Tena nianatra nahafantatra an’Andriamanitra tokoa ve ianao?
“Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin’izay andro izay.”—II Timoty 1:12.
1. Inona moa no tarehin-javatra nisy teo amin’ny Isiraely, mitarika antsika hanontany tena raha mahalala an’Andriamanitra tokoa isika?
FANTATRAO ve Andriamanitra? “Eny, hoy ny havalinao, mahalala an’Andriamanitra ny olona rehetra.” Raha tsy dinihina tsara izany dia toa marina. Nefa, 2 700 taona lasa izay, ny mpaminany iray atao hoe Hosea dia nanonona teny mety hanosika antsika hanontany tena toy izao: “Tena mahafantatra an’Andriamanitra tokoa ve aho?” Tamin’ny andron’i Hosea ny firenen’Isiraely dia tao anatin’ny fanekena manokana nifanaovana tamin’Andriamanitra. Miharihary tokoa fa ny ankamaroan’ny Isiraelita dia nahalala tsara ny anarany hoe Jehovah, izay ny dikany dia hoe “Mahatonga Izy”. Tsy takona tamin’izy ireo koa ny anjara noraisin’Andriamanitra teo amin’ny fiforonan’ny firenen’Isiraely, ary ny ankamaroany dia nifankazatra tamin’ireo lalàny. Nefa na dia tao aza ny fifandraisana akaiky nampiray ny Isiraelita tamin’ny Mpamorona azy, dia voatery nilaza toy izao taminy Hosea: “Mihainoa ny tenin’i Jehovah, hianareo Zanak’Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin’ny mponina amin’ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny tany.’’ Hosea 4:1; jereo Jaona 7:28.
2, 3. a) Inona moa no dikan’ny hoe mahalala olona iray tokoa? b) Nahoana moa no zava-dehibe ny hahafantarana an’Andriamanitra tokoa?
2 Tsy tena nahafantatra marina tokoa an’Andriamanitra àry ireny Isiraelita ireny. Ny fahalalana marina ny olona iray dia mahafaoka zavatra bebe kokoa noho ny fahalalana fotsiny ny anarany na ny fananana fanazavana sasany mikasika ny fiainany sy ny zavatra tiany.
3 Manao ahoana ny fahalalanao marina tokoa an’Andriamanitra? Moa ve ianao vonona ny hampiditra ny fiainanao manontolo hifanaraka amin’izay fantatrao mikasika an’Andriamanitra? Ho voatarika hanao izany ianao. Nolavin’Andriamanitra ny firenen’Isiraely noho ny tsy fahampian’ny fahalalana, ary toy izany koa no itsaran’Andriamanitra amin’izao andro izao ireo izay mandà ny fahalalana mikasika azy. Tsy ho ela dia “hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra’’ izy.—II Tesaloniana 1:8; Jaona 17:3.
4. Ahoana moa no manjary ihariharian’ny tsy fahampian’ny fahalalana an’Andriamanitra?
4 Miharihary tokoa amin’izao andro izao fa ny ankamaroan’ny olona dia nanda ny fahalalana an’Andriamanitra toy ny nataon’ny firenen’Isiraely tamin’ny andron’i Hosea. Rehefa avy niteny an’ireo rahalahiny isiraelita noho ny tsy fahampian’ny fahalan’izy ireo i Hosea dia nampiseho ny zavatra niharihary tamin’izany, tamin’ny filazana hoe: “Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-dra.” (Hosea 4:2). Marina tokoa fa amin’ny ataon’ny tena no ampiharihariana ny hoe manao ahoana ny fahafantarana an’Andriamanitra. Mikasika izany, ny mpanoratra kristiana iray dia nanao izao famoaboasan-kevitra izao: “Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika [mahalala an’Andriamanitra, araka ny asehon’ny I Jaona 1:5], dia ny fitandremana ny didiny. Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.” (I Jaona 2:3, 4). Araka izany, ny fahafantarana an’Andriamanitra dia milaza zavatra mihoatra noho ny fanarahana fivavahana iray. Izany dia milaza fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Manao ahoana ny toeranao amin’izany lafiny izany?
5. Ahoana moa no mahatonga ny fahalalana hampiorina tsara ny fitokisantsika ny Mpamorona?
5 Izay mahalala an’Andriamanitra dia manana fitokisana azy tanteraka. Izao no nosoratan’i Davida mpanao salamo: “Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.” (Salamo 9:10). Ireo izay mahalala ny ‘anaran’Andriamanitra’, izany hoe ny toetrany sy ny lazany, dia tsy hino ny lainga natao hamelezana ny Rainy any an-danitra. Raha tsy azony avy hatrany ny teny toy izao na ny zavatra toy izao ataon’Andriamanitra, dia tsy hanana fikasan-dratsy ny aminy izy. Fantatr’izy ireny fa amin’ny toe-javatra rehetra dia manana antony tsara hanaovana toy ny ataony izy, na dia tsy takatr’izy ireo eo noho eo aza izany. Raha somary ela loatra Andriamanitra, araka ny fijerinao azy, dia tokony hisy fanazavana izany. Nanana izany hevitra izany ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany: izany no antony nanoratan’ny apostoly Petera toy izao: “Ny Tompo [Jehovah, MN] tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (II Petera 3:9). Mbola manana faharetana sahala amin’ny tamin’izany fotoana izany ihany Andriamanitra amin’izao andro izao, ary tsy hoe mahandry kokoa noho ny tamin’ny taonjato voalohany akory ny olona ankehitriny.
Ry loholona, mahalala an’Andriamanitra tokoa ve ianareo?
6. Ahoana no mety hananan’ireo loholona fiheverana sahala amin’ny an’Andriamanitra mikasika ny tsy fahatanterahana?
6 Ireo loholona na mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana dia afaka mampiseho ny hoe manao ahoana ny fahalalany an’Andriamanitra, amin’ny fanahafany azy eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa. Ohatra, aoka hodinihintsika ny fomba fiheveran’ireo loholona ny rahalahiny. Moa ve ny fihetsiny ahitana taratry ny fiheveran’i Jehovah? Jereo izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?’’ (Salamo 130:3). Tsy mitady ny fahadisoana ataon’ireo zavaboariny àry ny Mpamorona ary tsy be fanakianana loatra koa izy. Ny fomba fiheveran’i Jehovah mandrakariva ny taranak’olombelona dia voalazalaza ao amin’ity andinin-teny hafa ao amin’ny Salamo ity: “Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo. Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, na mitahiry fahatezerana mandrakizay. Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika. Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy; fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.’’ (Salamo 103:8-14). Moa ve ny ataontsika eo anatrehan’ireo rahalahintsika mampiseho fa fantatr’Andriamanitra ireo?
7, 8. Ahoana no azon’ireo loholona itondrana soa ho an’ny kongregasiona amin’ny fahalalana tsara ny mpikambana ao aminy?
7 Raha izany no izy dia tsy hoe tsy hiraharaha izay ataon’ireo “ondry” ao amin’ny kongregasiona ireo loholona. Azony atao ny mampihatra amin’ny tenany, amin’ny maha-mpiandry ara-panahy, ireto teny manaraka ireto: “Fantaro tsara ny tarehin’ny ondry aman-osinao.’’ (Ohabolana 27:23). Fa inona no ataon’ireo loholona amin’izay fantany ny amin’ny “ondry”? Toy ny nataon’i Jehovah, dia hitany izay tsara aminy. Fantany ny zavatra tsara vitan’ny hafa ka miezaka izy hanatanjaka ireo namany. Moa ve izany tsy mifanaraka amin’ny ohatra navelan’i Jehovah sy ny torohevitra omeny antsika ao amin’ny Teniny? “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana. Ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” — Efesiana 4:29, 32; Galatiana 5:22, 23; Hebreo 10:24, 25; I Tesaloniana 5:14, 15.
8 Hitan’izy ireny koa ny hoe mpikambana iza ao amin’ny kongregasiona no mila fanampiana. Angamba ny kristiana be taona sasany mahita fahasahiranana misy vokany eo amin’ny fanompoany an’Andriamanitra. Mety ho ketraka izy ireny ka mila fampaherezana. Misy hafa koa tsy tonga ao amin’ireo fivoriana na mampihena amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa ny asa ataony ho an’Andriamanitra. Moa ve ny kristiana sasany
mandeha irery mankany amin’ireo fivoriana na any amin’ny asa fitoriana amin’ny fandalovana any amin’ny faritany mampidi-doza ? Misy kristiana tanora kokoa ve afaka manampy tanora hafa amin’ny asa fitoriana na amin’ny fanomanana ny lahateniny amin’ny Fianarana ny fanompoana teokratika? Azo atao ve ny manankina amin’izy ireo andraikitra ao amin’ny Efitrano Fanjakana? Ireo loholona dia mailaka ny hanamarika ny zava-madinika rehetra manimba ny fahasalamana ara-panahin’ireo rahalahiny sy ny hanao izay rehetra azony atao mba hanampiana azy ireny. Ny amin’izany no resahin’ireo loholona rehefa mivory izy ireo.
9. Moa ve ny Isiraelita nanaiky ny torohevitr’i Jehovah mikasika ny fanirian’izy ireo hanana mpanjaka olombelona, ary ahoana no fandraisan’Andriamanitra ny fihetsik’izy ireo?
9 Fa inona no hataon’ireo loholona raha voamariny fa ny anankiray amin’ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona dia miditra eo amin’ny lalana mety hitarika fahasahiranana ho azy eo amin’ny lafiny ara-panahy? Moa ve izy haneho hatsaram-po amin’ny fanakimpiana ny maso eo anoloan’izany tarehin-javatra izany? Ny nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraelita rehefa nangataka mpanjaka olombelona izy ireo, dia mampiseho izay tokony hatao amin’ny toe-javatra toy izany. Nampiomana tamin’ny fomba hentitra ny Isiraelita Jehovah, ny amin’izay hitranga amin’izy ireo raha mifidy mpanjaka olombelona ho azy izy ireo. Tsy nanohitra ny fanapahan-kevitr’izy ireo anefa izy. Raha ny marina, ny hataka nataon’izy ireo dia fandavana an’i Jehovah. Nefa, na dia nikiry aza izy ka tsy nihaino ny torohevitra nomen’Andriamanitra azy ireo tamin’io fotoana io, dia tsy nahafoy azy akory Andriamanitra fa nandefa antso ho azy hatrany mandra-pandringana an’ilay firenena. Noho ny fahalalany an’Andriamanitra, ireo loholona dia manao zavatra amim-paharetana toy izany, na dia amin’ireo tsy mihaino ny torohevitra aza. — I Samoela 8:4-22.
10. Asehoy ny fihetsika tsara tokony hasehon’ireo loholona eo anoloan’izay mandà ny torohevitra.
10 Ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona tsy manambady dia mety hifanerasera foana amin’ny olona tsy mino iray, vavy, raha lahy ny tenany, na lahy, raha vavy ny tenany. Hanome azy torohevitra araka ny Baiboly mety ireo loholona, mba hanazavana aminy ny fomba fiheveran’Andriamanitra ny fihetsika toy izany sy ny hoe mifanohitra amin’ny lalàny ny fanambadiana tsy mpino. Na dia tsy mihaino ny torohevitra aza io kristiana io, dia hiezaka ireo loholona hanampy azy raha mbola mitoetra koa eo anivon’ny kongregasiona kristiana izy. Tsy tokony ho kivy izy ireny raha tsy henoina ny toroheviny, fa tokony hotadidiany fa manana andraikitra izy ‘’hananatra (...) sady handresy lahatra [hiteny mafy, MN] ny mpanohitra”, ary koa amin’ny farany, dia ‘’samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra”.—Titosy 1:9; Galatiana 6:5.
11. Inona moa no toetra tena lehibe mba hahatonga ny torohevitra omena handaitra? Manomeza ohatra.
11 Raha ny amin’ny fanomezana torohevitra, dia tokony hanatsoaka fianarana lehibe amin’ny ohatra omen’i Jehovah isika: ilaina ny ho mora fanahy, mahay mandanjalanja, nefa koa hentitra. Fantaro tsara raha azon’ilay omenao torohevitra tsara ny lazainao. Ohatra, mety ho voatery hanoro hevitra mpivady ianao. Sarotra amin’izy ireo ny mifanaraka ka mangataka ny fanampian’ny loholona iray izy. Ny zavatra tokony hatao voalohany indrindra dia ny mihaino ny hevitry ny tsirairay avy amin’ny mpivady, raha mbola manatrika eo izy roa. Nihaino foana ny firenen’Isiraely Jehovah rehefa nangataka fanampiana taminy io firenena io. Amin’ny toe-javatra toy izany ilay loholona dia matetika no mahatsikaritra fa ny famantarana ivelany amin’ilay zava-manahirana ihany no lazaina, nefa ny tena mahatonga azy dia lehibe kokoa; mety ho ny fiheverany ny amin’ny lahy sy ny vavy izany. Mety ho nanan-kery teo amin’ilay vehivavy ny hevitra fa ny firaisan’ny lahy sy ny vavy dia ratsy ilaina atao, hany ka sosotra izy amin’ny famalifalian’ny lahy azy amim-pifankazarana. Mifamadika amin’izany, dia ny lahy angamba no tsy ampy fiheverana ny toetoetry ny vehivavy ara-pientanam-po ka mitaky be loatra eo amin’ny mikasika ny lahy sy ny vavy.
12. Ahoana no azon’ny loholona iray ampiasana torohevitra araka ny Baiboly hentitra mba hanampiana mpivady hahita fifandanjana tsara kokoa eo amin’ny fifandraisan’izy ireo?
12 Raha mianina amin’ny filazana amin’ireo mpivady izao ilay loholona mba hivavaka amin’i Jehovah ka hilamina ny zavatra, dia mety ho kivy toy ny teo aloha ihany izy ireo. Azo inoana fa efa nivavaka tamin’i Jehovah izy ireo ka novaliany tamin’ny torohevitry ny Teniny sy tamin’ny alalan’ny fanampian’ny loholona iray maneho fitiavana izao. Noho ny fahafantarana izany, ary rehefa voafaritra tanteraka ilay zava-manahirana, dia hanome azy ireo torohevitra araka ny Baiboly amin’izay ilay loholona. Tsy hanao zavatra tsy sazoka izy, fa hampiseho ireo teny ao amin’ny Baiboly izay mikasika mivantana ny zava-manahirana azy. Ho azony atao ny hanomboka hanazava amin’izy ireo fa ny olona iray dia tsy tokony hihevitra ny tenany ho tsy madio raha manana faniriana mikasika ny lahy sy ny vavy ka mety tanteraka ny fanomezana fahafaham-po an’izany ao anatin’ny faritry ny fanambadiana. Mazava ho azy fa amin’ny fiainana mikasika ny lahy sy ny vavy voalanjalanja tsara, dia tena ilaina ny hanehoana fifehezan-tena sy fiheverana ny vadin’ny tena. Izany hevitra rehetra izany sy ny maro hafa koa dia azo hazavaina amin’ny antsipiriany rehefa vakina sy voaboasana ireo tenin’ny Baiboly manamarina izany.—Genesisy 1:28; Ohabolana 5:15-19; I Korintiana 7:3-5; 13:4, 5; Galatiana 5:22, 23; I Petera 3:7.
13. Moa ve tokony ho kivy ny loholona iray raha toa tsy arahina ny toroheviny? Nahoana?
13 Anjaran’ireo mpivady ny manapa-kevitra raha harahiny na tsia ireo torohevitry ny Baiboly mikasika ny fiainany amin’ny maha-lahy na maha-vavy na amin’ny lafiny hafa. Na ahoana na ahoana, dia afaka ny ho faly ilay loholona satria, noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka nanome azy ireo torohevitra tsara sy nampiseho fa “mahalala” an’Andriamanitra izy. Marina fa ireo loholona dia tsy tokony hanandrana handidy ny kristiana hafa ny amin’ny fanapahan-kevitra hatao, nefa rehefa manome torohevitra azy ireny izy, dia hazavainy amim-pahatsorana izay lazain’ireo fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly.
14. Inona moa no fihetsik’i Jehovah nikasika an’i Ahaba mpanjaka, mampiseho amintsika fa tsara ny hihainoana ny hafa?
14 Azon’ny loholona aseho amin’ny fomba hafa koa fa tena mahalala an’Andriamanitra izy. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fihainoana ny fiheveran’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona. Tsy azo lavina fa fantatr’i Jehovah Andriamanitra foana ny fomba fandaminana ny zava-manahirana toy izao na izao ka arahiny maso tanteraka ny tarehin-javatra rehetra. Nomeny alalana anefa ireo anjely hanome ny heviny mikasika ny fomba hitondrana an’i Ahaba, mpanjakan’ny Isiraely nivadika. Miharihary fa tsy nila torohevitr’ireo anjely ilay Andriamanitr’izao rehetra izao, nefa dia nihaino azy ireny izy. Tamin’ny toe-javatra hafa koa Andriamanitra dia nihaino olona. Moa ve misy fomba tsara kokoa ho an’ny loholona iray, hitsapana ny fandehan’ny kongregasiona, toy ny fihainoana izay lazain’ny mpikambana ao aminy sy ny fandatsahana am-po izay ambarany. Hahatonga an’ilay loholona ho mpampianatra tsara kokoa ny fahaizany mihaino. — I Mpanjaka 22:19-22; Genesisy 18:22-33; Ohabolana 21:13.
Tokony hahalala an’Andriamanitra ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona
15. Nahoana ary amin’ny fomba ahoana moa no tokony hanafoanan’ny kristiana ny fisalasalana?
15 Raha mbola manatona ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia tokony hahalala an’Andriamanitra ny olona rehetra mba hahafahana hiaritra. Raha tsy fantatsika tsara ny ataony ho antsika, dia mety ho latsaka mora foana ao amin’ny fandriky ny fisalasalana isika. toy ny nataon’ny kristiana nanolo-tena sy vita batisa sasany. Mandrakariva ny fisalasalana dia tsy mikasika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly fototra toy 1) ny Fiandrianan’i Jehovah, 2) ny Fanjakana na 3) ny fanavotana. Ny mety hahavery hevitra antsika kosa dia mikasika raharaha tsy dia manao ahoana, ka noho ny avonavona, dia mety hametraka ny hevitsika manokana alohan’ny Teny sy ny fandaminan’i Jehovah isika. Ny rahalahin’i Jesosy iray reny taminy iray dia nampitandrina antsika tamin’ny fisalasalana raha nilaza hoe: “Fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany: olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.” (Jakoba 1:6-8). Hanampy antsika hanary ny fisalasalana ny fahalalana ny nataon’i Jehovah tamin’ny vahoakany tamin’ny lasa sy amin’izao androntsika izao.
16, 17. Moa ve Andriamanitra nampiasa olona tsy tanteraka mba hitarihana ny fandaminany tamin’ny lasa? Manomeza ohatra.
16 Ireo izay mahalala an’Andriamanitra dia mahatsiaro fa izy dia nampiasa olona tsy tanteraka napetrany teo amin’ny toerana misy andraikitra lehibe, mba hiarovana ny fandaminan’ny olony. Aoka horaisintsika, ohatra, ny amin’i Mosesy, izay ny tsy fahatanterahany dia nahatonga azy hamoy ny zo hiditra tao amin’ny Tany nampanantenainn. Na dia tao aza izany dia nampiasa azy Andriamanitra. Teo akaiky kelin’i Kanana, rehefa nampahatsiahy sy nanazava ny lalàn’Andriamanitra tamin’ny firenen’Isiraely Mosesy, dia nety ho nitana mora foana izao fiheverana izao ny Isiraelita: “Iza moa ianao, ry Mosesy, no hanoro hevitra anay? Ny tenanao aza tsy mendrika ny hiditra ao amin’ny Tany nampanantenaina akory!’’ Ho moramora kokoa tamin’izy ireo ny nanakiana an’ilay lehilahy fa tsy handray soa amin’ny torohevitra avy tamin’Andriamanitra. — Nomery 20:2-12.
17 Nanohy nampiasa olona tsy tanteraka Andriamanitra taorian’ny nanorenana ny kongregasiona kristiana. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny apostoly Petera. Tamin’ny andro nahafatesan’i Jesosy, dia nanda azy intelo Petera. Fahadisoana lehibe izany. Tsara anefa ny manamarika fa rehefa afaka roa amby dimampolo andro monja Petera dia tonga anisan’ny kolejy foiben’ny kongregasiona kristiana, izay vao naorina. Nanana anjara asa lehibe dia lehibe koa izy tamin’ny Pentekosta rehefa nampiasaina ho mpitondra tenin’ireo apostoly ka nanao lahateny lehibe iray. Na dia tsy tanteraka aza i Petera dia nampiseho tamin’io andro io fa nahalala tsara an’Andriamanitra izy ka nifankazatra tokoa tamin’ny Teniny, araka ny porofoin’ny fankàn-teniny tao amin’ny Soratra hebreo. — Lioka 22:54-62; Asan’ny apostoly 2:1-47.
18. Moa ve azon’ny kristiana iray atao ny mandà ny torohevitr’ireo mpiandraikitra ao anatin’ny kongregasiona amin’ny filazana fa tsy tanteraka izy ireny? Nahoana?
18 Toy izany koa amin’izao andro izao ao amin’ny kongregaziona kristiana. Misy olona tsy tanteraka mahalala an’Andriamanitra, ampiasaina mba hanome ohatra. Angamba manoro hevitra anao mikasika ny fihetsikao ny loholona iray ao anatin’ny kongregasiona. Holavinao ve ireo torohevitra tsara araka ny Baiboly homeny anao, amin’ny filazana anakampo hoe: “Iza moa ianao no milaza amiko izay tokony hataoko? Tsy tanteraka ianao.” Sa kosa hampiseho ianao fa “mahalala” an’Andriamanitra amin’ny fahatakarana fa mampiasa olona tsy tanteraka izy mba hanoro hevitra, handamina sy hitarika ny olony eto an-tany? Marina tokoa fa raha Jehovah aza afa-po amin’ny adidy tontosain’olona tsy tanteraka, iza moa isika no hanakiana izany fandaharana izany? Ny zava-dehibe dia ny handraisantsika soa amin’ireo torohevitra araka ny Baiboly omena antsika.
19. Inona moa no fomba mety tokony hatao rehefa misy resaka tsy tsara atao mikasika ny rahalahy iray no anatin’ny kongregasiona?
19 Ankoatr’izany dia mety ho nandre resaka tsy dia tsara loatra mikasika an’ireo rahalahinao ianao. Mahafinaritra anao ve ny mihaino izany ka inoanao avy hatrany? Mety hikasika ny loholona iray ao amin’ny kongregasiona ny resaka toy izany. Hanomboka hiahiahy an’io rahalahy io ve ianao ary hilaza teny fanoherana ny kolejin’ny loholona manontolo mihitsy aza? Izay mahalala an’i Jehovah dia hampisava haingana izany fisalasalana izany. Hiteny anakampo toy izao izy: ‘Fantatro daholo ve ny zava-misy rehetra sa tsaho fotsiny izany? Tsy tokony hitsara ny rahalahiko aho, satria izao no nambaran’i Paoly: “Iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany.’” — Romana 14:4.
20. Inona no hevitra hanampy antsika hifanaraka hatrany amin’ireo rahalahy sy anabavintsika?
20 Mety tsy ho tianao ny fomba nanorenana na nanavaozana ny Efitrano Fanjakana. Planina hafa angamba no ho nofidinao, karazan-gorodona hafa na temitra hafa loko. Nefa moa ve tsy misy betsaka azo isafidianana amin’ny planina, ny gorodona sy ny temitra? Moa ve manimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fandravahana amin’ny fomba hafa ny Efitrano Fanjakana? Nahoana no tsy manaraka an’izao torohevitr’i Paoly izao: ‘Fantaro izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ny andron’i Kristy hianareo.’ (Filipiana 1:10). Moa ve isika tsy tokony hisaotra an’i Jehovah noho ny nanomanany olona hitari-dalana antsika sy hanao izay hananantsika toerana hivoriana, mba hanarahana ny fanompoam-pivavahana marina?
21. Nahoana moa izay tena mahalala an’Andriamanitra tokoa no tsy hisalasala raha toa ka ahitsy ny fahatakarany hevitra iray ao amin’ny Baiboly?
21 Mety ho namaky tao amin’ny bokin’ny Fikambanana, hevitra tsy azonao tsara na manitsy izay fantatrao hatreo ianao. Ahoana no fandraisanao azy? Manaiky ho azon’ny fisalasalana ve ianao? Ilay ianao feno fahatokiana iny, moa ve ianao manjary be fisalasalana? Manontania tena toy izao: “Taiza no nahazoako ny fahalalana ny Soratra masina efa ananako? Moa ve ny sakafo ara-panahy omena amin’ny alalan’ireo bokin’ny Fikambanana tsy nanampy ahy hanova ny fiainako sy hahita fifaliana amam-pahafaham-po? Aiza no ho azoko itodihana any an-toeran-kafa?” Izany no noheverin’ireo mpianatra, nikasika ny fandaharan’i Jehovah sy Jesosy; hoy izy ireo: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” — Jaona 6:68.
22. Amin’izao “andro farany’’ izao, inona moa no soa tsoahintsika avy amin’ny fahalalana marina an’Andriamanitra?
22 Amin’izao andro izao, dia azo atao ny milaza izao manaraka izao mikasika ny olona an-tapitrisany maro: “Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa na inona na inona.’’ (Titosy 1:16). Ny tsy filaminana, ny fisalasalana sy ny fanahiana dia samy zavatra mampiavaka ny taranaka iray tsy mahalala an’Andriamanitra. Ny kristiana kosa anefa dia manana izao fihetseham-po nolazain’ny apostoly Paoly izao: “Satria fantatro izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin’izay andro izay.” (II Timoty 1:12). Amin’izao fotoana famaranana izao, izay rehetra tena mahalala an’Andriamanitra tokoa dia matoky, miorina tsara sy be herim-po.
[Sary,pejy 109]
Moa ve ny Fiangonanao nanampy anao tokoa hahalala ny sitrapon’Andriamanitra? Tena mampifanaraka tokoa ny fiainanao amin’ireo fepetra takin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Baiboly ve ianao?