ABA, II
Volana faha-5 tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, taorian’ny sesitany, fa faha-11 kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana, ary mifanitsy amin’ny faramparan’ny Jolay sy voalohandohan’ny Aogositra.
Tsy tena fantatra ny dikan’ny hoe Aba. Tsy misy hoe volana Aba ao amin’ny Baiboly, fa hoe “ny volana fahadimy” fotsiny no ao. Misy kosa ao amin’ny Mishnah (Taanit 4:6) sy ny asa soratra jiosy hafa taorian’ny sesitany.
Tamin’ny vanin-taona mafana ny Aba, ary tamin’izay no nanomboka ny fiotazam-boaloboka tany Israely.—Jereo KALANDRIE.
Ny 1 Aba i Arona no maty teo amin’ny Tendrombohitra Hora. (No 33:38) Ny andro fahafiton’io volana io kosa i Nebozaradana mpanompon’ny mpanjakan’i Babylona no “tonga tao Jerosalema”, araka ny 2 Mpanjaka 25:8. Milaza anefa ny Jeremia 52:12 fa ny andro fahafolo izy no “niditra tao Jerosalema.” Hoy ny boky iray: “Mety ho ny elanelan’ny fotoana nahatongavan’i Nebozaradana sy nanombohany ny fanafihana ireo telo andro ireo.” (Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, nataon’i A. Cohen, Londres, 1949) Toa tonga tao Jerosalema ny 7 Aba àry i Nebozaradana, nitily an’ilay tanàna avy tao an-tobiny teny ivelan’ny manda, ary nibaiko ny handravana ny manda sy ny handrobana ny harenan’ilay tanàna. Farany, niditra tao an-tanàna sy tao amin’ny tempoly masina izy ny 10 Aba. Nodoran’ny Romanina tamin’ny fahafolon’ny volana fahadimy (taona 70) ny tempolin’i Heroda, hoy i Josèphe (Ny Adin’ny Jiosy, VI, 250, 268 [iv, 5, 8]). Ny fahafolon’io volana io ihany koa, hoy izy, no nodoran’ny Babylonianina ilay tempoly voalohany.
Tamin’io volana fahadimy io ny Jiosy natao sesitany 70 taona tany Babylona no nifady hanina sy nidradradradra, ho fahatsiarovana ny nandravana ny tempolin’i Jerosalema. (Za 7:3, 5; 8:19) Ny volana Aba koa i Ezra no niverina tao Jerosalema (izay voaorina indray) mba hampianatra ny Jiosy ny Lalàn’i Jehovah.—Ezr 7:8, 9, 25.