‘Namafy tamim-pitomaniana aho ary nijinja tamim-pifaliana’
Notantarain’i Miyo Idei
“Maty aho! Maty aho! Vonjeo aho!”, hoy ny raiko niezaka niantso mafy. Tsy nifandrenesana ny feony, ka nihazakazaka nivoaka ny trano aho. Nisasakalina tamin’izay, ary nihetsika aretim-po mafy ny raiko. Nidodododo nankany amin’ilay dadatoako nipetraka teo akaiky teo aho, nefa nony tafaverina izahay, dia tsy re intsony ny fitepon’ny fon’i Dada.
IZANY no nitranga tamin’ny 14 Desambra 1918. Teo amin’ny faha-13 taonako, dia nanirery tsy nanan-dray aman-dreny aho. Efa maty ny reniko fony aho vao fito taona. Noho izaho namoy aloha loatra ireo ray aman-dreniko teo amin’ny fiainako, dia nanomboka nanontany tena aho hoe: ‘Nahoana ny olona no maty? Inona no mitranga aorian’ny fahafatesana?’
Rehefa nahavita ny fianarako ho mpampianatra aho, dia tonga mpampianatra tany Tokyo ary nampianatra tao amin’ny Sekoly fanabeazana fototra tao Shinagawa. Taoriana kelin’izay dia nisy olom-pantatro nampifankahalala ahy tamin’ny tovolahy iray atao hoe Motohiro, izay tonga vadiko teo amin’ny faha-22 taonako. Nandritra ireo 64 taona lasa, dia niara-nigoka ny hamamy sy ny ngidin’ny fiainana izahay. Tsy ela izahay dia nifindra nankany Taïwan, izay teo ambany fanapahana japone tamin’izay. Tamin’izany fotoana izany aho dia tsy nieritreritra fa hahita antony hahatonga ranomasom-pifaliana tao amin’io tany io.
Nianatra ny fahamarinana
Tamin’ny lohataonan’ny 1932, fony izahay nonina teny amin’ny manodidina an’i Chiai any afovoan’i Taïwan, dia nisy lehilahy iray atao hoe Saburo Ochiai nitsidika anay. Nanintona ny sainay ho amin’ireo faminanian’ny Baiboly mahafaoka ny fampanantenana fitsanganan’ny maty izy. (Jaona 5:28, 29). Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona re izany! Naniry aoka izany ny hahita indray ny reniko sy ny raiko aho. Noho ireo fanaporofoan-kevitra araka ny fandrindran-kevitra sy fanazavana azo inoana ary porofo mafy orina araka ny Baiboly, dia toa nirakitra ny fahamarinana ny teniny. Nandeha haingana ny fotoana raha mbola nandany ilay andro manontolo nifanakalozana hevitra momba ny Baiboly izahay. Nanjary boky nanintona ho ahy tampoka teo izy io.
Tsy ela dia lasa ho any amin’ny toeran-kafa Atoa. Ochiai, ary namela ho anay boky toy ny Création, La Harpe de Dieu, Gouvernement, Prophétie, Lumière, ary Réconciliation, izay samy navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society avokoa. Nanjary nankafy ny famakiana azy ireo aho, ary rehefa nanao izany aho dia nahatsapa faniriana mafy hiresaka amin’ny hafa ny amin’izay novakiko. Raha nanomboka ny fanompoany tao amin’ny tanàna nahabe azy tao Nazareta i Jesosy, nahoana aho no tsy tokony hanomboka eo amin’izay misy ahy? Nitsidika ny mpiray tanàna teo akaikinay aho. Tsy nisy nampianatra ahy izay fomba fitory, koa dia nandeha isan-trano aho nitondra ny Baiboliko sy ireo boky novakiko, ary nitory araka izay farany azoko natao. Namaly tamim-pankasitrahana ny olona ary nandray gazety. Nangataka tamin’ny Todaisha, araka ny niantsoana ny Fikambanana Watch Tower tany Japana tamin’izany fotoana izany, aho mba handefa ho ahy 150 tamin’ilay bokikely mitondra ny lohateny hoe Le Royaume, l’espoir du monde, ary nizara azy ireo.
Indray andro dia nisy olona iray nandray zavatra vita an-tsoratra nilaza tamiko fa vao lasa aho dia tonga ny pôlisy ary naka ireo boky. Tsy ela taorian’izay, dia nisy mpitsongo dia efatra tonga tao an-tranoko ary naka ny bokiko sy ny gazetiko rehetra. Ny Baiboly ihany no navelany. Nandritra ny dimy taona aho dia tsy nahita vahoakan’i Jehovah na iray aza, nefa niredareda tao am-poko hatrany ny afon’ny fahamarinana.
Avy eo dia nigadona ny Desambra 1937! Nisy mpitory manontolo andro roa avy any Japana nitsidika anay. Gaga aho ary nanontany hoe: “Ahoana no nahafantaranareo anay?” Hoy izy ireo hoe: “Manana ny anaranareo mihitsy izahay.” Nahatsiaro anay i Jehovah! Ireo Vavolombelona roa, i Yoriichi Oe sy i Yoshiuchi Kosaka, dia nandeha lalana 240 kilaometatra avy any Taïpeh hatrany Chiai tamin’ny bisikilety tranainy, nitondra ny entan’izy ireo niavosa tao aoriana. Rehefa niresaka taminay izy ireo, dia nahatsapa ho toa an’ilay ionoka etiopiana nilaza toy izao aho: “Inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?” (Asan’ny apostoly 8:36). Ny alina nahatongavan’izy ireo dia samy natao batisa izahay mivady.
Nikarakara ireo anadahy nigadra
Tamin’ny 1939, dia nirongatra haingana nanerana an’i Japana ny fisamborana ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela dia tonga hatrany Taïwan ny onjam-panenjehana. Tamin’ny Aprily, dia samy voasambotra ny anadahy Oe sy Kosaka. Roa volana taorian’izay dia voasambotra koa izahay. Koa satria mpampianatra aho tamin’izany, dia nafahana ny ampitson’iny, fa ny vadiko kosa notanana an-tranomaizina nandritra ny efa-bolana. Rehefa nafahana ny vadiko, dia nifindra nankany Taïpeh izahay. Koa satria izahay izao akaiky kokoa ny fonja nitanana ireo anadahy roa, dia hita fa nety tsara izany.
Ny fonjan’i Taïpeh dia fonja iray voambina fatratra. Nitondra fitafiana sy sakafo aho ary nandeha nitsidika ireo anadahy. Voalohany, dia ny anadahy Kosaka no niseho avy tao ambadiky ny varavarankely nisy makarakara vy iray, nirefy 30 santimetatra, niaraka tamin’ny mpiambina iray sy ny mpitsongo dia iray. Hatsatra izy ary mena tahaka ny frezy masaka ny molony. Tratran’ny raboka izy.
Avy eo dia nivoaka ny anadahy Oe, nitsiky kely, namerimberina tamim-pifaliana hoe: “Soa fa afaka tonga tatỳ ianao.” Koa satria vony sady nivonto ny tarehiny, dia nanontany azy ny fahasalamany aho. “Salama tanteraka aho!” hoy ny navaliny. “Toerana tena tsara ity. Tsy misy kongona na haofotsy. Afaka mihinana kobam-barimbazaha aza aho. Sahala amin’ny “villa” mihitsy ity toerana ity”, hoy izy. Tsy nahatana fihomehezana ilay pôlisy sy ilay mpiambina ary niteny hoe: “Ô, tsy mahaleo an’ilay Oe namana ity isika.”
Nigadra indray
Tokony ho tamin’ny nisasakalin’ny 30 Novambra 1941, andro vitsivitsy taorian’ny nodiako avy nitsidika ireo anadahy, dia nisy nandondòna mafy tao am-baravarana. Nahita aloka satroka toy ny tendrombohitra avy teo amin’ny fitaratry ny varavarankely aho. Valo tamin’izany no voaisako. Pôlisy izy ireo. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo ary nanakorontana ny fanaka rehetra tao an-trano, nefa sasa-poana. Adiny iray taorian’ny nisavany ny trano, dia naka boky fitoeran-tsary (albums) vitsivitsy izy ireo ary niteny taminay mba hanaraka azy. Tsaroako fa nosamborina tamin’ny nisasakalina i Jesosy. (Matio 26:31, 55-57; Jaona 18:3-12). Nampihomehy ahy ny nieritreritra an’ireo lehilahy valo nandany andro tamin’ny roa taminay tamin’ny zavatra tsy dia nanao ahoana.
Nentina tany amin’ny trano iray tsy fantatra izay malalaka sady maizina izahay. Fantatray taoriana kelin’izay fa ny fonjan’i Taïpeh Hichisei ilay izy. Napetraka teo anoloan’ny latabatra lehibe iray izahay ary nanomboka ny fakana am-bavany. Namerina nanontany foana ry zareo hoe: “Iza no fantatrareo?” ary samy namaly izahay hoe: “Tsy mahafantatra na iza na iza aho.” Ahoana no ahafahanay mahafantatra olona ao amin’ny tany lehiben’i Japana? Tsy nahafantatra afa-tsy ry ranadahy Oe sy Kosaka ihany izahay, ary tsy nanisy firesahana ny amin’izay anarana hafa nety ho sendra renay.
Vetivety dia tonga ny tamin’ny dimy ora maraina, ary nisy mpitsongo dia roa nitondra ahy ho any amin’ny efitrano kely hisy ahy. Nila fotoana elaela aho vao afaka nizatra tamin’ilay toerana vaovao. Sambany aho teo amin’ny fiainako vao mba sendra kongona. Izany bibikely izany, izay mikendry ny hihinana ireo vao tonga, dia nampahory ahy tsy nisy antra, rehefa avy nandao ireo vehivavy roa tao amin’ny efitrano kely, na dia efa nopotsehiko aza ny sasany nankatỳ amiko. Farany dia leo aho ary navelako hihinana ahy izy ireo.
Vary vao mangotraka eran’ny kaopy no sakafonay, nefa tsy nety ny vavako fa nihevitra izany ho toy ny vary manta ihany. Nisy daikon (radia japone) vitsivitsy voaisy sira mbola nisy fotaka, niaraka tamin’ilay vary ratsy toto. Tamin’ny voalohany, noho ilay sakafo ratsy fofona sady naloto, dia tsy nahatelina aho, ary nanatona ny mpigadra hafa ka nihinana izany. Mazava ho azy fa nizatra tamin’izany tsikelikely aho mba ho velona.
Nahatsiravina ny fiainana tao am-ponja. Nisy fotoana nandrenesako lehilahy iray nahina ho mpitsikilo, nidradradradra isan’andro rehefa avy nampiharana habibiana. Nahita koa aho olona iray tao amin’ny efitrano kely teo akaiky teo, maty tamim-pijaliana fatratra. Noho izany zavatra rehetra izany nitranga teo anatrehako, dia nino mafy aho fa tsy maintsy hifarana ity fandehan-javatra tranainy ity, ary nihanatanjaka tsy nisy toy izany ny fanantenako ireo fampanantenan’Andriamanitra.
Ny fakana am-bavany
Notanana tany am-ponja nandritra ny herintaona teo ho eo aho, ary nalaina am-bavany indimy. Indray andro, dia nisy mpampanoa lalàna iray vao tonga voalohany tao, ary nentina tao amin’ny efitrano fakana am-bavany iray tery dia tery aho. Izao no zavatra noteneniny voalohany: “Iza no lehibe kokoa, Amaterasu Omikami [ny andriamanibavy masoandro] sa Jehovah? Lazao ahy!” Nieritreritra kely ny amin’izay fomba hamaliako azy aho.
“Lazao ahy izay lehibe kokoa, raha tsy izany dia hoveleziko ianao!” hoy izy nivandravandra tamiko.
Namaly tamim-pahatoniana aho hoe: “Ao amin’ny fiandohan’ny Baiboly mihitsy, dia voasoratra hoe: ‘Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.’ ” Nahatsapa aho fa tsy nisy nilana hanampy zavatra hafa. Nibanjina ny endriko fotsiny izy fa tsy niteny ary nanova ny resaka avy eo.
Rehefa nodinihina, inona no antony nitanana ahy tao an-tranomaizina? Nilaza toy izao ny tatitra taorian’ny fakana am-bavany: “Atahorana hamitaka ny vahoaka amin’ny teniny sy ny zavatra ataony izy.” Izany no antony nitanana ahy tsy nandalo fitsarana akory.
Teo anilako mandrakariva i Jehovah na dia niaritra izany rehetra izany aza aho. Noho ny hatsaram-pon’i Jehovah, dia nahazo ny Soratra grika kristiana kely iray azo atao am-paosy aho. Nisy mpitsongo dia iray indray andro, nanipy azy io tao amin’ny efitrano kely nisy ahy, sady niteny hoe: “Havelako hanana an’iny ianao!” Namaky azy io isan’andro aho ka tonga hatramin’ny fitadidiana izay avy novakiko. Tonga loharanom-pampaherezana ho ahy ireo ohatra mampiseho herim-po nomen’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany voatantara ao amin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly. Nanatanjaka ahy koa ireo taratasy 14 nosoratan’i Paoly. Niaritra fanenjehana nihoa-pampana i Paoly, nefa nanohana azy mandrakariva ny fanahy masina. Nampahatanjaka ahy ny fitantarana toy izany.
Nanjary nahia sy narefo aho, nefa nanohana ahy i Jehovah, matetika tamin’ny fomba tsy nampoizina. Indray alahady, dia nisy mpitsongo dia iray mbola tsy hitako mihitsy tonga nitondra fonosana tao anaty lamba kely. Novohany ny varavaran’ny efitrano kely ary nentiny nivoaka nankeny an-tokotany aho. Nony tonga teo amin’ny ravintsara lehibe iray izahay, dia noborahiny ilay fonosana. Indro, jereo! Akondro sy mofo dipaina madinika no tao anatiny. Niteny tamiko izy mba hihinana izany teo. Nanao fanamarihana toy izao ilay mpitsongo dia: “Tena olona tsara mihitsy ianareo rehetra. Kanefa voatery mitondra anareo tahaka izao izahay. Maniry ny hiala amin’ity asa ity tsy ho ela aho.” Noho izany, dia nanomboka nitondra ahy tamin-katsaram-panahy ireo mpiambina sy mpitsongo dia. Natoky ahy izy ireo ary namela ahy hanadio ny efitranony sy nanome ahy asa tsotsotra hafa isan-karazany.
Tamin’ny faramparan’ny taona 1942, dia nampanantsoin’ny anankiray tamin’ireo mpitsongo dia nisambotra anay aho. “Na dia mendrika ny fanamelohana ho faty aza ianao, dia hafahana androany”, hoy ny nambarany. Nody tany an-trano ny vadiko, iray volana teo ho eo talohan’ny nanafahana ahy.
Nanavao indray ny fifaneraserana tamin’ny Vavolombelona
Raha mbola tany am-ponja izahay, dia niditra tamin’ny Ady lehibe faharoa i Japana. Avy eo, tamin’ny 1945, dia nandre izahay fa resy tamin’ny ady i Japana ary hitanay tamin’ny gazety fa hafahana ireo mpigadra ara-politika. Renay fa matin’aretina tany am-ponja ny anadahy Kosaka, nefa nandefa taratasy haingana tany amin’ireo fonja tany Taïpeh, Hsinchu, aho, sy tany amin’ireo tanàna hafa, ary namotopototra ny amin’izay nisy ny anadahy Oe. Tsy nahazo valiny anefa aho. Tatỳ aoriana vao fantatra fa notifirina ny anadahy Oe.
Tamin’ny 1948, dia naharay taratasy tsy nampoizina avy any Changhaï izahay. Avy tamin’ny anadahy Stanley Jones ilay izy, nalefa ho any Shina, avy tany Gileada, sekoly ho an’ny misionera Vavolombelon’i Jehovah naorina vao haingana. Nahatsiaro anay indray i Jehovah! Diboky ny hafaliana aho nifandray toy izany tamin’ny fandaminan’i Jehovah. Fito taona no lasa hatramin’ny nahitanay farany ny anadahy Oe. Na dia irery tanteraka aza aho nandritra izany fotoana izany, dia niresaka tamin’ny hafa ny amin’ny vaovao tsara.
Rehefa nitsidika anay voalohany ny anadahy Jones, dia fotoam-piravoravoana izany. Tena sariaka be izy. Na dia mbola tsy nahita azy mihitsy aza izahay teo aloha, dia nahatsapa ho toy ny hoe nandray havana tena akaiky anay tao an-trano. Fotoana fohy taorian’izay, dia lasa nankany Taitung, namakivaky tendrombohitra, niaraka tamin’ny vadiko ho toy ny mpandika teniny, ny anadahy Jones. Niverina izy ireo rehefa afaka herinandro, ka nandritra izany dia nanao fivoriambe iray andro izy ireo sy nanao batisa olona teo amin’ny 300 anisan’ny foko Amis avy any amin’ny morontsiraka atsinanana.
Nisy heviny ho ahy tamin’ny lafiny hafa koa ny fitsidihan’ny anadahy Jones. Nitory irery aho hatramin’izay. Ary izao dia misy mpivady, izay tompon-tranonay ilay rangahy, vita batisa tamin’ny fitsidihan’ny anadahy Jones. Hatramin’izay aho dia nanana fotoana be dia be hanandramana ny fifaliana amin’ny fanaovana mpianatra ho fanampin’ny fifaliana manambara ilay Fanjakana. Tatỳ aoriana izahay dia nifindra tany Hsinchu izay niantohan’ny anadahy Jones anay nandritra ny fitsidihana intelo, naharitra tapa-bolana avy. Nankafy tanteraka ilay fifaneraserana nahasoa aho. Tamin’ilay fotoana farany, dia hoy izy hoe: “Amin’ny manaraka dia hoentiko i Harold King namako.” Nefa tsy tonga mihitsy ilay “manaraka” satria tsy ela taorian’izay dia nogadraina tany Shina izy mirahalahy.
Tamin’ny 1949, dia tonga tany Taïwan ry Joseph McGrath sy Cyril Charles, misionera avy tamin’ny kilasy faha-11 any Gileada. Nanitatra ny asa tany Taïwan izy ireo, ary nampiasa ny tranonay ho foibe fanaovan-draharahany. Tena nampahery ahy ny ohatra nomen’izy ireo. Kanefa nanery azy ireo hifindra ho any Hong Kong ny toe-draharaha ara-politika. Tsy nahatana ny ranomasoko aho rehefa niainga niaraka tamin’ny pôlisy iray izy ireo. “Aza mitomany, ry Miyo”, hoy i Joe. Nanampy izy hoe: “Misaotra”, sady nanolotra ahy ilay penina fampiasany mba ho fahatsiarovana.
Niatrika fampiofanan-janaka
Tsy nanan-janaka izahay mivady, koa dia nanangana ny zanakavavin’ny mpiray tam-po amin’ny vadiko izahay fony izy io feno efa-bolana. Notandindomin-doza noho ny sohika ny reniny.
Tamin’ny 1952, ny anadahy Lloyd Barry, izay nanompo tamin’ny naha-misionera teto Japana, dia nitsidika an’i Taïwan mba hanao izay hanekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niara-nipetraka taminay izy ary nampahery anay be dia be. Vao 18 volana ilay zanakay tamin’izay fotoana izay. Nibata azy izy ary nanontany azy hoe: “Iza no anaran’Andriamanitra?” Taitra aho, ary nanontany azy hoe: “Te hilaza ve ianao fa tokony hampianatra azy izahay dieny mbola kely izy?” “Eny”, hoy izy namaly tamin’ny fomba hentitra. Tamin’izay izy dia niresaka tamiko ny amin’ny maha-zava-dehibe ny hampiofanana zaza iray hatramin’ny fiandohan’ny fahazazany mihitsy. Niraikitra tao an-tsaiko ilay teniny nanao hoe: “Fanomezana avy amin’i Jehovah io ho fampiononana ho anareo.”
Avy hatrany aho dia nanomboka ny fampiofanana an’i Akemi zanako, hahafantatra sy ho tia an’i Jehovah ary ho tonga mpanompony. Nampianariko azy ireo mari-panononana, tamin’ny fanombohana tamin’ny litera telo e sy ho ary ba, izay mahaforona ny teny hoe “Ehoba”, na Jehovah amin’ny fiteny japone. Vao feno roa taona izy dia afaka nahatakatra izay noteneniko taminy. Noho izany, isan’alina alohan’ny hatoriana, dia niresaka tantara ao amin’ny Baiboly taminy aho. Nihaino tamim-pahalianana izy, ary nitadidy izany.
Rehefa feno telo taona sy tapany izy, dia nitsidika indray ny anadahy Barry, ary nanome Baiboly vita tamin’ny fiteny japone ho an’i Akemi. Nandehandeha eran’ny efitrano nitondra ilay Baiboly izy sady niteny hoe: “Baibolin’i Akemi! Baibolin’i Akemi!” Afaka minitra vitsivitsy taorian’izay dia niteny tampoka indray izy hoe: “Tsy misy Jehovah ny Baibolin’i Akemi! Tsy tiako ity!” Natsipiny tamin’ny tany ilay izy. Taitra aho, ary nijery ny tao anatiny. Voalohany indrindra, dia nosokafako tao amin’ny Isaia toko faha-42, andininy faha-8. Tao dia nosoloana ny teny hoe “Tompo” ny anarana hoe Jehovah. Nitady andinin-teny hafa aho, nefa tsy nahita ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Nitony ihany i Akemi nony nasehoko azy indray ny anaran’i Jehovah tao amin’ny Baiboliko tranainy, tamin’ny fiteny ntaolo japone.
Niverina teto Japana
Niverina teto Japana izahay tamin’ny 1958, ary niaraka tamin’ny kongregasionan’i Sannomiya tany Kobe. Nanana antony maro be aoka izany tokony hahavelom-pankasitrahana an’i Jehovah aho ka naniry haneho izany fankasitrahako izany tamin’ny fahatongavana ho mpitory maharitra, minisitra manontolo andro eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanazatra tena tamin’ny asan’ny mpitory maharitra aho. Vokatr’izany, dia afaka nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano maro be aho ary nanandrana ny fifaliana tamin’ny fanampiana olona teo amin’ny 70 ka hatramin’ny 80 ho ao amin’ny fahamarinana. Nisy fotoana aza nananako tombontsoa nanompo tamin’ny naha-mpitory maharitra manokana, ary niasa nihoatra ny 150 ora isam-bolana teny amin’ny saha fitoriana, sady nikarakara koa ny vady aman-janako.
Noho izahay nonina tany Taïwan nandritra ny 30 taona mahery, dia nanavao anay ny fiainana teto Japana, ary niaritra zavatra maromaro feno fisedrana aho. Tamin’ny fotoana toy izany, dia tonga fampiononana ho ahy sady fanohanana ho ahy i Akemi, araka ny nolazain-dranadahy Barry tamiko, taona maro lasa izay. Rehefa ketraka aho, dia niteny tamiko izy hoe: “Mahereza, Neny a. Jehovah handamina izany.” “Eny, hanao izany izy, tsy izany ve?” hoy aho namaly sady namihina azy mafy. Loharanom-pampaherezana re izany! Tsy haiko mihitsy ny tsy hisaotra an’i Jehovah!
Nanolotra ny zanako ho an’i Jehovah aho
Tonga mpitory i Akemi rehefa feno 7 taona, ary vita batisa rehefa feno 12 taona, tamin’ny lohataonan’ny 1963. Niezaka nandany fotoana betsaka araka izay azo atao niarahana taminy aho. (Deoteronomia 6:6, 7). Nisy fotoan-tsarotra teo amin’ny naha-zatovo azy, nefa noho ireo ohatra tsara sy fampaherezana avy amin’ireo mpitory maharitra manokana nalefa tao amin’ny kongregasionanay, dia nanao ho zava-kendrena ny ho mpitory maharitra tany amin’ny faritany vaovao i Akemi tamin’ny farany.
Tao amin’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1968, dia nitana ny toeran’ny zanakavavin’i Jefta izy tamin’ny fampisehoana tantara ara-baiboly. Rehefa nijery ilay fampisehoana tantara aho, dia nanapa-kevitra ny hanao toy ny nataon’i Jefta ka hanolotra ho an’i Jehovah ny zanako vavitokana tsy foiko, hanao ny asa manontolo andro, nanomboka hatreo. Ho toy inona ny fiainako rehefa tsy eo akaikiko intsony ny zanako? Zava-tsarotra izany satria efa 60 taona mahery aho tamin’izay.
Tamin’ny taona 1970, dia tonga ny fotoana tsy maintsy handaozan’ny zanakay anay. Nahazo lalana tamin’ny vadiko izy, ary lasa nankany Kyoto mba hanompo tamin’ny naha-mpitory maharitra. Takany tsara ny fihetseham-ponay, ary toa vonton’alahelo ny fony rehefa nandao anay izy. Nanonona ny Salamo 126:5, 6 aho ho toy ny andinin-teny fanaovam-beloma azy: “Izay mamafy amim-pitomaniana dia hijinja am-pifaliana. Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa.” Hita fa nanatanjaka ahy koa ireo teny ireo.
Taorian’izay, dia nanambady i Akemi ary nanohy nanao ny asan’ny mpitory maharitra manokana niaraka tamin’ny vadiny. Hatramin’ny 1977, rehefa voatendry ho mpiandraikitra ny fizaran-tany ny vadiny, dia nanompo teo amin’ny asa fitetezam-paritra izy ireo. Mamelatra sarintany tsy tapaka aho, ary “mitety faritra” miaraka amin’ny zanako eo amin’ilay sarintany. Fifaliana ho ahy ny mandre fitantarana ny fiainan’izy ireo sy manjary mifankahalala amin’ny rahavavy maro be amin’ny alalan’ny zanako.
Efa 86 taona aho izao. Ireo andro efa lasa dia toy ny fotoam-piambenana iray tamin’ny alina monja. Tsy afaka manao zavatra betsaka toy ny teo aloha aho, nefa mbola mitondra fifaliana ho ahy ny asa fanompoana. Rehefa mamisavisa ireo 60 taona lasa hatramin’ny nahafantarako ny fahamarinana aho, dia nameno ny foko ny fampanantenan’Andriamanitra manome toky. Eny, Jehovah izay hanao zavatra amim-pahatokiana amin’ny olona mahatoky, dia mamela antsika hijinja fifaliana tondraka. — Salamo 18:25, MN.