Nahoana aho no tsy maniry ho any an-danitra intsony
Nataon’i Yuriko Eto
NOHO izaho metodista, dia nino tamim-pahatsorana aho fa tsy nety hisy fahasambarana lehibe kokoa noho ny fankanesana any an-danitra. Ho hafa dia hafa izany hoe ho eo akaikin’Andriamanitra sy ho afaka hiaina mandrakizay miaraka amin’i Jesosy Kristy Tompo! Fa nahoana aho no nanana faniriana ny ho any an-danitra toy izany? Ary nahoana no niova hevitra aho nony avy eo? Toy izao ny tantarako:
Nandritra ny taonjato maro, dia ny shintoisma sy ny bodisma ihany no nahazoan-dalana tao amin’ny taniko, Japon. Teraka tamin’ny 1911 aho; roa amby roapolo taona indrindra tamin’izay no nanomezana ny fahafahana ara-pivavahana. Tonga metodista ny fianakaviako. Mpivarotra ny raiko ary zanaka pastora ny reniko. Fitahiana ho ahy ny ninoan-dreniko mafy ny Baiboly. Tsaroako indrindra fa ny naman’ny reniko iray, mpampianatra tao amin’ny sekolin-jazavavy ara-pivavahana, dia nitsidika anay matetika. Niresaka ny amin’ny Baiboly izy ary tiako aoka izany ny nihaino azy. Teo am-pifaranan’ireny fifanakalozan-kevitra ireny anefa dia nilaza toy izao foana izy: “Mampalahelo ny tsy mbola nisokafan’ny fahatakarana azy!” Nanorisory ahy tokoa izany hevitra izany; noho Andriamanitra nampanoratra olona ny Baiboly tokoa, nahoana no tsy nomeny azy ireo ny fahatakarana ny heviny?
Rehefa nody avy tany an-tsekoly aho, ny zavatra tiako natao dia ny nipetraka naka aina teo amin’ny seza iray, namaky ny Baiboly sy nanonofy ny lanitra. Nihetsi-po indrindra aho rehefa nieritreritra fa angamba Kristy ho avy hitsena antsika amin’ny andro ahavelomako. Nampitaha ny tenany tamin’ny mpampakatra Jesosy Kristy ary nampitandrina antsika fa tamin’ireo virijina folo voalazan’ny fanoharana, ny dimy dia natory be ary tsy afaka nitsena ny mpampakatra; tsy afaka nankany an-danitra àry izy ireo. Koa nivavaka isan’andro aho mba hahatongavan’ny fotoana hiavian’i Jesosy Tompo mba hiantso antsika, ary mba tsy hanadinoana ny fanatrehan’i Kristy fanindroany. Notadidiako tao an-tsaina ilay andininy milaza hoe: “Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’Andriamanitra.” Niandry aho, ary nanantena. Raha ny marina, dia velona toy ny hoe nandalo fotsiny teo amin’izao tontolo izao aho. — Matio 25:1-12; 5:8.
Tamin’ny 1933, dia nanambady aho. Noho izaho nanisy fitenenana foana ny amin’ny lanitra tamin’ireo resaka nataoko, dia naneso ahy ny vadiko ka nilaza hoe: “An’ny lanitra ianao, fa izaho kosa avy amin’izao tontolo izao.” Nino aoka izany ny Baiboly anefa ny rain’ny vadiko ka matetika no nilaza hoe: “Efa ho 2 000 taona izao no nahatongavan’i Jesosy Kristy Tompo; tokony ho akaiky àry ny fanatrehany fanindroany.” Nientana kokoa hatrany ny foko.
Avy eo dia nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa, ary maty tamin’ny taona farany nisian’ny ady ny vadiko. Tamin’izany fotoana izany dia nieritreritra aho fa raha nisy afobe dia tokony ho izany fiainana izany no izy. Taorian’ny ady, niaraka tamin’ireo zanako efatra (izay fito volana ny kely indrindra) dia nifindra trano imbetsaka izahay, satria mbola nanjaka tao Tokyo ihany ny fikorontanana lehibe. Koa satria tsy zakako ny nandany alahady iray tsy nankany am-piangonana, isaky ny nifindra trano izahay dia nankao amin’ny toeram-panompoam-pivavahana akaiky indrindra ny tranoko aho. Tsy nampaninona ahy ny fivavahana narahina tao, satria tamiko dia tsy nisy afa-tsy Andriamanitra iray ihany sy Baiboly iray monja. Tsy tiako ny nieritreritra hoe hifikitra amin’ny fivavahana iray.
Nitady ny fandaminan’Andriamanitra aho
Noho ny fahatsapako ny tsy fitovian’ireny antokom-pivavahana rehetra ireny, dia nanomboka nanontany tena tsikelikely aho ny amin’ny fomba fiheveran’Andriamanitra azy ireny. Tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra aho fa fantatr’Andriamanitra, mihoatra noho ny olon-kafa rehetra, fa fivavahana maro be no ao anatin’ny fahadisoan-kevitra. Sahala amin’ny mpampianatra iray manome naoty ho an’ny enti-modin’ireo mpianany, dia nieritreritra aho fa Andriamanitra dia hanome naoty tsara ho an’ny fandaminana mahazo ny hevitry ny Baiboly tsara indrindra. Nanomboka nieritreritra aho fa nilaiko ny nitady ny fandaminana nankasitrahan’Andriamanitra. Tamin’izay no tonga tao an-tsaiko ny teny ao amin’ny Matio 7:9. Izao no voalaza ao: “Ary iza moa aminareo, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato?” Koa satria aho nitady ny tena “mofo”, dia nametraka ny fitokisako tamin’io andininy io aho ary nanomboka nivavaka mafy isan’andro. Nangataka tamin’Andriamanitra toy izao aho: “Ataovy izay hahafahako miaraka amin’ny fandaminana izay manana ny fahatakarana marina ny hevitry ny Baiboly.” Herintaona taty aoriana, dia nifindra nankany Yokohama aho. Tany no nisy resaka nanamarika ahy indrindra.
Raha vao tafahaona tamin’olona nilaza ho tia fivavahana aho, dia nanontaniako toy izao izy ireny: “Mba mahalala olona mahafantatra ny Baiboly amin’ny antsipiriany ve ianareo?” Indray andro, dia niresaka tamin’ny vehivavy iray mpikambana tao amin’ny Fiangonana iray tao amin’ny tanàna iray teo akaiky aho ary nametraka taminy an’io fanontaniana io. Raha tsy nahazo valiny nanaiky mihitsy aho hatreo, izy io kosa dia namaly ahy tamim-piaikena hoe: “Eny, mahalala olona tahaka izany aho. Indray andro, ny vehivavy misionera iray dia tonga tao an-tranoko. Nanasa azy hiditra aho ary avy hatrany izy dia nanokatra ny Baiboly mba hanazavana tamiko zavatra samy hafa tamin’ny antsipiriany. Alohan’ny hiaingany, dia nilaza tamiko izy fa monina eo ambonin’ny havoana misy anareo.” Tamin’izay dia nangata-dalana handeha sady faly aho. Ny ampitso dia lasa nankany amin’ny tranon’ny misionera Vavolombelon’i Jehovah aho.
Vanim-potoam-pahasahiranana
Tamin’ny farany aho dia afaka nandalina ny Baiboly. Rehefa afaka iray volana teo ho eo anefa, dia voadona aho! Ilay rahavavy misionera nampianatra ahy, Jean Hyde (Nisbet amin’izao andro izao), dia niteny tamiko tamim-pitsikiana hoe: “Amin’ny ho avy dia tsy isalasalana fa tsy hiaina any an-danitra ianao fa ho eto an-tany.” Tafintohina aoka izany aho; toy ny hoe noroahina avy tany an-danitra aho. Tena tezitra tokoa aho. “Vao voalohany aho no nahita misionera tsy mahalala fomba toy izany, hoy ny fihiakako. Tena mampalahelo izao; faly aoka izany aho noho ny nahafahanao nampianatra ahy hahalala ny Baiboly, kanefa nanjavona izany fahasambarana izany. Nefa, noho izaho mitady ny tena fandaminana, manao famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ary manana koa ny boky ‘Aoka Andriamanitra no ho fantatra fa marina!’, dia ny tenako ihany no hanao fikarohana tsara. Rehefa miaiky aho fa izany no fahamarinana, dia hanaiky ny teninao aho ary hiverina hangataka fanampiana aminao.”
Tsy tezitra akory i Jean. Nitsiky be izy sady nilaza tamiko hoe: “Na ahoana na ahoana, dia miangavy anao aho, diniho ny fahamarinana.” Tamin’izay, dia lasa izy. Nandalo tamin-katsaram-panahy tao amiko indraindray anefa izy ary nanontany ahy hoe: “Manohy tsara ny fikarohanao ve ianao?” Nanantena aho fa io fandaminana io no valin’ny vavaka nataoko tamin’Andriamanitra, nefa faran’izay nisafotofoto izao ny eritreritro. Teo aloha aho dia mbola tsy nandre firesahana mihitsy ny amin’ny fanavahana ireo mankany an-danitra sy ireo izay tokony hiaina mandrakizay eto an-tany.
Nanomboka nandinika tamim-pahatsorana ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower isan’andro àry aho. Fotoana kelikely taty aoriana, ny mpiandraikitra mpitety faritanin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, Adrian Thompson, dia tonga nitsidika ahy. Somary nikomy aho ka nanontany azy avy hatrany hoe: “Na dia hisy antokony roa aza amin’ny ho avy, ny anankiray ho any an-danitra ary ny anankiray ho eto an-tany, moa ve tsy anjaran’Andriamanitra ny mifidy? Moa ve tsy ho fieboeboan’ny olona ny fitadiavana hanapaka?” Ary dia namaly toy izao izy: “Tena izany tokoa. Andriamanitra no mifidy.” Tsy azoko tamin’ny antsipiriany ny zavatra rehetra kanefa nampahery ahy ny valinteniny. “Raha izany no izy, hoy ny eritreritro, dia tsy maty akory ny fanantenako ho any an-danitra.” Nivavaka àry aho ary nanohy nianatra manokana.
Tamin’ny 1954, dia nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy aho. Lloyd Barry no nandahateny. Tao amin’ny lahateniny, dia nohazavainy fa ireo izay nampidirina ao anatin’ny “fanekena” ihany no tokony handray anjara amin’ny mofo sy ny divay. Taorian’ny Fahatsiarovana, noho izaho nanana fanontaniana betsaka hapetraka, dia nandeha an-tongotra aho rehefa nody, niaraka tamin’i Shizue Seki, Vavolombelona be zotom-po iray. Nihevitra ahy aoka izany izy ary naka fotoana namporisihana ahy mba tsy hiala satria hoe sarotra amiko fotsiny ny nanaiky hevitra iray, fa hanao izay hahazoana antoka kosa fa miorina tsara amin’ny Baiboly ny fampianaran’ny Vavolombelona rehetra.
Indray andro, dia lasa nianatra ny ankizy ary niomana handray vahiny nasaina aho. Nivavaka mangina aho tamin’izay: ‘Hianatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah indray aho.’ Rehefa nihiratra aho, toy inona moa ny hagagako nahita, tsy ireo nasaina nandrasako, fa Vavolombelon’i Jehovah japone telo. Gaga aho ka nilaza tamin’izy ireo fa vao avy namita vavaka. Nitsambikimbikina noho ny fifaliana sy nitehaka i Fumiko Seki tamin’ny filazana hoe: “Tsara! Tsara!” Ny misionera hafa iray, Sonny Dearn, dia nanomboka tsy ela fianarana nahafinaritra niaraka tamiko, ka i Fumiko no nanampy anay tamin’ny fandikan-teny. Tamin’io indray mandeha io, dia nandray anjara tamin’ny fianarana ny roa tamin’ireo zanako. Rehefa nirahina ho any amin’ny faritany hafa i Sonny, dia nisolo toerana azy ny hafa firenena iray, Leon Pettitt. Nataonay tototry ny fanontaniana foana izy. Tamim-pahatoniana, dia nasehony anay ireo andininy nahatonga anay ho afaka ny hanao fanatsoahan-kevitra tsara sy handroso amin’ny fahalalana ny Soratra Masina.
Takatro ny hoe nahoana no misy olona mankany an-danitra
Na dia tao aza ireo faniriako manokana, dia takatro fa matoa misy olona mankany an-danitra, dia noho ny fikasana hentitra tsara fa tsy mba hanomezana fahafahampo fotsiny ny faniriana feno fihetseham-po ho eo anilan’ilay Andriamanitra be voninahitra sy hiaina mandrakizay hiaraka amin’i Jesosy Tompo. Arakaraka ny nifankazarako tamin’ny fahamarinana sasany, dia afaka nanaiky izany an-tsitrapo ny foko.
Voalohany indrindra aloha, raha tsy nanota Adama lehilahy voalohany dia tsy ho nisy mihitsy olona hila ny ho any an-danitra. Talohan’ny namoronana an’izao tontolo izao tokoa aza dia efa nisy anjely arivoarivo tany an-danitra. — Joba 38:4-7; Daniela 7:9, 10.
Arakaraka ny nandrosoan’ny fianarana, dia fantatro tao amin’ny Lioka 12:32 fa antokon’olona voafetra ihany, antsoin’ny Baiboly hoe “ondry vitsy”, no mankany an-danitra. Izao no nambaran’i Jesosy: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” Fa raha ny amin’ny fikasana tokony hotanterahin’ireo anisan’io antokon’olona io, moa ve ny teny ao amin’ny Apokalypsy 20:6 tsy milaza fa “hiara-manjaka aminy [Kristy] arivo taona” izy ireo ary tsy voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 5:10 ve fa ‘hanjaka ambonin’ny tany izy ireo’?
Nianarako koa ny hevitry ny Rainay Izay any an-danitra. Nivavaka toy izao Jesosy: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10). Rehefa takatro fa izany dia fitondram-panjakana any an-danitra voaforon’ny olona nalaina avy amin’ny tany mba hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy Mpanjaka, dia talanjona aho noho ny fahendren’Andriamanitra. Niaiky aho fa izany indrindra no nilainay, dia fitondram-panjakana tokana izay hanafaka ny olombelona amin’ny fahoriana, ny fahantrana sy ny fihenjanana aterak’i Satana. Tsy afaka ny tsy hidera an’i Jehovah aho.
Tetsy andaniny koa, rehefa fantatro fa voafetra ny isan’ireo izay mankany an-danitra, dia voatery nanaiky aho fa fandaharana mety izany (Apokalypsy 14:1, 3). Toy izany koa, ny isan’ireo mpanao raharaha ambony anisan’ny fitondram-panjakana eto an-tany dia voafetra. Hitako tsikelikely fa ireo izay mankany an-danitra dia manana andraikitra tena lehibe. Nomanin’Andriamanitra tamim-pitiavana fa ny adidin’izy ireny dia ny hanao izay hahatonga ny olombelona rehetra ho sambatra sy ny hanorina indray toe-piainana paradisa eto an-tany.
Safononoky ny fankasitrahana aho ka navelako tamim-pifaliana ny fahatsinjovana ny hiaina any an-danitra. Amin’izao fotoana izao aho dia manana fanantenana ny hiaina ao amin’ny paradisa iray eto an-tany. Tsy nisalasala na dia kely akory aza Andriamanitra fa nampiharihary ny hevitry ny Baiboly tamin’ny alalan’ny fandaminany. Nikatsaka ny fahamarinana aho. Manana adidy aho hisaotra an’Andriamanitra noho ny nanampiany ahy hiaraka amin’ny fandaminana ankasitrahany.
Fanompoana mahafaly sy mahavokatra
Tamin’ny oktobra 1954 aho no natao batisa. Nanomboka tamin’ny 1955, dia mitory manontolo andro ilay Fanjakana ny roa amin’ireo zanako sy ny tenako. Nanao ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny fito taona i Keijiro zanako lahy. Roa izao ny zanany ary maharitra amin’ny asa manontolo andro miaraka amin’ny vadiny izy. Tamin’ny naha-mpitory maharitra manokana, dia nandray anjara tamin’ny fiforonan’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny tanàna enina ahoa. Nanana fifaliana koa aho nitory nandritra ny taona maromaro niaraka tamin’ny zanako vavimatoa, Hiroko, tao amin’ny nosy Hachijô, tokony ho tany amin’ny 300 km avy eo Tokyo, ao amin’ny oseana Pasifika.
Noho izaho nianatra nahita fahafahampo tamin’ny fanantenana ho avy mahatalanjona eto an-tany, dia niova aoka izany ny fihetsiko teo anoloan’ny planetantsika. Tao amin’ny nosy Hachijô indrindra, dia voahodidin’ny voninkazo tsy fahita firy izahay, ary rehefa nandeha isan-trano izahay dia nandinika izany tamim-pahafinaretana rehefa niresaka tamin’ny olona tao amin’ireo zaridainany kanto. Indray andro, dia tafahaona tamin’ny vehivavy be taona iray nikarakara ny voninkazony aho. Nidera azy izahay, nefa hoy izy taminay tamin’alahelo: “Tsy matahotra ny fahafatesana aho, nefa mahaketraka ahy ny mieritreritra ny hoe tsy maintsy misaraka amin’ireo voninkazo ireo aho rehefa ho any ankoatra.” Nohazavaiko taminy tamin’izay fa eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia hatsangana amin’ny maty izy ho ao amin’ny paradisa an-tany izay hahafahany hifaly mandrakizay amin’ny voninkazo. Namirapiratra ny masony ary nanao fandaharana izahay mba hiara-mianatra ny Baiboly taminy.
Nanintona ahy koa ny fiainana tsotra nananan’ireo mponin’ny nosy izay nihevitra ho zava-dehibe tokoa ny fanomezam-boninahitra ireo razambe. Rehefa misy maty, ny olona rehetra ao amin’ilay fitambaran’olona dia mandray ho adidy ny fanatrehana ny fandevenana. Ho tiako aoka izany raha mianatra mahafantatra an’i Jehovah, ilay Rain’ny fiainana, ireny olona rehetra ireny ka hahatakatra fa izy dia Andriamanitra hamelona indray ireo razambeny rehefa ho voaova ho paradisa ny tany. Ho tiako ny hahafantaran’izy ireny fa misy tsy fitoviana lehibe amin’ny hoe manaja sy mankalaza ireo razamben’ny tena. Tsy tokony hankalaza afa-tsy ilay Rain’ny aina, dia Jehovah, isika, araka ny nanambaran’i Jesosy azy hoe: “Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” — Jaona 4:23, 24.
Amin’izao andro izao, rehefa avy notendrena ho ao amin’ny faritany fito samy hafa aho, dia misaotra an’i Jehovah sady manohy manambara amin’ny olona ny zava-kendren’ny Fanjakan’i Jehovah any an-danitra sy ireo fitahiana kanto hoentiny ho an’ireo anisantsika izay hanana tombontsoa tsy hay tombanana ny hiaina mandrakizay eto an-tany. — II Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nanampy olona 75 ho tonga mpitory ilay Fanjakana koa Yuriko Eto.
[Sary, pejy 12]
Yuriko Eto eo am-panazavana ireo fampanantenana ao amin’ny Baiboly momba ny paradisa an-tany iray.