FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Rezina”
  • Rezina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rezina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Peka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ahaza
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tiglato-pilesera (III)
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mahera-salala-hasi-baza
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Rezina”

REZINA

(Rezìna).

1. Mpanjakan’i Syria nitondra tao Damaskosy, tamin’ny andron’i Jotama mpanjakan’ny Joda (777-762 T.K.) sy Ahaza zanany (762-746 T.K.).

Niady tamin’ny Joda i Rezina sy Peka mpanjakan’ny Israely, rehefa hifarana ny fotoana nanjakan’i Jotama. (2Mp 15:36-38) Nitohy hatramin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka izany. Nahazo babo maro ny Syrianina, ary nentin’i Rezina nankany Damaskosy ireny Jodianina ireny. (2Ta 28:5) Nalain’i Rezina tamin’ny Joda koa ny tanànan’i Elata teo amin’ny Hoalan’i ʽAkaba, ary nesoriny tao ny Jiosy rehetra. Nampodiny tamin’ny Edomita avy eo ilay tanàna. (2Mp 16:6) Nataon’ny tafika syrianina sy israelita fahirano koa i Jerosalema, ka “ny zanak’i Tabela” no saika nataony mpanjaka tao. Tsy azon’izy ireo anefa ilay tanàna. (2Mp 16:5; Is 7:1, 6) Natahotra be i Ahaza, na dia efa nomen’i Isaia toky aza fa tsy misy atahorany an’i Rezina sy Peka. (Is 7:3-12; 8:6, 7) Nangataka ny fanampian’i Asyria àry izy. Nomeny tsolotra i Tiglato-pilesera III mba hanafika an’i Syria.​—2Mp 16:7, 8; 2Ta 28:16, 20.

Notafihin’i Tiglato-pilesera III tokoa i Damaskosy ka resiny, ary novonoiny i Rezina. Lasa nofehezin’ny Asyrianina àry i Syria.​—2Mp 16:9.

2. Razamben’ny fianakaviana iray anisan’ny Netinima. Nisy tamin’izy ireo nody tany Jerosalema tamin’ny 537 T.K., taorian’ny sesitany tany Babylona.​—Ezr 2:1, 43, 48; Ne 7:6, 46, 50.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara