Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
“Tsangambato ho An’ny Toe-tsaina Tia Fiaraha-miasa”
EO AKAIKIN’NY tendrony atsimo indrindra any Espaina no mandondona ny vaingam-bato sokay makadiry iray fantatra hoe ny Vatolampin’i Gibraltar. Nandritra ny an-jatony taona maro, dia vavolombelona manginan’ny fifandirana ara-politika sy ny tsy fifanarahana iraisam-pirenena io vatolampy io. Mifanohitra amin’izany, vao haingana ny Vatolampin’i Gibraltar dia faritra nanodidina ny fampisehoana fiaraha-miasa sy firaisan-tsaina izay mahalana no hita eo amin’izao tontolo izao ankehitriny.
Telo kilaometatra monja avy eo amin’ilay Vatolampy no misy ny tanànan’i La Línea, any Espaina. Namory mpiasa an-tsitrapo an-jatony maro izay dodona ny hanome ny fotoany sy ny heriny, ny fanorenana Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo. Noho izy ireo nilofo hampijoro toerana mifanentana amin’ny fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona, na dia ilay faritra manodidina manerinerina nisy ilay Vatolampin’i Gibraltar aza dia tsy dia nanao ahoana intsony niolotra tamin’ilay lahasa teo an-dalam-pahatanterahana.
Nandefa izao tatitra manaraka izao ireo mpitory ilay Fanjakana any amin’io tapany amin’izao tontolo izao io:
“Mpiasa an-tsitrapo feno risi-po 900 no niasa andro aman’alina, nanomboka ny zoma tolakandro 24 Septambra 1993. Tamin’ny fito ora ny alahady hariva, dia nisy takelaka fampahafantarana ilay trano ho Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah najoro ary nampiasaina tamin’ny fivoriana ampahibemaso voalohany indrindra ho azy ilay rafitra vaovao manintona.
“Vavolombelona maro avy tetsy Gibraltar etsy akaiky no niampita ny sisin-tany mba hanampy ireo rahalahiny espaniola. ‘Tsy nampihena ny toe-tsaim-pirahalahianay iraisam-pirenena ireo fisaratsarahana ara-politika’, hoy ny fanazavan’ny iray tamin’ireo mpiasa an-tsitrapo, izay teratany atsy Gibraltar. Izao ny teny nanampiny: ‘Taona vitsivitsy lasa izay, dia nisy namana Vavolombelona avy teto La Línea tonga nanampy anay hanorina ny Efitrano Fanjakananay etsy Gibraltar, hany ka faly izahay izao mamaly soa ny soa.’
“Mba hanampiana ireo ezaka maimaim-poana nataon’ireo kongregasiona roan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo mpanampy za-draharaha an-jatony maro avy teny amin’ny faritr’i Andalousie, dia nanapa-kevitra ny tanànan’i La Línea fa hanome ho anjara birikiny ilay sombin-tany tena ilaina. ‘Araka ny fanao, dia nanome mandrakariva tany ho an’ny fanorenana eglizy katolika ireo manam-pahefana espaniola eto an-toerana’, hoy ny fanazavan’ny ben’ny tanàna ao La Línea nandritra ny fitsidihany ilay toeram-panorenana. ‘Nahoana no tsy manao toy izany koa ho an’ireo fandaminana ara-pivavahana hafa? Tena nampiaiky volana ahy ny tsy fitiavan-tena asehon’ireo mpiasa an-tsitrapo, ary heveriko fa mendrika ny fanohananay izy ireo. Mila bebe kokoa amin’izany karazana toe-tsaina izany isika eo amin’izao tontolo izao ankehitriny voazarazara.’
“Nanisy firesahana an’ilay Efitrano Fanjakana ho ‘tsangambato ho an’ny toe-tsaina tia fiaraha-miasa’ izy. Eny tokoa, ny endriny nampiaiky volana indrindra dia tsy ilay drafitra momba ny mari-trano na ny haben’ilay trano. Fa ny nampiaiky volana ny maro tao amin’ilay fiaraha-monina kosa dia ny nanorenan’ireo mpiasa an-tsitrapo irery azy io sy ny nananganana azy io tao anatin’ny 48 ora monja!”
Miharihary fa niseho ho nahatoky tamin’ireo teny ao amin’ny Galatiana 6:10 ireo Vavolombelon’i Jehovah any La Línea sy ireo faritra manodidina azy. Nananatra ireo mpiray finoana taminy toy izao ny apostoly Paoly ao: “Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.”