao handinika sy hamakafaka ny fahazaranao sy ny fironanao eo amin’ny fiainanao ny diary. Hampiharihary ny fifalianao sy ny alahelonao sy ny fahalemenao ary ny tanjakao ny diarinao. Hanatsara ny fahaizanao maneho ny hevitrao izy io. Marina fa mitaky fahatapahan-kevitra ny fanoratana diary, nefa mitondra valisoa tondraka izany.—Nisy Nanome.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Avy amin’ny teny grika hoe ephemeros, midika hoe “maharitra iray andro.”
[Efajoro, pejy 11]
Fanoloran-kevitra mba Hanombohana Manoratra Diary
◆ Mifidiana kahie mateza sy mora entina.
◆ Mitadiava fotoana sy toerana mitokana. Asio daty ny zavatra rehetra soratanao.
◆ Aza mikoropaka raha tsy voarainao ny andro sasantsasany; tohizo fotsiny izay nijanonanao.
◆ Aza kianina ny asanao. Aza misalasala milaza ny hevitrao. Ny tsipirian-javatra soratana fa tsy ny ankapobeny fotsiny.