FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/8 p. 30
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanasitrana Zazalahy Nisy Demonia i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Sitrana ny zazalahy iray azon’ny demonia
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Ny fanasitranana zazalahy iray azon’ny demonia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/8 p. 30

Fanontanian’ny Mpamaky

Araka ny Matio 17:20, dia tsy nahay nanasitrana ny zazalahy nijaly iray ny apostoly, ‘noho ny fahakelezan’ny finoan’izy ireo’. Ny Marka 9:29 anefa dia milaza fa nilana vavaka ilay izy ka izany no tsy nahaizan’izy ireo nanao izany. Nahoana no antony samy hafa no omen’ireo fitantaran’ny Filazantsara samy hafa?

Raha ny tena izy, dia mifameno ireo fitantarana roa ireo, fa tsy mifanipaka. Andeha hojerentsika aloha ny Matio 17:14-20. Nanao tatitra ny lehilahy iray fa nararin’ny androbe ny zanany lahy, nefa tsy nahay nanasitrana ilay zazalahy ny mpianatra. I Jesosy àry no nanasitrana azy io, tamin’ny famoahana ny demonia iray nampijaly azy io. Nanontany ny antony tsy nahaizan’izy ireo namoaka ilay demonia ireo mpianatra. Araka ny fitantaran’i Matio, dia namaly toy izao i Jesosy: “Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.”

Andeha hojerentsika izao ny Marka 9:14-29, izay ahitantsika tsipiriany maro kokoa. Ny Marka 9:17, ohatra, dia manome ilay tsipiriany hoe tamin’io toe-javatra io, dia fanahy ratsy no nahatonga ny fihetsehan’ilay karazana androbe. Tsara homarihina fa any amin’ny andininy hafa, dia milaza ny Baiboly fa nanasitrana olona nararin’ny androbe sy azon’ny demonia, i Jesosy. (Matio 4:24). Tamin’itỳ toe-javatra maningana itỳ kosa, dia “fanahy moana sy marenina”, izany hoe, fanahy ratsy, no nahatonga ilay fihetsehan’aretina. Manamafy izany rahateo i Lioka dokotera. (Lioka 9:39; Kolosiana 4:14). Ao amin’ny Marka 9:18, dia mariho ilay teny hoe: “Na aiza na aiza no ahazoany [ilay demonia] azy”. Tsy notafihin’ilay demonia tsy an-kijanona àry izany ilay zazalahy, fa indraindray ihany. Na dia izany aza, dia tsy nahay namoaka ilay demonia ireo mpianatra ka tsy nahasitrana ilay zazalahy. Rehefa nanontany ny antony izy ireo, dia namaly toy izao i Jesosy: “Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona, afa-tsy amin’ny fivavahana ihany.”

Ny famakiana amim-pitandremana ny fitantaran’i Marka anefa, dia mampiseho fa tsy misy fifanoherana amin’izay voalazan’i Matio sy ny azy. Milaza amintsika ny Marka 9:19 fa nalahelo mafy noho ny tsy finoan’izany taranaka izany i Jesosy. Eo amin’ny andininy faha-23, dia voalaza ho niteny toy izao tamin’ny rain’ilay zazalahy i Jesosy: “Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.” Manantitrantitra koa ny maha zava-dehibe ny finoana àry izany i Marka. Manome tsipiriany fanampiny fotsiny i Marka eo amin’ny andininy faha-29. Nanampy teny mahakasika izay nolazain’i Jesosy momba ny vavaka i Marka. Tsy nampiditra izany kosa anefa na i Matio na i Lioka.

Inona àry no azontsika lazaina? Tamin’ny fotoana hafa, dia samy namoaka fanahy ratsy avokoa na ireo apostoly 12 na ireo mpianatra 70. (Marka 3:15; 6:13; Lioka 10:17). Tamin’io indray mandeha io anefa, dia tsy nahay namoaka ilay demonia ireo mpianatra. Nahoana? Raha akapoka ho iray ireo tsipiriany voalazan’ireo fitantarana samihafa, dia tsy maintsy manatsoaka hevitra isika fa tsy voaomana hanao izany ireo apostoly tamin’io toe-javatra io. Anisan’ny nahatonga ilay zava-nanahirana angamba ilay karazana demonia teto, satria toa samy hafa ny toetra ananan’ireo demonia sy ny zava-mahaliana azy ireny, ary eny fa na dia ny fahaizan’izy ireny koa aza. Tamin’itỳ iray itỳ, dia nilaina ny finoana tena matanjaka sy ny vavaka feno hafanam-po mba hangatahana ny fanampian’Andriamanitra. Mazava ho azy fa nanana finoana toy izany i Jesosy. Nanana ny fanohanan’ilay Rainy, Mpihaino vavaka, koa izy. (Salamo 65:2). Tsy vitan’ny hoe afaka nanasitrana ilay zazalahy nijaly i Jesosy, tamin’ny fandroahana ilay demonia, fa izany mihitsy koa no nataony.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara