Nahita ny fahamarinana ny jesoita iray
Tantarain’i Julio Iniesta García
MISY akony inona eo aminao ny teny hoe jesoita. Amin’ny olona maro, izany dia miteraka fihetsika miaraka amin’izay mety ho any amin’ny fanajana lalina ka hatramin’ny fankahalana tanteraka. Amin’ny katolika antonontonony dia mihatra amin’ny fitambarana pretra mpanabe sy misionera tsara fehy izy io. Amin’ny katolika maro, izany dia mampahatsiahy hevitra malalaka voafaritry ny diksionera sasantsasany toy izao: “Olona mirona ho amin’ny firaisan-tetika sy ny teny mampisalasala [izany hoe teny tsy mazava natao hamitahana].”
Hatreo amin’ny novambra 1977 dia pretra voatokana tao amin’ny Fikambanan’ny mompera jesoita, araka ny fiantsoana azy mahazatra aho. Avy eo aho dia nandao io laharana io. Angamba ho tianao ny hahafantatra ny antony nahatongavako ho jesoita sy izay nitarika ahy hamoy ny raharahan’ny pretra, dimy amby roapolo taona taty aoriana.
Ireo taonako voalohany teto Espaina katolika
Teraka tamin’ny lohataonan’ny 1918 aho, ny fahatelo teo amin’ny fianakaviana anankiray hisy zaza folo. Nitana trano fisotroan-kafe sady fisakafoana nantsoina hoe Nigeria tany Murcie, any atsimo atsinanan’i Espaina, ny raiko. Sahala amin’ny saika ny Espaniola rehetra tamin’izany fotoana izany, dia nahazo fampianarana ara-pivavahana katolika mahazatra aho tamin’ny lamesa ny alahady, ny fiekem-pahotana ny zoma, etsetra.
Raha vao tanora kely aho dia nikatsaka sahady ny lalako tamin’ny lafiny ara-panahy, ary naniry fatratra ny hanompo an’Andriamanitra sy ny namako. Nanapa-kevitra ny hiditra ao amin’ny kongregasiona marianista tao Marcie àry ho. Izany dia fitambarana zatovo izay ny ankamaroany dia nanohy ny fianarany ambaratonga faharoa na ambony, sady teo ambany fitarihan’ireo jesoita. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia voatendry ho mpitondra tenin’ireo misiona aho ary nanomboka nahatsiaro faniriana miredareda ny ho tonga misionera. Fotoana fohy taty aoriana, ireo fanandraman-javatra nangidy tamin’ny ady an-trano espaniola dia nampiaiky ahy bebe kokoa ny amin’ny ilàna indrindra hanompoana an’Andriamanitra sy ny namako.
Natao an-tranomaizina noho ny antony mahakasika ny fieritreretana
Nipoaka ny ady an-trano tamin’ny 1936. Rehefa valo ambin’ny folo taona aho dia voantso hiaro fitondrana noheveriko ho tsy mpino an’Andriamanitra. Koa satria hitako ho tsy mifaditrovana ny mandray fiadiana hanoherana ireo rahalahiko katolika dia nanda ny hamaly ilay fiantsoana ho amin’ny raharaha miaramila aho. Ho vokatr’izany dia nosamborina aho ary avy eo dia nosazina hanao asa an-terivozona roapolo taona. Tamin’izao valo ambin’ny folo taona dia toy ny mandrakizay izany tamiko. Rehefa afaka ny volana vitsivitsy dia nafindra tany amin’ny tobin’ny asa an-terivozona any San Pablo de Los Montes, tany amin’ny provans’i Tolède, tao afovoan’i Espaina, aho. Valo ambin’ny folo volana no laniko tao, maty noana ary norahonana ho faty tsy an-kiato. Nony avy eo dia nandresy ireo antokon’i Franco ary dia nafahana izahay. Nahazo fanamaivanana lalina aho nody tany amiko, tany Murcie.
Nijaly be aho ary nahita koa ireo hafa nijaly nefa tsy nahatonga ahy hanary ny finoako izany. Teo anatrehan’ny faharatsiana rehetra nikiky izao tontolo izao dia vao mainka aho nahatsiaro fatratra faniriana ho tonga misionera. Noho ireo fifandraisako tamin’ireo jesoita dia noferako ho zava-kendrena ny ho tonga mendrika hiditra ao amin’ny Fikambanany. Tsy zavatra mora izany. Ny lalàm-pifehezan’ireo jesoita dia mitaky voady ho fankatoavana, hahantra ary hadio fitondrantena. Nanaiky ny ho mpitovo aho na dia nanana faniriana toy ny an’ny zatovolahy rehetra aza. Nefa dia naniry talohan’ny zavatra rehetra ny hanompo an’Andriamanitra sy ho tonga misionera aho.
Fiofanana henjana mba hahatongavana ho jesoita
Tamin’ny 1947, ireo pretra jesoita dia nampanaiky ahy fitsapam-pankatoavana sy fanetren-tena isan-karazany mba hahitana raha nahafeno ireo fepetra takina mba hidirana ao amin’ny laharana ho toy ny zazavao aho. Akory ny hafaliako fa voaray aho ary nampianarina ny fiainana feno fifehezan’ny Fikambanan’ny mompera jesoita. Tany akaikikaikin’ny fahatelopolo taona, dia tonga teo amin’ny lalan’ny asa nanirahana aho tamin’ny farany. Nefa mbola nisy roa ambin’ny folo taona tavela hanaovana fianarana mafy sy fisedrana mafy ny maha-izaho ahy.
Araka izany, nandritra ireo taona roa voalohany naha-zazavao ahy dia tsy maintsy nanao raharaha fanompoana toy ny fanadiovana ny tany na ny trano fivoahana nandritra ny telopolo andro aho. Tadidiko fa indray andro, rehefa avy niborosy ny gorodona aho, ny “rahalahy” iray dia tonga nizaha ny asako. Mba hisedrana ny fanetren-tenako sy ny fankatoavako dia niniany nararaka ilay rano maloto eran’ny siny. Tsy nisy azoko natao afa-tsy ny namerina ny zavatra rehetra.
Nandany telopolo andro hafa nandehanana isam-bohitra niaraka tamin’ny zazavao hafa iray aho, nivelona tamin’ny fiantrana tiana hatao taminay. Fe-potoana telopolo andro hafa no natokana ho amin’ny asa any amin’ny hopitaly anankiray, tao amin’ny marary voan’ny areti-mifindra.
Tamin’ny 1949, dia nianatra tany amin’ireo semineran’i San Cugat del Vallès, any Barcelone, sy ny an’i Buenos Aires, any Argentine, aho. Tao amin’ny fandaharako dia nisy fianarana filozofia, psykaolojia, teolojia, moraly, ary momba ny raharahan’ny pretra. Nandritra io vanim-potoana io dia naharay ny asa nanirahana voalohany ho toy ny mpampianatra ao amin’ny sekolin’i Saint-Calixte, any La Paz, any Bolivie, aho.
Tamin’ny farany, ny 29 jolay 1957 dia tonga ny fotoana nandrasana fatratra: tamin’ny fahasivy amby telopolo taonako, dia voatendry ho pretra jesoita aho. Tamin’io andro io, teo anatrehan’ny eveka ao amin’ny diosezy, dia niankohoka teo amin’ny tanin’ny eglizin’ny “Faculté” fianarana teolojia tao San Cugat del Vallès, aho, ho mariky ny fanekena sy ny fankatoavana.
Niverina nankany Bolivie aho ka tany no nanapahako hevitra hiasa eo amin’ny mahantra indrindra. Voatendry ho pretran’i Uncia, tanànan’ny fihadiana mineraly nisitrika tao amin’ireo havoan’i Andes, aho. Taty aoriana aho dia nanompo tany Cochabamba, tao amin’ny paroasin’i Santa Vera-Cruz. Nampianatra aho ary afaka nandray anjara tamin’ny fanorenana sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa fito ho an’ny mahantra. Tamin’ny 1972, dia niova toeram-piasana indray aho. Nandeha nitandrina ny paroasin’i San Miguel, tao amin’ny tanànan’i Sucre, aho.
Ireo fisalasalako voalohany
Tamin’ny niasako tany amin’ireo paroasy mahantra any Bolivie no nanombohako nanana fisalasalana. Teo am-piandohana dia tsy ny Eglizy akory no nampisalasala ahy fa ireo solontenany. Araka izany, isam-bolana, dia tsy maintsy nanome ho an’ny eveka ao amin’ny diosezy, ampahany amin’ny vola miditra avy amin’ny latsa-drakitra sy fandoavam-bola momba ny lamesa manokana, fampakaram-bady, fandevenana, ets., aho. Koa satria nahantra tokoa ny paroasiko dia tsy betsaka mihitsy ny anjaran’ilay eveka. Tena nampahory ahy ny nandre azy niteny tamim-panamavoana toy izao rehefa nanokatra ny valopy: “Io ve no fanampiana tsinontsinona mba entinao ho ahy?” Niharihary fa tsy nisy vidiny firy teo imasony ‘ireo farantsakely roa an’ilay mpitondratena’. — Lioka 21:1-4, Jérusalem.
Tsy naniry ny hokaramain’ireo mpiangona tao amiko aho ary nanjary nahatonga fifandirana izany. Noraisiko am-po ireto teny novakiko tao amin’ny filazantsara ireto: “Nahazo maimaimpoana ianareo, manomeza maimaimpoana.” (Matio 10:8, Jérusalem). Nefa novaliana ho fa tsy afaka mandray io fepetra misy fiovan-dehibe io, “mba tsy hitondra fatiantoka ho an’ireo pretra” any amin’ny paroasy hafa.
Ny nanafintohina ahy koa dia ny fahitana ny ambaratonga vonona ny hanaiky sy hanome fahefana malalaka ireo hevitra feno fanompoan-tsampy teo an-toerana sy ireo fanao mifandray amin’ny fankalazana ny Cristo de la Vera-Cruz (Kristin’ny tena vokovoko), ny sary izay tao amin’ny eglizin’ny paroasiko. Matetika marina tokoa, ireny fanao ireny dia mazava fa fampisehoana firehetana fatratra mifandray amin’ny demonia. Ankoatr’izany, ny fimamoana dia matetika fanao mandritra ireny fety ara-pivavahana ireny, nefa dia tsy nisy feo ofisialy nanohitra ireny fibobohan-toakan’ny mpanompo sampy ireny.
Rehefa avy nandany dimy taona tany Sucre aho, dia nangata-dalana mba handeha ho any amin’ny raiko izay narary tany Espaina. Akory ny fahagagako rehefa nahafantatra aho tamin’ny fahatongavako tany Barcelone fa ireo anabaviko Lola (Dolores) sy Angelita (Angeles) dia nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny fitambarana kristiana antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah! Ny fiovan’i Lola no tena nanaitra ahy indrindra. Izy izay tsy liana velively tamin’ny zavatra ara-panahy, dia indro ankehitriny fa nianatra ny Baiboly! Tsy mbola nifandray mihitsy tamin’ny Vavolombelon’i Bolivie aho; noho izany dia nanapa-kevitra aho ny hianatra ireo foto-pampianarany. Nomen’ireo anabaviko ahy ilay boky kely hoe “Assurez-vous de toutes choses; restez attachéz à ce qui est excellent”, izay novakiko avy hatrany. Soa ihany aho fa gaga nahita ireo Vavolombelona nampiorina tanteraka ireo zavatra inoany tamin’ny Baiboly. Hatramin’ny fahazazako dia nanana fanajana foana ny Baiboly aho ary nampiasa izany ho fototry ny fisaintsainana isan’andro toy izay ireo zavatra nosoratan’ireo rain’ny Fiangonana na zavatra voasoratra momba ny fiainan’ireo “olo-masina”.
Fihaikana ny teolojia katolika
Naniry hahita ireo Vavolombelona eo am-piasana aho mba hahalalana raha nampihatra izay notoriny izy ireo. Nasain’ireo anabaviko ho any amin’ny Efitrano Fanjakana izay nivorian’ny Vavolombelona teo an-toerana aho. Nanatrika io fivoriana io tamim-pahalianana hahita niharo fahataitairana aho nefa kosa tamim-pisalasalana marina tokoa. Kanefa tena nanorina ny fihetsiko. Ireny lehilahy, vehivavy ary ankizy nanetry tena izay nitady alohan’ny zavatra rehetra ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra ireny dia nahatohina ahy. Izay tsy azoko noforonina tany Bolivie dia indro hitan’ny masoko: fitambarana kristiana tena izy marina. Tsy mety afa-tsy ho an’ny asan’ny fanahy masina izany.
Sady nanaiky amin’ny ampahany lehibe an’ireo fampianaran’ilay boky novakiko aho no nisy foto-pampianarana maro izay tsy azoko nekena. Nampifankahalalaina tamin’i Enrique Lleida aho, dia tamin’ny iray amin’ireo loholona tao amin’ny kongregasiona izay vao nandray dimampolo taona ary mpiasa tao amin’ny indostria simika tamin’izany fotoana izany. Tadidiko fa niresaka naharitra taminy tao anatin’ny fiarakodiany aho. Tamin’izay no nanazavako ireo fanoherako lehibe indrindra ny fampianaran’ny Vavolombelona. Nifanohitra amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah dia nino mafy tokoa ny amin’ny fanatrehan’i Kristy ara-nofo ao amin’ny mofon’ny kaominio (hostie) mandritra ny lamesa aho. Nino koa aho fa handeha ho any amin’i Kristy izay Andriamanitra ihany koa, ny fanahiko. Tsy nety nisava tamin’ny resaka indray mandeha monja ny fisalasalako. Kanefa tamin’izay fotoana izay dia maty ny raiko ary niverina nankany Bolivie aho.
Ny fitsidihan’ireo Vavolombelona boliviana
Noho ny fangatahako dia novana ny toeram-piasako ary dia voatendry indray tao amin’ny paroasin’i Santa Vera-Cruz, any Cochabamba, aho. Tany dia nanavao ny fanapahan-kevitro hikatsaka ny fahamarinana aho sy ‘hamantatra ny zavatra rehetra’ mba hisorohana ny fahadisoana (I Tesaloniana 5:12). Nisy Vavolombelona boliviana nanetry tena roa tonga nitsidika ahy. Izany dia i Ginés Navarro, Catalan espaniola, sy Ariel Araoz, izay avy any Bolivie. Nanohina ahy tokoa ny fanetren-tena sy ny finoan’izy ireo. Tsy nanandrana nanao ady hevitra nafana tamiko izy ireo ary nankasitrahako izany. Fifanakalozan-kevitra kosa no nataonay.
Na dia teo aza ny asa mafy notakin’ny paroasiko tamiko dia nanomboka nanao fianarana nisesy ny Baiboly tamin’ny alalan’ny boky hoe “Assurez-vous de toutes choses; restez attachés a ce qui est excellent” aho. Takariva maro, taorian’ny lamesa, no nizorako ho any amin’ny Efitrano Fanjakana izay nahazoako fahafinaretana tamin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.
Ny hevitra inoana katolika manoloana ireo fampianaran’ny Baiboly
Ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny vokany rehetra (ny fampijaliana ao amin’ny afobe, ny afo fandiovana, ny limby, etsetra) angamba no anisan’ireo foto-pampianarana izay tsy nanahirana ahy indrindra ny namela azy. Andalan-teny iray faran’izay tsotra ao amin’ny Baiboly no nanamora ny asa ho ahy. Izany dia ny Genesisy 2:7 izay amakiana toy izao: “Ny Tompo Andriamanitra namorona ny olona avy tamin’ny fotaky ny tany, ary nitsoka fofonaina mahavelona tamin’ny tarehiny ary dia vita fanahy velona ny olona.” (Glaire). Io andalan-teny io dia tsy milaza fa nahazo fanahy velona izay mbola ho velona aorian’ny fahafatesany ny olona, fa natao fanahy velona. Nanao fanatsoahan-kevitra avy amin’izany toy izao àry aho: fanahy aho. Ambonin’izany, io famaranan-kevitra io dia mifanaraka tanteraka amin’ny I Korintiana 15:45, araka ny fandikan-teny espaniola nataon’i José Maria Bover izay anankiray amin’ireo mpampianatra ahy tany amin’ny semineran’i San Cugat. Izao tokoa no vakintsika: “Araka izany dia vosoratra koa hoe: ‘Ilay lehilahy voalohany, Adama, dia natao fanahy velona.’” Ankoatr’izany, ny maha-mety maty ny fanahy dia nohamafisin’ny Nomery 23:10 mazava tsara, izay nohamariniko tao amin’ny Baiboly espaniola an’i Bover-Cantera ka novakiko toy izao manaraka izao: “Aoka ny fanahiko ho faty amin’ny fahafatesan’ny marina!”
Ny nandona ahy mafy indrindra dia ny nahatakarako fa tsy Andriamanitra i Kristy ary tsy mety ho izany, araka ny tohanan’ny fampianarana momba ny trinite. Ny finoako dia niorina indrindra tamin’ny Jaona 1:1, mandra-pisian’ny fandinihana lalina kokoa ny soratra grika izay nampahafantatra ahy fa nety ho araka an’Andriamanitra Kristy, izany hoe avy amin’Andriamanitra, kanefa tsy Andriamanitra Tsitoha. Araka izany, ary noho ireo soratra hafa ao amin’ny Soratra masina, dia takatro tsara kokoa ny anjara asan’i Jesosy, izay sady teo ambany fahefan’ny Rainy, no niasa foana ho fiderana azy. — I Korintiana 15:28; Jaona 14:28; Matio 24:36.
Noho io fanazavana tsotra io, avy ao amin’ny Baiboly sy ny fikarohana fanampiny, dia nanjary afaka tamin’ny fahamaizinana ara-teolojia izay nanajamba ahy nandritra ny taona maro aho. Takatro fa ny fianarana lasa lavitra ara-teolojia sy filozokia nataoko dia tsy nitondra vokatra azo ampiharina izay mampiavaka ny kristianisma marina. Ankoatr’izany dia tsy nahita ihany koa vokatra toy izany teo amin’ny Eglizy katolika aho. — Matio 7:16, 17; Galatiana 5:22, 23.
Fahatairana ho an’ireo lehibeko
Tamin’ity indray mandeha ity dia nino mafy aho fa nandritra ireo taonjato, ny Eglizy katolika dia nivaona tamin’ny fahamarinan’ny Baiboly mba hanoloana izany amin’ny lovantsofina sy ny filozofian’olombelona. Izany akory tsy hoe tsy fahombiazan’ny olona sasantsasany. Ho vokatr’izany, dia takatro tao am-poko tao fa efa tsy katolika intsony aho.
Nanapa-kevitra manokana ny hametra-pialana amin’ny lehibem-paritanin’ny Fikambanan’ny mompera jesoita sy hangataka ny ho votsotra amin’ny voadiko àry aho. Nahankona azy ny fangatahako. Nanontany ahy izy raha toa ny zavatra nataoko ka avy amin’ny faniriako hanambady. Novaliako izy fa tsy izany no izy satria tamin’izany fotoana izany dia tsy nanam-pikasana velively ny amin’izany aho. (Rehefa avy natao batisa amin’ny maha-Vavolombelona kosa aho dia niova ny tarehin-javatra ary, tamin’ny oktobra 1978 dia nanambady mpitondratena kristiana izay tiako tokoa aho.) Ankoatra ny zavatra hafa dia nilaza tamiko izy hoe: “Julio a, noheveriko ho toy ny lehilahy mahay mandanjalanja foana ianao. Nefa ankehitriny dia hitako fa tokony handeha hozahana any amin’ny mpitsabo aretin-tsaina ianao!”
Nanao resaka naharitra izahay, izay nahafahako nampiseho ireo hevitra manaporofo ireo fahadisoan’ny Eglizy. Izao no valinteniny: “Manaiky ny ankamaroan’izay voalazanao aho, nefa tsy heverinao ve noho io antony io ihany fa ny adidinao dia ny mijanona ao amin’ny Eglizy mba hanandrana hanitsy ireo fahadisoan-kevitra miaraka amin’ny fiaraha-miasan’ny olon-kafa?”
Raha toa ireo fahadisoan-kevitra rehetra ireo mifototra amin’ny hevitra inoana izay lazaina fa tsy mety diso, hoy ny navaliko tamin’izay, dia tsy azo atao ny manitsy azy ireny, satria ny foto-pampianarana voalohany tokony hofoanana amin’izany dia ny tsy fetezana ho diso indrindra. Jereonareo, hoy aho nanohy, fa nieritreritra mafy ny amin’io fanontaniana io aho ary nanandrana nampihatra ny Evanjily. Kanefa tsapako fa tsy nety izany satria ireo fahefan’Eglizy dia nandidy ahy hanao zavatra mifanohitra amin’izany. Hatramin’izay, satria aho tsy afaka nanitsy na nanova ny Eglizy, tsy tsaratsara kokoa ve ny hiovako Eglizy? Raha tsy nahay nanarina azy aho dia aleo mandao azy mba hikatsahako ny Eglizy marina.”
Taty aoriana dia niresaka indray tamin’ny lehibem-paritany ny amin’ny fikasako hametra-pialana aho. Nangataka ahy izy mba haka fotoana hieritreretana ihany. Nefa tamin’ity indray mandeha ity dia tsy afaka niandry intsony aho. Noho izany dia nandefa taminy izao farateny manenjan-kevitra izao aho: Raha tsy mamela ahy hiverina any Espaina mba handalina hianatra io raharaha mahatafiditra ny fiainako mandrakizay io izy dia handao ny paroasiko ao ary handeha hiara-miaina amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ao Bolivie mba handalina ilay foto-kevitra eo an-toerana.
Tsy azo nosaintsainina io mety ho fetezan-javatra farany io ho an’ireo fahefana ekleziastika, noho ny fikorontanana mety haterak’izany eo amin’ny raharaha ara-pivavahana tao Bolivie. Nomena ahy àry ny fahazoan-dalana hiverina hipetraka any Espaina miaraka amin’i Lola anabaviko.
Afaka tamin’ny farany!
Rehefa tany Espaina aho tamin’ny desambra 1976 dia nanary ireo fanao katolika rehetra ary nanomboka fiainana vaovao niaraka tamin’ireo vavolombelona kristian’i Jehovah. Io fiovana hatramin’ny fototra io dia nitondra ny anjarany amin’ny zava-manahirana. Iza eto Espaina no ho tia hampiasa pretra jesoita niala, valo amby dimampolo taona? Farany aho dia nahita raharahan’ny mpampianatra tsy miankina. Ankoatr’izany dia manana fiantohan-draharaha kely ahafahako mahazo izay ilaina isan’andro aho; tsy nangataka miohatra noho izany mihitsy aho.
Tamin’ny 1977, dia nijanona kely tao Espaina ilay lehibem-paritanin’ny misiona boliviana tamin’ny diany tany Roma. Naniry hahafantatra ny fanapahan-kevitro farany izy. Rehefa nampahafantariko azy fa niorina mafy tsy nisy toy izany tamin’ny fanapahan-kevitro aho dia nangataka tamiko ny hanambara an-tsoratra ireo anton’ny safidiko izy, mba hampisehoana izany ny kongregasiona jeneraly sy ny lehibe jeneralin’ny Fikambanan’ny mompera jesoita any Roma.
Tamin’ny fiverenany avy any Italia dia nanambara izy hoe: “Araka izay nolazain’izy ireo tamiko tany Roma, dia voalohany izao teo amin’ny tantara no nisian’ny jesoita nangataka ny handao ny Fikambanana satria izy nianatra ny fahamarinana. Sahala amin’ny dia hoe tsy mahafantatra ny fahamarinana iny ny jesoita amin’ireo fianarana rehetra nataony!”
Ny teolojian’olombelona: tsy inona fa “fakofako”
Rehefa mieritreritra ireo taona nianarako tany amin’ny seminera aho dia fantatro ankehitriny fa raha ampitahaina amin’ny Teny fahamarinan’Andriamanitra, ny teolojia rehetra sy ny filozofia izay azoko nianarana dia tsy inona fa “fakofako” ihany. Nanafina tamiko ny tena fahendrena ampitain’i Jehovah amin’ireo manetry tena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izany. Ny tenan’ny apostoly Paoly mihitsy dia nanambara hoe: “Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao?” (I Korintiana 1:20). Ankehitriny aho dia afaka mihevitra ho toy ny ahy ireto tenin’ilay apostoly manaraka ireto: “Tsinontsinona ny zavatra rehetra mitaha amin’izay azoko amin’ny fahalalana an’i Jesosy Kristy Tompoko. Nafoiko ny sisa rehetra izay noheveriko ho tsy misy dikany [“Nanaiky ny fahafoizana ny zavatra rehetra aho ary mihevitra azy ireny ho toy ny fakofako”, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao], satria afaka mahazo an’i Kristy aho.” — Filipiana 3:8, Le Livre, éditions Farel.
Tonga tamin’ny farany ireo taratasy fandroahana ahy, nitondra ny datin’n 11 novambra 1977. Sady nanasonia azy ireny aho no nisaotra an’i Jehovah.
Tamin’io taona io ihany, ny 27 novambra, dia natao batisa tamin’ny fandrobohana aho nandritra ny fivoriamben’ny fizaran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’io zavatra natao io dia naneho ampahibemaso aho fa nanolo-tena ho an’i Jehovah mba hanarahana ny ohatr’i Jesosy sy hanatanterahana ny asa nanirahany izay nampiandraiketany ireo mpianany (Matio 28:19, 20). Tamin’io andro io, ny fifaliako sy ny fahafahampoko dia nihoatra lavitra izay tsapako rehefa voatokana ho pretra jesoita aho, eo amin’ny roapolo taona lasa izay. Hatramin’izao dia vavolombelona kristian’ilay Tompom-piandrianana Jehovah Tompo aho.
Hatramin’ny batisako dia nandray soa kanto maro aho. Mandray anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ho, asa ara-dalàn’ny kristiana rehetra, ary manana tombontsoa mitarika fampianarana Baiboly maro any amin’ny olona tsara fikasa. Tsy mbola sambatra indrindra toy izany aho, satria ankehitriny ao dia manaraka ny ohatr’i Kristy, araka izay ilazalazana izany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nahita ilay Andriamanitra marina, dia Jehovah, aho, ary ny vahoakany izay mampihatra ny fitiavana araka an’Andriamanitra. Tamiko, ny fitadiavana ela ny fahamarinana dia nifarana. Toy izany koa ve aminao?
[Teny notsongaina, pejy 11]
‘Angamba ho tianao ny hahafantatra izay nahatonga ahy hiala tamin’ny raharahan’ny pretra rehefa avy niasa dimy amby roapolo taona.’
[Teny notsongaina, pejy 12]
“Soa ihany aho fa gaga nahita ireo Vavolombelona nampiorina tanteraka ireo hevitra inoany tamin’ny Baiboly”
[Teny notsongaina, pejy 13]
“Koa satria aho tsy afaka nanitsy na nanova ny Eglizy, tsy tsaratsara kokoa ve ny hiovako Eglizy”