Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Faharetana mba hanarahana ny baikon’Andriamanitra
HEVERIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ho zava-dehibe tokoa ny baikon’Andriamanitra hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra (1 Korintiana 9:16; Asa. 20:26, 27). Tany Frantsa, ny kristiana iray sy ny vadiny dia nahatakatra ny maha-zava-dehibe ny hampahafantarana ny rehetra ny vaovao tsara. Tao amin’ny faritanin’izy ireo dia nisy akanin’ny mpialokaloka ara-politika sy ny tanora mpiasa avy any an-tany hafa. Nanazava toy izao io mpivady io: “Nanontany tena izahay hoe ahoana no hidirana ao amin’io akany io raha tsy asain’ny anankiray amin’ireo mpanofa tranony. Nanapa-kevitra àry izahay ny hanatona ny olona hitanay nanodidina ilay akany sao mba tafiditra ao amin’ny fifandraisana hafa . Tamin’izany, ny zazalahy iray nonina tao amin’ilay akany dia nandray gazety an-tsitrapo ary nangataka ny hotsidihinay.
“Izany no nataonay, ka nanomboka avy hatrany ny fianarana. Hatrany hatrany, dia teo ny naman’io zazalahy io anankiray, nefa tsy nilaza hevitra mihitsy. Teo am-pifaranan’ny fianarana faharoa, dia nanontany azy izahay raha mba ho tiany koa ny hahafantarana ny Tenin’Andriamanitra. Izao no navaliny: ‘Nahoana no tsy ho tiako?’ Natomboka àry ny fianarana faharoa. Raha vao teo am-boalohany, dia nanipy hevitra tamin’ireo zazalahy roa ireo izahay mba hanatrika ireo fivoriana, ary hatramin’izay, dia tsy tapaka intsony izy ireo. Tena niharihary ny fandrosoan’izy ireo, indrindra fa tao amin’ilay akany izay tsy ela dia nanombohany nampita ireo fahamarinana hitany. Noho izany, dia nanomboka fianarana fahatelo niaraka tamin’ny mpivady iray izahay. Indray andro, ny zazavavy namana hafa iray dia nahamarika ny antokon’olom-bitsy nisy anay tao amin’ny efitrano lehibe. Nadiva ho any amin’ny fivoriana izahay, ary tiany ny hiaraka taminay. Nampahafana fo azy izay reny ka niriny handray soa tamin’izany ny namany lahy. Nanomboka nianatra izy roa ireo.
“Tafakatra ho dimy tamin’izay ny isan’ny fianarana. Ny tsirairay avy tamin’izany dia tena fivoriana, satria tian’ny rehetra ny hanatrika ny fianaran’ny hafa, ary matetika no nisy vaovao niaraka koa. Niresaka ny fahamarinana nanodidina azy ireny ny rehetra, ka noho izany, dia natomboka ny fianarana fahenina niaraka tamin’ny lehilahy iray izay mba tapa-kevitra koa ny hamonjy ireo fivoriana ary nanomboka nanao fanambarana.
“Mazava ho azy fa tamin’izany ny akany manontolo dia nahazo fanambarana hafa dia hafa. Tsy mora tamin’ireny tanora ireny akory ny nitafy ny toetra vaovao. Nilain’izy ireny ny niala tamin’ny sigara, ny fitiavana zava-mahamamo loatra, ny herisetra, ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fifaneraserana ratsy. Nataon’i Satana izay hanakantsakanan’ny namana taloha ny fandrosoan’izy ireo tamin’ny fakana fanahy azy mba hifoka na hitabataba. Ny anankiray tamin’ireo mpianatra dia nifamofo tamin’ny zazavavy iray, anisan’ny antoko iray. Nitady hampiala azy tamin’ny fahamarinana io. Tamin’ny farany anefa dia nianatra izy io ary hatramin’izay dia nandroso haingana.
“Araka ny vaovao farany, hoy ny tohin’ny tenin’io mpivady io, ny anankiray tamin’ireo zazalahy dia nankany an-tranomaizina noho ny toeram-pialanalanany. Tsy ampy herintaona dia natao batisa ny enina hafa, ka ny dimy dia nanomboka avy hatrany ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy. Tamin’io antokony rehetra io, dia enina izao no mpitory maharitra mandavantaona.”
Endrey izany valisoa kanto noho ny faharetan’io mpivady io izay nitady ireo ondry nifanaraka tamin’ny baikon’Andriamanitra! Tsy nanadino ny nitahy ny fiezahan’izy ireo tamim-pahatokiana Jehovah. Marina fa tsy manana toe-javatra mahatalanjona toy izany hotantaraina akory isika rehetra, nefa tiantsika foana ny hanaja amim-pahatokiana ny baikon’Andriamanitra hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. — Matio 24:14.
[Sary, pejy 21]
Ilay mpivady miaraka amin’ny mpitory maharitra mandavantaona enina.