FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/5 p. 15-19
  • Iza moa ankehitriny ireo minisitr’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza moa ankehitriny ireo minisitr’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Minisitra” iray araka ny Baiboly
  • Ny minisitra ara-pivavahana lehibe indrindra
  • Ny fanompoana kristiana
  • Ireo minisitr’Andriamanitra amin’izao andro izao
  • Iza no Mpanompon’Andriamanitra Ankehitriny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Mpanompo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Iza no Atao hoe Mpanompo Kristianina?
    Mifohaza!—2000
  • Minisitra daholo ve ny kristiana marina rehetra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/5 p. 15-19

Iza moa ankehitriny ireo minisitr’Andriamanitra?

“Nirahinay Timoty rahalahinay, ilay minisitr’Andriamanitra, ao amin’ny Filazantsaran’i Kristy.” — 1 TESALONIANA 3:1, 2,”BAIBOLY PIROT-CLAMER”; jereo koa ny FANDIKAN-TENIN’IZAO TONTOLO IZAO VAOVAO”.

1, 2. a) Izay rehetra milaza tena ho minisitr’Andriamanitra ve manatanteraka araka ny tokony ho izy ny fanompoany (II Korintiana 11:13-15) b) Nahoana no zava-dehibe ny hahafahana mamantatra ireo tena minisitr’Andriamanitra ankehitriny? (II Korintiana 5:18)

“TSY ela loatra izay, tany amin’ny tany anankiray any Amerika afovoany, dia nisy minisitra ara-pivavahana voakasika tamin’ny fikomiana izay nanongana ny fitondram-panjakana. Tany amin’ny Farany Atsinanana, ny minisitra ara-pivavahana iray dia nandamina otrika izay nahafaty olona roa. Tany Azia Atsimo dia nisy minisitra voatokana nitsangana ho filohan’ny fihetsiketsehan’ny mpamboly tany manokana tamin’ny ady ho fanoherana ireo “mpampahory”.

2 Ireo lehilahy rehetra ireo dia nihambo ho minisitra kristiana. Tena izany tokoa ve izy ireo? Izany ve no tokony hataon’ny minisitr’Andriamanitra? Tena lehibe io fanontaniana io, satria amin’ny ampahany lehibe dia noho ny asan’ireo tena minisitr’Andriamanitra no ianaran’ny olona hahafantatra an’i Jehovah sy ahitany fanolorana ny fahafahana ho velona mandrakizay (I Korintiana 3:5; Jaona 17:3). Tsy maintsy ho afaka hahafantatra ireo minisitr’Andriamanitra tena izy àry isika. Nefa amin’ny fomba ahoana? Ny Baiboly irery ihany no afaka manampy antsika amin’izany.

“Minisitra” iray araka ny Baiboly

3. a) Inona avy ireo fomba fampiasana sasany ny teny grika hoe diakonos? Inona no fanompoana be voninahitra indrindra amin’ny rehetra?

3 Voalohany indrindra, inona moa ny minisitra araka ny Baiboly? Ao amin’ny teny tany am-boalohany ao amin’ny Soratra grika kristiana, ny teny nadika hoe minisitra” dia diakonos. Raha misy fiheverana maro ny amin’ny fiavian’io teny io, ny dikany kosa dia fantatra tsara. Araka ny fotony dia midika ho “mpanompo” izy io. Ao amin’ny Filazantsara, ny diakonos sy ireo teny avy aminy dia matetika ampiasaina momba ny lehilahy na vehivavy izay nanompo ireo hafa, nipetraka mba hisakafo (Lioka 4:39; Jaona 2:5, 9). Kanefa amin’ny teny grika nitenenana tamin’ny andron’i Jesosy, io teny io dia matetika nampiasaina tao amin’ny teny manodidina ambaratonga hafa. Araka izany, tao amin’ny fitambarana filazana an-tsoratra tsy araka ny Baiboly, izy io dia manondro olona ara-pivavahana. Ao amin’ny fandikan-teny grika voalohany ny Soratra hebreo, dia ampiasaina izy io mba hanondroana mpanao raharaham-panjakana tao an-dapa sy mpanompon’i Ahasoerosy, mpanjakan’i Persia (Estera 1:10; 6:3; Fandikan-tenin’ny Septante). Miharihary fa amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra, no ahafahan’ny lehilahy iray manao ny asan’ny minisitra be voninahitra indrindra.

