FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lmd lesona 8
  • Manàna Faharetana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manàna Faharetana
  • Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no nataon’i Jesosy?
  • Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?
  • Tahafo i Jesosy
  • Miezaha Foana Hanam-paharetana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Ampiasao Ireo Video Rehefa Mampianatra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sorona Nataon’i Jesosy
    Foto-kevitra Hafa
  • Zavatra Mahaliana Resahina
    Tiavo ny Olona ka Ampianaro
Hijery Hafa
Tiavo ny Olona ka Ampianaro
lmd lesona 8

REHEFA MIVERINA MITSIDIKA

Ao amin’ny toerana fandrafetana iray i Jakoba. Gaga izy mahita an’i Jesosy rahalahiny manatona azy.

Jaona 7:3-5; 1 Kor. 15:3, 4, 7

LESONA 8

Manàna Faharetana

Torolalana: “Ny fitiavana manam-paharetana.”​—1 Kor. 13:4.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

Ao amin’ny toerana fandrafetana iray i Jakoba. Gaga izy mahita an’i Jesosy rahalahiny manatona azy.

VIDEO: Manam-paharetana Amin’ny Rahalahiny i Jesosy

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Jaona 7:3-5 sy ny 1 Korintianina 15:3, 4, 7. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1. Nanao ahoana ny fihetsiky ny rahalahin’i Jesosy rehefa nahita azy nitory?

  2. Ahoana no ahitana hoe tsy kivy i Jesosy fa nanampy foana an’i Jakoba rahalahiny?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Mila manam-paharetana isika satria ela kokoa ny olona sasany vao manaiky ny vaovao tsara.

Tahafo i Jesosy

3. Mitadiava fomba hafa hanampiana azy. Aza terena hianatra Baiboly izy raha mbola tsy vonona. Ampisehoy video na lahatsoratra izy amin’ny fotoana mety. Ampiasao izy ireny mba hanampiana azy hahita hoe ahoana no atao rehefa mianatra Baiboly, ary inona ny soa horaisiny avy amin’izany.

4. Aza ampitahaina amin’olon-kafa izy. Tsy mitovy mantsy ny olona. Raha misalasala hianatra Baiboly ny fianakavianao na ny olona tsidihinao, na misy zavatra ampianarin’ny Baiboly tsy ekeny, dia fantaro ny mety ho antony. Mifikitra be amin’ny zavatra inoany ve izy? Sa ve enjehin’ny havany na ny mpiara-monina aminy izy? Omeo fotoana izy mba handinihany an’izay noresahinao sy hahitany hoe azo inoana izay lazain’ny Baiboly.

5. Mivavaha ho an’ilay olona tsidihinao. Angataho i Jehovah mba hanampy anao tsy hanary toky sy hahay handanjalanja. Mivavaha koa mba hahay hanavaka raha tsy liana ny olona iray, ka tsy tokony hotsidihina intsony.​—1 Kor. 9:26.

JEREO KOA IRETO

Mar. 4:26-28; 1 Kor. 3:5-9; 2 Pet. 3:9

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara