Efa Voalahatr’Andriamanitra ve ny Anjarantsika?
“ZAVA-MANAHIRANA noforonin’ny saina maro be aoka izany no ho voasoroka raha tsy nampiasaina mihitsy ilay teny hoe lahatra, izay tsy azo tsara ny heviny matetika”. Mety hanontany tena ny amin’ny anton’izany ianao raha efa nampiasa ilay teny hoe “lahatra” na efa nandre azy io nampiasaina.
Araka ilay firaketana katolika frantsay vao haingana atao hoe Théo, dia tsara ny tsy ampiasantsika ilay teny hoe “lahatra”. Milaza ny boky hafa iray hoe: “Amin’izao andro izao, dia toa tsy votoatin’ireo ady hevitra amin’ny teolojia intsony ny lahatra, na dia ho an’ny ankamaroan’ny Protestanta aza.”
Na dia izany aza, dia nampikorontan-tsaina olona maro nandritra nisian’ny tantara ilay fanontaniana ny amin’ny lahatra. Izy io no votoatin’ilay fifandirana izay nitarika ho amin’ny Fanavaozana (Réforme), ary na dia teo anivon’ny Eglizy Katolika aza, izy io dia foto-kevitra nahatonga ady hevitra nafana nandritra ny taonjato maro. Na dia tsy asiana ady hevitra firy intsony aza izy io amin’izao fotoana izao, dia mbola mitoetra ho zava-manahirana ihany. Iza moa no tsy haniry hahafantatra raha efa voalahatra mialoha ny anjarany na tsia?
Lahatra — Ny hevitr’ilay teny
Inona no dikan’ilay teny hoe “lahatra” any amin’ireo fiangonana? Ilay Dictionnaire de théologie catholique dia mihevitra azy io ho “ny fikasan’Andriamanitra hitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay, olona sasany izay voatondro amin’ny anarany”. Saiky mandrakariva dia heverina fa ireo voafidy, “voatondro amin’ny anarany”, dia ireo izay noresahin’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana tamin’ny teny toy izao: “Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia azy, dia ireo efa voantso araka ny fandaharany. Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany (...). Ary izay notendreny no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.” — Romana 8:28-30, Kat.
Na dia talohan’ny nahaterahany aza, dia misy olona sasany heverina ho voafidin’Andriamanitra hiandrandra ny hiara-manam-boninahitra amin’i Kristy any an-danitra. Izany dia mitarika ho amin’ilay fanontaniana niadian-kevitra hatramin’ny ela hoe: Moa ve Andriamanitra mifidy amin’ny fomba jadona ireo izay tiany hovonjena, sa kosa ny olona manana safidy malalaka sy anjara horaisina eo amin’ny fahazoana sy fitanana ny fankasitrahan’Andriamanitra?
Augustin — Ilay niavian’ny fampianarana momba ny lahatra
Na dia efa nisy aza Rain’ny Eglizy hafa nanoratra teo aloha ny amin’ny lahatra, dia saiky mandrakariva i Augustin (354-430 am.f.i.) no heverina ho nametraka ny fototr’ilay fampianarana ho an’ireo fiangonana katolika sy protestanta. Araka an’i Augustin, hatramin’ny fahagolan-tany, ny olo-marina dia efa voalahatr’Andriamanitra mialoha hahazo fitahiana mandrakizay. Etsy an-danin’izany, ny olona tsy marina, na dia tsy voalahatr’Andriamanitra mialoha amin’ny heviny hentitra aza, dia tsy maintsy hahazo ny famaizana sahaza ny fahotany, dia fanamelohana. Ny fanazavan’i Augustin dia tsy namela afa-tsy toerana kely ho an’ny safidy malalaka, ka araka izany dia nanokatra lalana ho an’ny fifandirana maro be.
Ireo mpandova an’i Augustin
Nipoitra tsy tapaka indray ny ady hevitra momba ny lahatra nandritra ny Moyen Age, ary halohalika ny ranombary nandritra ny Fanavaozana. I Luther dia nino fa ny lahatra ho an’ny isam-batan’olona dia safidy malalaka ananan’Andriamanitra, tsy misy fahitany mialoha ireo fahatsarana na asa tsara hataon’ireo voafidy amin’ny hoavy. Tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra lasa lavitra kokoa i Calvin, tamin’ilay fiheverany ny amin’ny lahatra roa sosona: Misy olona sasany voalahatra mialoha ho amin’ny famonjena mandrakizay, ary ny hafa ho amin’ny fanamelohana mandrakizay. Kanefa i Calvin koa dia nihevitra ny safidin’Andriamanitra ho jadona, ho tsy takatry ny saina mihitsy aza.
Nanjary lehibe aoka izany ilay ady hevitra momba ny lahatra sy momba ilay fanontaniana nifandray akaiky taminy nahakasika ny “fahasoavana” — teny ampiasain’ireo fiangonana mba hanondroana ilay asa ataon’Andriamanitra ho famonjena sy ho fanambarana olona ho marina. Noho izany, tamin’ny 1611, ny Fitondran’ny Papa Katolika dia nandrara ny famoahana na inona na inona momba io foto-kevitra io raha tsy misy fanekena avy any aminy. Teo anivon’ny Eglizy Katolika, ny fampianaran’i Augustin dia nahazo fanohanana mafy avy tamin’ireo Jansenista (mpanara-dia an’i Jansen) frantsay tamin’ny taonjato faha-17 sy faha-18. Izy ireo dia niaro ny endrika iray tena hentitra sy notsongaina tamin’ny Kristianisma, ary nanana mpanara-dia azy mihitsy aza teo amin’ireo andriana. Tsy nihena anefa ny fifandirana momba ilay raharaha. Ny Mpanjaka Louis XIV dia nandidy ny handravana ny maonasiteran’i Port-Royal, toerana nipoiran’ireo hevitra jansenista.
Tao anatin’ireo fiangonana protestanta nohavaozina, dia mbola tsy tapitra velively ilay ady hevitra. Niaraka tamin’ireo antoko ara-pivavahana hafa, ireo Remontrants izay nanara-dia an’i Jacobus Arminius, dia nino fa ny olona dia manana anjara horaisina eo amin’ny famonjena ny tenany. Nandamina vonjimaika ilay ady hevitra ny Synoda Protestantan’i Dordrecht (1618-1619), rehefa nandray ny endriny hentitra iray amin’ny fampianarana nekena avy amin’i Calvin. Araka ilay boky hoe L’Aventure de la Réforme — Le monde de Jean Calvin, io fifamaliana momba ny lahatra sy ny safidy malalaka io, tany Alemaina, dia niteraka vanim-potoana lava be nisian’ny “fanandramana tsy nahomby teo amin’ny fampihavanana, ary koa fitondrana ratsy sy fanaovana an-tranomaizina ary fanaovana sesitany ireo teolojiana”.
Lahatra sa safidy malalaka?
Hatrany am-boalohany, ireo hevitra mifanipaka tanteraka ireo, ny lahatra sy ny safidy malalaka, dia nampipoitra fifandirana nafana maro. Raha ny amin’i Augustin, dia tsy afaka nanazava io tsy fifanarahan-kevitra io izy. I Calvin koa dia nihevitra azy io ho ny fisehoan’ny sitrapo tampony ananan’Andriamanitra, ka noho izany dia tsy azo hazavaina.
Moa ve anefa ny fanambaran’ny Baiboly momba ireo toetran’Andriamanitra sy ny maha-izy azy manampy antsika hahatakatra mazava kokoa ireo hevitra mifanipaka ireo? Handinika ireo hevitra ireo amin’ny an-tsipiriany kokoa ny lahatsoratra manaraka.
[Sary, pejy 4]
Calvin
Luther
Jansen
[Sary nahazoan-dalana]
Sary: Bibliothèque Nationale, Paris