Ny fanahy izay tahin’i Jehovah
“HO amin’ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.” Nifarana tamin’ireo teny ireo ny taratasy faharoa nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty (II Timoty 4:22). Toy inona moa ny tsy maintsy ho fifaliana nentin’io teny fiderana io ho an’i Timoty sy ireo niaraka taminy! Toy inona moa ny fifaliana mahafantatra fa nampiseho ny fanahy izay notahin’i Jehovah izy ireo!
Fa inona marina tokoa moa ny fanahy (esprit) izay tahin’i Jehovah? Inona no mampiavaka an’ireo izay manana izany fanahy izany? Ary ahoana no azon’ny tenantsika ampisehoana izany ka handraisana ny fitahian’i Jehovah?
Afaka mamaly ireo fanontaniana ireo isika amin’ny fitodihana ny lasa, tany amin’ny andron’i Mosesy. Tany an’efitra ny Isiraelita. Vao avy nanao ny fanekena momba ny Lalàna tamin’izy ireo Jehovah ka nomeny azy ireo izao ny toromarika momba ny fanompoam-pivavahana tokony hatolotr’izy ireo ho azy. Ankoatra ny zavatra hafa, izany dia nahafaoka fanorenana tranolay fihaonana ho azon’izy ireo entina. Mba hanorenana an’io lay io, dia nilaina ny volamena betsaka sy fitaovana sarobidy, mbamin’ny fanampian’ny mpiasa kinga. Tamin’izao teny izao no nanambaran’i Jehovah tamin’ilay firenena fa ny tsirairay avy dia manana fahafahana hanolotra fanatitra an-tsitrapo ara-pitaovana sy amin’ny asa: “Izay rehetra amporisihin’ny fony, dia aoka hitondra fanatitra ho an’i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina, ary manga sy volomparasy sy mena (...). Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian’i Jehovah: dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony.” — Eksodosy 35:5-19.
Namaly izany antso izany ve ny kongregasiona? Araka ny asehon’ny tapany faharoa amin’ny toko faha-35, ireo “izay nampahazotoin’ny fony” sy “namporisihin’ny fanahiny” dia nitondra fanomezana sy nanomboka niasa tamim-pahadodonana, ka nampiseho tamin’izany fa noheveriny ho zava-dehibe ny antso natao taminy (Ek 35 andininy faha-21, 22 sy 26). Lehibe aoka izany ny fahombiazana, hany ka izao no ambaran’ny toko faha-36 eo amin’ny Ek 36 andininy faha-6: “Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran’ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin’ny fitoerana masina hianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony.” Eny, nilaina ny hampitsaharana azy ireny! Tsy nanery azy ireny mihitsy Jehovah; izao no nolazainy: “Izay rehetra amporisihin’ny fony dia aoka...” Noho izany, ilay firenena dia nandray anjara tamim-paharisihana tamin’ny fiaraha-miezaka, ka nitondra fitahiana be dia be ho azy izany: fifaliana lehibe, mbamin’ny fiarovana ary ny fitarihan’i Jehovah amin’izay ataony rehetra.
Haneho toe-tsaina toy izany ny kongregasiona, taona maro atỳ aoriana, rehefa hiezaka Hezekia mpanjaka mba hanorina indray ny fanompoam-pivavahana madio teo amin’ny Isiraely. Araka ny fitantarana natao, raha vantany vao nasaina ho amin’izany izy, “dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana [kongregasiona, MN ], ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra odorana”. Inona no vokany? “Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin’Andriamanitra ho an’ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.” — II Tantara 29:31-36.
Maneho ny toe-tsaina mety ny kristiana
Moa ve isika mahita fitiavana fahafoizan-tena toy izany eo amin’ireo kristiana amin’izao androntsika izao? Aoka hojerentsika izay nolazain’i Paoly ny amin’ireo kristiana tany Filipy: “Misaotra an’Andriamanitra amin’ny fahatsiarovako anareo mandrakariva aho amin’ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin’ny fifaliana, noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ny voalohany ka mandraka ankehitriny.” (Filipiana 1:3-5). Nahoana moa no azo atao ny nilaza ny amin’ireo kristiana tany Filipy fa niavaka izy ireny tamin’ny ‘firaisany hampandroso ny filazantsara [vaovao tsara, MN ]’? Satria, araka ny asehon’ireo andininy manaraka, dia tsy vitan’ny hoe tamin’ny fony rehetra no nampifanarahany ny fiainany tamin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, mba hampandrosoana ny vaovao tsara, fa be zotom-po izy ireny tamin’ny fitoriana sy ny fampianarana izany vaovao tsara izany.
Ny teny ao amin’ny Hebreo 13:15 dia manipika ny hevitra hoe ny kristiana rehetra dia tokony handray anjara an-tsitrapo amin’ny endri-pitoriana samihafa vao avy nampahatsiahivintsika: “Koa aoka isika hanatitra fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.” Noho izany, ho an’ny kristiana tsirairay avy, ny fitoriana ny vaovao tsara dia fomba misy tombontsoa hanehoana fitiavana fahafoizan-tena izay mampiavaka ireo mpivavaka amin’i Jehovah amin’izao androntsika izao. Afa-tsy izany koa, Paoly dia mampahatsiahy ireo kristiana fa tsy tokony hohadinoiny na oviana na oviana ny “hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra”. — Hebreo 13:16.
Ireo rahalahy tany Filipy dia nampiseho tamin’ny fomba hafa koa ny faharisihana nanetsika azy ireny. Ao amin’ny toko faha-4 amin’ny taratasiny, dia ampahatsiarovin’i Paoly fa imbetsaka izy ireo no nanampy azy ara-bola, hany ka nandray soa avy amin’izany ny fitoriana ny vaovao tsara (Filipiana 4:14-17). Narahin’izy ireny àry ny ohatra tsara dia tsara navelan’ireo mpivavaka amin’i Jehovah taloha. Tsy azo lavina fa ‘nankalaza an’i Jehovah tamin’ny fananany’ izy ireny. (Ohabolana 3:9.) Moa ve isika mampiseho toe-tsaina toy izany rehefa omena fahafahana hanao izany?
Miharihary amin’izao androntsika izao ny fanahy izay tahin’Andriamanitra
Ny Salamo 110 dia mampiseho fa tokony ho maro ireo izay haneho izany fitiavana fahafoizan-tena tsara izany amin’ny andro faran’ny fandehan-javatra ankehitriny, izay tsy iheveran’ny ankamaroan’ny olona afa-tsy ny tenany. Eo amin’ny Sl 110 andininy faha-3, dia lazaina amintsika fa rehefa hanomboka hanjaka ny Mesia, tamin’ny 1914, ny olon’Andriamanitra dia ‘hazoto hanolo-tena’, ka ny olona hanao izany dia ho maro toy ny “ando ateraky ny maraina”. Tanteraka ve io faminaniana io?
Tamin’ny aprily 1881, Ny Tilikambo Fiambenana dia nandefa antso ho an’ireo mpitory mba hisian’ny arivo amin’izy ireny hanomboka ny asa manontolo andro. Ny nomerao tamin’ny may 1881 dia nampiseho tsara fa ho “any an-danitra” ny ‘valisoan’ireo’ izay niditra tamin’io asa io. Tao anatin’ny efa-taona, dia 300 mahery no namaly an’io antso io. Miavaka io tarehi-marika io, rehefa heverina ny havitsian’ny kristiana niara-niasa tamin’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany fotoana izany.
Mbola miharihary ihany amin’izao andro izao io toe-tsaina io. Ohatra, tamin’ny 1986, dia nisy mpitory maharitra (minisitra manontolo andro) 391 294 isam-bolana amin’ny ara-keviny. Io tarehi-marika io dia mampiseho fitomboana isa 21,2 %, izany hoe nitombo 68 473 ny isan’ny mpitory maharitra raha oharina amin’ny tamin’ny taona teo aloha. Kanefa tsy eo amin’ireo izay manana fahafahana ny handany hery manontolo andro amin’ny fitoriana ihany akory no hita izany fitiavana fahafoizan-tena izanya.
Kristiana maro izay manana andraikitra araka ny Baiboly hafa — toy ny fikarakarana fianakaviana, ray aman-dreny be taona na tsy afaka mamelon-tena — na manana fahasalamana tsy mamela azy ireo handray anjara amin’ny fanompoana manontolo andro no maneho koa izany fitiavana fahafoizan-tena izany izay ankasitrahan’i Jehovah tokoa. Mba hiaikena ny amin’izany, dia ampy ny mahatsiahy fa, any amin’ny ankamaroan’ny tany, ny ankabetsahan’ny asa fitoriana ilay Fanjakana dia tanterahin’ny mpitory izay mandany ny ankamaroan’ny fotoanany hiasana, hikarakarana ny fianakaviany na hiantsorohana adidy araka ny Baiboly hafa. Izany dia fomba hafa fanehoana ny fanahy izay tahin’i Jehovah.
Aoka isika haneho ny toe-tsaina mety, amin’ny lafiny hafa eo amin’ny fiainantsika
Toy ny tamin’ny andron’i Mosesy sy Hezekia, dia miseho ankehitriny ny toe-tsaina izay manosika antsika hanolo-tena an-tsitrapo rehefa misy kongregasiona manorina Efitrano Fanjakana na trano hafa karazan’izany. Hita koa ve ilay toe-tsaina amin’ny toe-javatra toy izany? Tsy isalasalana fa eny!
Miseho indrindra izany amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana araka ny fomba vaovao faran’izay haingana. Vavolombelona an-jatony maromaro no mivory mba hiasa manomboka ny asabotsy maraina ka hatramin’ny alahady hariva, ka ny sasany miasa mandritra ny alina mba hanatanteraka izay nantsoin’ny gazety hoe “fahagagana tao anatin’ny faran’ny herinandro iray”. Teo amin’ny toerana tsy nahitana ny zoma afa-tsy gorodona “béton”, dia tafatsangana ny alahady hariva ny Efitrano Fanjakana iray nanaovana fivorianab.
Ny fanorenana trano ho an’ny sampana any amin’ny tany samihafa dia nahatonga io toe-tsaina io ho afaka ny hiseho betsaka kokoa. Tsy azo saintsainina ny tontalin’ny asa an-tsitrapo hita tao amin’ireny fanorenana ireny. Mazava ho azy fa ankoatra ny asa vita, ny fanomezana ara-bola dia mahatonga ho afaka hividy ireo fitaovana ilaina. Matetika tokoa ny Vavolombelona no manome fitaovana an-tsitrapo, ka manamaivana be dia be ny fandaniana amin’ny fanorenana izany.
Izany no nitranga, ohatra, tamin’ny fanorenana trano vaovaon’ny sampana tany Aostralia, any Sydney. Nisy tokoa rahalahy monina any amin’ny farany avaratra amin’i Queensland nanomana sy nandefa teo amin’ny toeram-panorenana, ny mitovy amin’ny hazo efatra tapa-piara, eo amin’ny 4 000 000 ariary ny tokom-bidiny. Nandritra ny fotoana nanaovana ny asa, dia nisy Vavolombelona nandeha tamin’ny fiarabe, nahavita hatramin’ny 4 000 kilaometatra avy any andrefan’ilay tany, mba ho tonga hiasa eo amin’ny toeram-panorenana tamin’ny vanim-potoana nisy efatra herinandro avy. Ny mpiasa mahay sasany dia nandany hery an-tsitrapo nandritra ny volana maro, na ho an’ny maromaro tamin’izy ireny aza dia nandritra ny herintaona na mihoatra. Izany dingana izany dia tena fisehoan’ny fanahy na toe-tsaina notahin’i Jehovah be dia be tao anatin’ireo taonjato lasa ary hita any amin’ny tany hafa maro.
Ireo fivoriambe dia manome fahafahana amboniny hampiseho faharisihana. Izany tokoa dia mitaky, matetika volana maromaro mialoha, mpiasa an-tsitrapo maro, mba hampandeha ny zavatra tsy misy fahasahiranana sy ao anatin’ny fandaminana tsara. Ary rehefa tonga ny fotoana, indraindray dia mpitory iray amin’ny efatra no mandray anjara amin’ireo asa samihafa ilaina amin’ny fandravahana sy ny fahombiazan’ny fivoriambe. Mety ho fandrosoana sakafo izany na fanaovana asa fanadiovana. Tsy mahamarika ny fiezahana ataontsika angamba ireo mpanatrika, kanefa fantatsika fa mahita antsika kosa Jehovah. Araka izany, dia valiany soa ireo izay manolo-tena an-tsitrapo mba hanao izay tokony hatao. Ary ny tenanao, moa ve ianao manana anjara amin’ny valisoa raisin’ireo kristiana izay ‘mifanompo’, amin’ny fanolorana an-tsitrapo ny asanao ao amin’ireo fivoriambe? Nieritreritra ny hanao izany ve ianao ao amin’ny fianakaviana? — Galatiana 5:13.
Afa-tsy ireny fotoana manokana ireny, izay fahafahana tsara hanolo-tena an-tsitrapo, dia misy toe-javatra maro hafa, ao anatin’ny andro na ny herinandro, mahatonga antsika ho afaka haneho izany toe-tsaina izany. Ohatra, rehefa voaorina ny Efitrano Fanjakana iray, moa ve ianao mandray anjara amin’ny fomba feno amin’ny fanadiovana sy ny fikarakarana azy? Mandray anjara amin’ny lany aminy ve ianao arakaraka ny fitahiana ara-nofo raisinao avy amin’i Jehovah? Tohananao ve ny asa fitoriana atao ao amin’ny taninao amin’ny fanolorana fanomezana ho an’ny sampana? Ary, ny zava-dehibe indrindra, moa ve ianao mandray anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana ny vaovao tsara sy fanaovana mpianatra ao amin’ny faritaninao? Raha ny marina, dia tsy misy na inona na inona mahasolo ny fandraisan’ny tenantsika mihitsy anjara amin’io asa io izay nolazain’i Jesosy fa ho asa lehibe indrindra hotanterahina amin’ny androntsika, alohan’ny fahataperan’ny fandehan-javatra. — Matio 24:14; 28:19, 20; Asan’ny apostoly 1:8.
Izay rehetra mamboly toe-tsaina tahin’i Jehovah be dia be toy izany dia mahafantatra, noho ny nanamarinana izany, fa Jehovah ‘tsy mba tsy marina hanadino ny asan’izy ireny sy ny fitiavana izay nasehony ho voninahitry ny anarany’. Ny tenanao koa, amin’ny fanehoana izany fitiavana fahafoizan-tena izany, dia afaka manaporofo fa “ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany”. — Hebreo 6:10; Ohabolana 10:22.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ireto lahatsoratra manaraka ireto, tao amin’ny La Tour de Garde sy Ny Tilikambo Fiambenana dia nanome ohatra mampahery sy mafana ny amin’ny olona nandany hery an-tsitrapo tamin’ny fitoriana manontolo andro: wF 15/10/55, p. 319; 1/5/63, pp. 279-284; 1/11/63, pp. 661-666; wMG 1/11/71, pp. 668-671; 15/7/72, pp. 435-438; 1/3/77, pp. 131-138; 15/12/80, pp. 24-27. Hahita ohatra hafa koa ianao amin’ny fizahana ao amin’ny Index des publications de la Société Watch Tower eo ambanin’ny lohateny hoe “Fitantarana ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah”.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1/2/83, pp. 8-11; Réveillez-vous! tamin’ny 8/10/81, pp. 16-19.