Constantin Lehibe — Mpiaro Nafana Fo ny Kristianisma Ve?
I Constantin, Emperora romana, dia anisan’ireo lehilahy vitsivitsy nanana ny anarany noravahan’ny tantara tamin’ilay teny hoe “Lehibe”. Ny Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nanampy ny fitenenana hoe “olo-masina”, “apostoly fahatelo ambin’ny folo”, “masina mitovy amin’ireo apostoly”, ary ‘voafidin’ny Fahasoavan’Andriamanitra mba hanatontosa ny fiovana lehibe indrindra teo amin’izao tontolo izao manontolo’. Etsy an-danin’izany kosa, ny sasany dia milazalaza an’i Constantin ho “voapentin-dra, fantatra noho ireo zavatra maharikoriko tsy tambo isaina vitany, sy feno fitaka, (...) mpanapaka lozabe maharikoriko nahavita heloka bevava nahatsiravina”.
OLONA maro milaza tena ho Kristiana no nampianarina fa i Constantin Lehibe dia iray tamin’ireo mpanasoa ny Kristianisma niavaka indrindra. Mihevitra izy ireo fa izy no nanafaka ny Kristiana tamin’ny fampahoriana nateraky ny fanenjehan’ny Romana, ary nanome azy ireo fahalalahana ara-pivavahana. Ambonin’izany, dia miely patrana ny finoana fa mpanara-dia nahatoky an’i Jesosy Kristy izy sady nanana faniriana mafy ny hampandroso ny Kristianisma. Ny Eglizy Ortodoksa Tatsinanana sy ny Eglizy Kopta dia manambara an’i Constantin sy i Hélène, reniny, ho “olo-masina”. Ankalazaina ny fetin’izy ireo ny 3 Jona na ny 21 May, arakaraka ny kalandrie ampiasain’ilay eglizy.
Iza marina moa i Constantin Lehibe? Inona no anjara asany teo amin’ny fampandrosoana ny Kristianisma taorian’ny andron’ireo apostoly? Tena andraisana fanazavana ny famelana ny tantara sy ireo manam-pahaizana hamaly izany fanontaniana izany.
Constantin araka ny tantara
Teraka tao Niš, any Serbia, tokony ho tamin’ny taona 275 am.f.i. i Constantin, zanakalahin’i Constance Chlore. Rehefa tonga emperoran’ireo provansy tany andrefan’i Roma ny rainy tamin’ny 293 am.f.i., izy kosa dia teo am-panaovana ady teo amin’i Danube, noho ny baikon’ny Emperora Galère. Niverina tany Grande-Bretagne, teo anilan-drainy efa teo ambavahoana i Constantin, tamin’ny taona 306 am.f.i. Tsy ela taorian’ny nahafatesan-drainy, dia nasandratry ny tafika ho emperora i Constantin.
Tamin’izay fotoana izay, dia nisy olona dimy hafa nilaza tena ho Emperora koa. Fotoana nisian’ny ady an-trano tsy an-kijanona ny fe-potoana teo anelanelan’ny 306 sy 324 am.f.i., ary taorian’izay i Constantin no tonga emperora tokana. Fandresena ara-tafika roa sosona no niantoka ny toeran’i Constantin teo amin’ny tantara romana, ka nanao azy ho ny hany mpanapaka ny Empira Romana.
Resin’i Constantin tamin’ilay ady teo amin’ny Tetezan’i Milvius, tany ivelan’i Roma, i Maxence, ilay rafiny, tamin’ny 312 am.f.i. Nilaza ireo mpiaro ny finoana kristiana fa nandritra izany ady ara-tafika izany, no niseho teto ambany masoandro ny lakroa iray tao anatin’ny lelafo, nahitana ny teny latina hoe In hoc signo vinces, izay midika hoe “Mandrese amin’ny alalan’io famantarana io”. Misy koa mino fa tao amin’ny nofy, dia nilazana i Constantin mba handoko ireo litera roa voalohany amin’ny anaran’i Kristy amin’ny teny grika, teo amin’ny ampingan’ireo miaramilany. Mirakitra fahadisoana maro mahakasika ny fotoana nitrangan-javatra anefa io fitantarana io. Milaza toy izao ny boky A History of Christianity: “Misy zavatra tsy mifanaraka momba ny fotoana sy ny toerana marina ary ny tsipiriany mahakasika io fahitana io.” Rehefa nandray an’i Constantin tany Roma ny Konsily mpanompo sampy iray, dia nanambara azy ho Emperora lehibe indrindra sady Pontifex Maximus, izany hoe mpisoronaben’ny fivavahan’ny mpanompo sampy izay an’ny empira.
Tamin’ny 313 am.f.i., dia nandamina fiaraha-miasa tamin’ny Emperora Licinius, mpanapaka ireo provansy tany atsinanana, i Constantin. Tamin’ny alalan’ny Lalàn’i Milan, dia niara-nanome fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana sy fitovian-jo an’ireo antokom-pivavahana rehetra izy ireo. Mpahay tantara maro anefa no manamaivana ny maha-zava-dehibe an’io taratasy ofisialy io, amin’ny filazana fa taratasy ofisialy tsotra fotsiny izy io fa tsy taratasy ofisialy mavesa-danja avy amin’ny emperora, izay manambara fiovan’ny tetika arahina manoloana ny Kristianisma.
Tao anatin’ireo folo taona nanaraka, dia nandresy an’ilay rafiny sisa tavela, dia i Licinius, i Constantin, ka tonga ny mpanapaka notoavina teo amin’ny tontolo romana. Tamin’ny 325 am.f.i., na dia mbola tsy vita batisa aza izy, dia nitarika ny konsily eokiomenika lehibe nataon’ny eglizy “kristiana” voalohany indrindra, izay nanameloka ny Arianisme sady namolavola ny fanambarana ny votoatin’ny foto-pinoana nantsoina hoe Fanekem-pinoan’i Nicée.
Voan’ilay aretina izay nitarika ny fahafatesany i Constantin, tamin’ny taona 337 am.f.i. Teo ambavahoana izy fony natao batisa, ary maty avy eo. Nataon’ny Konsily ho anisan’ireo andriamanitra romana izy taorian’ny nahafatesany.
Ny fivavahana sy ny tetik’adin’i Constantin
Hoy ny boky Istoria tou Ellinikou Ethnous (Tantaran’ny Firenena Grika) momba ny fihetsika ankapobe narahin’ireo emperora romana tamin’ny taonjato fahatelo sy fahefatra nanoloana ny fivavahana: “Na dia tsy nanana fironana ara-pivavahana lalina aza ireo izay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny emperora, ka nanaraka fotsiny ny fihevitra nanjaka tamin’izany, dia hitan’izy ireo fa nilaina ny hanomezana toerana lehibe ho an’ny fivavahana teo amin’ireo tetik’adiny ara-politika, mba hanomezana, fara faharatsiny, endriny ara-pivavahana an’ireo zavatra nataony.”
Azo inoana fa lehilahy nahay nampifanara-javatra tamin’ny vanim-potoana niainany, i Constantin. Tamin’ny fotoana nanombohany ny asany, dia nila ny fanohanan’ireo “andriamanitra” izy, kanefa tsy afaka nanome izany ireo andriamanitra romana nihalefy. Nikororosy ny empira, anisan’izany ny fivavahana sy ny fikambanana hafa tao aminy, ka nilaina ny zava-baovao nampahatanjaka mba hanamafisana orina azy io indray. Hoy ny encyclopédie Hidria: “Liana manokana tamin’ny Kristianisma i Constantin, satria izy io dia tsy vitan’ny hoe nanohana ny fandreseny fotsiny, fa nanohana koa ny fandaminany indray ny empirany. Lasa mpanohana azy teo amin’ny politika ireo eglizy kristiana nisy hatraiza hatraiza. (...) Nangoniny nanodidina azy ireo eveka natanjaka tamin’ny androny (...), ary nangatahiny ny hitandrovan’izy ireo ny firaisan-tsaina.”
Tsapan’i Constantin fa ny fivavahana “kristiana” — na dia nivadi-pinoana sy nikororosy be aza tamin’izany — dia azo nampiasaina tamim-pahombiazana ho toy ny hery nanatanjaka sy nampiray saina, mba hampandehanana ny tetik’adiny lehibe momba ny fanapahan’ny emperora. Tamin’ny fanekena ny fototra niorenan’ny Kristianisma nivadi-pinoana mba hahazoana fanohanana teo amin’ny fampandrosoana ny zava-kendreny ara-politika, dia nanapa-kevitra izy ny hampiray ny olona tao amin’ny fivavahana tokana, dia ny fivavahana “katolika”, na hoe fivavahana natao ho an’ny rehetra. Nomena anarana “kristiana” ireo fombafomba sy fankalazan’ny mpanompo sampy. Ary nomena ny toerana sy ny karama ary ny fitaomana mahery nananan’ireo pretra mpanompo sampy, ny klerjy “kristiana”.
Nikatsaka firindrana ara-pivavahana noho ny antony ara-politika i Constantin, ka noreseny haingana izay nety ho mpanohariana rehetra. Tsy noho ny fahamarinana araka ny foto-pampianarana anefa no nanaovany izany, fa noho ny zavatra neken’ny besinimaro kosa. Ny tsy fitovian-kevitra lehibe ara-poto-pinoana teo anivon’ny eglizy “kristiana” nisaratsaraka be izaitsizy, dia nanome azy fahafahana hisalovana toy ny hoe tamin’ny naha-mpanelanelana “nirahin’Andriamanitra” azy. Tamin’ny alalan’ny fifampiraharahany tamin’ireo Donatistes tany Afrika Avaratra, sy ireo mpanara-dia an’i Arius tany amin’ny tapany atsinanan’ny empira, dia tsikariny fa tsy ampy mba hanorenana firaisam-pinoana matanjaka, ny fandresen-dahatra.a Tamin’ny ezaka nataony mba handaminana ilay ady hevitra nifandray tamin’ny Arianisme no namoriany ny konsily eokiomenika voalohany teo amin’ny tantaran’ny eglizy. — Jereo ny faritra voafefy hoe “Constantin sy ny Konsilin’i Nicée”.
Mahakasika an’i Constantin, dia nilaza toy izao i Paul Johnson, mpahay tantara: “Ny iray amin’ireo antony lehibe nileferany tamin’ny Kristianisma dia nety hoe satria izy io no nanome azy sy ny Fanjakana fahafahana hifehy ny tetika arahin’ny Eglizy momba ny foto-pinoana sy ny fitondrana an’izay tsy manaraka ny foto-pinoana.”
Tonga Kristiana ve izy?
Nanamarika toy izao i Johnson: “Tsy niala na oviana na oviana tamin’ny fivavahana tamin’ny masoandro i Constantin, sady nitana foana ny sarin’ny masoandro teo amin’ireo vola madinika tamin’ny androny”. Toy izao ny fanamarihan’ny Catholic Encyclopedia: “Tsy nanao tombo sy hala tamin’ireo fivavahana roa i Constantin. Tamin’ny naha-pontifex maximus azy, dia nikarakara ny fivavahan’ny mpanompo sampy sy niaro ny zon’izy io izy.” “Tsy tonga Kristiana na oviana na oviana i Constantin”, hoy ny encyclopédie Hidria, ary izao no teny nanampiny: “I Eusèbe avy any Kaisaria, izay nanoratra ny tantaram-piainany, dia nilaza fa tamin’ny ora farany nahavelomany no nahatongavany ho Kristiana. Tsy midika na inona na inona izany, satria ny omalin’io izy [i Constantin] dia nanao fanatitra ho an’i Zeosy noho izy nanana ny anaram-boninahitra hoe Pontifex Maximus koa.”
Hatramin’ny andro nahafatesany tamin’ny 337 am.f.i., dia nitondra ilay anaram-boninahitry ny mpanompo sampy hoe Pontifex Maximus, filoha tampon’ny raharaha ara-pivavahana, i Constantin. Mahakasika ny batisany, dia ara-dalàna ny hanontaniana hoe: Nisy tena fibebahana marina sy fiovana araka ny takina ao amin’ny Soratra Masina ve talohan’izy io? (Asan’ny Apostoly 2:38, 40, 41). Fandrobohana tanteraka tao anaty rano ho mariky ny fanoloran-tenan’i Constantin ho an’i Jehovah Andriamanitra ve izy io? — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:36-39.
“Olo-masina” ve?
Milaza toy izao ny Encyclopædia Britannica: “Nahazo ilay anaram-boninahitra hoe Lehibe i Constantin noho izay nataony fa tsy noho ny naha-izy azy. Raha tombanana araka ny toetra tokoa, dia anisan’ireo latsan-danja indrindra tamin’ireo rehetra nampiharana an’ilay mpamari-toetra [hoe Lehibe] izy, na tamin’ny andro taloha izany, na amin’ny andro ankehitriny.” Ary mampahafantatra antsika toy izao ilay boky hoe A History of Christianity: “Nisy tatitra natao taloha momba ny toetrany nahery setra sy ny habibiana nasehony rehefa tezitra. (...) Tsy nanana fanajana ny ain’olombelona izy (...) Nanjary naharikoriko ny fiainany manokana rehefa nihantitra izy.”
Niharihary fa nanan-java-nanahirana lehibe momba ny toetra i Constantin. Nilaza ny mpikaroka iray momba ny tantara fa “ny antony nanaovany heloka bevava matetika dia noho izy saro-po”. (Jereo ny faritra voafefy hoe “Vonoan’olona tao Amin’ny Ankohonan’ny Mpanapaka”.) “Tsy olo-malaza nanana toetra kristiana” i Constantin, hoy ny fanantitranteran’i H. Fisher, mpahay tantara, ao amin’ilay bokiny hoe History of Europe. Ny zava-misy dia tsy milazalaza azy ho Kristiana marina izay nitafy ny “toetra vaovao”, ka nahitana ny vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra — fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy sy fifehezan-tena. — Kolosiana 3:9, 10; Galatiana 5:22, 23, NW.
Ny vokatry ny ezaka nataony
Tamin’ny naha-Pontifex Maximus mpanompo sampy azy — ary noho izany dia filoha ara-pivavahan’ny Empira Romana — i Constantin dia niezaka nandrokidroky an’ireo evekan’ny eglizy nivadi-pinoana. Nomeny toerana nisy fahefana sy laza ary harena izy ireo, tamin’ny naha-minisitry ny fivavaham-panjakana romana azy ireo. Niaiky toy izao ny Catholic Encyclopedia: “Lasa lavitra aoka izany ny eveka sasany izay nohajambain’ny famirapiratry ny tao an-dapa ka tonga hatramin’ny fiderana ny emperora ho anjelin’Andriamanitra, ho fisiana masina, ary hatramin’ny faminaniana fa hanjaka any an-danitra tahaka ilay Zanak’Andriamanitra izy.”
Rehefa nanjary nahazo sitraka tamin’ny fitondram-panjakana ara-politika ny Kristianisma nivadi-pinoana, dia nihananjary anisan’itỳ tontolo itỳ, anisan’itỳ fandehan-javatra itỳ, ary voavily niala tamin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy. (Jaona 15:19; 17:14, 16; Apokalypsy 17:1, 2). Ho vokany, dia nisy fifangaroan’ny “Kristianisma” tamin’ireo foto-pampianarana sy fanao diso — ny Trinite, ny tsy fetezan-ko fatin’ny fanahy, ny afobe mirehitra, ny afo fandiovana, ny vavaka ho an’ny maty, ny fampiasana sapile sy sary vongana ary sary, sy ny toy izany. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 6:14-18.
Avy tamin’i Constantin koa no nandraisan’ny eglizy ny fironana hanao didy jadona. Hoy ny manam-pahaizana atao hoe Henderson sy Buck: “Simba ny fahatsoran’ny Filazantsara, nampidirina ireo fomba amam-panao mirenty, nomena voninahitra sy karama toa an’izao tontolo izao ireo mpampianatra tao amin’ny Kristianisma, ary ny Fanjakan’i Kristy indrindra indrindra dia novana ho fanjakan’itỳ tontolo itỳ.”
Aiza ny Kristianisma marina?
Ireo zava-misy ara-tantara dia mampiharihary ny fahamarinana fonosin’ny “fahalehibeazan’i” Constantin. Tsy naorin’i Jesosy Kristy, Lohan’ny kongregasiona kristiana marina, ny Fivavahana Lazaina fa Kristiana, fa amin’ny ampahany kosa, izy io dia vokatry ny fomba ara-politika nampiasaina mba hanatratrarana ny zava-kendrena, ary vokatry ny tetika feno hafetsen-dratsy nampiasain’ny emperora mpanompo sampy iray. Tena nety tsara ny nanontanian’i Paul Johnson, mpahay tantara, hoe: “Nanaiky ny Kristianisma ve ny empira, sa kosa ny Kristianisma no nijangajanga tamin’ny empira?”
Izay rehetra tena maniry hanaraka ny Kristianisma madio, dia azo ampiana hamantatra sy hifandray amin’ny tena kongregasiona kristiana marina amin’izao andro izao. Ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia tena vonona tokoa hanampy ireo olona tso-po hamantatra ny Kristianisma marina ary hanolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra, araka ny fomba azo ekena eo imasony. — Jaona 4:23, 24.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Donatisme dia sekta “kristiana” nisy tamin’ny taonjato fahefatra sy fahadimy am.f.i. Ny mpanaraka azy io dia nilaza fa ny nampisy vidiny an’ireo sakramenta dia niankina tamin’ny hatsaram-pitondran-tenan’ilay mpitondra fivavahana, ary koa tsy maintsy noroahin’ny eglizy tsy ho mpikambana tao ny olona meloka ho nanao fahotana lehibe. Ny Arianisme dia hetsika “kristiana” nisy tamin’ny taonjato fahefatra izay nanda ny maha-Andriamanitra an’i Jesosy Kristy. Nampianatra i Arius fa tsy nateraka Andriamanitra sady tsy nanam-piandohana. Ny Zanaka, noho izy nateraka, dia tsy afaka ny ho Andriamanitra amin’ny heviny mitovy amin’ny maha-Andriamanitra ny Ray. Tsy nisy hatrizay hatrizay ny Zanaka, fa noforonina izy, ary misy noho ny sitrapon’ny Ray.
[Efajoro, pejy 28]
Constantin sy ny Konsilin’i Nicée
Inona no anjara asan’ny Emperora Constantin, tsy vita batisa, tao amin’ny Konsilin’i Nicée? Hoy ny Encyclopædia Britannica: “Ny tenan’i Constantin mihitsy no nitantan-draharaha, nitarika tamin’ny fomba navitrika ny fiaraha-midinika (...) Noho ny tahotra niharo fanajana ara-pivavahana tafahoatra an’ilay emperora, dia nanisy sonia an’ilay fanekem-pinoana ireo eveka, afa-tsy roa monja, ka ny maro taminy dia nanao izany tsy fidiny.”
Roa volana taorian’ny nanaovana ady hevitra nafana ara-pivavahana, dia nanelanelana io mpanao politika mpanompo sampy io, ary nifidy ny hiandany tamin’ireo nilaza fa Andriamanitra i Jesosy. Fa nahoana? “Raha ny marina, i Constantin dia tsy nahazo velively ny hevitr’ireo fanontaniana nipetraka tao amin’ny teôlôjia grika”, hoy ilay boky hoe A Short History of Christian Doctrine. Ny tena zavatra takany dia hoe fandrahonana ny empirany ny fisaratsarahana ara-pivavahana. Koa tapa-kevitra ny hanamafy orina ny empirany izy.
Mahakasika ilay taratasy ofisialy farany natao drafitra tany Nicée, teo ambany fiarovan’i Constantin, dia hoy ny fanamarihan’ny boky Istoria tou Ellinikou Ethnous (Tantaran’ny Firenena Grika): “Izy io dia mampiseho ny tsy firaharahan[’i Constantin] an’ireo raharaha momba ny foto-pampianarana, (...) ny fiziriziriny tamin’ny fanandramana namerina tamin’ny laoniny ny firaisan-tsaina teo anivon’ny eglizy, na inona na inona vidiny, ary farany, ny fiekeny mafy fa tamin’ny naha-‘evekan’ireo olona tany ivelan’ny eglizy’ azy, dia izy no tompon’ny teny farany ny amin’ny raharaha ara-pivavahana rehetra.” Nety ho nanohana ireo fanapahan-kevitra noraisina tamin’io konsily io ve ny fanahin’Andriamanitra? — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29.
[Efajoro, pejy 29]
Vonoan’olona tao Amin’ny Ankohonan’ny Mpanapaka
Teo ambanin’izany lohateny izany no nilazalazan’ny boky Istoria tou Ellinikou Ethnous (Tantaran’ny Firenena Grika) izay nantsoiny hoe “ireo heloka bevava naharikoriko nataon’i Constantin tao anatin’ny fianakaviany”. Tsy ela taorian’ny nanorenany ny fifandimbasan’ireo handimby azy tao amin’ny ankohonany, dia nohadinoiny ny fomba hifaliana tamin’ireo zava-bita tsy nampoizina, ka nanjary tsapany ny loza nanodidina azy. Noho izy olona fatra-piahiahy ary angamba nampirisihin’ireo mpisolelaka taminy, dia nanjary niahiahy voalohany indrindra an’i Licinianus, zanaky ny mpiray tam-po taminy — zanaky ny emperora hafa izay efa novonoiny ho faty — ho nety ho rafiny, izy. Ny famonoana azy io dia narahin’ny famonoana ho faty an’i Crispus, lahimatoan’i Constantin mihitsy, izay niadian’i Fausta renikeliny, satria toa vato nisakana ny fahazoan’ny zanany fahefana feno.
Io zavatra nataon’i Fausta io no antony nahatonga ny fahafatesana nahatsiravina nihatra tamin’ny tenany, tamin’ny farany. Toa hita fa voarohirohy tamin’io vonoan’olona io i Hélène emperora vavy, izay nampihatra fitaomana teo amin’i Constantin zanany lahy, hatramin’ny farany. Nandray anjara tamin’ny fitohitohizan’ny famonoana ny maro tamin’ireo namany sy mpiara-miasa taminy koa, ny fihetseham-po feno hadalana nifehy an’i Constantin matetika. Toy izao ny famaranan-tenin’ny boky History of the Middle Ages: “Ny famonoana ho faty — mba tsy hilazana hoe vonoan’olona — ny zanany naterany sy ny vadiny, dia manondro fa tsy voatohina tamin’ny hery ara-panahin’ny Kristianisma mihitsy izy.”
[Sary, pejy 30]
Itỳ andohalambo ao Roma itỳ dia nampiasaina mba hankalazana an’i Constantin
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Musée du Louvre, Paris