4. Ahoana no iheveran’ny tena minisitr’Andriamanitra ny tenany?

4 Koa satria tombontsoa lehibe aoka izany ny hoe minisitr’Andriamanitra, ahoana no iheveran’ny tena minisitra ny tenany? Tsy tokony hihevi-tena ho lehibe na hirehareha izy. Tsy isalasalana fa tsy hanaiky anaram-boninahitra mandrobo toy ny hoe “Ray Masina” na “Reverend” izy. (Matio 23:8-12.) Nasehon’i Jesosy fa ny minisitra kristiana tena izy dia tokony hanetry tena kosa. Nanambara izy hoe: “Izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.” — Matio 20:26, 27.

5. Didy inona moa no ankatoavin’ny minisitra iray ary iza no mandray soa amin’ny fanompoany?

5 Ny minisitra iray dia mankato ireo didin’ny tompony, nefa ny asa fanompoany dia mety hitondra fanampiana ho an’olon-kafa. Ohatra, raha toa mandray vahiny ny tompony, ny minisitra iray dia hankato ary hikarakara azy ireo. Ireo minisitra kristiana amin’ny maha-“minisitr’Andriamanitra” sy “minisitr’i Kristy” azy dia mankato ireo didy nomen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Zanany, Jesosy Kristy (II Korintiana 6:4; 11:23). Nefa ny asan’izy ireo dia mitondra soa ho an’ny olombelona hafa. Ohatra, ny asa fanompoan’i Paoly, izay minisitry ny “jentilisa” (Efesiana 3:1-7), dia nitondra fitahiana be dia be ho an’ireo izay nandray tsara. Ambonin’izany, Paoly dia nanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy izay nankatoaviny.

Ny minisitra ara-pivavahana lehibe indrindra

6. a) Iza no minisitra ara-pivavahana lehibe indrindra? b) Didy inona no nankatoaviny, ary ho tombontsoan’iza no nanaovany ny fanompoany?

6 Inona anefa raha ny marina no tokony hataon’ny minisitra kristiana iray? Mba hamaliana izany, dia aoka hojerentsika izay nataon’ilay minisitra ara-pivavahana lehibe indrindra niseho hatrizay tety an-tany: Jesosy Kristy. Nilaza izy hoe: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28). Amin’ny maha-minisitra azy, didin’iza no nankatoaviny? Iza no notompoiny? Ary tamin’ny fomba ahoana? Nankato ireo didin’ny Rainy tany an-danitra Jesosy (Jaona 8:28). Teo am-boalohany dia tsy nanompo afa-tsy ny Jiosy izy (Romana 15:8), nefa raha ny tena izy, ny asa fanompoany dia tsy maintsy nitondra soa ho an’ny olona mahitsy fo rehetra. — Jaona 3:16.

7. a) Inona no nataon’i Jesosy tamin’ny naha-minisitra azy (Marka 1:38)? b) Inona no tsy nataon’i Jesosy?

7 Inona no nataon’i Jesosy tamin’ny naha-minisitra azy? Voalohany indrindra dia nanda izay rehetra fitsabahana amin’ny politika izy. Tamin’ny tarehin-javatra roa fara fahakeliny dia nanana fahafahana handray toerana ara-politika izy nefa nanda izany (Marka 12:13-17; Jaona 6:15). Nahoana? Satria ny asa fanompoany dia zava-dehibe hafa lavitra noho ny politika, ary ireo soa avy amin’izany, indrindra ny fiainana mandrakizay, dia lehibe lavitra noho ny an’ireo nety ho vokatry ny asa ara-politika. Ankoatr’izany, ny minisitr’Andriamanitra anankiray dia tsy mety ho minisitr’izao fandehan-javatra izao (Matio 6:24). Izany no antony nijanonan’i Jesosy ho tsy anisan’izao tontolo izao’. (Jaona 17:14; Jakoba 4:4.) Ny asa fanompoan’i Jesosy àry di any nitory sy nampianatra. Nampahafantatra ampahibemaso ny anaran’ny rainy Jesosy; nitory ny Fanjakan’Andriamanitra ho hany Fanantenana ho an’ny olombelona izy; ary nanantitrantitra tamin’ireo mpianany fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ambony izy sady nampianatra azy ireny mba hanarahany azy amin’ny asa fanompoany. Tamin’ny farany, dia nanome ny heviny lehibe indrindra tamin’ny fanompoany izy rehefa nanolotra ny fiainany ho fanasoavana ny taranak’olombelona. — Matio 4:17; 5:27-32; 20:28; Jaona 17:3-6.

8. Nahoana ankehitriny ireo minisitr’Andriamanitra no mandinika amim-pitandremana ny fanompoan’i Jesosy?

8 Namela ohatra faka tahaka ho antsika i Jesosy mba hanarahantsikany diany’. (I Petera 2:21.) Ireo izay manahaka azy amim-pitandremana fatratra ihany no afaka amim-pahamarinana mila tena ho minisitr’Andriamanitra ankehitriny. Raha dinihintsika ny asa nataon’ireo minisitra kristiana tao anatin’ireo taona nanaraka ny fahafatesan’i Jesosy dia ho takatsika izay hevitr’izany.

Ny fanompoana kristiana

9. Ahoana no namenoan’i Jesosy sy Paoly ireo fepetra takina mba hahatongavana ho minisitra?

9 Voalohany indrindra, fepetra inona avy no tokony hofenoin’ny mpanompon’Andriamanitra anankiray mba hahatongavana ho minisitra kristiana? Amin’izao androntsika izao, ny ankamaroan’ireo minisitra ara-pivavahana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nahazo diplaoma avy amin’ny seminera na oniversite, diplaoma izay manaporofo ny maha-minisitra azy. Tsy nahazo diplaoma toy izany Jesosy, nefa izy dia minisitra ampy fahaizana sy nanam-pahalalana satria ny Rainy dia nanosotra azy ho toy izany (Lioka 4:18, 19). Sahala amin’izany koa, ny apostoly Paoly dia nanambara hoe: “Fa ny fahaleovanay dia avy amin’Andriamanitra, Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo [minisitra, MN] amin’izay fanekena vaovao.” (II Korintiana 3:5, 6). Andriamanitra àry no manao ny kristiana ho minisitra. Amin’ny fomba ahoana?

10. Ahoana no nahazoan’i Timoty fiofanana fototra talohan’ny nahatongavana ho minisitra?

10 Raiso ny amin’i Timoty, izay “mpanompon’Andriamanitra [minisitra, MN] amin’ny filazantsaran’i Kristy.” (I Tesaloniana 3:2.) jereo koa ireo andininy II Timoty 3:14-17.

11. Iza no nanampy an’i Timoty hameno ireo fepetra takina amin’ny minisitra?

11 Midika ve izany fa namaky fotsiny ihany ny Baiboly i Timoty ary avy eo dia lasa minisitra kristiana? Tsia. Voalohany, dia ‘nampinoan’ny’ minisitra hafa izy. Minisitra iza? Koa satria izy nahalala ny Soratra Masina “hatry ny fony vao zaza”, dia tsy maintsy nahazo fara fahakeliny, fampianarana tsotsotra avy tamin’ny reniny sy ny renibeny izy, satria tsy isalasalana fa tsy mpino ny rainy (I Timoty 1:5). Ankoatr’izany, rehefa nahita an’i Timoty voalohany indrindra i Paoly, dia “tsara laza teo amin’ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy (Timoty).” (Asa. 16:2.) Tsy maintsy nitombo àry ny finoany noho ny fifaneraserana tamin’ireo kristiana hafa tao amin’ireo kongregasiona ireo. Ambonin’izany, tamin’izany fotoana izany, dia nisy rahalahy tsara toerana, ary indrindra ireo tao amin’ny kolejy foiben’ny kongregasiona kristiana tany Jerosalema, nanoratra taratasy ho an’ireo kongregasiona samy hafa mba hanatanjahana ny finoan’izy ireo, ary nisy mpiandraikitra mpitety faritany nampiorina mafy ireo rahalahy koa rehefa nitsidika azy ireny izy ireo. — Hebreo 10:23; Asa. 15:22-32; I Petera 1:1.

12. Oviana i Timoty no tonga minisitra ary ahoana no nanohizany nandroso avy eo?

12 Tamin’ny fotoana iray, ny finoan’i Timoty izay nanjary mafy orina noho ny fianarana sy ny fifaneraserana tamin’ireo rahalahy, dia nanosika azy hatao batisa mba hanamarihany ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra sy hanokanany ny fiainany sisa amin’ny fanompoana azy (Matio 28:19, 20; Hebreo 10:5-9). Ara-dalàna raha tamin’io fotoana io no nahatongavany ho minisitr’Andriamanitra. Nefa tsy nijanona teo ny fandrosoany. Ny fahaizany amin’ny maha-minisitra dia mbola nampitomboin’ny fanomezana ara-panahy manokana sy ny fampianarana ary ny fiofanana manokana nomen’ny apostoly Paoly azy. Nanohy nandroso koa i Timoty noho ny fianarana samirery ny Soratra Masina sy ny fifaneraserany tamin’ireo kristiana hafa (I Timoty 4:14; II Timoty 2:2). Timoty àry dia ‘minisitry ny vaovao tsara’. Nefa inona no nataony tamin’ny naha-izany azy?

13. Inona avy ireo andraikitra fanompoan’i Timoty?

13 Koa satria izy nanaraka an’i Paoly tamin’ny diany, dia tsy maintsy niantsoroka andraikitra manokana izy. Tamin’ny naha-loholona azy dia nandany hery betsaka mba hampianarana sy hampiorenana mafy ireo rahalahiny kristiana izy. Lafiny iray monja tamin’ny asa fanompoany izany (I Timoty 4:6) izay, toy ny an’i Jesosy, dia natokana indrindra hitoriana ny vaovao tsara (Matio 4:23). Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Fa hianao kosa mahonona tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelisitra, tanteraho ny fanompoanao.” — II Timoty 4:5.

14. Ahoana no anehoan’ny Soratra Masina ny fifandraisana misy amin’ny finoana sy ny fanompoana amin’ny fitoriana?

14 Afa-tsy Paoly sy Timoty, iza koa no nampoizina ho hita handray anjara amin’ny asa fanompoana kristiana? Ireo loholona sy mpiandraikitra manokana sy mpitety faritany ihany ve? Tsia. Ny apostoly Paoly dia nampiseho tsara fa ny fitoriana ny vaovao tsara dia avy amin’ny finoana izay heverina fa ananan’ny kristiana rehetra. Nanambara izy hoe: “Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.” — Romana 10:10.

15, 16. Iza no nanana andraikitra handray anjara tamin’ny fanompoana kristiana, ary nahoana no mamaly toy izany ianao?

15 Midika ve izany fa ireo rehetra manana tokoa ny finoana kristiana dia tokony ho minisitra kristiana ary handray anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsara? Eny. Ireo tenin’i Paoly dia nosoratana ho an’ny kongregasionan’i Roma manontolo fa tsy ho an’ny loholony fotsiny (Romana 1:1, 7). Sahala amin’izany koa, ny mpikambana rehetra tao amin’ny kongregasionan’i Efesosy dia tsy maintsy ‘nikiraro ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana’. (Efesiana 6:15; 1:1.) Ary ireo rehetra nahafantatra ny taratasy nosoratana ho an’ny Hebreo dia tokony ‘hihazona mafy ny fanambarana ampahibemaso ny fanantenana mba tsy hihozongozonany’. (Hebreo 10:23, MN.) Tadidio ihany koa fa tamin’ny andro Pentekosta, ny rehetra, ny lehilahy sy vehivavy, dia samy nanambara ampahibemaso “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra”. — Asa. 2:1-21; 1:14.

16 Ankoatr’izany, taloha kelin’ny niakarany ho any an-danitra, Jesosy dia nilaza tamin’ireo mpianany hoe: “Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28;19, 20). Ireo avy amin’ny firenena rehetra izay liana tamin’ny vaovao tsara dia tsy tokony ho mpihaino tsotra fotsiny, fa tsy maintsy tonga minisitra izy ireo tamin’izay rehetra nety ho hevitr’izany. — Lioka 10:1; 14:27, 33; Jaona 13:35; 15:8; Asa. 1:8.

Ireo minisitr’Andriamanitra amin’izao andro izao

17. Inona no sasantsasany amin’ireo zava-dehibe tafiditra amin’ny fanompoana kristiana (Matio 22:37-39)?

17 Hatramin’izay dia hitantsika fa ny tena minisitra kristiana dia mihataka amin’ny politika sy izao tontolo izao ankehitriny. Manetry tena izy ary mifikitra amin’ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ambony izay nampianarin’i Jesosy sy ny mpianany. Minisitr’Andriamanitra sy mpanahaka an’i Kristy izy. Tsy tokony hanaraka ny heviny manokana izy na hanalefaka ny fahamarinana mba hahatonga izany heken’ny hafa kokoa. Na izany aza, ny asa fanompoany dia mitondra soa ho an’ny namany, mpino sy tsy mpino. — Matio 20:28; 26:38; I Petera 4:8-10.

18. Iza moa ireo tena minisitr’Andriamanitra ankehitriny ary nahoana no mamaly toy izany ianao?

18 Toy izay hita tamin’i Jesosy sy Timoty, ny fitoriana dia tapany lehibe amin’ny fanompoana kristiana. Inona àry no notoriny? Na dia ankehitriny aza, ny famonjena dia tsy hety raha tsy amin’ny alalan’ny soron’i Jesosy, ary na iza na iza maniry ho voavonjy dia tokony hiantso ny anaran’i Jehovah (Asa. 4:12; Romana 10:13). Ankoatr’izany, ny Fanjakana ihany no hany fanantenan’ny olombelona marary. Nilaza ara-paminaniana aza Jesosy hoe: “Ary hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN). Ireo tena minisitr’Andriamanitra dia manatanteraka io faminaniana io ary mampianatra izany fahamarinana izany. Ka iza anefa no manatanteraka io asa nanirahan’Andriamanitra io fa tsy ny Vavolombelon’i Jehovah? — Isaia 43:10-12.

19. Inona ankehitriny no sasantsasany amin’ny fepetra takina mba hahatongavana ho minisitr’Andriamanitra?

19 Ahoana àry no hamenoana ireo fepetra takina mba hahatongavana ho minisitra kristiana? Mitovy amin’ny an’i Timoty: Amin’ny fanorenana ny finoan’ny tena amin’ireo fikasan’Andriamanitra noho ny fianarana ny Baiboly; amin’ny fampiorenana mafy io finoana io noho ny fifaneraserana amin’ireo kristiana hafa; amin’ny fanekena hatao batisa amin’ny rano, izay mariky ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra natao tamin’ny firesahana taminy mivantana tamin’ny vavaka, mba hanompoana azy manomboka hatreo; amin’ny fanekena ireo torohevitra sy toromariky ny kolejy foiben’ny kongregasiona kristiana (Hebreo 10:23-25; Matio 24:45-47). Iza no mandray anjara amin’io asa fanompoana io? Izay rehefa manana finoana mahitsy sy marisika an’ireo fikasan’Andriamanitra, finoana mifototra amin’ny fahalalana marina. Ny fandraisantsika anjara amin’io asa fanompoana io amin’ny maha-vavolombelona kristian’i Jehovah, dia porofon’ny fahitsian’ny finoantsika. — Jakoba 2:17.

20, 21. a) Noho ny fahadisoan’ny fivavahana lazaina fa kristiana inona momba ny fanompoana moa no maha-tsara ny nanirahan’Andriamanitra minisitra kristiana ankehitriny? b) Manao ahoana ny fitaran’ny asan’ireo tena minisitra kristiana?

20 Amin’izao andro farany izao, dia minisitra ara-pivavahana maro ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no miasa mafy amin’ny fitoriana “filazantsara ara-tsosialy”, sady mitsabaka amin’ny politika no manohitra ny fisian’Andriamanitra sy ny hasarobidin’ny Baiboly eo amin’ny fampiharana. Fa raha ny amin’ireo mpiangom-potsiny ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, izy ireo dia tsy rototra firy amin’ny fanompoana ho minisitra. Velom-pankasitrahana an’Andriamanitra àry isika noho izy nampisy minisitra miaro ny anarany eo anatrehan’ny olona ary manampy ireo olona tso-po hianatra ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly Teniny. Manerana ny tany manontolo, dia misy minisitra mihoatra ny roa tapitrisa karazan’izany izay, noho ny fanampian’Andriamanitra, dia manompo ny olona rehetra.

21 Ahoana anefa no hampisehoan’ny olona iray fa anankiray amin’ireo minisitra ireo izy? Ny lahatsoratra manaraka dia hivaofy bebe kokoa io fanontaniana io.

Inona no asehon’ireto teny manaraka ireto momba ny asa fanompoana kristiana?

◻ Marka 1:38

◻ 1 Timoty 4:6

◻ 2 Timoty 4:5

◻ Romana 1:1, 7; 10:10

◻ Matio 24:14; 28:19, 20

◻ Romana 10:13

◻ Jaona 17:16

[Sary, pejy 16]

Izao ve no anjara asan’ny minisitr’Andriamanitra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara