“Tsy mbola namaky zavatra sahala amin’izany mihitsy aho”
ILAY boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création? dia efa nanampy olona maro hahatakatra kokoa ny fomba nisehoan’ny aina teto an-tany sy ny hoe mankaiza izany. Nanoratra toy izao ny olona iray: “78 taona aho izao ary hatramin’ny faharoa taonako no namaky teny aho. Kanefa, mbola tsy namaky na inona na inona sahala amin’ny boky La vie: comment est-elle apparue? aho. Tena mahagaga tokoa izy io. Mandresy lahatra ny saina ireo fanazavana raketiny.”
Nanoratra ny Néo-Zélandais iray fa io boky io dia “azo antoka fa ny anankiray amin’ireo boky miavaka indrindra eo amin’ny tantaran’ny fanontam-boky amin’ny andro ankehitriny”. Nanambara ny Italiana iray: “Faran’izay tsy manam-paharoa io boky io. Namaky azy indray nanezaka aho, toy ny mety hatao amin’ireo boky miavaka.”
Ny mpanao raharaham-barotra lehibe anglisy iray dia nanao izay hahazoana boky 25 ho an’ireo olona nifandraisany tamin’ny asa. Vetivety dia tsy ampy azy izany ka nangataka 25 hafa izy. Ny mpampianatra teolojia iray any Etazonia dia nanafatra 24 noho ny fikasana ny hampiasa izany tamin’ny fampianarany.
Bokin’ny “tena fahalalana”
Nilaza toy izao ny mpianatra iray any Kanada: “Antsoiko hoe boky fianarako siansa izy io, ary afaka manantitrantitra aminareo tsy misy laza masaka aho fa betsaka kokoa ny tena fahalalana azoko tamin’io boky io noho izay rehetra azoko nandritra ny fotoana nianarako rehetra.”
Mitovy hevitra amin’izany, ny lehilahy iray dia nanoratra toy izao: “Tamin’ny fotoana rehetra nisoratako tany amin’ny oniversite mba hanao “licence”, dia nandany an-jatony dôlara maromaro aho mba hanatrehana fianarana samy hafa izay tsy nampianatra ahy zavatra mihoatra noho ny boky La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?. Izany dia fianarana matematika, biolojia, “génétique”, “chimie minérale” sy “organique”, ary “anthropologie”. Tsapako izao fa nety ho nitsitsy vola be dia be aho raha nividy ny bokinareo mora. Tsy lazaina intsony fa navahanareo tamin’ny ‘ahidratsy ny voa tsara’.”
Ny mpampianatra “physiologie” mpisolo toerana iray dia nilaza ny fiheverany ny hasarobidin’ilay boky tamin’izao teny izao: “Io indrindra no boky fakàn-teny tiako hananana foana. Ny fikarohana rehetra niriko hananana fotoana hatao sy ho tiana hatao dia natao ho ahy.” Toy izany koa, ny olon-kafa iray dia nanoratra toy izao: “Ankamamiko tokoa ireo fikarohana amin’ny antsipiriany tsy maintsy natao mba hanoratana an’io boky io. Izany dia tsy maintsy ho naka volana maromaro mba hanadihadiana tanteraka ny foto-kevitra tsirairay avy.”
Manosika hankasitraka ny Mpamorona izy io
Teo am-pifaranan’ny taratasy iray nilazany ny ‘fahatalanjonany lehibe’ noho ilay boky, dia nanoratra toy izao ny lehilahy iray: “Tsy vitan’ny hoe mampiaiky io boky io, fa miteraka fihetseham-po koa izy io!” Izany indrindra no zava-kendrena aminy: hiteraka fitokisana Mpamorona iray feno fitiavana izay manana fikasana mahatalanjona ny amin’ny olombelona.
Izany dia manazava ny antony nanoratan’ny filoham-pianakaviana iray toy izao: “Izy io dia nampitombo ny fankasitrahanay ny Mpamorona antsika mahatalanjona, ary mahatonga hiharihary ny fahalalana Ilay nahatorontoronina antsika tsy toy ny boky hafa rehetra nataon’olombelona.” Toy izany koa, ny vehivavy iray dia nanambara fa, tamin’ny boky hafa rehetra novakiny, dia io no “nanampy azy indrindra hampifamatotra fisakaizana amin’i Jehovah. Andriamanitra manaitra ny saina re izany!” Nanoratra toy izao koa ny vehivavy Kanadiana iray: “Tsy haiko ny manazava izay tsapako. Mbola tsy takatro mazava toy izany mihitsy ny halehiben’ny fitiavan’i Jehovah. Tsapako ho te-hitomany aho eo anoloan’ny herin’io boky io.”
Ny taratasy manaraka dia milazalaza tsara ny herin’io boky io eo amin’ny olona tso-po izay nisalasala ny amin’ny fisian’ny Mpamorona: “Misaotra! Hatramin’ny taona maro dia sarotra tamiko ny nino Mpamorona iray satria nino ny evaolisiona aho. Avy eo, dia nividy ny bokinareo hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création? aho. Mahatsiaro tena ho toy ny jamba vao nahita voalohany aho. Nitady fanorenana mafy sy fanjohin-kevitra tsy misy banga aho mba hanazavana ny niandohan’ny fiainana teto an-tany, ka tamin’ny farany dia hitako tao amin’ny bokinareo izany. Nomeny ahy ny valin’ny fanontaniana rehetra napetrako hatramin’ny taona maro. Tsy ho ampy mihitsy ny fisaorako anareo. Tohizo ny asanareo tsara.”
Tsy azo lavina fa niteraka fihetseham-po ho an’olona maro io boky io. Tsy isalasalana fa mbola hahasintona maro kokoa ihany hanatona ny Mpamorona, Jehovah Andriamanitra, izy io, mba hitahiana azy ireny dieny izao, sy ho mandrakizay ao amin’ny fandehan-javany vaovao eto an-tany. — II Petera 3:13.