Ny Harenantsika Sarobidy ao Anaty Vilany Tany
“Manana izao harena sarobidy izao ao anaty vilany tany (...) izahay, mba ho ny an’Andriamanitra ny hery mihoatra noho ny mahazatra fa tsy ilay avy amin’ny tenanay.” — 2 KORINTIANA 4:7, NW.
1. Amin’ny ahoana no tokony hampahery antsika ny ohatra navelan’i Jesosy?
NAHITA nivantana ny fahalemen’olombelona i Jesosy fony izy nahazo famolavolana avy tamin’i Jehovah teto an-tany. Tokony hampahery antsika tokoa ny ohatra navelany teo amin’ny fihazonana tsy fivadihana! Hoy ny apostoly amintsika: “Fa ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany”. (1 Petera 2:21). Nandresy an’izao tontolo izao i Jesosy, tamin’ny fanekena izany famolavolana izany. Nomeny fahasahiana ihany koa ireo apostoliny mba ho tonga mpandresy. (Asan’ny Apostoly 4:13, 31; 9:27, 28; 14:3; 19:8). Ary fampaherezana lehibe toy inona moa no nomen’i Jesosy, tamin’ny teny famaranana ilay lahateny farany nataony ho azy ireo! Hoy ny nambaran’i Jesosy: “Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” — Jaona 16:33.
2. Fahazavana inona no ananantsika, mifanohitra amin’ny fahajamban’izao tontolo izao?
2 Toy izany koa, fa rehefa avy nampifanoherin’ny apostoly Paoly ny fahajambana aterak’ilay “andriamanitr’izao tontolo izao” sy ny “fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy”, dia nilaza toy izao momba ny fanompoantsika sarobidy izy: “[Manana izao harena sarobidy izao ao anaty vilany tany (...) izahay, mba ho ny an’Andriamanitra ny hery mihoatra noho ny mahazatra fa tsy ilay avy amin’ny tenanay, NW ]. Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy; potraka, nefa tsy maty”. (2 Korintiana 4:4, 7-9). Na dia “vilany tany” marefo aza isika, dia namolavola antsika aoka izany tamin’ny fanahiny Andriamanitra, ka afaka mandresy tanteraka ny tontolon’i Satana isika. — Romana 8:35-39; 1 Korintiana 15:57.
Famolavolana teo amin’ny Isiraely fahiny
3. Ahoana no nilazalazan’i Isaia ny famolavolana ny firenena jiosy?
3 Tsy ny isam-batan’olona ihany no volavolain’i Jehovah fa firenena manontolo koa. Niroborobo, ohatra, ny Isiraely fahiny rehefa nanaiky hovolavolain’i Jehovah. Tamin’ny farany anefa, dia nanjary mafy tsy laitra natao na inona na inona izy io rehefa nikiribiby tamin’ny lalan’ny tsy fankatoavana. Vokatr’izany, dia nitondra ‘loza’ ho an’ny Isiraely ilay Mpamorona azy. (Isaia 45:9). Tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., dia noresahin’i Isaia tamin’i Jehovah ny fahotana lehibe nataon’ny Isiraely, ka hoy ny teniny: “Jehovah ô, Rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan’ny tànanao izahay rehetra. (...) Rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.” (Isaia 64:7-10). Voavolavola ho vilany tany mendri-kopotehina ny Isiraely, ary izany ihany no sahaza azy.
4. Sary an’ohatra inona no nasehon’i Jeremia tamin’ny zavatra nataony?
4 Taonjato iray tatỳ aoriana, rehefa nihananatona ny andro fampamoahana, dia nilaza tamin’i Jeremia i Jehovah mba haka tavoara tanimanga ary nasain’i Jehovah niaraka tamin’ny sasany tamin’ireo loholon’i Jerosalema nankany amin’ny Lohasahan’i Hinoma izy, ka nomeny toromarika hoe: “Torotoroy eo imason’ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin’ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony”. — Jeremia 19:10, 11.
5. Toy inona ny halehiben’ny didim-pitsarana nampiharin’i Jehovah tamin’ny Isiraely?
5 Tamin’ny 607 al.f.i., dia noravan’i Nebokadnezara i Jerosalema sy ny tempoliny ary nentiny ho babo tany Babylona ireo Jiosy sisa niangana. Taorian’ny 70 taona nahababoana anefa, dia nisy Jiosy nibebaka afaka niverina mba hanorina indray an’i Jerosalema sy ny tempoliny. (Jeremia 25:11). Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. anefa, dia nandao indray an’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe ilay firenena, ary nikororosy tamin’ny farany ka tonga hatramin’ny fanaovana heloka bevava faran’izay lehibe, dia ny namonoany ilay Zanak’Andriamanitra. Tamin’ny 70 am.f.i., dia nampiasain’Andriamanitra mba hanatanteraka ny didim-pitsarany i Roma, izay firenena natanjaka tamin’izany, ka nandringana ny fandehan-javatra jiosy sy nanorotoro an’i Jerosalema sy ny tempoliny. Tsy hovolavolain’ny tanan’i Jehovah toy ny famolavolany zavatra “masina sady mendrika” intsony mihitsy ny firenen’ny Isiraely.a
Famolavolana firenena ara-panahy iray
6, 7. a) Ahoana no ilazalazan’i Paoly ny famolavolana ny Isiraely ara-panahy? b) Firy ny tontaliben’ireo “fanaky ny famindrampo”, ary ahoana no nahafeno azy io?
6 Ireo Jiosy izay nanaiky an’i Jesosy dia novolavolaina ho fototra iorenan’ny firenena vaovao iray, dia ny “Isiraelin’Andriamanitra” ara-panahy. (Galatiana 6:16). Mety tokoa àry ireto tenin’i Paoly ireto: “Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona? (...) Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, mba hampahafantarina koa ny haren’ny voninahiny amin’izay fanaky ny famindrampo, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra”. — Romana 9:21-23.
7 Tatỳ aoriana, dia nampahafantarin’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty fa hiisa 144 000 ireo “fanaky ny famindrampo” ireo. (Apokalypsy 7:4; 14:1). Koa satria tsy nahafeno an’io isa io ny Isiraely ara-nofo, dia nanitatra ny famindram-pony ho amin’ny olona tany amin’ireo firenena i Jehovah. (Romana 11:25, 26). Niitatra haingana ilay kôngregasiôna kristianina vaovao. Tao anatin’ny 30 taona, dia ‘voatory teny ambanin’ny lanitra rehetra teny’ ny vaovao tsara. (Kolosiana 1:23). Izany dia nitaky ny hikarakarana araka ny tokony ho izy ireo kôngregasiôna maro teo an-toerana, izay niely patrana.
8. Iza no nahaforona ny fitambara-mpitantana voalohany, ary nanao ahoana izy io, arakaraka ny fandehan’ny fotoana?
8 Nomanin’i Jesosy ho tonga fitambara-mpitantana voalohany ireo apostoly 12, ka nampiofaniny ho amin’ny fanompoana izy ireo mbamin’ny hafa koa. (Lioka 8:1; 9:1, 2; 10:1, 2). Tafaorina ny kôngregasiôna kristianina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., ary arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nitarina ny fitambara-mpitantan’izy io ka nahafaoka “ny Apostoly sy ny loholona” tany Jerosalema. Nandritra ny vanim-potoana lava be, dia toa mpitari-draharaha i Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, na dia tsy apostoly aza. (Asan’ny Apostoly 12:17; 15:2, 6, 13; 21:18). Araka ny voalazan’ilay mpahay tantara atao hoe Eusèbe, dia nanjary lasibatry ny fanenjehana ireo apostoly ka niparitaka tany amin’ny faritra hafa. Nasiana fanamboarana nifanaraka tamin’izany ireo mpikambana tao amin’ilay fitambara-mpitantana.
9. Tarehin-javatra mampalahelo inona no nambaran’i Jesosy mialoha fa hitranga?
9 Tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, dia nanomboka ‘namafy tsimparifary’ teny amin’ny vary ‘ny fahavalo’, izay tsy iza akory fa ny Devoly. Ireo mpandova “ny fanjakan’ny lanitra” no oharina amin’ny vary eto. Naminany i Jesosy fa havela hisy izany tarehin-javatra mampalahelo izany mandra-pahatongan’ny fararano, amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” (NW ). Amin’izay, “ny marina dia hamirapiratra [indray] tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy”. (Matio 13:24, 25, 37-43). Rahoviana no hitranga izany?
Famolavolana ny Isiraelin’Andriamanitra amin’izao andro izao
10, 11. a) Ahoana no fandehan’ny famolavolana ny Isiraelin’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny? b) Fampianarana inona avy, eo anivon’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, no samy hafa amin’ny an’ny Mpianatra ny Baiboly tso-po?
10 Tamin’ny 1870, i Charles Taze Russell dia namorona antokon’olona niara-nianatra ny Baiboly, tany Pittsburgh, any Pennsylvanie, any Etazonia. Tamin’ny 1879, dia nanomboka namoaka isam-bolana ilay gazety fantatra ankehitriny hoe Ny Tilikambo Fiambenana izy. Tsy ela dia takatr’ireny Mpianatra ny Baiboly ireny, araka ny nanjary niantsoana azy ireo, fa ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina dia nandray fampianaran’ny mpanompo sampy tsy araka ny Soratra Masina, toy ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ny afobe, ny afofandiovana, ny andriamanitra telo izay iray, ary ny fanaovana batisa zazakely.
11 Ny mbola zava-dehibe kokoa anefa, dia naverin’ireo tia ny fahamarinana ara-baiboly ireo tamin’ny laoniny, ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny fanavotana amin’ny alalan’ny soron’i Jesosy, sy ny fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany paradisa feno fiadanana, eo ambany fitantanan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ambonin’ny zava-drehetra, dia nantitranterina ny hoe hamarinina tsy ho ela i Jehovah Andriamanitra, amin’ny maha Tompo Manam-piandrianana eo amin’izao rehetra izao azy. Nino ny Mpianatra ny Baiboly fa efa nadiva hahazo valiny ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo, manao hoe: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10). Novolavolain’ny fanahy masin’Andriamanitra izy ireo, ho fitambaran’olona maneran-tany, izay voaforon’ny Kristianina tia fihavanana.
12. Ahoana no nanjary nahatakaran’ny Mpianatra ny Baiboly ny amin’ny daty lehibe iray?
12 Ny fianarana lalina ny Daniela toko faha-4 sy ny faminaniana hafa, dia nampiaiky ireo Mpianatra ny Baiboly fa tsy maintsy ho efa antomotra ny fanatrehan’i Jesosy amin’ny maha Mpanjaka Mesianika azy. Takatr’izy ireo fa ho daty hifaranan’ny “andron’ny jentilisa” ny taona 1914. (Lioka 21:24; Ezekiela 21:31, 32). Nanitatra haingana ny asany ireo Mpianatra ny Baiboly, ka namorona kilasy ara-baiboly (nantsoina hoe kôngregasiôna tatỳ aoriana) nanerana an’i Etazonia. Teo am-piandohan’ireo taona 1900, dia efa niitatra hatrany Eoropa sy Aostralazia ny asa fampianarana Baiboly nataon’izy ireo. Nanjary nilaina ny fahaiza-nandamin-javatra tsara.
13. Ahoana no nahatonga ny Mpianatra ny Baiboly heken’ny lalàna, ary fanompoana niavaka inona no nataon’ny prezidà voalohan’ny Fikambanana?
13 Mba hahatonga ny Mpianatra ny Baiboly heken’ny lalàna, dia nosoratana tany amin’ny fanjakana ho fikambanana ara-dalàna ny Zion’s Watch Tower Tract Society. Tamin’ny 1884 no nanaovana izany tany Etazonia, ka tao Pittsburgh, any Pennsylvanie, ny foibeny. Ireo mpitantana azy io no natao Fitambara-mpitantana foibe, izay niandraikitra ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany. Nanoratra ireo boky enina tamin’ny Études des Écritures i Charles T. Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana, ary nitety faritra maro dia maro tamin’ny fitoriana nataony. Natolony koa ho amin’ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany ireo vola be voangony talohan’ny nanombohany nianatra Baiboly. Tamin’ny 1916, raha mbola nafotaka tany Eoropa ny Ady Lehibe Voalohany, dia maty nandritra ny dia fitoriana nataony ny Rahalahy Russell efa trotraka. Nanome izay nananany rehetra mba hanitarana ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra izy.
14. Tamin’ny ahoana no “niady ny ady tsara” i J. F. Rutherford? (2 Timoty 4:7).
14 I Joseph F. Rutherford, izay efa mpitsara vonjimaika tao Missouri, no nanjary prezidà nanaraka. Tsy nisy tahotra ny Rahalahy Rutherford tamin’ny fiarovany ny fahamarinana ara-baiboly. Vokatr’izany, dia nifarimbona tamin’ny mpanao politika ireo mpitondra fivavahana tao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina ka ‘nisaina fampahoriana araka ny lalàna’. Tamin’ny 21 Jona 1918, dia naiditra am-ponja ny Rahalahy Rutherford sy ireo Mpianatra ny Baiboly fito hafa izay nitana andraikitra lehibe, ka samy nahazo sazy 10 na 20 taona an-tranomaizina. Mba nampakatra fitsarana koa ny Mpianatra ny Baiboly. (Salamo 94:20, fanamarihana ambany pejy; Filipiana 1:7). Nangataka fitsarana ambony izy ireo, ka nafahana tamin’ny 26 Martsa 1919, ary tatỳ aoriana, dia afaka madiodio tamin’ny fiampangana azy ho nitaona vahoaka hikomy.b Namolavola azy ireo ho mpiaro mafy ny fahamarinana izany zavatra niainany izany. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia nanao izay rehetra azony natao izy ireo mba handresena tamin’ilay ady ara-panahy natao mba hitoriana ny vaovao tsara, na dia teo aza ny fanoherana avy tamin’i Babylona Lehibe. Mitohy hatramin’izao taona 1999 izao io ady io. — Ampitahao amin’ny Matio, toko faha-23; Jaona 8:38-47.
15. Nahoana ny taona 1931 no nanana ny lanjany ara-tantara?
15 Nandritra ireo taona 1920 sy 1930, dia novolavolaina hatrany teo ambany fitarihan’ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe ny Isiraelin’Andriamanitra voahosotra. Nanjelanjelatra ny fahazavana ara-paminaniana avy ao amin’ny Soratra Masina, ka sady nanome voninahitra an’i Jehovah no nifantoka tamin’ny Fanjakana Mesianika tantanan’i Jesosy. Tamin’ny 1931, dia nifaly nandray anarana vaovao hoe Vavolombelon’i Jehovah ireo Mpianatra ny Baiboly. — Isaia 43:10-12; Matio 6:9, 10; 24:14.
16 sy ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-19. Oviana no feno ny isan’ireo 144 000, ary inona no manaporofo izany?
16 Tamin’ireo taona 1930, dia toa efa feno ny isan’ireo “voantso sy voafidy ary mahatoky”, dia ireo 144 000. (Apokalypsy 17:14; jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-19.) Tsy fantatsika hoe voahosotra firy no efa voangona tamin’ny taonjato voalohany ary firy no voangona teo anivon’ny “tsimparifary” nandritra ireo taonjato maizina nampivadi-pinoana izaitsizy ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Nisy 56 153 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny 1935, kanefa dia 52 465, tamin’ny fitambarany, no nampiseho ny fanantenany ho any an-danitra, tamin’ny fandraisana anjara tamin’ireo marika tamin’ny Fahatsiarovana. Inona kosa no voatendry ho an’ireo olona maro mbola hangonina?
“Indreo, nisy olona betsaka”
17. Fisehoan-javatra nanan-tantara inona no nitranga tamin’ny 1935?
17 Tamin’ny fivoriambe iray natao tamin’ny 30 May ka hatramin’ny 3 Jona 1935, tany Washington, D.C., any Etazonia, dia nanao lahateny iray nitondra fiovana lehibe, ny Rahalahy Rutherford. “Ny Olona Sesehena” no lohatenin’io lahateny io.c Hiseho io antokon’olona “tsy tambo isaina” io, rehefa hifarana ny fanisiana tombo-kase ireo 144 000 mahaforona ny Isiraely ara-panahy. Io antokon’olona io koa dia haneho finoana ny hery manavotra ananan’ny “ran’ny Zanak’ondry”, dia i Jesosy. Hanolotra fanompoana masina ao amin’ilay fandaharana nataon’i Jehovah momba ny tempoly fanaovana fanompoam-pivavahana, koa izy ireo. Raha raisina amin’ny maha antokon’olona azy, dia ho tafita velona ‘amin’ny fahoriana lehibe’ izy ireo, mba handova Paradisa an-tany izay ‘tsy hisian’ny fahafatesana intsony’. Nandritra ny taona maromaro talohan’io fivoriambe io, dia Jonadaba no nilazana an’io antokon’olona io. — Apokalypsy 7:9-17; 21:4; Jeremia 35:10.
18. Tamin’ny ahoana no nitana toerana lehibe ny taona 1938?
18 Nanana anjara toerana lehibe ny taona 1938, teo amin’ny famantarana mazava tsara ireo kilasin’olona roa ireo. Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Martsa sy ny 1 Aprily 1938, dia nahitana fianarana nisy fizarana roa hoe “Ny Andian’ondriny”. Noresahin’izy ireo mazava tsara ny toerana tanan’ny sisa voahosotra sy ireo namany, ny vahoaka be. Avy eo, ny nomerao tamin’ny 1 Jona sy ny 15 Jona dia nisy lahatsoratra fianarana mahakasika ny “Fandaminana”, izay niorina tamin’ny Isaia 60:17. Ny kôngregasiôna rehetra dia nasaina hangataka tamin’ny Fitambara-mpitantana mba hanendry mpanompo eo an-toerana, ka izany dia nampisy fandaharana nihatsara sy voatendrin’Andriamanitra ary teôkratika. Izany indrindra no nataon’ireo kôngregasiôna.
19 sy ny fanamarihana ambany pejy. Zava-misy inona avy no manamafy fa efa nitohy hatramin’ny 60 taona mahery izao ny fiantsoana ny “ondry hafa” amin’ny ankapobeny?
19 Nanao tatitra toy izao ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1939: “Vitsy an’isa ireo voahosotra mpanara-dia an’i Kristy Jesosy mbola eto an-tany ankehitriny, ary tsy hitombo na oviana na oviana ny isan’izy ireo. Ny ‘sisa’ amin’ny taranak’i Ziona fandaminan’Andriamanitra no ilazan’ny Soratra Masina azy ireo. (Apok. 12:17). Eo am-panangonana ny ‘ondriny hafa’ izay hahaforona ny ‘olona sesehena’, ny Tompo izao. (Jaona 10:16). Ireo efa voangona ankehitriny dia naman’ny sisa, ka miara-miasa amin’ny sisa. Manomboka izao dia hitombo isa ireo anisan’ny ‘ondry hafa’, mandra-panangona ny ‘olona sesehena’.” Ny sisa voahosotra dia novolavolaina mba hikarakara ny fanangonana ny olona betsaka, izay tsy maintsy volavolaina koa ankehitriny.d
20. Inona avy ireo fanovana mahakasika ny fandaminana, nanomboka tamin’ny 1942?
20 Tamin’ny Janoary 1942, fony mbola nahery vaika ny Ady Lehibe Faharoa, dia maty i Joseph Rutherford, ary i Nathan Knorr no nandimby azy teo amin’ny toeran’ny prezidà. Mampamohafoha fahatsiarovana tsara io prezidà fahatelon’ny Fikambanana io, noho izy nanorina ny sekoly teôkratika tany amin’ireo kôngregasiôna, sy ny Sekolin’i Gileada fanofanana misionera. Tamin’ny fivorian’ny Fikambanana fanao isan-taona, tamin’ny 1944, dia nambarany fa nasiam-panitsiana ny dinan’ny Fikambanana, mba tsy ho fanomezana ara-nofo no hiantoka ny maha mpikambana, fa ny fahasalamana ara-panahy. Tao anatin’ireo 30 taona nanaraka, dia nitombo ireo mpiasa teny amin’ny saha niisa 156 299 ka nanjary 2 179 256 naneran-tany. Nandritra ny taona 1971-1975, dia mbola nisy fanovana hafa nilaina mahakasika ny fandaminana. Tsy navela ho olon-tokana intsony, izay manompo amin’ny maha prezidà, no hiandraikitra tanteraka ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany. Nitarina hisy mpikambana 18 ny Fitambara-mpitantana, ary mifandimby mitari-draharaha izy ireo amin’izany. Efa ho ny antsasak’izy ireo ankehitriny no efa nahavita ny fihazakazahany teto an-tany.
21. Inona no nahatonga an’ireo anisan’ny ondry vitsy ho nahafeno fepetra hahazo ilay Fanjakana?
21 Novolavolaina nandritra ny am-polony taona maro nandiavana fisedrana ireo sisa amin’ny ondry vitsy. Nahazo herim-po izy ireo, noho ny fahazoany antoka fa naharay ‘ny fanambaran’ny Fanahy’ ny tenany. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Hianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko; koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy, mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fanjakako hianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.” — Romana 8:16, 17; Lioka 12:32; 22:28-30.
22, 23. Ahoana no amolavolana ny ondry vitsy sy ny ondry hafa amin’izao fotoana izao?
22 Arakaraka ny nihenan’ny isan’ny sisa voahosotry ny fanahy eto an-tany, no nanankinana andraikitra tamin’ireo rahalahy matotra avy amin’ny olona betsaka, hany ka saika ny kôngregasiôna rehetra maneran-tany mihitsy no karakarain’izy ireo amin’ny lafiny ara-panahy. Ary rehefa hahavita ny fihazakazahany eto an-tany ireo vavolombelona farany voahosotra efa be taona, dia ho efa tsara ofana mba hiantsoroka andraikitra ara-pitantanana ireo sa·rimʹ mpanapaka anisan’ny ondry hafa, amin’ny maha kilasin’ny filoha azy ireo eto an-tany. — Ezekiela 44:3, NW; Isaia 32:1.
23 Volavolaina hatrany ho fanaka ampiasaina ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja ny ondry vitsy sy ny ondry hafa. (Jaona 10:14-16). Na ny “lanitra vaovao” na ny “tany vaovao” no fanantenantsika, dia enga anie isika ka hamaly amin’ny fontsika manontolo ny fanasan’i Jehovah, manao hoe: “Mifalia (...) sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an’i Jerosalema [any an-danitra] ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.” (Isaia 65:17, 18). Enga anie isika olombelona marefo mba hanompo amim-panetren-tena mandrakariva, ka hovolavolain’ilay “hery mihoatra noho ny mahazatra”, dia ny fanahy masina, herin’Andriamanitra! — 2 Korintiana 4:7, NW; Jaona 16:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Aoka ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina nivadi-pinoana mba handray izany ho fampitandremana ho azy, satria didim-pitsaran’i Jehovah mitovy amin’izany no miandry azy, noho izy manana ny Isiraely fahiny ho tandindona. — 1 Petera 4:17, 18.
b I Manton Mpitsara, Katolika iray izay nitsipaka ny hanomezana fanafahana vonjimaika ny Mpianatra ny Baiboly, dia naiditra am-ponja tatỳ aoriana, noho izy voaheloka ho nandray tsolotra.
c Ny Soratra Grika Kristianina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izay navoaka tamin’ny 1950, dia nampiasa ny teny hoe “vahoaka be”, satria io no dikan-teny tsara kokoa ho an’ilay teny grika ara-tsindrimandry.
d Tamin’ny 1938, ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana naneran-tany dia 73 420, ka 39 225, izany hoe ny 53 isan-jaton’ny nanatrika, no nandray anjara tamin’ireo marika. Tamin’ny 1998, dia nitombo ho 13 896 312, ny isan’ny mpanatrika, ka 8 756 monja no nandray anjara, izany hoe latsaka ny 1 isaky ny kôngregasiôna 10 ny salanisan’ny nandray anjara.
Tadidinao Ve?
◻ Amin’ny ahoana i Jesosy no Môdely ho antsika, tamin’ny fanekeny hovolavolain’ny Rainy?
◻ Inona no famolavolana nitranga teo amin’ny Isiraely fahiny?
◻ Ahoana no namolavolana ny “Isiraelin’Andriamanitra” hatramin’izao?
◻ Ho amin’ny zava-kendrena inona no namolavolana ny “ondry hafa”?
[Efajoro, pejy 18]
Famolavolana Fanampiny eo Amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina
Nanome izao tatitra manaraka izao, avy tany Atena, any Gresy, ny solontenan’ny Fampahalalam-baovao Mitambatra, mahakasika ilay filohan’ny Eglizy Ôrtôdôksa Grika notendrena vao haingana: “Iraka mandala fihavanana no niheverana azy. Toa mitovy kokoa amin’ny jeneraly miomana ho amin’ny ady anefa ilay mpitarika ny Eglizy Ôrtôdôksa Grika.
“ ‘Vonona handatsa-dra sy hanao sorona izahay, raha ilaina izany. Mivavaka mba hisian’ny fandriampahalemana izahay, amin’ny maha eglizy anay. (...) Mitso-drano ireo fitaovam-piadiana masina anefa izahay rehefa mitaky ny hanaovana izany ny fotoana.’ Vao haingana izay, dia nilaza izany ilay Arseveka atao hoe Christodoulos, tamin’ny andro masina nankalazana ny niakaran’i Maria Virjiny tany an-danitra, izay nifanindry tamin’ny andron’ny foloalindahy grika.”
[Efajoro, pejy 19]
“Tsy Misy Fanampiny Intsony!”
Tamin’ny fizarana diplaoman’i Gileada tamin’ny 1970, i Frederick Franz, izay prezidà lefitry ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, dia nilaza tamin’ireo mpianatra fa, na dia anisan’ny ondry hafa manana fanantenana ny ho eto an-tany avokoa aza izy ireo, dia mety hanao batisa olona izay mety hilaza tena ho sisa voahosotra. Mety hitranga ve izany? Nohazavainy fa anisan’ny ondry hafa i Jaona Mpanao Batisa, kanefa dia nanao batisa an’i Jesosy sy ny sasany tamin’ireo apostoly izy. Nanohy ny teniny izy avy eo ka nanontany raha mbola misy foana ny antso mba hanangonana olona maro kokoa ho anisan’ny sisa. “Tsia, tsy misy fanampiny intsony!”, hoy izy. “Efa nifarana tamin’ny 1931-1935 izany antso izany! Tsy misy fanampiny intsony. Koa iza àry ireo olom-bitsy izay mandray anjara amin’ny marika amin’ny Fahatsiarovana nefa vao haingana no niaraka tamintsika? Raha anisan’ny sisa izy ireny, dia nisolo olona izy izay! Tsy fanampin’ny voahosotra akory izy ireny, fa nisolo kosa an’ireo izay nety ho nanda ny finoana.”
[Sary, pejy 15]
Harena sarobidy amintsika tokoa ny fanompoantsika!
[Sary, pejy 16]
Nanjary vilany tany mendri-kopotehina ny Isiraely fahiny, ary izany ihany no sahaza azy