Ireo Olon-tianao Nody Mandry — Hahita Azy Ireo Indray ve Ianao?
VAO sivy taona monja i John fony maty ny reniny. Tatỳ aoriana, dia nahatsiaro izay nitranga tao an-tranom-paty izy: “Nanao sary ho azy aho ary nanoratra zavatra kely teo amin’izy io, ka nangataka taminy mba hiandry anay rehetra any an-danitra. Nomeko an’i Dada ilay izy mba hapetraka ao anaty vatam-paty miaraka aminy, ary na dia maty aza izy, dia tiako ny mieritreritra fa nahazo an’io hafatra farany avy tamiko io izy.” — How It Feels When a Parent Dies, nosoratan’i Jill Krementz.
Tsy mety hisy fisalasalana fa tia aoka izany ny reniny i John. Taorian’ny nilazalazany ireo toetra tsaran’ny reniny, dia hoy izy: “Angamba izao fotsiny: Tsy tiako ny hahatsiaro ireo zavatra tsy manorina, kanefa dia tsy afaka ny hieritreritra izay mety ho zavatra ratsy momba azy aho. Izy no vehivavy tsara tarehy indrindra hitako hatramin’izay teo amin’ny fiainako manontolo.”
Tahaka an’i John, dia maro no manana fahatsiarovana mamin’ny fony ny amin’ireo olo-malalany nody mandry ary manaiky fa manana filana ara-pihetseham-po ny hahita azy ireny indray. Hoy i Edith, izay matin’ny homamiadana ny zanany lahy 26 taona: “Mila ny mino aho fa misy any ho any ny zanako lahy, kanefa dia tsy fantatro hoe aiza. Hahita azy indray ve aho? Asa, tsy fantatro kanefa dia manantena aho fa hahita azy indray.”
Azo antoka fa ny Mpamorona ny olona be fitiavana dia tsy hoe tsy mahatsapa izany fanirian’olombelona ara-dalàna izany. Izany no antony nampanantenany fa ho avy ny fotoana izay hisian’ny olona an-tapitrisany maro ho tafaray indray amin’ireo olon-tiany nody mandry. Mirakitra firesahana be dia be ny amin’izany fampanantenana fananganana ny maty amin’ny hoavy izany ny Tenin’Andriamanitra. — Isaia 26:19; Daniela 12:2, 13; Hosea 13:14; Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 20:12, 13.
Iza no hatsangana ho any an-danitra?
Aoka hodinihintsika ny fanantenan’i John fa miandry azy any an-danitra ny reny malalany. Manana izany fanantenana na finoana izany ny mpiangona maro. Amin’ny fiezahana hanohana ireo hevitra ireo, dia misy mpitondra fivavahana sy mpanao asa sosialy mampihatra amin’ny fomba diso ireo andininy avy ao amin’ny Baiboly.
Ohatra, ny Dr. Elisabeth Kübler-Ross, manam-pahaizana manokana amin’ny fanampiana ireo nidonam-pahoriana, dia nilaza toy izao tao amin’ny boky nosoratany hoe On Children and Death: “Ny fahafatesana dia midika fotsiny fa manary ny vatantsika isika tahaka ny mety hanesorantsika akanjo ivelany tonta iray, na ny mety handinganantsika avy ao amin’ny efitrano iray hiditra ao amin’ny iray hafa. Izao no vakintsika ao amin’ny Mpitoriteny 12:7: ‘Hiverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy’. Hoy i Jeso: ‘Handeha aho hanamboatra fitoerana ho anareo, dia izay itoerako no hitoeranareo koa’. Ary hoy izy tamin’ilay mpangalatra teo amin’ny lakroa: ‘Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradizy hianao’.”
Moa ve ireo andininy eo ambony ireo tena midika fa velona ankehitriny ireo olon-tiantsika nody mandry ary miandry antsika any an-danitra izy ireo? Aoka hodinihintsika amim-pitandremana kokoa ireo andininy ireo, ka atombotsika amin’ny Mpitoriteny 12:7. Miharihary fa ilay lehilahy hendry izay nanoratra ireo teny ireo dia tsy nikendry ny hanohitra izay efa nolazainy tao amin’ny boky ao amin’ny Baiboly io ihany toy izao: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona”. (Mpitoriteny 9:5). Niresaka momba ny fahafatesan’ny taranak’olombelona amin’ny ankapobeny izy. Azon’ny saina ekena ve ny finoana fa ireo tsy mino ny fisian’Andriamanitra miharihary sy mpanao heloka bevava matevin-koditra rehetra dia hiverina any amin’Andriamanitra eo amin’ny fahafatesany? Azo antoka fa tsia. Raha ny tena izy, dia tsy azo lazaina fa hiverina any amin’Andriamanitra na iza na iza amintsika, tsy maninona izay fiheverantsika ny tenantsika ho tsara na ratsy. Koa satria tsy misy na dia iray amintsika aza niaraka tamin’Andriamanitra tany an-danitra, ahoana no azo ilazana fa hiverina any aminy isika?
Inona àry no tian’ilay mpanoratra ny Baiboly holazaina tamin’ny hoe ‘ny fanahy [“esprit”, NW ] hiverina amin’Andriamanitra’ eo amin’ny fahafatesana? Amin’ny fampiasana ny teny hebreo nadika hoe “esprit”, dia tsy niresaka momba ny zavatra manokana izay mampiavaka ny olona iray amin’ny iray hafa izy. Ao amin’ny Mpitoriteny 3:19 kosa, dia manazava io mpanoratra ao amin’ny Baiboly nahazo tsindrimandry io ihany fa ‘iray ihany ny fanahy [“esprit”, NW ] ananan’ny olona sy ny biby rehetra’. Miharihary fa te hilaza izy fa io “fanahy [“esprit”, NW ]” io dia ny herim-piainana ao amin’ireo sela izay mahaforona ny vatan’olona sy ny an’ny biby. Tsy nahazo an’io fanahy (esprit) io nivantana avy tamin’Andriamanitra isika. Nifindra tamintsika tamin’ny alalan’ireo ray aman-drenintsika olombelona izy io fony isika notorontoronina sy teraka tatỳ aoriana. Ankoatr’izany, io fanahy (esprit) io dia tsy mandeha mamakivaky ara-bakiteny ny habakabaka ka miverina ho any amin’Andriamanitra eo amin’ny fahafatesana. Ny fitenenana hoe ‘ny fanahy hiverina amin’Andriamanitra’ dia fomba fitenenana midika fa miankina amin’Andriamanitra izao ny fahatsinjovana fiainan-ko avy ho an’ny olona iray efa maty. Anjarany ny manapa-kevitra hoe iza no hotadidiny sy hatsangany amin’ny farany. Mariho ho anao manokana ny fomba ampisehoan’ny Baiboly mazava an’izany ao amin’ny Salamo 104:29, 30.
Nikasa i Jehovah Andriamanitra fa mpanara-dia an’i Kristy mahatoky voafetra isa, mitontaly ho 144 000 monja, no hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra amin’ny maha-zanak’Andriamanitra ara-panahy. (Apokalypsy 14:1, 3). Hahaforona fitondram-panjakana any an-danitra miaraka amin’i Kristy izy ireo mba ho fitahiana ny taranak’olombelona eto an-tany.
Ireo olona voalohany nahafantatra momba izany dia ireo apostolin’i Jesosy nahatoky, izay nilazany hoe: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.” (Jaona 14:2, 3). Nody mandry ireo apostoly ireo sy ireo Kristiana tany am-boalohany hafa ary tsy maintsy niandry tsy nahatsiaro tena tao amin’ny fahafatesana, mandra-piavin’i Jesosy mba hamaly soa azy ireo amin’ny fananganana ho any an-danitra. Izany no antony amakiantsika fa i Stefana, ilay maritiora kristiana voalohany, dia “natory tao amin’ny fahafatesana”. — Asan’ny Apostoly 7:60, NW; 1 Tesaloniana 4:13, NW.
Fitsanganana ho amin’ny fiainana eto an-tany
Kanefa ahoana ny amin’ny fampanantenana nomen’i Jesosy an’ilay mpanao heloka bevava izay maty teo anilany? Tahaka an’ireo Jiosy maro tamin’izay fotoana izay, dia nino io lehilahy io fa Andriamanitra dia haniraka Mesia iray izay hanangana fanjakana iray sy hamerina indray ny fiadanana sy ny filaminana eo amin’ny firenena jiosy eto an-tany. (Ampitahao amin’ny Lioka 19:11; 24:21 sy ny Asan’ny Apostoly 1:6 ny 1 Mpanjaka 4:20–5:1-5.) Ambonin’izany, ilay mpanao ratsy dia naneho finoana fa i Jesosy no Ilay nofidin’Andriamanitra ho Mpanjaka. Kanefa, tamin’io fotoana io, ny fahafatesan’i Jesosy efa antomotra tamin’ny naha-olona voaheloka dia nahatonga izany ho toa tsy azo inoana. Izany no antony nanomezan’i Jesosy toky indray an’ilay mpanao heloka bevava tamin’ny fampidirana ny fampanantenany tamin’izao teny izao: “Lazaiko aminao marina tokoa anio: Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” — Lioka 23:42, 43, NW.
Ireo fandikan-tenin’ny Baiboly izay mampiditra mari-piatoana eo alohan’ny teny hoe “anio”, dia miteraka zava-manahirana ho an’ireo olona izay ta hahazo ny hevitry ny tenin’i Jesosy. Tsy nankany amin’izay mety ho paradisa tamin’io andro io mihitsy i Jesosy. Nitoetra tsy nahatsiaro tena tao amin’ny fahafatesana kosa izy nandritra ny telo andro mandra-panangan’Andriamanitra azy. Na dia taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty sy niakarany ho any an-danitra aza, dia tsy maintsy niandry teo an-tanana havanan’ny Rainy izy mandra-pahatongan’ny fotoana hanapahany amin’ny maha-Mpanjaka eo amin’ny taranak’olombelona. (Hebreo 10:12, 13). Tsy ho ela ny Fanjakan’i Jesosy dia hitondra fanamaivanana ho an’ny taranak’olombelona ary hanova ny tany manontolo ho tonga paradisa. (Lioka 21:10, 11, 25-31). Amin’izay dia hotanterahiny ny fampanantenana nomeny an’io mpanao heloka bevava io amin’ny fananganana azy amin’ny maty ho amin’ny fiainana eto an-tany. Ary hiaraka amin’ilay lehilahy i Jesosy amin’ny heviny hoe izy dia hanome azy izay rehetra hilainy, anisan’izany ny hilana hampifanarahana ny fomba fiainany amin’ireo lalàna marin’Andriamanitra.
Fitsanganan’ny maro
Toy ny an’io mpanao heloka bevava nibebaka io, ny fitsanganan’ny ankabeazan’ny olombelona dia hitranga eto an-tany. Mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny namoronany ny olona izany. Napetraka tao amin’ny zaridaina paradisa ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany ary nasaina nampanompo ny tany. Raha nanohy nankato an’Andriamanitra izy ireo, dia tsy ho nihantitra sy maty na oviana na oviana. Tamin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, dia ho nampanompoina ny tany manontolo, ho nataon’i Adama sy ireo taranany lavorary ho paradisa naneran-tany. — Genesisy 1:28; 2:8, 9.
Kanefa, noho i Adama sy i Eva nanota an-tsitrapo, dia nitondra fahafatesana ho an’ny tenany sy ho an’ireo ho taranany izy ireo. (Genesisy 2:16, 17; 3:17-19). Izany no antony ilazan’ny Baiboly hoe: ‘Avy tamin’ny olona iray [Adama] no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra’. — Romana 5:12.
Olombelona iray monja no teraka tsy nanana fahotana nolovana. Izany dia i Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra lavorary, izay ny fiainany dia nafindra avy tany an-danitra ho ao an-kibon’i Maria virjiny jiosy. Nitoetra ho tsy nanana ota i Jesosy ary tsy mendrika ny hovonoina ho faty. Noho izany, ny fahafatesany dia manana vidiny mahavotra ho solon’ny “fahotan’izao tontolo izao”. (Jaona 1:29; Matio 20:28). Izany no antony nahafahan’i Jesosy nilaza hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” — Jaona 11:25.
Koa afaka mitadidy ao an-tsaina ny fahatsinjovana ny ho tafaray indray amin’ireo olon-tianao nody mandry ianao, kanefa izany dia mitaky ny hanehoanao finoana an’i Jesosy amin’ny maha-Mpanavotra anao azy sy ny hankatoavanao azy amin’ny maha-Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra. Tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanafoana ny faharatsiana rehetra eto amin’itỳ tany itỳ. Haringana ny olona rehetra izay tsy mety manaiky ny fanapahan’izy io. Ireo vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa dia ho tafita velona sy hampiasa ny tenany amin’ny asa fanovana itỳ tany itỳ ho zary paradisa. — Salamo 37:10, 11; Apokalypsy 21:3-5.
Amin’izay dia ho tonga ny fotoana hampientana hanombohan’ny fananganana amin’ny maty. Ho eo ve ianao mba handray an-tanan-droa ny fiverenan’ireo nody mandry? Miankina amin’izay ataonao ankehitriny izany rehetra izany. Fitahiana mahatalanjona no miandry ny rehetra izay manaiky ny fanapahan’ny Fanjakan’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany dieny ankehitriny.