FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/12 p. 5-6
  • Ny fijerin’ny Baiboly ny fiadanana sy filaminana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fijerin’ny Baiboly ny fiadanana sy filaminana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiadanana sy filaminana — Fiandohan’ny inona?
  • Foto-javatra araka ny fotoana miharihary
  • ‘Fifanosehana’ eo amin’ireo herim-panjakana
  • Aoka isika hibanjina mihoatra noho ny “Fiadanana sy filaminana” aorin’olombelona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ny fiadanana avy amin’Andriamanitra: rahoviana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ny Fandrahonana Niokleary — Voaesotra Mandrakizay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ny fiadanana sy ny filaminana: avy aiza no hiaviany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/12 p. 5-6

Ny fijerin’ny Baiboly ny fiadanana sy filaminana

Olona maro be no mijery ivelany fotsiny ny toa fironana ho amin’ny firaisana maneran-tany lehibe kokoa sy izay mety ho fiadanana sy filaminana hoentiny. Manantena izy ireo fa ny fihetsiketsehana toy izany dia hitarika ho amin’ny tontolo iray tsaratsara kokoa. Nefa milaza ny Baiboly fa mihoatra noho izay miseho ivelany fotsiny no tafiditra amin’izany.

NY FOTO-DRESAKA ny amin’ny fiadanana sy filaminana dia mahaliana indrindra ny kristiana noho izay nosoratan’ny apostoly Paoly teo ambanin’ny tsindrimandry ho an’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Voarakitra ao amin’ny Baiboly ny teniny, ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:3, NW, manao hoe: “Na rahoviana na rahoviana izy ireo no miteny hoe: ‘Fiadanana sy filaminana!’, avy eo ny fandringanana tampoka dia tsy maintsy hihatra aminy avy hatrany toy ny fanaintainana noho ny fahoriana manjo ny vehivavy bevohoka; ary tsy ho afa-mandositra velively izy ireo.” Mampipoitra fanontaniana lehibe io andinin-teny io.

Fiadanana sy filaminana — Fiandohan’ny inona?

Raha mamaky ny teny manodidina an’io tenin’i Paoly eo ambony io ianao, dia hahita fa ireo izay miteny hoe “fiadanana sy filaminana” dia tsy ny kristiana miambina tanteraka akory fa olona tsy rototra amin’izay tena zava-mitranga. Ao anatin’ny toe-javatra mahatandindomin-doza izy ireo nefa tsy mahafantatra izany satria mihevitra fa araka ny toa fisehoany ny toe-draharaha. Raha ny amin’ny kristiana anefa, dia niteny toy izao i Paoly: “Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo.” (1 Tesaloniana 5:1). Eny, tokony hahafantatra ny fandaharam-potoanan’Andriamanitra momba ireo fisehoan-javatra isika. Nahoana? Satria nilaza i Paoly fa ny fotoan’ny fandringanana tampoka, antsoina hoe “andron’i Jehovah” [MN] dia ho avy “toy ny mpangalatra amin’ny alina”. — 1 Tesaloniana 5:2.

Inona no raketin’ny resaka momba ny fiadanana sy filaminana voambara mialoha? Mazava ho azy fa tsy maintsy hilaza zavatra mihoatra noho ny resaka fotsiny izany. Efa niresaka ny amin’ny fiadanana ny olona tamin’ny fandreseny tamin’ny ady. Ny tenin’i Paoly dia tsy maintsy manondro fotoana iray isehoan’ireo firenena ho nahatratra ny fiadanana sy filaminana amin’ny fomba miavaka. Nefa amin’ny endriny sandoka ihany no isehoan’izany. Ny toa fiadanana sy filaminana izay mitarika ho amin’ny fandringanana tampoka, dia miharihary fa sady tsy tena fiadanana no tsy filaminana marina.

Niresaka ny amin’io fandringanana tampoka io koa i Jesosy. Niantso azy io hoe “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”, izy. An-jatony taona maromaro talohan’i Jesosy dia efa niresaka ny amin’izy io koa i Daniela mpaminany, ary nilazalaza azy io ho “andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany”, izy. — Matio 24:21; Daniela 12:1.

Na fahoriana lehibe na andro fahoriana no iantsoana azy io, araka ny faminaniana, dia hamongotra ny soritra rehetran’ny fandehan-javatr’i Satana eto an-tany izy io. Tsy midika ho fankasitrahan’Andriamanitra ny resaka ara-paminaniana momba ny fiadanana sy filaminana fa ny mifanohitra amin’izany mihitsy! — Ampitahao amin’ny Zefania 3:8.

Foto-javatra araka ny fotoana miharihary

Moa ve ireo toa firosoana ho amin’ny firaisana maneran-tany lehibe kokoa vao haingana sy ny fanantenana fiadanana sy filaminana aterak’izany, fahatanterahan’ny fampitandremana ara-paminanian’i Paoly? Araka ny ampahatsiahivin’ity gazety ity matetika, hatramin’ny 1914 isika dia nanatri-maso ny fahatanterahan’ireo faminaniana maro ao amin’ny Baiboly mifandray amin’ny fanatrehan’i Jesosy any an-danitra ao amin’ny herin’ny Fanjakany. (Matio, toko faha-24, 25; 2 Timoty 3:1-5; Apokalypsy 6:1-8). Notondroin’i Jesosy fa ny andron’i Jehovah, izay hampiharana ny fandravana tampoka amin’ny ratsy fanahy, dia ho tonga raha mbola velona ireo anisan’ny taranaka nanatri-maso ny fiandohan’izany fotoana izany. — Lioka 21:29-33.

Nampahafantatra foto-javatra araka ny fotoana iray koa ny apostoly Paoly. Hoy izy hoe: “Raha mbola eo am-piresahana ny amin’ny fiadanana sy filaminana izy ireo, dia hanjo azy miaraka amin’izay ny loza lehibe.” Io fandikana ny tenin’i Paoly ao amin’ny The New English Bible io dia mampiseho mazava fa hitranga ny fahoriana lehibe “raha mbola eo am-piresahana” izy ireo. Sahala amin’ny mpangalatra amin’ny alina, tsy tsinjo mialoha, dia hamely ny fandringanana rehefa tsy ampoizina kely akory izany, rehefa mifantoka amin’ny fanantenany fiadanana sy filaminana ny ankamaroan’ny olona. Noho izany, na dia tsy afaka milaza tanteraka aza isika izao fa manatanteraka ny tenin’i Paoly ny tarehin-javatra momba ny fiadanana sy filaminana ankehitriny, na hoe hatraiza ny resaka ny amin’ny fiadanana sy filaminana no mbola tokony hiitatra, ny fandrenesana ny resaka toy izany amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toa azy ankehitriny dia mampitandrina ny kristiana ny amin’ny ilàna hiambenana hatrany amin’ny fotoana rehetra.

‘Fifanosehana’ eo amin’ireo herim-panjakana

Rehefa niresaka ny amin’ny andro fahoriana i Daniela mpaminany, dia nampahafantatra foto-javatra araka ny fotoana iray koa izy. Nasehony fa ny andro fahoriana dia hitranga amin’ny faran’ny fifandrafiana maharitra eo amin’ny hery lehibe roa, antsoina hoe “ny mpanjakan’ny avaratra” ny iray, ary ny iray kosa “ny mpanjakan’ny atsimo”. (Daniela 11:5-43). Hatramin’ny faran’ny Ady lehibe faharoa, dia nasehon’ny “mpanjakan’ny atsimo” kapitalista iray sy ny “mpanjakan’ny avaratra” sôsialista iray ireo hery lehibe ireo.

Nanambara mialoha i Daniela fa ny fifandrafiana mahery vaika eo amin’ireo hery roa ireo, araka ny nomarihina nandritra ireo 45 taona lasa, dia toy ny ‘fifanosehana’, sahala amin’ny mpiady roa mifamely mba hahazoana tombontsoa iray. Vao haingana, dia toa nihena ilay fifanosehana. Ohatra ny amin’izany, tamin’ny May, tamin’ny taon-dasa, dia nanambara ny fahavitan’ny Ady mangatsiaka ny minisitry ny raharaham-bahiny sovietika. Tamin’ny Jona, dia nanisy firesahana ny amin’ny fivoriana an-tampony nifanaovan’i Etazonia sy ny Firaisana sovietika ny gazety Time, ary nanamarika toy izao: “Ny sasany amin’ireo fifanarahana momba ny famerana ny fitaovam-piadiana sy ny fanandramana noklehera dia toa fahatanterahan-javatra nanaitra, taona vitsivitsy lasa izay. Ankehitriny, na dia indray jerena aza ireo dia hita ho miha-tsy mahagaga.”

Na ho vetivety na haharitra izany toa fisakaizana eo amin’ireo herim-panjakana roa ireo izany dia ny fotoana ihany no hampiharihary azy. Misy zavatra iray mazava ho azy anefa. Efa lasa lavitra dia lavitra ilay vanim-potoana nambaran’i Jesosy. Ary ireo zava-mitranga maneran-tany dia manambara fa manakaiky ireo fisehoan-javatra nambaran’ny apostoly Paoly sy i Daniela mpaminany mialoha isika. Na dia tonga eo amin’ny ambaratonga sasany aza ireo fandrosoana ara-politika vao haingana noho ny fitaoman’ireo fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia tsy hitarika ho amin’ny fiadanana maharitra izany. Ny porofo dia mampiseho fa hitarika mihitsy ho amin’ny fifanoheran’ireo firenena eo amin’ity tontolo ity izy ireo.

[Sary, pejy 6]

Ny fotoana no hanambara hoe haharitra mandra-pahoviana ilay toa fisakaizana eo amin’ ireo herim-panjakana roa lehibe

[Sary nahazoan-dalana]

USSR Mission to the UN

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara