Midera an’i Jehovah ny ankizy iray
REHEFA maniry tokoa ny hanompo an’i Jehovah ireo tanora dia manana fahafahana maro ny hanao fanambarana ny aminy. Mampiseho izany izay nitranga tany Kenya andrefana tamin’ny zazalahy kely iray dimy taona. — Mpitoriteny 12:1.
Nanontany azy toy izao ny reniny: “Inona no tianao hatao rehefa lehibe ianao?” Tao amin’ny kongregasiona ilay zazalahy dia nahamarika mpitory maharitra manokana iray; izao àry no navaliny: “Tiako ny ho mpitory maharitra manokana tahaka ny rahalahy F_________.” Nanohitra toy izao anefa ny reniny: “Tsy mety hisy izany. Ahoana no hahatongavanao na dia ho mpitory maharitra mandavantaona aza nefa tsy manana fampianarana Baiboly na dia iray monja aza ianao?” Rehefa nanontany izy hoe: “Inona àry no azoko atao?” dia nanipy hevitra tamin’ilay zanany lahy kely ilay reny mba hiezaka hampita ny fahamarinana amin’ny bokiny hoe Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly.
Nentin’ilay zazalahy kely ny Bokiko ka lasa izy nitady ireo namany sy nanasa azy ireo hiara-hianatra ny Baiboly aminy. Inona no vitany?
Nahavory antokon’ankizy folo azony niaraha-nianatra izy. Nampiasa sary tamim-pahakingana izy, nametraka fanontaniana maro mba handalinana ilay foto-kevitra ary nametraka fanontaniana famerenana teo am-pifaranan’ny fianarana. Raha tsy tadidin’ireo namany ny hevitra iray, dia niarahany nijery tamin’izy ireo indray izany. Araka ny tenin-dreniny dia tena fahafinaretana ny mahita ireo ankizy rehetra ireo mipetraka eo amin’ny tany eo anoloan’ny trano eo am-piaraha-mianatra, ka mametraka fanontaniana ilay zanany lahy dimy taona ary manangan-tanana mba hamaly ny hafa rehetra.
Endrey ny fifaliana amboniny ho an’ilay reny sy ny kongregasiona manontolo, mahita valo amin’ireo ankizy ireo manatrika fivoriana! Mbola kely loatra ireo roa hafa ka tsy tonga. Izany rehetra izany dia satria ny zazalahy kely iray dimy taona naniry hidera an’i Jehovah sy hanampy ny mpiara-belona aminy.