FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/5 p. 28
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Fanodinkodinana ‘fossiles’ ”
  • “Feno ra”
  • “An’i Kaisara izay an’i Kaisara”
  • Fandoavana Amin’i Kaisara Izay An’i Kaisara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • “Raha Tokony Handoa Hetra Ianao, dia Mandoava Hetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Iray Ihany ve ny Razamben’ny Zavamananaina Rehetra?
    Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina
  • Nahoana Ianao no Tokony Handoa Hetra?
    Mifohaza!—2003
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/5 p. 28

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

“Fanodinkodinana ‘fossiles’ ”

Izany no lohateny nomen’ilay gazety frantsay Le Monde ny fitantarany ny amin’ny “paléontologiste” (mpikaroka zavamaniry na taolam-biby fahagola efa niova ho vato na “fossiles”) iray any India izay “toa namitaka ireo mpiara-miasa taminy nandritra ny roapolo taona (...) momba ny niavian’ireo “fossiles” nasehony azy ireo mba hanomezany ny fanombanany”. Nolazaina fa ny nataony tamin’izany “fanodinkodinana” izany dia ny fandefasana tany amin’izy ireo “fossiles” azony tany Etazonia, Afrika, Tsekoslovakia, ary ireo nosy britanika, ary ny filazana fa tany amin’ireo tendrombohitr’i Himalaya no nahitany azy. Nanoratra momba ireo zavatra hitany tao anatin’ny lahatsoratra maherin’ny 300 io mpahay siansa io. “Paléontologue” aostraliana iray no nampiharihary io fitaka io, tao amin’ilay gazety ara-tsiansa britanika hoe Nature. Nanontany tena izy hoe ‘ahoana no nahafahan’ny zavatra hita mampisalasala maro be toy izany tsy ho voadinik’ireo mpahay siansa hafa nandritra ny fotoana ela be toy izany.’

Ny mety ho antony iray, hoy ny Le Monde, dia ny lalàn’ny fahanginana arahin’ny mpahay siansa maro be. Nomarihin’ilay lahatsoratra fa io “fanodinkodinana ‘fossiles’ ” io dia nahatonga ireo fahalalana nangonina [nandritra ireo 20 taona mahery lasa] momba ny firafitry ny tanin’i Himalaya ho tsy azo ampiasaina”.

Marina aloha fa tsy hisalasala ny amin’ny siansa iray manontolo isika noho io famitahana ara-tsiansa vaovao io indray. Izany, anefa, dia manome porofo fanampiny fa izay aroson’ny siansa momba ny fikarohana “fossiles” mba hanoherana ny fahamarinana tsy mety dison’ny Baiboly dia tsy inona, araka ny tenin’ny apostoly Paoly, fa “fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy.” — 1 Timoty 6:20.

“Feno ra”

Manao fanekena amina zatovolahy ireo andrianan’ny zavatra mahadomelina tsy mifaditrovana any Kolombia, any Amerika Atsimo, mba hanafoanana ireo rafiny na mba hampitahorana ireo mpanao politika sy ny mponina amin’ny ankapobeny. Nilaza tamin’ireo mpanao gazety ao amin’ny gazety espaniola atao hoe Tiempo ny iray tamin’ireny sicario, na mpikarama hamono, ireny fa ‘mafy ny mamono olona amin’izao fotsiny’. Amin’ny fomba ahoana no ampitoneny ny feon’ny fieritreretany? Manazava toy izao izy: “Fantatro fa ny iray amin’ireo lalàn’Andriamanitra dia ny hoe ‘aza mamono olona’, kanefa eo amin’ny toerana misy ahy, dia tsy maintsy mamono olona aho mba hahafahako mivelona. Mamono olona amim-pieritreretana tsara aho satria mila io vola io. Tsy azonareo ve fa tsy maintsy manao io asa io aho satria tsy maintsy mivelona na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana? (...) Alohan’ny hivoahako hamono olona iray, dia mivavaka amin’Andriamanitra sy amin’ilay Virijina aho mba hiarovany ahy.”

Na dia tsy azo lavina aza fa hanameloka tsotra izao izany fomba fanalan-tsiny izany ireo teolojiana katolika, dia nisy mpitondra fivavahana nihevitra ho ara-dalàna ny fampiasana fiadiana “ho fiasana farany azo ampiasaina mba hamaranana ny fitondrana miharihary fa tsy ara-drariny sady maharitra iray.” Raha tsy manameloka ny herisetra atao hiadiana amin’ny tsy rariny eo amin’ny lafiny ara-politika ireo teolojiana, dia tokony hahagaga antsika ve raha misy katolika sasany, sahala amin’io sicario io, izay manala tsiny ny famonoana olona noho ny tsy rariny ara-toekarena? Endrey ny loza mitranga rehefa hamaivanina ny Tenin’Andriamanitra!

Ny alina talohan’ny nanaovana ny tsy rariny lehibe indrindra nisy hatramin’izay — dia ny fisamborana, sy ny fitsarana, ary ny famonoana ho faty an’i Jesosy Kristy — ny tenan’i Jesosy mihitsy dia nanda na dia ny fieritreretana ny fampiasana herisetra fotsiny aza na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona. Hoy izy tamin’i Petera: “Izay rehetra hamely amin’ny sabatra dia ho fatin’ny sabatra.” (Matio 26:52, Fandikan-teny katolika). Raha araka ny fandrindran-kevitra àry, amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ireo izay mampiasa herisetra hanantena fa hohenoin’ilay Andriamanitra Tsitoha izy na amin’ny toe-javatra manao ahoana na manao ahoana, satria milaza tsotra ny faminanian’i Isaia hoe: “Raha mampitombo ny fivavahana hianareo, tsy mihaino akory aho: Feno rà ny tànanareo.” — Isaia 1:15, Fandikan-teny katolika.

“An’i Kaisara izay an’i Kaisara”

Zava-manahirana mihamitombo ny fitaka amin’ny hetra any amin’ny tany maro. Any Espaina, ohatra, araka ny gazety El Diario Vasco, dia ireo mpividy sy ireo mpivarotra mihitsy no zatra manafina ny tena vidin’ny tany sy trano. Na dia samy manaiky ny amin’ny vidiny aza ilay mpividy sy ilay mpivarotra, dia vidiny ambany lavitra no soratany eo amin’ny taratasy fanamarinana. Raha vao vita ny fifanaovan-draharaha, dia hetra mifanaraka amin’ilay vidin’ilay tany na trano voasoratra eo amin’ny taratasy no aloa. Ny gazety El Diario Vasco dia nitatitra ny fanambarana nataon’ny “notaire”, iray atao hoe José María Segura Zurbano, izay nilaza fa, na dia tsy mandray anjara mivantana amin’ilay fitaka aza ireo “notaires”, dia fantany fa tsy marina ilay vidin’ilay tany na trano nosoratany. Raha niresaka momba io fomba fanao tsy marina io i Zurbano, dia nanao izao fanamarihana izao: “Eto amin’ity tany ity, dia mandainga avokoa ny rehetra, afa-tsy ny Vavolombelon’i Jehovah izay maningana raha ny amin’io raharaha io. Rehefa mividy na mivarotra tany na trano izy, dia ny vidiny marina tanteraka no soratany.”

Fantatra tsara noho ny fahamarinany eo amin’ny teniny sy ny ataony ny Vavolombelon’i Jehovah. Takatr’izy ireo fa ny tadiavin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny mpanompony dia ny hanehoany izany toetra izany amin’izay rehetra ataony. Halan’i Jehovah “ny lela fandainga” ary “ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina”. Raha ny amin’ny fandoavan-ketra, dia nanome izao marika tokony hotratrarina izao ho an’ireo tena mpanaraka azy i Jesosy Kristy: “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara.” − Ohabolana 6:6-19; Marka 12:17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara