Aoka hodinihintsika ireo lafiny madinika amin’ilay vatosoan’Andriamanitra tsy hay tombanana — Ny Baiboly!
TAMIN’NY 1867, dia nisy mpiompy afrikana tatsimo iray atao hoe Schalk van Niekerk nijery ankizy maromaro nilalao vato vitsivitsy. Nanintona ny masony ny vato iray namirapiratra sady tsara tarehy. “Ento ho anao io raha tianao”, hoy ny renin’ireo ankizy. Nalefan’i Van Niekerk tany amina manam-pahaizana iray momba ny vato anefa ilay izy mba hodinihiny. Tsy takatr’ireo ankizy akory fa nilalao diamondra lehibe mitetina £500 izy ireo!
Moa ve mety hitranga aminao ny hoe manana vatosoa tsy hay tombanana iray nefa tsy mahatsapa izany akory? Maro be, ohatra, no manana Baiboly, noho izy io antsoina ho “best-seller” (boky mahita fahombiazana lehibe) hatramin’izay, sady misy amin’ny fiteny 1900, manontolo na ny tapatapany. Kanefa, tsy namaky ny Baiboly ny ankamaroan’ny olona ka noho izany dia tsy mahalala firy ny amin’izay raketiny.
Ambara ho ‘ara-tsindrimandrin’Andriamanitra’ ny Baiboly ka noho izany dia ny Tenin’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16; ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 2:13.) Fananana sarobidy indrindra ho an’ny taranak’olombelona izy io. Amin’ny alalany no ahafantarantsika ny fomba handraisan-tsoa be indindra avy amin’ny fiainana ankehitriny, ary mbola zava-dehibe kokoa, ny fomba hahazoana fiainana mandrakizay! (Jaona 17:3, 17) Hety ho sarobidy kokoa noho izany ve ny zavatra hafa?
Kanefa, mba hankasitrahana an’io vatosoa io sy ny lafiny madinika rehetra, dia tsy maintsy manao izay hifankazarana aminy ny olona iray. Raha vao jerena fotsiny izany dia mety ho toa sarotra tokoa. Rehefa dinihina tokoa, ny Baiboly dia fitambarana boky 66 samy hafa. Inona no raketin’ireo boky ireo? Moa ve misy antony nahatonga ny filaharana isehoan’izy ireo? Raha izany no izy, ahoana no ahafahan’ny olona iray mahita ny toerana misy ireo andalan-teny manokana ao amin’ny Baiboly?
Zava-tsarotra tsy maintsy resena ny fahatongavana hifankazatra amin’ny Baiboly. Nefa toy ny vatosoa ara-bakiteny, dia ahitana fifanarahana sy firindrana ao amin’ny Baiboly. Afaka mahita izany isika raha mandinika fohy izay raketiny.
Ny Soratra hebreo — Mitondra ho amin’i Kristy
Amin’ny ankapobeny dia zaraina ho “Testamenta Taloha” sy “Testamenta Vaovao” ny Baiboly. Fiantsoana amin’ny fomba diso anefa ireo satria mahatonga hihevitra fa ny “Testamenta Taloha” dia lany andro ary tsy misy vidiny firy. Ny anarana mety kokoa ho an’io tapany amin’ny Soratra masina io dia ny hoe Soratra hebreo, satria io tapany io tany am-boalohany dia nosoratana indrindra tamin’ny fiteny hebreo. Ny “Testamenta Vaovao” indray dia nosoratana tamin’ny fiteny grika, tamin’ny taonjato voalohany am.fan.ir.; noho izany dia mety kokoa ny hiantsoana azy io hoe Soratra grika kristiana.
Ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly, ny Genesisy, dia niantomboka efa ela dia ela, fony Andriamanitra namorona ny lanitra sy ny tany, ary taorian’izay dia nanomboka nanomana ny tany ho fonenan’ny olombelona. Noforonina lavorary ny mpivady olombelona voalohany, kanefa nifidy ny lalan’ny ota izy ireo, niaraka tamin’ny vokany mampalahelo ho an’ny taranany. Kanefa, tahaka ny vatosoa iray jerena ao amin’ny manjavozavo, ny Baiboly dia manome tara-panantenana ho an’ny olombelona lavo, dia “taranaka” iray izay hanaisotra ny vokatry ny ota sy ny fahafatesana amin’ny farany. (Genesisy 3:15) Ho iza moa io Taranaka io? Manomboka mamaritra ny fiavian’io Taranaka ho avy io ny Genesisy, ary miompana amin’ny fiainan’ny sasantsasany amin’ireo razambe nahatokin’ilay Taranaka, toa an-dry Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
Ny Eksodosy, manaraka izany, dia milazalaza ny amin’ny fahaterahan’i Mosesy. Tamin’ny fomba maro, ny fiainan’i Mosesy dia tandindon’ny fiainan’ilay Taranaka ho avy. Taorian’ireo loza folo, dia nanao fiaingana lehibe avy tany Egypta ny Isiraely ary nanorim-ponenana, tamin’ny naha-firenena voafidin’Andriamanitra azy, tao an-tendrombohitra Sinay. Ny Levitikosy, araka ny tondroin’ny anarany, dia mampahafantatra ny amin’ireo fitsipik’Andriamanitra momba ny fisoronan’ny Levita teo amin’ny Isiraely. Ny Nomery indray dia milaza amintsika ireo fotoana nanisana ny Isiraelita (tamin’ny alalan’ny fanisam-bahoaka) sy ireo zava-nitranga nandritra ny fitoeran’ny Isiraelita tany an’efitra. Ary izao kosa dia eo an-katoky ny fidirana ny Tany nampanantenaina ny Isiraelita ary nahazo ny fananarana farany nataon’i Mosesy. Izany no foto-kevitry ny Deoteronomia. Raha nitarika ny saina ho amin’ ilay Taranaka ho avy i Mosesy, dia nampirisika ilay firenena hihaino ny ‘mpaminany iray hatsangan’Andriamanitra’. — Deoteronomia 18:15.
Manarakaraka izany ireo boky ara-tantara. Milahatra arakaraka ny vanim-potoana nisehoany izy ireo amin’ny ankapobeny. Milazalaza ny fahazoana ny Tany nampanantenaina sy ny fizarazarany ny bokin’i Josoa. Ny Mpitsara indray mitantara ireo fisehoan-javatra mampangitakitaka nitranga tamin’ireo taona nanaraka, fony notarihin’ny mpitsara nisesisesy ny Isiraely. Ny bokin’i Rota dia miresaka amintsika ny amin’ny vehivavy iray natahotra an’Andriamanitra, velona nandritra ny vanim-potoana nisian’ny mpitsara ary nanana ny tombontsoa ho tonga razamben’i Jesosy Kristy.
Nifarana anefa ny vanim-potoana nanapahan’ireo mpitsara. Ny Samoela voalohany dia mitantara ny amin’ny fanapahana nampalahelon’i Saoly, mpanjakan’ny Isiraely voalohany, araka izay natrehin’ny mason’i Samoela mpaminany. Ny Samoela faharoa indray milazalaza ny fanjakana nahomby nentin’i Davida, mpandimby an’i Saoly. Avy eo ny Mpanjaka voalohany sy faharoa dia mitondra antsika ho any amin’ny fanombohan’ny fanjakana be voninahitr’i Solomona ka hatreo amin’ny famaboana nampahonena nampiharin’ny Babyloniana tamin’ny firenena isiraelita, tamin’ny 607 al.fan.ir. Mamerina indray an’io tantara io ny Tantara voalohany sy faharoa araka ny nahitan’ny firenena iray efa nahazo tombontsoa tafaverina avy tany amin’izany fahababoana izany azy. Farany, ny bokin’i Ezra, Nehemia, ary Estera dia milazalaza ny fomba niverenan’ny Isiraelita tany amin’ny tanindrazany sy ny tantarany nanaraka izany.
Ireo boky poetika no manaraka izany, ary mirakitra sasantsasany amin’ireo tononkalo kanto indrindra voasoratra hatramin’izay. Ny bokin’i Joba dia manome ohatra mampientam-po ny amin’ny tsy fivadihana ao anatin’ny fahoriana sy ny valisoa azo avy amin’izany. Ny bokin’ny Salamo indray mirakitra hira fiderana ho an’i Jehovah sy vavaka fangatahana famindrampo sy fanampiana. Nanatanjaka mpanompon’Andriamanitra tsy tambo isaina izany. Ambonin’izany, ny Salamo dia ahitana faminaniana maro manazava amintsika misimisy kokoa ny amin’ilay Mesia ho avy. Ny Ohabolana sy ny Mpitoriteny dia mampiharihary lafiny madinika amin’ny fahendren’Andriamanitra aseho amin’ny alalan’ny fanambarana voafintina, ary ny Tononkiran’i Solomona kosa dia tononkalom-pitiavana ambony mifono heviny ara-paminaniana lalina.
Ireo boky 17 manaraka kosa, manomboka eo amin’ ny Isaia ka hatramin’ny Malakia, dia ara-paminaniana indrindra. Izy rehetra, afatsy ny Fitomaniana, dia samy mitondra ny anaran’ny mpanoratra azy avokoa. Maro be amin’ireo faminaniana ireo no efa nahita fahatanterahany niavaka. Manondro fisehoan-javatra mahita fahatanterahany amin’ny androntsika sy amin’ny hoavy akaiky koa izy ireo.
Araka izany, ny Soratra hebreo dia mampiseho fahasamihafan-karazana mampitolagaga eo amin’ny endrika isehoany sy ny fomba nanoratana azy. Kanefa manana foto-kevitra iray ihany izy rehetra. Ireo faminaniany sy ireo tetiarany (généalogies) ary ireo fisehoan-javatra mampangitakitaka hita ao, dia mamirapiratra noho ny fahendrena azo ampiharina sy ny hevitra ara-paminaniana raketiny.
Ny Soratra grika kristiana — Miseho ilay Taranaka
Efatra arivo taona no lasa hatramin’ny nahalatsaka ny olombelona tao amin’ny fahotana. Tampoka teo, dia niseho teo amin’ny sehatra teto an-tany ilay Taranaka nandrasana hatry ny ela, dia i Jesosy, ilay Mesia! Ny Soratra grika kristiana dia mirakitra ny fanompoana nataon’io olona niavaka indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona io, ao amin’ireo boky efatra samy hafa nefa mifameno, antsoina hoe filazantsara. Izany dia ny Matio, Marka, Lioka, ary Jaona.
Toy inona moa ny hasarobidin’ny fitantarana ao amin’ireo filazantsara efatra ireo ho an’ny kristiana! Mitantara ireo fahagagana mahatalanjona nataon’i Jesosy izy ireo, sy ireo fanoharany misy heviny, ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, ny ohatra ny amin’ny fanetren-tena nasehony, ny fananany fangorahana sy ny fankatoavany tanteraka ny Rainy, ny fitiavany ny “ondriny”, ary farany, ny fahafatesany ho sorona sy ny fitsanganany tamin’ny maty nalaza. Ny fianarana ny filazantsara dia mampiorina ao amintsika fitiavana lalina ny Zanak’Andriamanitra. Ambonin’ny zavatra rehetra, isika dia voasintona ho akaiky an’ilay naniraka an’i Kristy, dia Jehovah Andriamanitra. Mendrika ny hovakina imbetsaka hatrany ireo fitantarana ireo.
Manomboka ny Asan’ny apostoly raha vao mifarana ireo filazantsara. Izy io dia mitantara ireo taona voalohandohan’ny kongregasiona kristiana, nanomboka tamin’ny andro Pentekosta ka hatramin’ny fampidirana an-tranomaizina an’i Paoly tany Roma, tamin’ny 61 am.fan.ir. Ao amin’io boky io no amakiantsika ny momba an’i Stefana, ilay martiora kristiana voalohany, ny fiovam-pinoan’i Saoly, izay nanjary i Paoly apostoly tatỳ aoriana, ny nandraisana ireo Jentilisa voalohany niova finoana, ary ny dia fitoriana ny filazantsara nanentana nataon’i Paoly. Sady mampientam-po no mampiorina ny finoana izany fitantarana izany.
Taratasy na epistily iraika amby roapolo izao no manaraka. Ny 14 voalohany, nosoratan’i Paoly, dia nomena anarana arakaraka ireo kristiana na kongregasiona nandefasana azy; ny sisa indray nomena anarana arakaraka ireo mpanoratra azy, dia Jakoba, Petera, Jaona, ary Joda. Endrey izany fananarana sy fampaherezana sesehena raketin’ireo taratasy ireo! Mahafaoka foto-pampianarana sy fahatanterahana faminaniana izy ireo. Manampy ny kristiana izy ireo mba hitoetra ho tafasaraka amin’ ny tontolo manodidina ratsy izay tsy maintsy onenany. Manipika ny ilana hambolena fitiavan-drahalahy mbamin’ireo toetra araka an’Andriamanitra hafa izy ireo. Izy ireo dia manorina ny maodely ho an’ny fandaminan-javatra araka ny izy ao amin’ ny kongregasiona, eo ambany fitarihan’ireo loholona amin’ny heviny ara-panahy.
Tahaka ny Soratra hebreo izay mifarana amin’ ny teny faminaniana, dia toy izany koa ny Soratra grika. Ny Apokalypsy, nosoratan’ny apostoly Jaona, tany amin’ny taona 96 am.fan.ir. tany ho any, dia manambatra ireo fitohitohizam-paminaniana amin’ny foto-kevitra lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly, dia ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah amin’ny alalan’ny Fanjakana mesianikany. Misy fitohitohizam-pahitana maneho an-tsary ny fandravany ireo hery ara-pivavahana, ara-tafika, ary ara-politikan’ny fandehan-javatra ratsin’i Satana. Ireo dia hosoloan’ny tanànan’ny fitondram-panjakan’i Kristy, izay mampitodika ny sainy ho amin’ ny fitantanana ny raharahan’ny tany. Eo ambanin’ ny fanapahan’io Fanjakana io, dia mampanantena Andriamanitra fa “hofafany ny ranomaso rehetra (...) ary tsy hisy fahafatesana intsony.” — Apokalypsy 21:4.
Misy iadian-kevitra indray àry ve fa vatosoa tsy misy tsininy ny Baiboly, ary mampiseho taratry ny fahazavana avy amin’Andriamanitra? Raha mbola tsy nahavaky azy io manontolo ianao, nahoana no tsy manomboka manao izany izao? Ho voasinton’ ny fifanarahana misy ao aminy ianao, hohazavain’ ny famirapiratany, ho finaritra noho ny hakantony, ary hientam-po noho ny hafatra raketiny. Tena “fanomezana lavorary (...) avy amin’ny Rain’ny fahazavana any an-danitra” tokoa izy io. — Jakoba 1:17, MN.
[Tabilao, pejy 28, 29]
TABILAON’IREO BOKY AO AMIN’NY BAIBOLY
Manondro ny mpanoratra, ny toerana nanoratana azy, ny fotoana nahavitan’ny fanoratana azy, ary ny fotoana voafaokan’ireo fisehoan-javatra resahina ao amin’ilay boky.
Ireo anaran’ny mpanoratra ny boky sasantsasany sy ny toerana nanoratana azy dia tsy azo antoka loatra. Daty maro be no tombantombana ihany, ny fanafohezana a. dia mldika hoe “aorian’ny”, ny hoe al. dia “alohan’ny”, ary ny t. dia “tany ho any”, na “teo ho eo”.
Ireo boky ao amin’ny Soratra hebreo (al.fan.ir.)
Boky Mpanoratra Toerana Nahavitan’ny Fotoana
nanoratana fanoratana voafaoka
Genesisy Mosesy Tany an’efitra 1513 ‘Tamin’nyvoalohany’
ka hatramin’ny 1657
Eksodosy Mosesy Tany an’efitra 1512 1657-1512
Levitikosy Mosesy Tany an’efitra 1512 1 volana(1512)
Nomery Mosesy Tany an’efitra/
Lemak’i Moaba 1473 1512-1473
Deoteronomia Mosesy Lemak’i Moaba 1473 2 volana (1473)
Josoa Josoa Kanana t.1450 1473-t.1450
Mpitsara Samoela Isiraely t.1100 t.1450-t.1120
Rota Samoela Isiraely t.1090 11 taona
nanapahan’ny
mpitsara
1 Samoela Samoela; Gada;
Natana Isiraely t.1078 t.1180-1078
2 Samoela Gada;
Natana Isiraely t.1040 1077-t.1040
1 Mpanjaka Jeremia Jerosalema/
Joda 580 t.1040-911
2 Mpanjaka Jeremia Jerosalema/
Egypta 580 t.920-580
2 Tantara Ezra Jerosalema(?) t.460 1037-537
Ezra Ezra Jerosalemat. 460 537-t.467
Nehemia Nehemia Jerosalema am.443 456-a.443
Estera Mordekay Sosana, Elama t.475 493-t.475
Joba Mosesy Tany an’efitra t.1473 140 taona mahery
anelanelan’ny
1657 sy ny 1473
Salamo Davida sy
maro hafa t. 460
Ohabolana Solomona;
Agora; Lemoela Jerosalema t. 717
Mpitoriteny Solomona Jerosalema al.1000
Tononkiran’i
Solomona Solomona Jerosalema t.1020
Isaia Isaia Jerosalema am.732 t.778-a.732
Jeremia Jeremia Joda/Egypta 580 647-580
Fitomaniana Jeremia Akaikin’i Jerosalema 607
Ezekiela Ezekiela Babylona t.591 613-t.591
Daniela Daniela Babylona t.536 618-t.536
Hosea Hosea Samaria
(Distrika) am.745 al.804-a.745
Joela Joela Joda t.820(?)
Amosa Amosa Joda t.804
Obadia Obadia t.607
Jona Jona t.844
Mika Mika Joda al.717 t.777-717
Nahoma Nahoma Joda al.632
Habakoka Habakoka Joda t.628(?)
Zefania Zefania Joda al.648
Hagay Hagay Jerosalema 520 112 andro (520)
Zakaria Zakaria Jerosalema 518 520-518
Malakia Malakia Jerosalema am.443
Ireo boky ao amin’ny Soratra grika kristiana (am.fan.ir.)
Boky Mpanoratra Toerana Nahavitan’ny Fotoana
nanoratana fanoratana voafaoka
Matio Matio Palestina t.41 2al.fan.ir.-
33am.fan.ir.
Marka Marka Roma t.60-65 29-33am.fan.ir.
Lioka Lioka Kaisaria t.56-58 3al.fan.ir.-
33am.fan.ir
Jaona Jaona apostoly Efesosy
na akaikiny t.98 Aorian’ny
sesin-tany,
29—33am.fan.ir.
Asa. Lioka Roma t.61 33-t.61am.fan.ir.
Romana Paoly Korinto t.56
1 Korintiana Paoly Efesosy t.55
2Korintiana Paoly Makedonia t.55
Galatiana Paoly Korinto na
Antiokia
any Syria t.50-52
Efesiana Paoly Roma t.60-61
Filipiana Paoly Roma t.60-61
Kolosiana Paoly Roma t.60-61
1 Tesaloniana Paoly Korinto t.50
2 Tesaloniana Paoly Korinto t.51
1 Timoty Paoly Makedonia t.61-64
2Timoty Paoly Roma t.65
Titosy Paoly Makedonia(?) t.61-64
Filemona Paoly Roma t.60-61
Hebreo Paoly Roma t.61
Jakoba Jakoba
(rahalahin’i
Jesosy) Jerosalema al.62
1 Petera Petera Babylona t.62-64
2 Petera Petera Babylona(?) t.64
1 Jaona Jaona
apostoly Efesosy na
akaikiny t.98
2 Jaona Jaona
apostoly Efesosy na
akaikiny t.98
3 Jaona Jaona
apostoly Efesosy na
akaikiny t.98
Joda Joda
(rahalahin’i
Jesosy) Palestina(?) t.65
Apokalypsy Jaona
apostoly Patmo t.96