Mankafy ny Fianarana Manokana ve Ianao?
NA IZA na iza mpanompon’Andriamanitra tso-po dia ho finaritra ny hanokana fotoana ampy tsara amin’ny fianarana manokana ny Baiboly. (Salamo 1:1, 2). Kanefa, noho ny fahatsapany fa mitaky be dia be amin’ny fotoanany sy ny heriny izany, dia maro no mahita fa sarotra ny manokana fotoana sy tanjaka amin’ny fianarana manokana araka izay tiany.
Kanefa, mba haharetana hatrany amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra mavitrika, ny rehetra dia mila ny manavao isan’andro ny fifaliany sy ny heriny amin’ny fahitana endriny vaovao na lalina kokoa isehoan’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra. Ny fahamarinana raketin’ny Baiboly izay nanome antony manosika lalina anao, taona maromaro lasa izay, dia mety tsy hanome antony manosika anao toy izany intsony ankehitriny. Koa amin’izany, dia tsara, iankinan’ny aina mihitsy aza, ny hanaovantsika ezaka amim-pieritreretana tsara sady mitohy mba hahazoana fahatakarana hevi-dalina vaovao ny amin’ny fahamarinana, hany ka hitoetra ho marisika ara-panahy hatrany isika.
Ahoana no nanatanjahan’ireo olona nanam-pinoana fahiny ny tenany tamin’ny lafiny ara-panahy tamin’ny alalan’ny fianarana manokana ny Tenin’Andriamanitra? Ahoana no anaovan’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro maoderina izao ny fianarany ho mahafinaritra kokoa sy ahitam-bokatra? Ahoana no namalian-tsoa azy ireo tamin’ny ezaka nataony?
Nanavao ny heriny tamin’ny alalan’ny fianarana manokana izy ireo
Niantsoroka ny fanatanterahana ny tetik’adiny hanoherana ny fanompoan-tsampy tamin-jotom-po bebe kokoa mihitsy aza i Josia Mpanjakan’ny Joda, taorian’ny namakiana taminy “ny bokin’ny lalàn’i Jehovah, izay nampilazaina an’i Mosesy”. Tsy isalasalana fa tsy sambany vao nandinika io ampahany amin’ny Tenin’Andriamanitra io izy; kanefa ny fandrenesana ilay hafatra nivantana avy tamin’ny sora-tanana voalohany dia nandrisika azy tamin’ny adiny ho an’ny fanompoam-pivavahana madio. — 2 Tantara 34:14-19.
Nahalala ‘ny isan’ny taona izay hahataperan’ny fahafoanan’i Jerosalema’ sy ny naha-azo antoka izany i Daniela mpaminany, tsy avy tamin’ny bokin’i Jeremia ihany fa avy tamin’ireo “boky” koa. Izy ireny dia azo inoana indrindra fa nahatafiditra ireo boky toy ny Levitikosy, (26:34, 35), ny Isaia, (44:26-28), ny Hosea, (14:5-8), sy ny Amosa. (9:13-15). Izay nohamarininy tamin’ny alalan’ny fianarany tamim-paharisihana ireo boky ao amin’ny Baiboly, dia nitarika an’io lehilahy tia fivavahana io hitady an’Andriamanitra tao amin’ny vavaka nafana. Novaliana tamin’ny fanambarana amboniny sy ny fanomezan-toky indray momba ny tanànan’i Jerosalema mbamin’ireo olony, ny fangatahany feno fahatsorana. — Daniela 9, toko faha-9.
I Josia, izay nanao ‘izay mahitsy teo imason’i Jehovah’, sy i Daniela, izay “malala indrindra” teo imason’Andriamanitra, dia tsy samy hafa amintsika amin’izao andro izao, amin’ny fotony. (2 Mpanjaka 22:2; Daniela 9:23). Nitarika azy ireo ho amin’ny fahatanjahana ara-panahy bebe kokoa sy nanampy azy ireo hankafy ny fifamatorana mafimafy kokoa tamin’Andriamanitra ny ezaka manokana natokany tamin’ny fianarana, noho ny antony manosika ambony, ny Soratra Masina izay teo am-pelatanany tamin’izay fotoana izay. Azo lazaina ho toy izany koa ny amin’ireo mpanompon’i Jehovah maro hafa fahiny, toa an’i Jefta, ny mpanao salamo iray tao amin’ny ankohonan’i Asafa, i Nehemia, sy i Stefana. Izy rehetra ireo dia nanome porofon’ny fianarana manokana tamim-pitandremana, ny ampahany amin’ny Baiboly izay teo am-pelatanany tamin’ny androny. — Mpitsara 11:14-27; Salamo 79, 80; Nehemia 1:8-10; 8:9-12; 13:29-31; Asan’ny Apostoly 6:15–7:53.
Aoka ho fanoitra ny fanompoana
Manana fandaharam-potoana ho an’ny fianarana manokana ny Baiboly ny ankamaroan’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao, izay nanompo azy nandritra ny taona maro. Hitan’izy ireo fa tena ilaina izany mba hifohazana hatrany amin’ny lafiny ara-panahy sy hiatrehana amin’ny fomba feno ireo andraikiny kristiana. Na dia izany aza, dia maro amin’izy ireo no miaiky fa tsy mora foana ny mandanjalanja ny fampiasana ny fotoanany sy ny heriny eo amin’ny fianarana sy ireo raharaha hafa izay tsy tokony hatao tsirambina.
Na dia izany aza, ny fijanonana ho mailo ara-panahy amin’ny alalan’ny fianarana manokana amim-paharisihana dia tena ilaina amin’ny fikarakarana ireo zavatra ilaina eny amin’ny fanompoana kristiana amin’izao vanim-potoana efa lasa lavitra eo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany izao. Ireo izay mientam-po noho ny fahatakarana hevi-dalina vaovao sy lalina kokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia afaka miatrika ny zava-tsarotra amin’ny fananan-kery eo amin’ny olona mangetaheta ny fahamarinana. Marina izany na voatendry any amin’ny toerana azo antenaina fa hahazoana be dia be amin’ny fanaratoana ara-panahy ny olona iray, na miaritra any amin’ny faritany voasa tsara izay anjakan’ny tsy firaikana amin’ny ankapobeny izy.
Famahanan-tena tsy tapaka amin’ny Tenin’Andriamanitra
Izay ataon’ny hafa dia mety hanome hevitra anao ny amin’ny fomba ahafahanao mankafy bebe kokoa ny fahazaranao mianatra na ny fomba ahafahanao sy ny fianakavianao mampiasa ny fotoana ianarana mba hahitam-boka-tsoa bebe kokoa. Anisan’ireo zavatra izay tsy tian’ny mpanompon’Andriamanitra havela ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra mihitsy amin’ny fomba tsy tapaka. Maro no nanao ho zava-kendrena ny hamaky toko telo na efatra fara fahakeliny amin’ny Baiboly isan-kerinandro. Tianao ve ny hamaky ny Baiboly manontolo ao anatin’ny herintaona? Amin’izay ianao dia ho faly ny handany fotoana bebe kokoa amin’ny famakiana azy, angamba antsasak’adiny isan’andro.
Efa namaky ny Baiboly manontolo mihoatra ny indray mandeha ve ianao? Nahoana no tsy mametra zava-kendrena vaovao amin’ny manaraka? Mba hisian’ny fiovaovana, ny vehivavy kristiana iray dia namaky ireo boky ao amin’ny Baiboly araka ny filaharan’ny fotoana nanoratana azy ireo. Nahita tsipiriany maro izy, mifototra amin’ny toe-javatra nanodidina ny fanoratana araka ny fandaharan-taona, tsipiriany izay tsy hitany teo aloha. Ny vehivavy kristiana hafa iray dia namaky ny Baiboly hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, indimy nandritra ireo dimy taona farany, ka nataony tamin’ny fomba fijery samy hafa ny famakiana tsirairay. Novakiny an-kisesy hatramin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy izy io tamin’ny voalohany. Nandritra ny famakiana faharoa, dia namintina izay raketin’ny toko tsirairay tamin’ny andalana iray na roa tao anatin’ny kahie fandraisana an-tsoratra izy. Nanomboka tamin’ny taona fahatelo, dia nifindra tamin’ny fanontan’ny Baiboly misy fakan-teny lehibe velarana izy, ka nanamarina sy nifantina ireo fakan-teny nifampitohitohy eo an-tsisim-pejy aloha, ary avy eo dia nihevitra akaiky kokoa ireo fanamarihana ambany pejy sy ny fanazavana ao amin’ny appendice (pejy fanampiny). Tamin’ny fanindiminy, dia nampiasa ireo sarintanin’ny Baiboly izy mba hampitomboana ny fahazoana hevi-javatra avy amin’ny endriny ara-jeografia. Hoy izy hoe: “Tamiko, ny famakiana ny Baiboly dia nanjary nahafinaritra toy ny misakafo.”
Nahatsapa ireo mpianatra ny Baiboly mazoto sasany fa mahasoa ny fananana Baiboly iray nampiasaina fotsiny tamin’ny fianarana manokana, ka nanamarihana fohy teo an-tsisim-pejy ireo fanazavana mahaliana, fanoharana mampieritreritra, na ireo pejin’ny zavatra vita an-tsoratra hafa izay ho azony jerena any aoriana. Mihevitra ho fahafinaretana ny fanoratana eo amin’ny Baiboly fianarany, isaky ny faran’ny volana, ireo hevi-baovao izay nianarany nandritra ny volana, ny mpanompo manontolo andro iray. “Manampy ahy hanatratra zava-kendrena hafa amin’ny volana ho avy”, hoy izy, “ny fiandrasana mafy ireny orako sarobidy ireny.”
Hevitra sasany hitan’ny tia karokaroka
Mahatsapa ve ianao fa ny fandaharam-potoananao dia feno zavatra tsy maintsy atao isan’andro sy isan-kerinandro ary fa mila soso-kevitra tsy mivantana sasany ianao mba hampiasana amin’ny fomba tsaratsara kokoa ny fotoananao voafetra? Ento miaraka aminao izay nokasainao hovakina, ary ampiasao ireo fotoana tsy iasanao. Ao an-trano na eo amin’ny toerana mahazatra ianaranao, dia alamino, amin’ny fetra antonony araka izay azo atao, ireo boky sy fitaovana hafa ilaina amin’ny fianarana mba ho mora takarin’ny tanana izy ireny. Ataovy mahafinaritra ny toerana manokana fianaranao, kanefa tsy ho mampiadana loatra mba tsy hahatonga anao ho rendremana. Manana anjara lahateny ve ianao? Vakio manontolo ilay izy aloha be araka izay azonao atao, avy eo dia avelao ho tonga aminao ireo hevitra rehefa miala sasatra ianao na manao raharaha samihafa.
Mety hiara-miasa aminao ny hafa amin’ny fampiasana tsaratsara kokoa ny fotoana mba ho tombontsoan’ny andaniny avy. Ohatra, mety hangataka amin’olona iray ianao mba hamaky mafy aminao lahatsoratra mora azo, eo am-panaovanao raharaha mahazatra na eo am-panoloranao dite ho an’ilay mpamaky teny aminao tsara fanahy. Ahoana raha mifanaraka ny rehetra ao an-trano ny amin’ny fotoana milamina hanaovana fianarana manokana? “Inona no novakinao vao haingana ka nankafizinao?” Indraindray dia afaka mampamoaka izay nianaran’ireo namanao ianao amin’ny fanombohana resadresaka toy izany.
Mahaliana anao ve ny hampiditra hevi-baovao sasany ao anatin’ny fandaharam-pianaranao? Afaka mametra fotoana ho zava-kendrena amin’ny fianarana ianao, tahaka ny ameran’ny maro fotoana natao hiresahana momba ny Baiboly amin’ny hafa. Mametra zava-kendrena fara fahakeliny isam-bolana amin’ny ora ianarany ny mpitory manontolo andro (mpisava lalana) iray, ary finaritra izy rehefa mahita eo amin’ny tabilao fanamarihany ny zava-kendreny fa madiva ho tratrany ilay izy. Mametra ny fotoana hijereny televiziona ny hafa ka mitsimbina fotoana hianarana amin’izany. Maro no mifidy loha hevitra ianarana izay arahiny mandritra ny fotoana sasany, toy ny hoe ireo vokatry ny fanahy, toe-javatra nanodidina ny fanoratana ireo boky ao amin’ny Baiboly, na ny fahaiza-mampianatra. Ny hafa dia mankafy ny fanaovana tabilao araka ny fandaharan-taona, toy ireo mampiseho ny fifandraisana nisy teo amin’ireo mpanjaka sy mpaminany isiraelitaa na teo amin’ny Asan’ny Apostoly sy ireo taratasy nosoratan’i Paoly.
Ry tanora, tianareo ve ny hanana finoana matanjaka kokoa? Nahoana no tsy mifidy zavatra vita an-tsoratra iray hianarana amin’ny fomba feno mandritra ny fotoam-pialan-tsasatry ny sekolinareo ho avy? Nisy mpianatra any amin’ny lise vita batisa iray nifidy ny boky hoe L’humanité à la recherche de Dieu, izay navoakan’ny Fikambanana Watch Tower. Isaky ny toko, dia nanao famintinana fohy izay zavatra nianarany tao anatin’ny kahie fandraisany an-tsoratra izy. Zava-tsarotra ilay izy ary naka fotoana mihoatra noho izay noeritreretiny. Kanefa, rehefa vitany ilay boky manontolo, dia voatohin’ny fahamarinan’ny hafatra raketin’ny Baiboly mafy ny fony.
Aoka ianao ho dodona hatrany ny hianatra
Mpanompon’i Jehovah mahatoky maro be amin’izao andro maoderina izao no efa ‘mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo’. (1 Korintiana 15:58). Na dia manana fandaharam-potoana voadinika indray sy fiezahana amim-pahatsorana aza ianao, dia mety tsy hiova firy ny fahazarana arahinao ao anatin’ny herinandro mahazatra iray. Kanefa, ny fahadodonana tsy miovaova avy aminao mba hahazo lalina kokoa ny hevitry ny fahamarinana sy hitoetra ho mahatsapa sy mifanaraka amin’ny fampiharihariana miandalana ny fikasan’i Jehovah, dia zava-dehibe.
Mampahery ny mandre ny valisoa azon’ireo izay nanatsara ny modely narahiny tamin’ny fianarana. Nisy lehilahy kristiana iray, izay nahatsapa fa nanary ny fihetsika manorina amin’ny fitadiavana hahazo lalina kokoa ny hevitry ny fahamarinana, nandamina ny fiainany mba hahafahany hanokana ny maromaro kokoa amin’ireo ora mampahalalaka azy hanaovana fianarana manokana. “Nitondra ho ahy fahafinaretana izay mbola tsy hitako teo aloha mihitsy izany”, hoy izy. “Amin’ny fananana fatokiana mitombo hatrany fa Andriamanitra no loharanon’ny Baiboly, dia hitako fa afaka miresaka amin’ny hafa momba ny finoako amin-kafanam-po marina aho. Mahatsiaro tena ho voafahana tsara sy salama ara-panahy ary afa-po aho isaky ny mifarana ny andro tsirairay.”
Nilazalaza toy izao ireo tombontsoa hafa ny mpiandraikitra mpitety faritany iray ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mitsidika kongregasiona maro: “Ireo izay marisika amin’ny fianarana manokana dia mazàna no mampiasa fitenenana velombelona sy toa hitan’ny maso aoka izany. Mahay mifanaraka tsara kokoa amin’ny hafa izy ireo, ary tsy mora voahozongozon’ny fanamarihana tsy manorina avy amin’ny hafa. Rehefa eny amin’ny saha fitoriana izy ireo dia afaka mampifanara-javatra sy mailo amin’izay ilain’ireo olona tojo azy.”
Nampiany ny teniny tamin’ny lafin-javatra iray izay mety ho tian’ny sasany hotadidina ao an-tsaina rehefa mamotopototra ny amin’ny modelin’ny fianarana arahin’izy ireo manokana izy ireo. “Any am-pivoriana, mandritra ireo dinidinika momba ny Soratra Masina, dia maro no mirona hamaky mivantana ny valin-teniny avy eo amin’ny pejy vita pirinty. Handray soa bebe kokoa izy ireo raha misaintsaina ny fomba ifandraisan’ilay zavatra ianarana amin’izay efa nianarany teo aloha na amin’ny fiainany manokana.” Heverinao ve fa ho afaka ny hihatsara amin’io lafiny io ianao?
Tsy nahatsapa tena ho nahazo tamin’ny fomba efa ampy ny hevitry ny lalan’i Jehovah i Daniela mpaminany, taorian’ny 90 taona mahery niainany. Nandritra ireo taona farany niainany, dia nanontany nikasika ny raharaha iray izay tsy takatry ny sainy tamin’ny fomba feno izy hoe: “Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran’ireo zavatra ireo?” (Daniela 12:8). Tsy isalasalana fa ny fahadodonany tsy niova mba hianatra bebe kokoa momba ny fahamarinan’Andriamanitra no fanalahidin’ny tsy fivadihany tsara dia tsara nandritra ny androm-piainany feno fisehoan-javatra. — Daniela 7:8, 16, 19, 20.
Ny mpanompon’i Jehovah tsirairay avy dia manana andraikitra tsy latsa-danja noho izany mba hifahatra amin’ny maha-Vavolombelony. Aoka ianao ho dodona hatrany ny hianatra mba hitoeranao ho matanjaka ara-panahy. Andramo ampiana lafin-javatra vaovao iray na roa ny fandaharam-potoana amin’ny fianaranao manokana isan-kerinandro, isam-bolana, na isan-taona. Jereo ny fomba hitahian’Andriamanitra izay rehetra mety ho ezaka kely ataonao. Eny, ankafizo ny fianaranao manokana ny Baiboly sy ny vokatra entin’izany. — Salamo 107:43.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mety ho tianao ny hampiasa ny tabilao hita ao amin’ny Toute Écriture est inspirée de Dieu et utile, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., pejy faha-282-288, ho fototry ny fianaranao miitatra.