FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sisaka”
  • Sisaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sisaka
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Sary Mivohitra any Ejipta Manamarina Tantara Iray ao Amin’ny Baiboly
    Foto-kevitra Hafa
  • Porofon’ny voninahitr’i Solomona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 1
    Mifohaza!—2010
  • Sokita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sisaka”

SISAKA

(Sisàka).

Mpanjaka tany Ejipta antsoina hoe Sesônka (I) ao amin’ny soratra ejipsianina. Voalaza fa izy no voalohany tamin’ny “tarana-mpanjaka libyanina”, ary nanjaka 21 taona teo ho eo, hono, izy. Nandimby azy i Osorkon I zanany.

I Sisaka no nanjaka tany Ejipta, tamin’i Jeroboama nandositra tany mba tsy hovonoin’i Solomona Mpanjaka. (1Mp 11:40) Nitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly maro be i Sisaka ka nanafika an’i Joda, taona vitsivitsy taorian’izay, tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama zanak’i Solomona (993 T.K.). Namabo tanàna voaro mafy tany Joda izy, ary tonga tany Jerosalema. Tsy navelan’i Jehovah handrava an’i Jerosalema anefa izy. Nanetry tena mantsy i Rehoboama sy ny andrianan’ny Joda rehefa naharay hafatra tamin’i Semaia mpaminany. Nalain’i Sisaka daholo anefa ny zava-tsarobidy tao an-tanàna.​—2Ta 12:1-12.

Nisy zavatra hitan’ny mpikaroka manamarina fa nanafika an’i Palestina tokoa i Sisaka. Anisan’izany ny silaka tsangambato iray tao Megido, misy ilay anarana hoe Sesônka (Sisaka). Natsangana tao angamba io tsangambato io ho fahatsiarovana ny fandreseny. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 263, 264) Misy sary mivohitra ahitana ny anaran’ireo tanàna resin’i Sisaka koa eo amin’ny rindrin’ny tempoly iray ao Karnak (tapany avaratra amin’i Thèbes, tanàna tany Ejipta fahiny). (SARY, Boky 1, p. 952; Fanampin’ny Testamenta Taloha, latinina, Leyde, 1957, Boky Faha-4, p. 59, 60) Misy amin’ireo tanàna ireo resahin’ny Baiboly, ary tao amin’ny faritry ny fanjakan’ny foko folo ny ankamaroany. Midika izany fa tsy nikendry ny hanampy ny fanjakan’ny foko folo i Sisaka. Te hifehy an’ireo lalana fivezivezen’ny entam-barotra kosa izy, mba hanitarana ny faritra nofehezin’i Ejipta.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara