FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/2 p. 20-23
  • Fanaovana Fanatitra Azo Ekena ho An’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanaovana Fanatitra Azo Ekena ho An’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nifidy lalana samy hafa
  • Ny torohevitr’i Jehovah sy ny fihetsik’i Kaina
  • Lesona ho antsika
  • Mpirahalahy Tsy Nitovy Toetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Tezitra Izy dia Namono Olona
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Zanakalahy Tsara Iray sy Zanakalahy Ratsy Iray
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/2 p. 20-23

Fanaovana Fanatitra Azo Ekena ho An’i Jehovah

NISY fotoana iray teo amin’ny tantara, nahafahana nandinika fisehoan-javatra niavaka iray teo amin’ny fidirana atsinanana nankao amin’ny saha Edena.a Nisy kerobima mahery nitsangana niambina teo. Ilay fisehoan’izy ireo toa nilaza loza dia nampiseho mazava fa tsy tokony hisy ho sahy handingana teo. Fandrarana mitovy amin’izany koa ilay lelan-tsabatra nirehitra niredareda sy nihodinkodina, izay azo inoana fa nandefa hazavana hafahafa nampahatahotra teny amin’ireo hazo nanodidina, tamin’ny alina. (Genesisy 3:24). Na dia nety ho nahavariana aza ilay izy, dia nijanona lavidavitra ihany izay nitazana.

Azo inoana fa nizaha ilay toerana imbetsaka i Kaina sy i Abela. Naterak’i Adama sy i Eva tany ivelan’ilay saha izy ireo, ka tombantombana fotsiny no azony natao mahakasika izay nety ho fiaimpiainana tao amin’ny Paradisa nisy zava-maitso nirobona sady voatondraka tsara, sy voankazo mbamin’ny legioma tondraka. Niaina tao amin’izany mantsy ny ray aman-drenin’izy ireo taloha. Ilay faritra kely mba tazana tamin’i Edena tamin’izay, dia tsy isalasalana fa toa tany lava volo sy rakotra kirihitra.

Azo antoka fa efa nohazavain’i Adama sy i Eva tamin’ireo zanany ny antony nahatonga ilay saha tsy ho voakarakara sy ny antony nahavoaroaka azy ireo avy tao. (Genesisy 2:17; 3:6, 23). Toy inona moa ny hakiviana tsy maintsy tsapan’i Kaina sy i Abela! Afaka nahita ilay saha izy ireo, saingy tsy afaka niditra tao. Akaiky dia akaiky azy ireo ny Paradisa, kanefa lavitra dia lavitra azy io koa izy ireo. Nanimba azy ireo ny tsy fahalavorariana, ary tsy nisy zavatra firy azon’i Kaina na i Abela natao momba izany.

Azo antoka fa tsy afaka nanatsara zavatra ny fifandraisana nisy teo amin’ny ray aman-drenin’izy ireo. Rehefa nanameloka an’i Eva Andriamanitra dia nanao hoe: “Ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” (Genesisy 3:16). Nifanaraka tamin’io faminaniana io, dia tsy maintsy efa nanapaka ny vadiny i Adama tamin’izay, angamba tsy nitondra azy intsony toy ny namana sy mpanampy. Ary toa niankin-doha tafahoatra tamin’io lehilahy io i Eva. Lasa lavitra mihitsy aza ny fanazavana iray ka nilazalaza ny ‘faniriany’ ho “faniriana efa ho lasa aretina mihitsy”.

Tsy lazain’ny Baiboly izay fiantraikan’izany toe-javatra ara-panambadiana izany teo amin’izy mirahalahy. Miharihary anefa fa namela ohatra nampikorontan-tsaina ho an’ireo zanany, i Adama sy i Eva.

Nifidy lalana samy hafa

Tatỳ aoriana, dia tonga mpiandry ondry i Abela, ary lasa mpamboly i Kaina. (Genesisy 4:2). Teo am-piandrasana ny andian’ondriny, dia tsy isalasalana fa nanam-potoana betsaka i Abela mba hisaintsainana ny amin’ilay faminaniana niavaka izay nolazaina talohan’ny nandroahana ny ray aman-dreniny avy tao Edena: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15). Tsy maintsy nanontany tena i Abela hoe: ‘Ahoana no hahatanterahan’ilay fampanantenan’Andriamanitra ny amin’ny taranaka iray hanorotoro ny menarana, ary ahoana no hahatorotoro ny ombelahin-tongotr’ilay taranaka?’

Rehefa afaka elaela, ka azo inoana fa efa tonga olon-dehibe i Kaina sy i Abela, dia samy nanao fanatitra ho an’i Jehovah izy ireo. Tsy nahagaga raha nanolotra ny “voalohan-terak’ondriny, dia izay matavy”, i Abela, satria mpiandry ondry ny tenany. Nanolotra “vokatry ny tany” kosa i Kaina. Neken’i Jehovah ny fanatitr’i Abela, fa i “Kaina mbamin’ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany”. (Genesisy 4:3-5). Fa nahoana kosa?

Misy milaza fa ny fanatitr’i Abela dia avy tamin’ny “voalohan-terak’ondriny”, fa ny an’i Kaina kosa dia “vokatry ny tany” fotsiny. Tsy avy tamin’ny hatsaran’ilay vokatra naterin’i Kaina anefa ny olana, satria milaza ilay fitantarana fa nojeren’i Jehovah tamim-pankasitrahana “i Abela mbamin’ny fanatiny”, ary tsy nankasitrahany kosa i “Kaina mbamin’ny fanatiny”. Koa nijery voalohany indrindra ny toe-pon’ilay mpivavaka taminy àry i Jehovah. Inona no hitany rehefa nanao izany izy? Milaza ny Hebreo 11:4 fa tamin’ny “finoana” no nanaovan’i Abela ny fanatiny. Koa toa tsy nananan’i Kaina àry ilay finoana izay nahatonga ny fanatitr’i Abela ho azo nekena.

Amin’io lafiny io, dia tsara homarihina fa nisy fandatsahan-dra ilay fanatitra nataon’i Abela. Mety ho nanatsoaka hevitra ara-drariny izy fa ilay fampanantenan’Andriamanitra nahakasika taranaka izay ho torotoro eo amin’ny ombelahin-tongony dia hitaky aina hatao sorona. Ny fanatitr’i Abela àry, araka izany, dia ho fitalahoana fanavotana, ary nampiseho finoana fa hanome sorom-panavotana ho an’ny ota, amin’ny fotoana mety, Andriamanitra.

Nifanohitra tamin’izany, dia azo inoana fa tsy nandefa lavitra ny eritreriny tamin’ilay fanatitra nataony i Kaina. “Ny fanatitra nataony dia nanekena fotsiny fa mpanao soa Andriamanitra”, hoy ny hevitra naroson’ny mpivaofy tenin’ny Baiboly tamin’ny taonjato faha-19. “Niharihary mazava fa tsy takany hoe tena nisy zavatra tapaka anie teo aminy sy ny Mpamorona azy, sady tsy takany koa ny hilana fieken-keloka na fiankinana tamin’ny fanavotana iray.”

Ankoatra izany, noho i Kaina lahimatoa, dia nety ho sahisahy ratsy mihitsy aza izy ka nilaza fa izy ilay taranaka nampanantenaina izay handringana ilay Menarana, izany hoe, i Satana. Nety ho efa masaka tao an-tsain’i Eva koa ny hahavitan-janany lahimatoa izany fanaovan-javatra feno fanirian-daza izany. (Genesisy 4:1). Mazava ho azy fa raha izany no nantenain’i Kaina sy i Eva, dia diso dia diso tokoa izy ireo.

Tsy lazain’ny Baiboly ny fomba nampisehoan’i Jehovah ny fankasitrahany ny fanatitra nataon’i Abela. Misy mandroso hevitra fa levon’ny afo avy tany an-danitra ilay izy. Na nanao ahoana na nanao ahoana ny fitrangan-javatra, dia “tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny”, raha vao takany fa tsy nekena ny fanatitra nataony. (Genesisy 4:5). Hahita loza io Kaina io raha izao no fandehany.

Ny torohevitr’i Jehovah sy ny fihetsik’i Kaina

Nampisaintsaina an’i Kaina i Jehovah. “Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?”, hoy ny fanontaniany. Nanome fahafahana ampy tsara ho an’i Kaina izany mba handinihany ny fihetseham-pony sy ny antony nanosika azy. “Raha tsara toetra hianao”, hoy i Jehovah nanohy ny teniny, “moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’ny faniriany, kanefa hianao no tokony hanapaka azy.” — Genesisy 4:6, 7. (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-23.)

Tsy nihaino i Kaina. Nitarika an’i Abela hivoaka tany an-tsaha kosa izy, ary namono azy. Tatỳ aoriana, rehefa nanontany i Jehovah hoe aiza no mety hahitana an’i Abela, dia nampitombo ny fahotany tamin’ny lainga i Kaina. “Asa”, hoy ny valy boraingina nataony, “moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?” — Genesisy 4:8, 9.

Na taloha na taorian’ny namonoany an’i Abela, dia tsy nety niova ho “tsara toetra” i Kaina. Nifidy ny hamela ny ota hanapaka azy izy, ary noho izany, dia noroahina tsy ho eo amin’ilay faritra nonenan’ny fianakavian’olombelona. Napetraka ny “famantarana” iray, angamba didy ofisialy iray fotsiny, mba tsy hisy hamaly faty noho ny nahafatesan’i Abela, ka hamono an’i Kaina. — Genesisy 4:15.

Nanorina tanàna iray nomeny ny anaran-janany lahy, i Kaina, tatỳ aoriana. Tsy nahagaga raha nanjary fantatra noho ny herisetrany ny taranany. Tamin’ny farany, dia tapitra ny taranak’i Kaina rehefa nopaohin’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa avokoa ny olona tsy marina rehetra. — Genesisy 4:17-24; 7:21-24.

Tsy notehirizina mba hovakivakina hanalana andro fotsiny akory ny tantaran’i Kaina sy i Abela ao amin’ny Baiboly. “Nosoratana ho fianarantsika” kosa izy io, sady “mahasoa ho fampianarana, ho fananarana”. (Romana 15:4; 2 Timoty 3:16, NW ). Inona no azontsika ianarana avy amin’io fitantarana io?

Lesona ho antsika

Sahala amin’i Kaina sy i Abela, dia asaina mba hanao fanatitra ho an’Andriamanitra ny Kristianina amin’izao andro izao. Tsy fanatitra dorana ara-bakiteny akory izany, fa ‘fanati-piderana, dia ny vokatry ny molotra izay [manao fanambarana ampahibemaso, NW ] ny anarany’. (Hebreo 13:15). Tontosaina maneran-tany izy io amin’izao fotoana izao, satria mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tany maherin’ny 230, ny Vavolombelon’i Jehovah. (Matio 24:14). Mandray anjara amin’izany asa izany ve ianao? Raha izany no izy, dia afaka matoky ianao fa ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanao sy ny fitiavana izay nasehonao ho voninahitry ny anarany’. — Hebreo 6:10.

Toy ny tamin’ny fanatitr’i Kaina sy i Abela, dia tsy tsaraina amin’izay fisehoany etỳ ivelany akory ny fanatitra ataonao. Tsy tsaraina amin’ny isan’ny ora laninao eny amin’ny fanompoana fotsiny, ohatra, izy io. Mijery lalina kokoa i Jehovah. Milaza ny Jeremia 17:10 fa “Mpandinika ny fo” izy ary “Mpamantatra ny voa” mihitsy aza, dia ny eritreritra sy ny fihetseham-po ary ny antony manosika lalina indrindra eo amin’ny maha izy ny tena. Koa ny antony manosika àry, fa tsy ny habetsahan-javatra, no ipetrahan’ny tena olana. Raha ny marina, na be na kely ny fanatitra iray, dia sarobidy amin’Andriamanitra izy io rehefa atao amin’ny fo atosiky ny fitiavana. — Ampitahao amin’ny Marka 14:3-9 ny 12:41-44.

Etsy an-danin’izany, dia tokony ho takatsika fa tsy hanaiky fanatitra mandringa i Jehovah, toy ny tsy nanekeny ilay fanatitra nataon’i Kaina tsy tamin’ny fo. (Malakia 1:8, 13). Takin’i Jehovah ny anomezanao azy ny tsara indrindra avy aminao, ny anompoanao azy amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra. (Marka 12:30). Manao izany ve ianao? Raha izany no izy, dia manana antony tsara hahatonga anao ho afa-po amin’ny fanatitra ataonao, ianao. Nanoratra toy izao i Paoly: “Aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa”. — Galatiana 6:4.

Niara-nobeazina i Kaina sy i Abela. Ny fotoana sy ny tarehin-javatra anefa dia nanome ho an’ny tsirairay taminy, fahafahana hampitombo lafin-toetra manokana nampiavaka azy avy. Nanjary namely tsikelikely ny toe-tsain’i Kaina ny fialonana sy ny fandrafiana ary ny fipoahan’ny fahatezerana.

I Abela kosa dia tadidin’Andriamanitra noho izy lehilahy marina. (Matio 23:35). Ny fahatapahan-keviny hampifaly an’Andriamanitra na toy inona na toy inona vidiny, dia nahatonga an’i Abela hahafinaritra fa tsy nitovy tamin’ireo tsy nahay nankasitraka tao amin’ny fianakaviany, dia i Adama sy i Eva ary i Kaina. Lazain’ny Baiboly amintsika fa na dia maty aza i Abela, dia “mbola miteny ihany”. Ny fanompoana tamim-pahatokiana nataony ho an’Andriamanitra dia anisan’ny tantara tena nisy tsy azo kosehina ao amin’ny Baiboly. Enga anie isika hanaraka ny ohatra navelan’i Abela, ka hanao fanatitra tsy tapaka, dia fanatitra azon’Andriamanitra ekena. — Hebreo 11:4.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Misy mihevitra fa ny toerana nisy ny saha Edena dia hita tany amin’ny faritra be tendrombohitra any amin’ny tapany atsinanana amin’i Torkia amin’izao andro izao.

[Efajoro, pejy 23]

Môdely ho An’​ireo Kristianina Mpanome Torohevitra

“NAHOANA no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?” Tamin’​io fanontaniana io no nampisaintsainan’​i Jehovah an’​i Kaina, tamin-katsaram-panahy. Tsy nanery an’​i Kaina hiova izy, satria olona afaka nanao izay tiany hatao i Kaina. (Ampitahao amin’​ny Deoteronomia 30:19.) Na izany aza anefa, dia tsy nisalasala nilaza izay ho vokatry ny ditran’​i Kaina, i Jehovah. Nampitandrina an’​i Kaina toy izao izy: “Raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’​ny faniriany.” — Genesisy 4:​6, 7.

Tsara homarihina fa na dia nanao io fananarana mafy io aza i Jehovah, dia tsy nitondra an’​i Kaina toy ny ‘olona tsy azo avotana intsony’. Nolazainy tamin’​i Kaina kosa ny fitahiana niandry azy raha nanova ny lalany izy, ary nasehony fa natoky izy fa afaka nandresy ilay zava-nanahirana i Kaina raha nifidy ny hanao izany. “Raha tsara toetra hianao”, hoy i Jehovah, “moa tsy ho miramirana va?” Niteny an’​i Kaina toy izao koa izy nahakasika ilay hatezerany nifofo ain’​olona: “Hianao no tokony hanapaka azy.”

Tokony hanahaka ny ohatr’​i Jehovah ireo loholona ao amin’​ny kôngregasiôna kristianina, amin’​izao andro izao. Araka ny marihina ao amin’​ny 2 Timoty 4:⁠2 (NW ), indraindray izy ireo dia tsy maintsy ‘mananatra’ sy ‘mananatra mafy’, milaza tsy misy olakolaka ny amin’​ireo ho vokatry ny ditran’​ny olona iray mania. Tokony ‘handrisika’ koa izy ireo, etsy an-danin’​izany. Ny dikan’​ilay teny grika hoe pa·ra·ka·leʹo dia “mampirisika”. “Tsy manindrona na mamelively na be fanakianana ilay fananarana”, hoy ny nomarihin’​ny Theological Dictionary of the New Testament. “Ny fananan’​izy io heviny hafa hoe mampionona, dia milaza hevitra mitovy amin’​izany ihany.”

Mahaliana fa ny hoe pa·raʹkle·tos, izay teny grika mifandray aminy ihany, dia mety hanondro mpanampy na mpisolovava iray eo amin’​ny raharaha ara-pitsarana. Noho izany, na dia rehefa manome fananarana mifanentana aza ireo loholona, dia tokony hotadidiny fa mpanampy izy ireo, fa tsy mpifanandrina amin’​ilay olona mila torohevitra. Tokony hijery lafy tsaran-javatra sahala amin’​i Jehovah ireo loholona, ka hampiseho fatokiana fa afaka mandresy ilay zava-manahirana ilay omena torohevitra. — Ampitahao amin’​ny Galatiana 6:⁠1.

Mazava ho azy fa anjaran’​ilay olona amin’​ny farany ny mampihatra ilay fananarana. (Galatiana 6:⁠5; Filipiana 2:12). Mety ho hitan’​ireo mpanome torohevitra fa misy sasany tsy manaraka ny fampitandremana omeny, toy ny nifidianan’​i Kaina ny tsy hiraharaha fananarana avy tamin’​ny Mpamorona mihitsy. Na izany aza, rehefa manahaka an’​i Jehovah, ilay Môdely tonga lafatra ho an’​ireo Kristianina mpanome torohevitra ireo loholona, dia afaka matoky izy ireo fa nanao izay tokony ho nataony.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara