FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/4 p. 23-27
  • Ireo Kolejianina — Nampiavaka Azy Ireo ny Fianarana ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Kolejianina — Nampiavaka Azy Ireo ny Fianarana ny Baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ady hevitra momba ny lahatra
  • Ny nahaterahan’ny Kolejianina sy ny nitomboany
  • Ireo zavatra ninoan’ny Kolejianina
  • Fivoriana isan-kerinandro
  • Fivoriambem-pirenena
  • Ny antony nanjavonan’izy ireo
  • Efa Voalahatr’Andriamanitra ve ny Anjarantsika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Fankasitrahana Ireo Fiaraha-mivory Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Fivoriana Fivavahana sy Fianarana, Mampahery
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Inona no Vokatry ny Fampianaran’i Calvin?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/4 p. 23-27

Ireo Kolejianina — Nampiavaka Azy Ireo ny Fianarana ny Baiboly

Efa mba nandre ny amin’ireo kolejianina ve ianao?

io antokom-pivavahana madinika holandey tamin’ny taonjato faha-17 io, dia niavaka tamin’ireo fiangonana efa niorina tamin’izany fotoana izany. ahoana izany, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireo? mba hahitana izany, dia andeha isika hiverina any amin’ny lasa.

TONGA tany amin’ny tanànan’i Amsterdam tamin’ny 1587, i Jacobus Arminius (na, Jacob Hermansz). Tsy olana taminy ny nahita asa, satria nanaitra ny saina ny mombamomba azy. Nahazo diplaoman’ny Oniversiten’i Leyden, any Holandy, izy, teo amin’ny faha-21 taonany. Taorian’izay, dia nandany enin-taona tany Soisa nianarana teôlôjia izy, ka i Théodore de Bèze, ilay mpandimby an’i Jean Calvin, Mpitondra Fanavaozana protestanta, no nampianatra azy. Tsy nahagaga raha nahafaly an’ireo Protestanta tao Amsterdam ny nanendry an’i Arminius, izay 27 taona, ho iray tamin’ireo pastorany! Taona vitsivitsy taorian’izay anefa, dia nanenina ny amin’ilay safidy nataony ny mpikambana maro tao amin’ny fiangonana. Nahoana?

Ady hevitra momba ny lahatra

Niaka-tsehatra teny amin’ny polipitra i Arminius, ary taoriana kelin’izany, dia nipoitra ny fihenjanana teo anivon’ireo Protestanta tao Amsterdam. Niompana tamin’ny foto-pinoana momba ny lahatra izany fihenjanana izany. Votoatin’ny fampianaran’i Calvin io foto-pinoana io, kanefa nisy mpikambana sasany tao amin’ny fiangonana nihevitra fa nasiaka sady nanao ny tsy rariny ny Andriamanitra iray izay nandahatra mialoha ny famonjena ho an’ny olona sasany fa ny fanamelohana any amin’ny afobe kosa ho an’ny hafa. Nantenain’ireo mpanaraka an’i Calvin, fa hanitsy ireo mpanohitra i Arminius, noho izy mpianatr’i Bèze. Niandany tamin’ireo mpanohitra kosa anefa i Arminius, ka nangaihay ireo mpanaraka an’i Calvin. Tamin’ny 1593, dia efa nihanangotraka aoka izany ilay fifandirana, ka nampizara ilay tanànan’ny Protestanta ho antokony roa: Ireo izay nanohana ilay foto-pinoana sy ireo izay nanda azy io, izany hoe ireo nanana fomba fihevitra araka ny antonony.

Tao anatin’ny taona vitsivitsy, dia efa nivadika ho fisarahan’ny Protestanta nanerana ilay firenena io fifandirana teo amin’ny faritra iray io. Tonga ny tsontsori-mamba hisarahana tamin’ny farany, tamin’ny Novambra 1618. Ireo mpanaraka an’i Calvin izay notohanan’ny tafika sy ny hevi-bahoaka, dia nampiantso ireo mpanohitra (izay nantsoina tamin’izay hoe Mpitsipakaa) ho ao amin’ny konsilim-pirenena, izany hoe ny Synoda Protestanta tao Dordrecht. Nomena safidy toy izao ireo mpitondra fivavahana rehetra anisan’ny Mpitsipaka, teo am-pifaranan’ilay fivoriana: Na hanao sonia fanomezan-toky fa tsy hanao toriteny intsony, na hiala tao amin’ilay tany. Nifidy ny sesitany ny ankamaroan’izy ireo. Ireo pastora mpanaraka an’i Calvin tamin’ny fomba hentitra no naka ny toerana nilaozan’ireo mpitondra fivavahana anisan’ny Mpitsipaka. Nandresy ny fampianaran’i Calvin, na fara faharatsiny, izany no nantenain’ny synoda.

Ny nahaterahan’ny Kolejianina sy ny nitomboany

Toy ny tany an-toeran-kafa, dia namoy ny pastorany ny kôngregasiônan’ireo Mpitsipaka, tao amin’ny vohitr’i Warmond, any akaikin’i Leyden. Tsy toy ny tany an-toeran-kafa anefa, fa tsy neken’ilay kôngregasiôna ny fanoloan-toerana nahazo ny fankasitrahan’ny synoda. Ankoatra izany, rehefa nivarotra aina niverina tao Warmond ny mpitondra fivavahana iray anisan’ny Mpitsipaka, tamin’ny 1620, mba hikarakara ilay kôngregasiôna, dia tsy nanaiky azy io koa ny mpikambana sasany tao amin’ilay kôngregasiôna. Nanomboka nanao ny fivoriany ara-pivavahana niafina tsy nisy fanampian’ny mpitondra fivavahana ireo mpikambana ireo. Tatỳ aoriana ireny fivoriana ireny dia nantsoina hoe kolejy, ary Kolejianina kosa no niantsoana ny mpanatrika.

Na dia noho ny toe-javatra indrindra indrindra aza no nampisy an’ireo Kolejianina, fa tsy noho ny foto-pitsipika, tsy ela dia niova izany tarehin-javatra izany. Nilaza i Gijsbert van der Kodde, izay mpikambana tao amin’ilay kôngregasiôna fa, noho ilay antokon’olona nivory tsy nisy fiandraiketan’ny mpitondra fivavahana, dia nanaraka akaiky kokoa ny Baiboly sy ny fomba fanaon’ny Kristianina tany am-boalohany izy io, tsy toy ireo fiangonana efa niorina. Noforonina taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly, hoy izy, ny kilasin’ireo mpitondra fivavahana, mba hamoronana anton’asa ho an’ireo lehilahy tsy te hianatra asa.

Tamin’ny 1621, i Van der Kodde sy ireo mpikambana nitovy hevitra taminy, dia namindra ny fivoriany tany amin’ny vohitra iray teo akaiky teo, tany Rijnsburg.b Taona maromaro tatỳ aoriana, rehefa resy ny fanenjehana ara-pivavahana ka nanome toerana ho an’ny fileferana, dia niely nanerana ilay tany ny lazan’ireo fivoriana nataon’ny Kolejianina, ka nanintona “vorona samy hafa volo”, araka ny voalazan’ilay mpahay tantara atao hoe Siegfried Zilverberg. Tao ireo Mpitsipaka, Mennonites sy Sociniens ary teôlôjianina mihitsy aza. Ny sasany mpamboly sy mpiompy. Ny hafa indray poety, mpanao pirinty, dokotera sy mpanao asa tanana. Nankasitraka ilay fihetsiketsehana ry Spinoza (Baruch Spinoza) izay filôzôfa, sy Johann Amos Comenius (na Jan Komenský) izay mpampianatra, ary Rembrandt van Rijn izay mpanao hoso-doko malaza. Nisy heriny teo amin’ny fivoaran’ireo zavatra ninoan’ny Kolejianina ny hevitra samy hafa nentin’ireny olona tia fivavahana ireny.

Nitombo haingana io antokon’olona narisika io taorian’ny 1640. Niitatra haingana tany Rotterdam, Amsterdam, Leeuwarden, ary tany amin’ny tanàna hafa ireo kolejy. Nomarihin’ilay mpampianatra tantara atao hoe Andrew C. Fix fa teo anelanelan’ny taona 1650 sy 1700, “ny Kolejianina (...) dia nitombo ka tonga iray tamin’ireo antokom-pivavahana lehibe indrindra sy nanan-kery indrindra tany Holandy tamin’ny taonjato fahafito ambin’ny folo”.

Ireo zavatra ninoan’ny Kolejianina

Koa satria nampiavaka ilay fihetsiketsehan’ny Kolejianina ny fahaiza-misaina sy ny fileferana ary ny fitenenana amin-kalalahana, dia afaka nino zavatra samy hafa ireo Kolejianina isam-batan’olona. Na izany aza, dia nisy hevitra niombonana sasany neken’izy ireo mafy, ka nampiray azy ireo. Samy nahatakatra, ohatra, ireo Kolejianina rehetra fa zava-dehibe ny fianarana manokana ny Baiboly. Ny mpikambana tsirairay, hoy ny nosoratan’ny Kolejianina iray, dia tokony “hamotopototra samirery fa tsy hahafantatra an’Andriamanitra avy amin’ny hafa”. Nanao izany tokoa izy ireo. Araka ilay mpahay tantaram-piangonana tamin’ny taonjato faha-19 atao hoe Jacobus C. van Slee, dia betsaka kokoa ny fahalalana ny Baiboly hita teo amin’ireo Kolejianina noho ny teo amin’ireo fivavahana hafa tamin’izany fotoana izany. Na ireo mpanohitra aza, dia nidera ny Kolejianina noho ny fahaizany nampiasa ny Baiboly tamim-pahakingana.

Arakaraka ny nianaran’ireo Kolejianina ny Baiboly anefa no nanjary ninoan’izy ireo zavatra hafa izay tsy nitovy tamin’ireo ninoan’ny fiangonana efa niorina. Misy loharanon-kevitra tamin’ny taonjato faha-17 ka hatramin’ny faha-20 milazalaza toy izao ny zavatra sasany ninoan’izy ireo:

Ny Eglizy Tany Am-boalohany. Tamin’ny 1644, dia nanoratra ilay Kolejianina sady teôlôjianina atao hoe Adam Boreel, fa rehefa nanjary nitsabaka tamin’ny politika ny eglizy tany am-boalohany, tamin’ny andron’ny Emperora Constantin, dia nivadika tamin’ny fanekena nifanaovany tamin’i Kristy izy io, ka namoy ny tsindrimandrin’ny fanahy masina. Nolazainy koa fa nitombo isa sy nitohy hatramin’ny androny ny fampianaran-diso, ho vokatr’izany.

Ny Fanavaozana. Tsy dia lasa lavitra loatra teo amin’ny fanavaozana ny eglizy, ilay Fanavaozana notarihin’i Luther sy i Calvin mbamin’ny hafa, tamin’ny taonjato faha-16. Vao mainka kosa aza nanaratsy ny toe-draharaha ara-pivavahana ny Fanavaozana, satria nahatonga fifamaliana sy fankahalana, araka ny voalazan’ilay Kolejianina malaza sady dokotera atao hoe Galenus Abrahamsz (1622-1706). Tokony hanova ny fo ny fanavaozana marina, kanefa tsy nanao izany ny Fanavaozana.

Ny Fiangonana sy ny Mpitondra Fivavahana. Ratsy fitondran-tena sy araka an’izao tontolo izao ary tsy manana fahefana avy amin’Andriamanitra ny fiangonana efa miorina. Ho an’izay rehetra mihevitra ny fivavahana ho zava-dehibe, dia tsy misy zavatra tsara kokoa azony atao afa-tsy ny miala amin’ny fiangonana misy azy mba tsy hiombon-keloka aminy. Mifanohitra amin’ny Soratra Masina no sady “manimba ny fahasambarana ara-panahin’ny kôngregasiôna kristianina” ny asan’ireo mpitondra fivavahana, hoy ireo Kolejianina.

Fanjakana sy Paradisa. Iray tamin’ireo mpanorina ny kolejy tao Amsterdam, i Daniel de Breen (1594-1664). Nanoratra izy hoe tsy fanjakana ara-panahy mitoetra ao am-pon’ny olona akory ny Fanjakan’i Kristy. Nilaza ilay mpampianatra atao hoe Jacob Ostens, izay Kolejianina tany Rotterdam, fa “niandrandra fanantenana ho eto an-tany, ireo patriarika”. Tsy nisy hafa tamin’izany fa, niandry ilay fotoana hiovan’ny tany ho paradisa koa ireo Kolejianina.

Andriamanitra Telo Izay Iray. Nisy Kolejianina malaza sasany, voataonan’ireo zavatra ninoan’ny Sociniens, ka nanda ny Andriamanitra Telo Izay Iray.c Nanoratra, ohatra, i Daniel Zwicker (1621-1678) fa izay foto-pinoana nifanohitra tamin’ny fahaiza-misaina, toy ny Andriamanitra Telo Izay Iray, dia “tsy hety hisy, sady diso”. Navoaka tamin’ny 1694 ny dikan-tenin’ny Baiboly, nadikan’ilay Kolejianina atao hoe Reijnier Rooleeuw. Nandika ilay tapany farany amin’ny Jaona 1:1 toy izao izy io: “Ary ilay teny dia andriamanitra iray”, fa tsy araka ilay fandikana nahazatra hoe: “Ary ilay teny dia Andriamanitra.”d

Fivoriana isan-kerinandro

Na dia tsy niray hevitra avokoa aza ny Kolejianina rehetra teo amin’ireo zavatra ninoany, dia nitovitovy ihany ny fomba fiasan’ireo kolejy tany amin’ireo tanàna samy hafa. Nilaza i Van Slee, mpahay tantara, fa tany am-piandohan’ilay fihetsiketsehan’ny Kolejianina, dia zara raha nisy fiomanana mialoha ireo fivoriana. Nihevitra ireo Kolejianina fa afaka nanao toriteny tamin-kalalahana ho an’ny kolejy ireo lehilahy rehetra mpikambana. Niorina tamin’ny tenin’ny apostoly Paoly momba ny ilana “haminany” izany fiheverana izany. (1 Korintiana 14:1, 3, 26). Ho vokatr’izany, dia matetika no naharitra hatramin’ny alina be ireo fivoriana, ary “renoka natory” ny mpanatrika sasany.

Nanjary voalamina kokoa ireo fivoriana tatỳ aoriana. Tsy tamin’ny alahady ihany no nivory ireo Kolejianina, fa ny takariva tamin’ny ankobanandro koa. Mba hahafahan’ilay mpandahateny sy ny kôngregasiôna hiomana mialoha ho amin’ireo fivoriana tamin’ilay taona nodiavina, dia nisy fandaharana vita pirinty nanome ny lisitr’ireo andinin-teny hodinihina ary koa ireo litera voalohany amin’ny anaran’ny mpandahateny. Rehefa avy natomboka tamin’ny hira sy ny vavaka ny fivoriana, dia nanazava ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly ny mpandahateny iray. Rehefa vitany izany, dia nangataka an’ireo lehilahy izy mba haneho ny heviny mahakasika ilay foto-kevitra vao nodinihina. Nampiseho ny fampiharana ireo andinin-teny ireo ihany ny mpandahateny faharoa avy eo. Nisy vavaka sy hira namarana ilay fivoriana.

Nanana fomba hafa kely mba hitanana ireo fivoriana ho araka ny fandaharam-potoana ireo Kolejianina tany amin’ny vohitr’i Harlingen, any amin’ny faritanin’i Friesland. Voatery nandoa lamandy kely ny mpandahateny iray niteny ela kokoa noho izay tokony ho nataony.

Fivoriambem-pirenena

Tsapan’ireo Kolejianina koa fa nila fiaraha-mivory lehibe kokoa izy ireo. Araka izany, nanomboka tamin’ny 1640, dia nanao dia lavitra nankany Rijnsburg indroa isan-taona (tamin’ny lohataona sy ny fahavaratra) ireo Kolejianina avy tany amin’ny faritra rehetra nanerana ilay tany. Araka ny nosoratan’i Fix, mpahay tantara, dia nahatonga azy ireo ho afaka “nahafantatra ny hevitr’ireo rahalahiny nanerana ilay tany, sy ny fihetseham-pon’izy ireny, sy ny zavatra ninoany ary ny asa nataony”, ireny fiaraha-mivory ireny.

Nanofa trano tamin’ireo mponina teny amin’ireo vohitra ny sasany tamin’ireo Kolejianina nitsidika, fa ny hafa kosa nipetraka tany amin’ny Groote Huis, na Tranobe, trano lehibe iray nisy efitra 30, izay an’ireo Kolejianina. Nisy sakafo niombonana ho an’olona 60 ka hatramin’ny 70 naroso tao. Taorian’ny sakafo dia afaka nandehandeha nanerana ilay zaridaina nidadasik’ilay tranobe ireo mpitsidika, mba hankafizana ny ‘asan’Andriamanitra, na mba hanaovana resadresaka nilamina, na mba hananana fotoana hisaintsainana’.

Na dia tsy ny Kolejianina rehetra aza no nihevitra ny batisa ho tena nilaina, dia maro no nihevitra fa tena nilaina izy io. Noho izany, dia lasa endriny iray nampiavaka ireo fiaraha-mivory lehibe ny batisa. Nilaza i Van Slee, mpahay tantara, fa mazàna no natao ny asabotsy maraina ilay fombafomba. Nisy hira sy vavaka narahin’ny lahateny iray momba ny ilana ny fandrobohana. Nasain’ilay mpandahateny, avy eo, ireo olon-dehibe izay naniry hatao batisa mba hanao fanekem-pinoana toy ny hoe: “Izaho mino an’i Jesosy Kristy ho Zanak’ilay Andriamanitra velona.” Rehefa avy nofaranana tamin’ny vavaka ilay lahateny, dia nandeha tany amin’ilay dobo fanaovana batisa ireo rehetra nanatrika teo, ary nanatri-maso an’ireo lehilahy sy vehivavy nandohalika tao anatin’ilay dobo mba hahafahan’ny rano ho tonga hatreny an-tsorony. Natosik’ilay mpanao batisa tsimoramora hihohoka tao anaty rano ny lohan’ilay mpino vaovao. Taorian’ilay fombafomba, dia niverina teny amin’ny fitoerany avy ny rehetra mba hihaino lahateny hafa iray.

Nanomboka tamin’ny famakiana fohy ny Baiboly sy tamin’ny hira ary ny vavaka ilay tena fivoriana, ny asabotsy tolakandro tamin’ny dimy ora. Mba hahazoana antoka fa hisy foana mpandahateny teny an-toerana, dia nifandimby nanome mpandahateny ho an’ny fivoriambe tsirairay ireo kolejin’i Rotterdam, Leyden, Amsterdam sy Holandy Avaratra. Natokana ho amin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ny alahady maraina. Taorian’ny lahateny iray sy vavaka ary hira, dia nihinana ny mofo sy nisotro ny divay ireo lehilahy, ary avy eo ny vehivavy. Nisy lahateny maro kokoa nanaraka izany, tamin’ny takarivan’ny alahady, ary tonga teo avokoa ny rehetra ny alatsinainy maraina mba hihaino ny lahateny famaranana. Niompana tamin-javatra azo nampiharina ny ankamaroan’ireo lahateny tamin’ireny fivoriambe ireny, ka nanantitrantitra kokoa ny fampiharana fa tsy ny fanazavana, hoy ny fanamarihan’i Van Slee.

Faly ny vohitr’i Rijnsburg nandray ireny fiaraha-mivory ireny. Nisy mpitazana iray tamin’ny taonjato faha-18 nanoratra fa nampidi-bola tsara ho an’ilay vohitra ny fahatongavan’ireo vahiny izay nandany vola bebe ihany tamin’ny sakafo. Ho fanampin’izany, dia nanome vola ho an’ireo mahantra tao Rijnsburg ireo Kolejianina, taorian’ny fivoriambe tsirairay. Tsy isalasalana fa nahatsapa fatiantoka ilay vohitra rehefa tsy notohizina intsony ireny fivoriana ireny tamin’ny 1787. Nihananjavona ilay fihetsiketsehan’ireo Kolejianina, taorian’izay. Nahoana?

Ny antony nanjavonan’izy ireo

Tamin’ny faran’ny taonjato faha-17 dia efa nipoaka ny adihevitra momba ny anjara asan’ny fahaiza-misaina tao amin’ny fivavahana. Nisy Kolejianina sasany nihevitra fa tokony ho zava-dehibe kokoa noho ny fanambaran’Andriamanitra ny fisainan’olombelona, fa ny hafa kosa tsy niray hevitra tamin’izany. Nampisaraka ny fihetsiketsehan’ny Kolejianina manontolo ilay adihevitra, tamin’ny farany. Efa maty mihitsy ireo lohandohan’ny mpanohana ny andaniny avy, vao tafaray indray ireo Kolejianina. Na izany aza, dia “tsy toy ny taloha intsony” ilay fihetsiketsehana taorian’io fisarahana io, araka ny nomarihin’i Fix, mpahay tantara.

Anisan’ny nahatonga ny fitotonganan’ny Kolejianina koa ny fileferana kokoa hatrany teo anivon’ireo fiangonana protestanta tamin’ny taonjato faha-18. Rehefa nanjary neken’ny fiaraha-monina kokoa tamin’ny ankapobeny ny foto-pitsipik’ireo Kolejianina momba ny fahaiza-misaina sy ny fileferana, ‘dia nanjavona ny Kolejianisma, ilay fahazavana tokana taloha, satria natelin’ny hazavana vao nisandratry ny Fahazavana [fihetsiketsehana filôzôfika tamin’ny taonjato faha-18]’. Lasa anisan’ny Mennonites sy ny fivavahana hafa ny ankamaroan’ireo Kolejianina, tamin’ny faran’ny taonjato faha-18.

Koa satria tsy nikendry ny hiray saina ireo Kolejianina, tao amin’ilay fihetsiketsehany, dia nitovy isa tamin’ireo Kolejianina ny hamaroan’ireo fiheverana samy hafa. Niaiky izany izy ireo, ka tsy nihambo ho ‘niray hevitra’, araka ny nampirisihan’ny apostoly Paoly ny Kristianina. (1 Korintiana 1:10). Tetsy an-danin’izany anefa, dia nandrandrain’ny Kolejianina ny fotoana tena hampisy ny zavatra fototra inoan’ny Kristianina, anisan’izany ny firaisan-tsaina.

Mbola tsy betsaka ny fahalalana marina tamin’ny andron’ireo Kolejianina. Raha heverina amin’izany, dia namela ohatra azon’ny fivavahana maro ankehitriny marihina izy ireo. (Ampitahao amin’ny Daniela 12:4.) Ilay fanamafisan’izy ireo hoe ilaina ny fianarana Baiboly, dia nifanaraka tamin’ny torohevitry ny apostoly Paoly manao hoe: “Fantaro ny zavatra rehetra”. (1 Tesaloniana 5:21). Ny fianarana manokana ny Baiboly no nahafantaran’i Jacobus Arminius sy ny hafa, fa tsy niorina velively tamin’ny Baiboly ny foto-pinoana sy ny fanao ara-pivavahana sasany izay efa notanana hatramin’ny ela. Rehefa nahatakatra izany izy ireo, dia nanana herim-po hiavaka tamin’ny fivavahana efa niorina. Ho nanao toy izany ve ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tamin’ny 1610, dia nandefasan’ireo mpanohitra fitsipahana ofisialy (taratasy iray nilaza ny antony nanoherany) ireo mpitondra holandey. Taorian’ny nanaovan’izy ireo izany no niantsoana azy ireo hoe Mpitsipaka.

b Noho io toerana io, dia nantsoina koa hoe Rijnsburgers ireo Kolejianina.

c Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Novambra 1988, pejy faha-19, “Les Sociniens — Pourquoi n’acceptaient-ils pas la Trinité?”

d Het Nieuwe Testament van onze Heer Jezus Christus, uit het Grieksch vertaald door Reijnier Rooleeuw, M.D. (Ny Testamenta Vaovaon’i Jesosy Kristy Tompontsika, nadikan’ny Dr. Reijnier Rooleeuw, avy tamin’ny fiteny grika).

[Sary, pejy 24]

Rembrandt van Rijn

[Sary, pejy 26]

Ny vohitr’i Warmond, niandohan’ny Kolejianina voalohany, sy ny Ony De Vliet nanaovana ireo batisa

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Ravaky ny pejy: Courtesy of the American Bible Society Library, New York

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara