Ny antony nanaovan’i Jesosy fanoharana ny amin’ny “virijina folo”
NY MPAMPIANATRA tsara indrindra dia izay, rehefa mampianatra toe-javatra na foto-poto-pitsipika iray, dia afaka manazava azy tsara sy amin’ny fomba tsotra, amin’ny alalan’ny sary. Nanome ny ohatra faka tahaka tsara indrindra Jesosy Kristy tamin’io lafiny io. Araka izany dia nampianatra izy, tamin’ny fampiasana fanoharana indrindra, izany hoe tamin’ny fampiasana sary ara-paminaniana nampiasany toe-javatra tena misy na nampiharany fotopoto-pitsipika (Matio 13:34, 35). Misy heviny lehibe dia lehibe ho antsika ireny fanazavana amin’ny alalan’ny sary ireny.
Marina tokoa fa ireny sary fanazavana ireny, araka ny nampiasan’i Jesosy azy, dia mandrakariva no mahasoa antsika tokoa mba hahatakarantsika hevitra iray satria 1) Manintona ny fahalianantsika sy ny saintsika izany, 2) Manaitaitra ny fieritreretantsika, 3) Mitodika any amin’ny fihetseham-po sy manohina ny fo, 4) Manamora ny fitadidiana ary 5) Miaro ny fahamarinana, satria notsoahina avy amin’ny fiainana sy ny zavatra araka ny natiora, nefa ny teny tsotra izao mety hiova hevitra.
Noho izany antony izany, na dia nanome ny fampianarany teto an-tany efa tamin’ny 1900 taona mahery lasa aza izay Jesosy, dia tsy lany andro akory ny fampianarany. Afaka mahazo ny heviny isika ary mandray soa avy aminy, toy ny hoe nomena tamin’izao androntsika izao izany. Raha ny marina, ny ankamaroan’ny fampianaran’i Jesosy dia mahita fampiharana azy lehibe indrindra amin’izao andro izao.
Ny zava-kendrena amin’io fanoharana io
Ny anankiray amin’ny fanoharana tsara indrindra nataon’i Jesosy, dia ny amin’ny “virijina folo”. Misy heviny lehibe koa izy io, indrindra fa amin’izao androntsika izao. Inona no zava-nokendreny? Nomena izany mba hanampiana ny kristiana, indrindra fa ireo amin’izao andro izao, hamantatra ny fanatrehan’i Kristy ao amin’ny herin’ny Fanjakana.
Nanontany an’i Jesosy toy izao ireo apostoly: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” (Matio 24:3, MN). Ho valiny dia nanonona zavatra hiseho maro Jesosy ary nanome fanoharana maro, ka izany rehetra izany dia voasoratra ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25. Izany zavatra rehetra nolazain’i Jesosy izany dia mahaforona ny famantarana lehibe ny fanatrehany tsy hita maso ao amin’ny herin’ny Fanjakana.
Ny nanomezan’i Jesosy ny fanoharana ny amin’ny “virijina folo” voatantara ao amin’ny Matio 25:1-12 dia tsy hoe mba hahafahan’ny mpianany velona eto an-tany amin’ny fotoan’ny fanatrehany faharoa hamantatra izany fotsiny. Tamin’io fanoharana io dia tian’i Jesosy koa ny hampahafantatra azy ireo fa ilaina ny ho malina sy hifoha, mba tsy hanahafana an’ireo Fariseo izay tsy nahafantatra ny fanatrehany voalohany. Ankoatr’izany, io fanoharana io dia mampiseho ny hoe inona no adidy sy andraikitry ny mpianatr’i Kristy mandritra ny fanatrehany amin’ny maha-Mpanjaka (Salamo 110:3). Naniry Jesosy ny mba hahatonga an’izay rehetra nomen’Andriamanitra ‘’ny antson’ny lanitra” tsy hivadika zatrany ka hahatratra ny zava-kendrena kanto, dia: ny ho mpiara-mandova aminy no amin’ny Fanjakana. — Hebreo 3:1; Romana 8:17; Apokalypsy 20:4, 6.
Ny fampakaram-bady tamin’ny andron’ny Baiboly
Koa satria misy fankalazana fampakaram-bady tafiditra ao amin’ny fanoharana ny amin’ny “virijina folo”, dia hahasoa ny hiheverana voalohany indrindra ny hoe inona avy no fanao mikasika ny fampakaram-bady tamin’ny fotoana nanomezan’i Jesosy an’io fanoharana io.
Teo amin’ny Isiraely dia toa tsy nisy fombafomba manokana nanamarika ny fampakaram-bady mihitsy, nefa narahin’ny firavoravonna nahafaly izy io. Tamin’ny andron’ny fampakaram-badiny ilay zazavavy hanambady dia nanao fiomanana be kojakojany tao an-tranony. Nanao ny fitafiany kanto indrindra izy ary nanao firavaka. Tamin’izany fotoana izany ny haingon’ilay zazavavy nampakarina dia nisy lamba fisaronana nanarona ny lohany ka nidina hatreo amin’ny tongony indraindray (Jeremia 2:32; Isaia 3:19, 23; 49:18). Izany dia mariky ny faneken’ny vehivavy ny vadiny. — Genesisy 24:65; I Korintiana 11:5-10.
Ilay zazalahy nampaka-bady, tsy isalasalana fa nanao ny fitafiany kanto indrindra, dia nandao ny tranony tamin’ny takariva mba ho any amin’ilay fofombadiny, narahin’ireo sakaizany. Avy eo ny mpanotrona dia mankany amin’ny tranon’ilay zazalahy na ny rainy, arahin’ny mpitendry zavamaneno, ny mpihira ary olona mitondra fanilo matetika.
Eny an-dalana rehetra eny ny olona dia voasintona hijery ny filaharana. Ny sasany manatevin-daharana, indrindra fa ny zazavavy izay mitondra fanilo hanazavana ny lalana, nefa koa mba hanampy loko ny fankalazana (Jeremia 7:34; 16:9; Isaia 62:5). Koa satria tsy nisy nahadodona, dia angamba ilay mpampakatra nandany fotoana be dia be tao an-tranony; nisy fotoana elaela ihany koa vao nivoaka avy tao an-tranon’ny ampakarina ny laharana, hany ka nety ho efa alina tokoa ka ireo izay niandry teny an-dalana dia nety ho rendremana na natory mihitsy aza. Re hatrany lavidavitra any ny hira sy ny hobim-pifaliana, ary ireo tsy natory dia nihiaka toy izao tamin’izay: ‘Iny ny mpampakatra!’ Vonona ny hiarahaba azy ny mpanatrika, ary niara-niditra taminy tao an-trano ireo nasaina ho amin’ny sakafo harivan’ny fampakaram-bady. Rehefa tafiditra tao an-trano ny mpampakatra sy ny mpanotrona azy ka nihidy ny varavarana, dia tsy afaka niditra intsony ny nasaina izay tonga. — Genesisy 29:22; Matio 22:1-3, 8.
Rehefa vakintsika ilay fanoharana, dia hitantsika fa nety tokoa tamin’ny fomba fiaina tamin’izany andro izany izy. Toy izao izy io, araka ny itantarana azy ao amin’ny Matio 25:1-12:
“Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary ny dimy tamin’ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza: ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ny fitondrany sy ny fanalany. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indray ny mpampakatra! mivoaka mba hitsena azy. Dia nitsangana ireo virijina rehetra ireo, ka samy namboatra ny fanalany. Dia hoy ny adala tamin’ny hendry: Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay. Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo. Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay. Fa izy namaly hoe:lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro hianareo.”
Nahoana no natao io fanoharana ny amin’ny “virijina folo” io?
Tsy nanisy fitenenana ny amin’ny ampakarina Jesosy tao amin’io fanoharana io. Nahoana? Satria niriny ny hanipika endriny sasany tamin’ny andraikitr’ireo ‘rahalahiny’ voahosotra, nateraky ny fanahy, raha mbola teto an-tany izy ireny ary alohan’ny hanarahany azy any an-danitra amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty. Tsy tiany ny hampisafotofoto ny fampiharana an’ilay fanoharana. Nianina tamin’ny fampisehoana azy, tsy tamin’ny maha-“ampakarina” azy àry izy, fa tamin’ny fanoharana ny amin’ny “virijina folo”.
Raha mbola eto an-tany ireny kristiana voahosotra ireny dia heverina ho ‘fofombadin’i Kristy’, ho virijina madio (II Korintiana 11:2, 3). Ireo mpikambana sasany ao amin’io kilasy io izay mbola mijanona eto an-tany dia ‘antsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry’. (Apokalypsy 19:9.) Ny tena fampakaram-bady dia atao any an-zanitra. Mbola tsy nahazo ny lova any an-danitra anefa izy ireny. Nofidina tamin’ireo “virijina folo’’ ireo anisan’ny kilasin’ny “ampakarina’’. Araka ny asehon’ny fanoharana, dia tsy niseho ho hendry daholo akory izy rehetra. Ny sasany adala. Ny teny hoe “ampakarina” dia ampiharina amin’ireo mpiara-mandova amin’i Kristy amin’ny maha-kongregasiona sy amin’ny maha-fikambanan’olona any an-danitra izay ny isany raikitra dia 144 000. Eo amin’ny lafiny mikasika ny isam-batan’olona, na lehilahy izy ireny na vehivavy, dia sady antsoina hoe “zanak’Andriamanitra”, no antsoina hoe ‘rahalahin’i Kristy’ sy “virijina’’ — I Jaona 3:2; Matio 25:40; Apokalypsy 14:1, 4; Galatiana 3:28.
Amin’ny heviny ahoana moa izy ireny no “virijina”? Manazava ny amin’izany ny Baiboly. Mikasika ny 144 000 izay aseho ho mitsangana miaraka amin’ny zanak’ondrin’Andriamanitra eo an-tendrombohitra Ziona ara-panahy, dia izao no voasoratra: ‘’Ireo no tsy voaloto tamin’ny vehivavy [sahala amin’ilay vehivavy janga ara-pivavahana antsoina hoe Babylona Lehibe sy ny zanakavaviny], fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza no alehany.’’ (Apokalypsy 14:4; 17:3-5). Rehefa nateraky ny fanahy sy manana fanantenana ny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra izy ireo, dia tsy mba meloka ho manao fijangajangana ara-panahy amin’izao tontolo izao. Ireny kristiana ireny ary dia tsy mba mandoto tena amin’ny fandehan-javatra ara-pivavahana sy ara-politikan’izao tontolo izao ankehitriny. Tsy mitsabaka velively amin’ny politika sy ny raharahan’ny fitondram-panjakan’olombelona izy ireny. — II Timoty 2:3, 4.
Nolazalazain’ny apostoly Paoly mazava ny amin’ny toeran’ireny kristiana “virijina’’ ireny raha nanoratra toy izao izy: “Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiasan’ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.” (Filipiana 3:20, 21). Manao zavatra mampiseho fisakaizana amin’ny mpiara-belona aminy ireny kristiana ireny amin’ny fitsidihana azy ireny mba hanambara aminy ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Nefa izy ireny akory tsy sakaizan’izao tontolo izao, izany hoe ny fandehan-javatra eo aminy. Miteny mafy an’ireo milaza tena fa kristiana izay sakaizan’izao tontolo izao ny Baiboly, amin’ny filazana hoe: “Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamnnitra izy.” — Jakoba 4:4; 1:27.
Ireo izay nandray ny “antson’ny lanitra’’ àry dia tokony ‘hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana azy’. (II Petera 1:10, 11.) Maniry izy ireny ny handray ny tombo-kasen’ny fankasitrahan’Andriamanitra farany, alohan’ny handidiany ny “rivotra efatra’’ mba handrava ny fandehan-javatra ankehitriny (Apokalypsy 7:1-8). Izany dia mitaky fifikirana amim-pahatokiana avy aminy, mitaky ny ‘hitoviany endrika amin’ny Zanak’Andriamanitra’ (Romana 8:29). Amin’izany izy ireny dia sahala amin’ny fofombady virijina teo amin’ny Isiraely naniry hitoetra ho madio. Raha mbola eto an-tany izy ireny dia manaiky an’ilay nifofo azy ho vady eo am-piandrasana ny hahazo voninahitra any an-danitra mba ho tonga ny ‘ampakariny’. (Kolosiana 1:18.) Teo amin’ny Isiraely fahizay, ny virijina voafofo iray izay nijangajanga tamin’ny lehilahy hafa tsy fofombadiny dia noheverina ho vehivavy mpijangajanga ka novonoina ho faty (Deoteronomia 22:23, 24). Toy izany koa, ny kristiana voahosotra izay hiseho hivadika dia hamoy ny fanantenana fiainana any an-danitra atolotra an’ireny “virijina” voafofo ireny. — Apokalypsy 21:7, 8.
Izao no fotoana tokony hanehoana fitandremana bebe kokoa
Amin’izao fe-potoana sarotra izao dia ilaina indrindra ny hitandremana sy ny tsy zatoritoriana. Izao no nolazain’ny apostoly Paoly ho an’ireny kristiana voahosotra ireny: “Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria hianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy. Fa hianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa hianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ny alina na an’ny maizina isika. Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina.’’ — I Tesaloniana 5:1-6.
Raha toa ny anankiray amin’ireny kristiana voahosotra ireny ka manjary matoritory, tsy miraika na manao tsirambina amin’ny ara-panahy, indrindra fa amin’izao androntsika izao, dia hampidi-doza azy izany. Raha manaraka ireo fanao mahazatra eo amin’izao tontolo izao izy na manao tsirambina ny fitoriana ilay Fanjakana, dia mety ho tonga eo amin’ny toeran’ny “mpanompo ratsy fanahy”. Araka ny filazan’i Jesosy, raha toa ny kristiana toy izany ka milaza hoe: “Maharitra ela ny tompoko, ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin’ny mpimamo, dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny, (...) dia hotapahiny roa [hosaziny mafy dia mafy, MN] izy ka homeny anjara any amin’ny mpihatsaravelatsihy.” (Matio 24:48-51). Tsy izao akory no fotoana tokony hifaneraserana amin’ny “mpimamo” ara-panahy. Raha toa ny anankiray amin’ireny kristiana oharina amin’ny “virijina” fofombadin’i Kristy ireny ka manomboka miaina sy miresaka toa an’ireo izay manohana ny fivavahan-dison’i “Babylona Lehibe”, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, dia haharihariny amin’izany fa mimamo miaraka amin’io fandehan-javatra oharina amin’ny vehivavy janga io izy ka ‘hahazo azy ny loza manjo azy’ io. — Apokalypsy 17:1, 2, 6; 18:4.
Hitantsika ary fa fampitandremana lehibe ny fanoharana ny amin’ny “virijina folo’’. Nefa manana heviny hafa koa izy io. Ahoana no anomezany torohevitra mafonja ho an’ny olon’Andriamanitra amin’izao andro izao? Milaza inona moa ny “fanala”, ny “solika” sy ny sary ara-panoharana hafa? Ho hitantsika izany ao amin’ny nomerao hanaraka amin’ity gazety mivoaka ara-potoana ity.