Ny indrafon’ny ray be fitia
Iza moa no mila famelan-keloka amin’izao fotoana izao? Fomba manao ahoana no hahazoana izany?
IZA moa no olo-marina ka tsy mila famelan-keloka? Tsy misy na dia iray aza, raha ny tena izy, satria “samy efa nanota izy rehetra ka tsy nahatratra azy ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. Noho izany, dia ny olon-kendry no mahatsapa ny ilàny famelan-keloka ary, mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Tompo Jesosy, mivavaka amim-panetrentena, manao hoe: “Mamelà ny helokay.”—Romana 3:23, MN; Lioka 11:4, MN.
Kanefa, Andriamanitra moa hihaino ny mpanota mibebaka izay manenina tokoa amin’ny ratsy nataony ka maniry hanao ny tsara amin’ny fony rehetra? Davida, lehilahy nahafantatra tsara ny indrafon’Andriamanitra, dia nihira hoe: “Fa hianao, Tompo ô (Jehovah), no tsara no sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso anao.” Taona maro tatỳ aoriana, dia nahafantatra izany toe-javatra izany ny fikambanana levita iray: “Andriamanitry ny famelan-keloka hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindrampo.”—Salamo 86:5, Da; Nehemia 9:17, Da; Daniela 9:9.
Ny fandaharana mahagagan’Andriamanitra mikasika ny famelan-keloka, dia fiantsoana izay rehetra mety ho very eo amin’ny lalan’ny fahotana. Koa aza manana saina ary, manao hoe: tsy mety ho vaovonjy intsony aho, ary ny fahotako dia manakana ahy tsy hahazo tombon-tsoa amin’ny famindrampon’Andriamanitra. Mahereza ary fantaro fa Jehovah dia manana fahefana mamela heloka, mihoatra na iza na iza. Ekeonao ity fiantsoana manaraka ity, hoe: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa izy.”—Isaia 55:7, AC.
Fony tetỳ ambonin’ny tany Jesosy, dia nampiseho ny fahafahana mahagaga mamela heloka avy tamin’ny Rainy. Nanao izany indrindra izy tamin’ny fotoana nanesoan’ireo mpanora-dalàna mpihatsaravelatsihy sy Fariseo ireo Azy, hoe: “Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy.” Raha namaly Jesosy, dia nilaza ohatra maro manamarina ny fihetsiny ny amin’ireo mpamory hetra sy mpanota tamin’ny fampisehoany fa ny olona toy izany izay mibebaka, dia mahazo ny fitiavan’Andriamanitra.—Lioka 15:2, MN.
NY ONDRY VERY SY NY FARANTSAKELY
Mba ho fiantomboana, dia nanontany Izy raha misy amin’ireo Fariseo izay, manana ondry zato, ka tsy handeha hitady ny iray amin’izy ireo izay very. Nampahafantariny tamin’izany, fa sahala amin’ny fifaliany nahita ilay ondry very. Nampahafantariny tamin’izany, fa sahala amin’ny fifaliany nahita ilay ondry very, no hisian’ny fifaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny sivy amby sivy folo izay tsy mila izany. Eny, maharavoravo ny fon’ny ankohonan’Andriamanitra any an-danitra, ny olona mahatsapa ny tenany fa mpanota ka maniry hanova ny làlany.—Lioka 15:3-7, MN.
Mba hampazava io tarehin-javatra io amin’ny ohatra hafa, dia nanontany Jesosy, hoe: “Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?” Nampisehoany, fa sahala amin’ny haben’ny fifalian-dravehivavy rehefa hitany ilay farantsakely, no hisian’ny fifaliana lehibe eo amin’ny ankohonan’Andriamanitra amin’ny mpanota iray monja izay mibebaka sy manao ny asan’Andriamanitra.—Lioka 15:8-10, MN.
ILAY ZANAKA ADALA
Ary farany, mba hiderana ny indrafon’ny Rainy any an-danitra, amin’ny teny izay manohina lalina ny fo sy mamporisika ny mpihaino hanompo an’Andriamanitra, dia nanao ny fanoharana momba ny zanaka adala Jesosy, izay tantara tsy misy toa azy tokoa notantarain’olona.
“Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy, hoy Jesosy. Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin’izy mirahalahy ny fananany. Ary nony afaka kelikely, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin’ny fiveloman-dratsy tany. Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin’izany tany izany, ka nahantra izy. Dia nandeha izy ka niankina tamin’ny tompon-tany anankiray tamin’izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa. Ary satriny hameno ny kibony tamin’ny voankazo fihinan’ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.
“Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy! maro ny olona karamain’ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto! Hiainga aho, dia hody any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho. Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony. Fa rainy kosa nanao tamin’ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tanany sy kapa ny tongony; ary ento etỳ ny zanak’omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
“Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton’izany zavatra izany. Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak’omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’osy aza mba hifaliako amin’ny sakaizako; fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak’omby nafahy hianao. Ary hoy rainy taminy: Anaka, hianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.”—Lioka 15:11-32, MN.
NY RAY BE INDRAFO
Teny manao ahoana re no nilazan’i Jesosy, ao anatin’io fanoharana io, ny fitiavan’ny Rainy any an-danitra mamela heloka! Aoka tsy ho adinontsika, fa ilay Mpamorona lehibe izao rehetra izao dia manaiky amim-pitiavana ny mpanota iray mibebaka! Jesosy koa anefa, izay tsara toerana tokoa amin’ny fahalalana ny Ray, dia nampiseho, tamin’iny fanoharana nanaitra iny, fa izany dia izany tokoa no handraisan’ny Ray ireo izay manova ny fony ka miverina “ao an-trano” mba hanompo Azy.
Kanefa tsy zava-baovao akory izany hevitr’Andriamanitra izany, dia hevitry ny Ray izay mora mamela heloka. Jehovah ihany no nampahafantatra, efa elabe izay, fa mitoetra eo akaikin’ny manetry tena izay torotoro fo sy malahelo noho ny maha-mpanota azy Izy. Hoy Izy: “Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena.” — Isaia 57:15, Da.
FAHAZOANA NY FAMELAN-KELOKY NY RAY
Nahazo izany hevitra izany ilay zanaka adala rehefa nody ny sainy; tena torotoro fo tokoa izy no sady nalahelo. Nanenenany fatratra ny fitondrantenany adala ary nahatsapa izy fa tsy miendrika intsony antsoina hoe: zanakin’ny rainy. Noho izany, dia amin’ny saina feno fanetren-tena sy fanenenana no niverenany mba hanolotra maimaimpoana ny asany ho toy ny mpanompon-drainy.
Torak’izany koa, teo amin’ny Isiraely izay vahoakan’Andriamanitra, tamin’ny taon-jato voalohany, dia nisy maro tokoa no nandao ny Rainy any an-danitra ka nanaraka fitsipi-pitondrantena ratsy. Kanjo, rehefa nandre ny hafatry ny Fanjakan’Andriamanitra notorin’i Jaona Mpanao-batisa sy Jesosy izy ireo, dia taitra ary, sahala amin’ilay zanaka adala, dia niverina izy ireo mba hanolotra maimaimpoana ny asany toy ny mpanompon’Andriamanitra. Noraisin’i Jesosy amim-pitiavana lehibe tokoa izy ireo, noho ny sainy nanetry tena sy ny fibebahany marina, dia amin’ny fomba ara-panahy izay hanaovan’ny Ray any an-danitra izany, toy ny efa nasehon’i Jesosy ihany tao amin’ny fanoharany. Tonga mpianatr’i Jesosy izy ireny ary nalefany hitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
Misy koa io toe-javatra io ankehitriny mandritry ny fisehoan’i Kristy fanindroany. Indrindra indrindra, talohan’ny taona 1931, dia nisy olona maromaro nahalala ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra ka niray akaiky dia akaiky tamin’ny sisa voahosotra amin’ny rahalahin’i Kristy. Kanefa, sahala amin’ilay zanaka adala, dia niriny ny hifaly amin’ny fahafinaretana, omen’ity fandehan-javatra ankehitriny ity, toy izay hanohy hanompo ny Ray any an-danitra. Tsy vonona ny hiandry mba handray fahasoavana amin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy, fa maniry kosa ny hifaly vetivety amin’ny zavatra ara-nofo.
Kanefa, nony ela ny ela, dia noana ireny zanaka adala ireny, noho ny mosary ara-panahy izay manjaka ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana. Niova ny fony. Koa amim-panetren-tena lehibe, dia niverina izy ireny ka nibaboka ny fahotany ary nanolotra maimaimpoana ny asany amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra azy. Nekena ve izy ireo? Eny tokoa! Toy ny nandraisan’ny ray be fitia amim-pitiavana ilay zanaka adala sy ny nanajany azy tamin’ny fanaovana fanasana, no hanajana amin’ny fanaovana fanasana ara-panahy amin’ny zavatra matavy sy ny tombon-tsoa sesehena mikasika ny asa, ho an’ireo ondrin’ny Tompo mibebaka anisan’ ny “ondry hafa”. Izy ireo koa, dia nanjary tonga mpitory mafana fo ny Fanjakan’ Andriamanitra. Toy inona moa no hampisehoan’ny Ray fitiavana sy famindrampo amin’ireo izay mahatsapa ny ilàny ny famelan-keloka ka miverina aminy!
Satria samy efa nanota daholo, dia isika rehetra no mahazo mandray fianarana amin’ny fanetren-tena sy ny fanenenan’ny fo niseho tamin’ilay zanaka adala. Tsy vitan’ny hoe nanenina fotsiny ny fahotany izy, fa nampiseho koa ny fanenenany tamin’ny fibaboany ny asa ratsiny sy ny fangatahany mba ho avela hanompo an-drainy. Tsy maintsy manao sahala aminy hianao, raha tahiny tianao ny hahazo ny fankasitrahana sy ny famelan-keloky ny Ray any an-danitra. Aza misalasala! Aza avela hahazo anao ny fieritreretana ny tsy famendrehanao, hisakana anao hitodika amin’Andriamanitra mba hanompo Azy. Mahereza, satria Jehovah “no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso (Azy)”.—Salamo 86:5, Da.