Fanontanian’ny mpamaky
◼ Amin-kery manao ahoana no tokony handavan’ny kristiana iray fampidiran-dra izay nandidiana na nanomezan’ny fitsarana iray fahefana?
Tsy misy mitovy aminy ny toe-javatra tsirairay ka noho izany dia tsy misy fitsipika faobe mikasika izany. Ny kristiana dia fantatra noho ny ’fandoavana ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara’ amim-panajana, sy noho ny fankatoavana ireo lalàn’ny fitondram-panjakana tsy ara-pivavahana. Kanefa, takatr’izy ireo fa ny adidiny voalohany indrindra dia ny hanome “ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”, fa tsy ny handika ny lalàny. — Marka 12:17.
Miresaka ny amin’ny fifandraisan’ny kristiana amin’ny “manam-pahefana ambony” ao amin’ny fitondram-panjakana ny Romana 13:1-7, [MN]. Ny fitondram-panjakana toy izany dia manana fahefana hamoaka lalàna na hanome fitarihan-dalana, izay mazàna no natao hampandrosoana ny tombontsoa ankapoben’ny vahoaka. Ary ’mitondra sabatra’ ny fitondram-panjakana mba hampiharana ireo lalàny sy mba ’hampisehoana ny fahatezerany amin’izay zatra manao ratsy, araka ny lalàny.’ Noho izy ireo manaiky ny manam-pahefana ambony dia irin’ny kristiana ny hankatò ireo didy amandalàna avoakan’ny fitsarana, nefa kosa tsy maintsy ho voafetra ihany izany fanekena izany. Raha toa ny kristiana iray asaina manaiky zavatra izay handika ny lalàn’Andriamanitra mbola ambony kokoa, dia ny lalàn’Andriamanitra no voalohany; izany no mitana ny laharam-pahamehana.
Ireo lalàna sasany amin’ny andro ankehitriny, izay tsara amin’ny ankapoheny, dia mety hampiharina amin’ny fomba diso amin’ny fanomezan-dalàna hanery hampidi-dra amina kristiana iray. Amin’ny toe-javatra toy izany, ny kristiana dia tsy maintsy mitana fijoroana tsy misy hafa amin’ny nataon’ny apostoly Petera hoe: “Andriamanitra no ekenay ho mpanapaka fa tsy ny olona.” — Asan’ny apostoly 5:29, MN.
Nandidy ny Isiraelita i Jehovah hoe: “Tandremo tsara mba tsy hohaninao ny ra [aoka ianao ho tapa-kevitra amin’ny fomba hentitra mba tsy hihinana ny ra, MN], fa ny ra no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina amin’ny hena hianao.” (Deoteronomia 12:23) Vakina toy izao ny dikan-tenin’ny Baiboly jiosy tamin’ny 1917: “Manàna fotsiny fijoroana mba tsy hihinan-dra.” Ary nandika an’io andininteny io toy izao kosa i Isaac Leeser: “Aoka fotsiny ianareo ho hentitra mba tsy hihinan-dra.” Milaza ve izany fa natao tsy hiraika na hipetra-potsiny ireo mpanompon’Andriamanitra eo amin’ny fanohanana ny lalàny?
Noho ny antony tsara no nahatonga ny kristiana ho tapa-kevitra tanteraka hankatò an’Andriamanitra na dia nitarika azy hanao zavatra hafa noho izany aza ny fitondram-panjakana iray. Manoratra toy izao ny profesora Robert L. Wilken: “Tsy hoe nanda tsy hanao raharaha miaramila [romana] fotsiny ny kristiana fa tsy nanaiky hanao raharaham-panjakana na hanatontosa izay rehetra nety ho andraikitra ho fitondrana ny tanàna koa izy ireo.” (Ny kristiana, araka ny nahitan’ny Romana azy ireo, [anglisy]). Ny fandavana dia nety ho nidika fa mpandika lalàna voamarika ny tena na homelohina tao amin’ny kianja filalaovana romana.
Ny kristiana amin’izao andro izao koa dia tsy maintsy mijoro sy tapa-kevitra amin’ny fomba hentitra mba tsy handika ny lalàn’Andriamanitra, na dia mahatonga azy ireo ho tandindomin-doza aza izany raha ny amin’ireo fitondram-panjakana tsy ara-pivavahana. Ny lalàna ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao, ny lalàn’Andriamanitra, dia mitaky ny hifadian’ny kristiana ny ra, toy ny andidiana azy ireo hifady ny fijangajangana (fanao maloto momba ny lahy sy ny vavy). Ny Baiboly dia miantso ireo fandrarana ireo ho “zavatra tsy maintsy hotandremana’”. (Asan’ny apostoly 15:19-21, 28, 29) Tsy tokony hoheverina ho maivana ny lalàn’Andriamanitra toy izany, na toy ny zavatra natao hankatoavina fotsiny raha toa ka mora tanterahina na tsy mampisy olana. Tsy maintsy ankatoavina ny lalàn’Andriamanitra!
Azontsika fantarina àry ny antony nanambaran’ilay tanora kristiana resahina ao amin’ny pejy faha-17, teo anoloan’ny fitsarana fa “nihevitra ny fampidiran-dra ho toy ny fanaovana an-keriny ny tenany izy ary nampitoviny tamin’ny fisavihana izany.” Hisy ve vehivavy kristiana, tanora na antitra, hanaiky tsy misy fanoherana ny hosavihina, na dia teo aza ny faneken’ny lalàna iray hampijangajanga an-keriny?
Sahala amin’izany koa, ilay zazavavy 12 taona resahina ao amin’io pejy io ihany, dia tsy isalasalana fa ‘ho niady tamin’izay rehetra nety ho fampidiran-dra nanomezariny fitsarana fahefana araka izay tratran’ny heriny rehetra izy, ho nidradradrara sy nitsipatsipaka izy, ary ho nanongotra hiala teo amin’ny sandriny ny fitaovam-panindronana sy ho niezaka hamotika ilay kitapo kely nisy ra teo an-doham-pandrianany.’ Tapakevitra tamin’ny fomba hentitra izy fa hankato ny lalàn’Andriamanitra.
Niala tamin’ilay faritra i Jesosy rehefa nisy vahoaka nitady hanao azy ho mpanjaka. Toy izany koa, raha toa azo antoka ny hisian’ny fampidiran-dra nanomezan’ny fitsarana fahefana, dia mety hifidy ny tsy ho eo mba hotaomina hanao fandikana ny lalàn’Andriamanitra toy izany ny kristiana iray. (Matio 10:16; Jaona 6:15) Amin’izay fotoana izay ihany, ny kristiana iray dia tokony hitady amim-pahendrena fitsaboana amin’ny fomba hafa, ka amin’izany no hanaovany fiezahana amim-pahatsorana mba ho velona sy hahazo fahasalamana feno indray.
Raha nisy kristiana nampiseho tena fiezahana mafy mba hisorohana ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra, dia nety ho nihevitra azy ho mpandika lalàna ny manam-pahefana na tokony hotorina. Raha niafara tamin’ny fanasaziana izany, dia afaka nihevitra izany ho toy ny fahoriana noho ny fanaovana ny marina ilay kristiana. (Ampitahao amin’ny 1 Petera 2:18-20.) Nefa tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia afaka nifady ny fampidiran-dra ny kristiana ary noho ny fikarakarana ara-pitsaboana tsara, dia sitrana tsy niteraka zava-nanahirana naharitra nifandray tamin’ny lalàna. Ary ny tena zava-dehibe, dia nihazona ny tsy fivadihany tamin’ilay Andriamanitra Mpanome aina sy Mpitsara azy izy ireny.