Tsy manala baraka akory ny anjara toeran’ny vehivavy
“NAHOANA ny vehivavy no tokony hitovy amin’ny lehilahy?” Teo ambanin’io lohateny tsy mazava loatra io, dia nanambara toy izao ny mpandinika toe-tsaina atao hoe Carol Gilligan tao amin’ny anankiray tamin’ireo lahatsorany: “Ny toeran’ny vehivavy eo amin’ny fiainan’ny lehilahy dia ny an’ny mpanome sakafo, mpiambina sy mpanampy; ny vehivavy no nanenona zavatra miolikolika eo amin’ny fifandraisana izay ipetrahany rehefa avy eo. Kanefa raha nikarakara ny lehilahy toy izany ny vehivavy, dia marina koa fa ny lehilahy (...) dia nirona hampihem-bidy ny anjara toeran’izy ireny.” — Psychology Today.
Tsapa amin’izao andro izao fa vehivavy maro be no mitaraina satria iharam-pahavoazana noho ny tsy fitoviana sy ny fanavakavahana sasany, ary manantitrantitra izy ireny fa manana antony tsara tokony hanaovana izany. Tsy azo lavina tokoa fa misy lehilahy tia tena nanambaka ny vehivavy tany amin’ny faritra rehetra eo amin’ny gilaoby, maro kokoa any amin’ny tany sy sivilizasiona sasany tsy toy ny any amin’ny hafa. Ho an’ny sasany, izany dia avy amin’ny fandaharana ara-tsosialy manome anjara toeran’ny olom-pehezina ho an’ny vehivavy. Amin’ny hafa kosa, dia ny Baiboly no tompon’andraikitra amin’ny tarehin-javatra toy izany, amin’ny ampahany fara faharatsiny. Milaza izy ireny fa ao amin’ny Soratra hebreo toy ny ao amin’ny Soratra grika, antsoin’ny maro hoe Testamenta Taloha sy Vaovao, ny Baiboly dia mankahala vehivavy. Marim-pototra ve ny filazana toy izany?
Ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny vehivavy
Izao no ambaran’ny Baiboly: “Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny (...); lahy sy vavy no namoronany azy.” Nahoana no nisy fanavahana ho lahy sy vavy toy izany? Mazava ny valiny. Izany dia hahatonga ny mpivady voalohany hanatontosa ny baikon’Andriamanitra voambara eo amin’ny andininy manaraka, manao hoe: “Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa (...) ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” — Genesisy 1:27, 28.
Mariho fa io baiko io dia nomena ny lehilahy sy ny vehivavy. Izy ireo dia samy tokony tsy handray anjara fotsiny amin’ny famenoana ny tany amin’ny olombelona hafa, fa amin’ny fampanompoana sy ny fampiharana fahefana koa eo amin’ireo zavaboary ambany, mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Amin’izany izy mivady dia samy tokony hila toetra ara-tsaina sy ara-panahy, ary nitovy ny heriny tamin’io lafiny io.
Andriamanitra anefa dia tena nanankina anjara asa sy andraikitra tsy mitovy ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy. Nandritra ny fotoana nandinihany ireo karazam-biby sy nanomezany anarana azy ireo, dia nanao zavatra tamin’ny naha-lehilahy tanteraka sy feno Adama. Mba hiantsorohana an’io adidy manokana io, dia tsy nisy na inona na inona tsy ampy taminy (Genesisy 2:19, 20). Rehefa tonga anefa ny fotoana amenoan’ny lehilahy ny tany amin’ny taranany, dia niharihary tokoa fa nila vehivavy izy. Izany no antony nilazan’i Jehovah Andriamanitra hoe: “Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.” — Genesisy 2:18.
Ambaran’ny Baiboly fa Andriamanitra dia nanao ny vehivavy ho “vady sahaza [mpanampy fameno, MN ]” ho an’ny lehilahy. Ny teny hebreo nadika hoe “fameno” dia azo adika koa hoe “sarin’ny”, izany hoe “zavatra iray mifanitsy tanteraka amin’ny hafa iray”. Ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny vehivavy dia ny hahatonga azy ho fameno tandrifin’ny lehilahy, mba hanatanterahan’izy ireo ny asany iombonana, dia ‘famenoana ny tany sy fampanompoana azy’.
Nodisoina ny fandaharan’Andriamanitra tamin’ny voalohany
Milaza tsara ny Baiboly fa “Adama no natao voalohany, vao Eva”. (I Timoty 2:13.) Milazalaza ny vehivavy ho “fanaka malemilemy kokoa” izy, ary manampy teny fa toy ny ananan’ny lehilahy filoha (Kristy), dia “ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy”. — I Petera 3:7; I Korintiana 11:3.
Araka ireo fandaharana nataon’i Jehovah teo am-boalohany, ny fanambadiana tokana dia fitsipika (Genesisy 2:24). Ny lehilahy no noforonina voalohany ary tokony hanome ohatra izy eo amin’ny lafiny madinika rehetra amin’ny fanompoam-pivavahana sy amin’ny asa hafa rehetra kendrena hamenoana ny tany sy hampanompoana azy. Izany dia nahafaoka ireo raharaha ara-pianakaviana. Ny ray dia tokony ho filohan’ny tokantrano. Tsy hahita fatiantoka noho izany anefa ny vehivavy. Ho tombontsoany kosa aza izany, satria hisy olona hanohana azy rehefa hampihatra eo amin’ireo zanany ny fahefana noraisiny tamin’Andriamanitra izy. — Efesiana 6:1-4.
Toy ny tamin’ny lafiny rehetra amin’ny ataon’ny olombelona, ny fahotana sy ny tsy fahatanterahana dia nanimba ny fifandraisana tsara teo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy (Romana 7:14-20). Nisy lehilahy tia tena nanampatra ny toerany amin’ny maha-filoha ara-dalàna, ka niteraka fahoriana lehibe ho an’ireo vehivavy tao anatin’ny taonjato maro. Nahatsinjo izany vokatra manokan’ny ota izany Jehovah ka nilaza toy izao tamin’i Eva taorian’ny fikomiany: “Ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” (Genesisy 3:16). Tsy ho fomba tsara fiantsorohana ny toerany amin’ny maha-filoha izany fanararaotana loatra ny fanapahana izany. Izany dia ho taratry ny tsy fahatanterahan’ny lehilahy, mbamin’ny an’ny vehivavy, satria indraindray ny zava-manahirana dia avy amin’ny fanandraman’ny vehivavy mandrombaka ny fahefan’ny vadiny.
Ny vehivavy teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy
Niaro ny zon’ny virijina ny Lalàna nomen’i Jehovah ho an’ny Isiraely (Eksodosy 22:16). Narovany “ny fitondra zanakavavy”. (Eksodosy 21:9.) Ny vehivavy dia tokony ho ‘malalan’ny’ vadiny ary ralehilahy ‘tsy tokony hamitaka’ azy (Deoteronomia 13:6, MN; Malakia 2:14, 15). Tokony hohajaina ny fahamendrehan’ny vehivavy eo amin’ny lafiny momba ny lahy sy ny vavy (Levitikosy 18:19). Nomelohina ny fisavihana. — Levitikosy 18:8-17.
Ao amin’ilay boky hoe Ny fivavahana sy ny amin’ny lahy sy ny vavy (anglisy), dia izao no nambaran’ilay manam-pahaizana momba ny teolojia atao hoe Phyllis Bird: “Ireo lalàn’ny Isiraely dia mahagaga fa hafa noho ireo fitambaran-dalàna hafa fantatra noho ny mahamafy azy tsy araka ny fahita eo amin’ny lafin’ny fahadisoana momba ny lahy sy ny vavy. (...) Ny fiheveran’ny Isiraely momba ny toerana tokony homena ny amin’ny lahy sy ny vavy sy ny sazy mafy azon’ireo mpandika lalàna tamin’io lafiny io dia mifanohitra tsotra izao amin’ireo fanaon’ny olona teny amin’ny manodidina (indrindra fa ny Kananita). (...) Ny fahadisoana momba ny lahy sy ny vavy dia fahadisoana ara-pivavahana teo amin’ny Isiraely. Izany dia raharaha manokana, nefa raharaha lehibe tokoa ho an’ny fitambaran’olona rehetra. Ny lalàna hentitra toy izany dia azo antoka fa niaro ireo zon’ny vehivavy.
Teo amin’ny Isiraely, ny lehilahy sy ny vehivavy dia nitovy teo anatrehan’ny Lalàna raha niharihary ho meloka ho nanitsakitsa-bady, nandry tamin’ny havana akaiky, tamin’ny biby na nanao heloka bevava hafa izy ireny (Levitikosy 18:6, 23; 20:10-12). Ireo lalàna momba ny sabata, ny andro firavoravoana, ny voady ho nazirita sy ny hafa dia nihatra tamin’ny fomba nitovy tamin’ny lehilahy sy ny vehivavy. — Eksodosy 20:10; Nomery 6:2; Deoteronomia 12:18; 16:11-14.
Ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, ny Baiboly dia midera ny “vehivavy vady tsara”, ny “vehivavy vady mahay”, “ny vehivavy hendry”, “ny vehivavy tena hendry”. (Ohabolana 18:22, MN; Oh 12:4, MN; Oh 19:14; 14:1, MN.) Ny Oh toko faha-31 amin’io boky io ihany koa dia milazalaza ny amin’ny “vehivavy vady mahay” toy izany ary mampiseho fa natoky azy aoka izany ny lahy. Hita ao ireo andraikitra maro navelany hiantsorohany teo amin’ny raharahan-tokantrano lehibe. Rehefa nohajaina ny Lalàna teo amin’ny Isiraely, dia azo antoka fa tsy nentina tamin’ny fomba tsy ara-drariny ireo vehivavy.
Ny vehivavy ao anatin’ny kongregasiona kristiana
Teo ambanin’ny lalàn’ny patriarika sy Mosesy, dia noleferina ny famporafesana sy ny fananana vaditsindrano, kanefa nasiana fitsipika nifehy, ary narovana ny zon’ireo vehivavy vady sy vaditsindrano (Genesisy 16:3; 29:23-29; Eksodosy 21:7, 8; Deoteronomia 21:14-17). Naorin’i Kristy indray anefa ny fitsipik’Andriamanitra tamin’ny voalohany eo amin’ny fanambadiana, izany hoe lehilahy iray ho an’ny vehivavy iray (Matio 19:4-6). Nomelohiny koa ny fisaraham-panambadiana noho ny antony hafa rehetra ankoatra ny hany antony azo ekena, dia ny fijangajangana. — Matio 19:7-9.
Mazava ho azy fa tamin’ny fanamafisana toy izany ireo fitsipika eo amin’ny lafin’ny fanambadiana, dia samy nampian’i Kristy na ny lehilahy na ny vehivavy ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Miharihary anefa fa ny nandray soa indrindra tamin’ireny fandaharana ireny dia ny vehivavy.
Araka ireo fotopoto-pitsipika kristiana, dia tokony hotiavina sy hankamamina ny vehivavy (Efesiana 5:28, 29, 33). Ireo lehilahy ao anatin’ny kongregasiona dia tokony hitondra ny vehivavy tanora “toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra”. (I Timoty 5:1, 2.) Ny vehivavy kristiana dia nandray ny fanahy masina sy ‘naminany’ na niresaka tamim-pahasahiana ny amin’ny ‘asa lehibe nataon’Andriamanitra’. (Asan’ny apostoly 2:11-18.) Ny vehivavy kristiana be taona kokoa dia tokony ‘hampianatra izay tsara’ an’ireo rahavaviny ara-panahy tanora (Titosy 2:3, 4). Na tanora izy na antitra, ny vehivavy rehetra dia nandray anjara tamim-paharisihana tamin’ny asa ‘fanaovana mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra’. — Matio 28:19, 20.
Ireo fandaharan’Andriamanitra tamin’ny voalohany teo amin’ny lafin’ny fanambadiana dia naorina indray teo anivon’ny kongregasiona kristiana. Tokony hohajaina tamin’izany ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fahefan’ny lehilahy (I Korintiana 11:3). Tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy kristiana (Efesiana 5:22-24). Tokony hanaja ireo loholona voatendry ao anatin’ny kongregasiona koa izy ireny, dia loholona lehilahy daholo, mpitovo na “manambady tokana”. (I Timoty 3:2.) Ny vehivavy kristiana dia tokony hamela ireo “loholona” voatendry hampianatra ampahibemaso ao anatin’ny kongregasiona ka hifehy tena mba tsy hanohitra ampahibemaso ireny mpampianatra ireny (Titosy 1:5-9; I Timoty 2:11-15; I Korintiana 14:34, 35). Izany dia hitondra fiadanana eo anivon’ny kongregasiona tsirairay avy (I Korintiana 14:33, 40). Izay rehetra mety ho fitaomam-behivavy tsy mendrika ao amin’ny kongregasiona iray dia hiteraka fanamelohan’i Kristy. — Apokalypsy 2:20-23.
Mikarakara ny vehivavy Jehovah
Mankahala vehivavy ve ny Baiboly? Tsia. Ao anatin’ireo pejiny, dia aharihariny fa Jehovah dia miahy aoka izany ny amin’ny fahasambarana sy ny fiadanan’izany “fanaka malemilemy kokoa” izany, izay izy no Mpamorona azy. Mahazo voninahitra ny vehivavy (I Petera 3:7). Jehovah dia mahafantatra mihoatra noho ny olon-kafa rehetra ny anjara toerana mety amin’ny lahy sy ny vavy, mba samy hahasoa azy avy. Nomeny fahefana ny lehilahy, nefa nomeny tombontsoa sarobidy maro koa ireo vehivavy manompo azy, indrindra fa ny voninahitra lehibe ho Vavolombelony. “Ny Tompo [Jehovah, MN ] manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.” — Salamo 68:11.
Nametraka izao fanontaniana izao ilay vehivavy mpandinika toe-tsaina atao hoe Carol Gilligan: “Nahoana ny vehivavy no tokony hitovy amin’ny lehilahy?” Mamaly ny Baiboly fa tsy misy antony azo anekena izany mihitsy. Ho sambatra kokoa izy, ary hahatonga ny hafa ho sambatra kokoa raha miantsoroka ny anjara toerana nankinin’Andriamanitra taminy.