FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/6 p. 27-28
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Iza no Tokony Hanapa-kevitra ny Amin’ny Isan-jaza?
    Mifohaza!—1996
  • Tobala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Vihy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/6 p. 27-28

Fanontanian’ny Mpamaky

Koa satria voalaza ankehitriny fa na dia efa natao momba aza ny olona iray, dia azo averina hiteraka indray, raha izany no fangatahany, moa ve azon’ny Kristianina heverina ho anisan’ny fandrindram-piterahana azo isafidianana ireny fomba fanamombana ireny?

Nanjary fomba fandrindram-piterahana be mpampiasa indrindra ny fanaovana olona ho momba na ny fanamombana. Ho an’ny olona maro, dia toa ny fiaimpiainany ara-tsosialy sy ny fianarana hitany ary ny fomba fijeriny ara-pivavahana no mamaritra raha azo ekena izy io na tsia. Miditra an-tsehatra ny zavatra inoana ara-pivavahana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mitovy faniriana amin’ny mpanao salamo, manao hoe: “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin’ny làlana marina aho”. (Salamo 27:11). Inona no tafiditra amin’ireo fomba fanamombana?

Famatorana ny fantson-dranonaina no iantsoana azy raha lehilahy no atao momba mba ho fandrindram-piterahana. Tapahina sy tsentsenana ireo fantsona kely roa fandehanan’ny ranonaina, izany hoe ireo fantsona ao anatin’ilay kitapo misy ny vihy (testicules). Misy fomba maro samihafa azo anaovana izany eo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Ny zava-kendrena amin’izany anefa, dia mba tsy hahafahan’ny ranonaina handeha, miainga avy ao amin’ireo vihy. Famatorana ny lalan’atodinaina kosa no iantsoana azy, raha vehivavy no atao momba. Ny fomba anaovana azy io mazàna dia ny fanapahana sy ny famatorana (na ny fandorana) ny lalan’atodinaina mba hikatona, satria ireo fantsona ireo no alehan’ny atodinaina avy any amin’ny fihary atodinaina mankany amin’ny tranon-jaza.

Efa hatramin’ny ela no niheverana fa maharitra ireo dingana ireo, ka tsy azo averina amin’ny laoniny intsony ny fahafahana miteraka. Nanenina anefa ny olona sasany na tojo tarehin-javatra vaovao, ka nitady fitsaboana mba hamerenana amin’ny laoniny ny fahafahany miteraka. Nihanahomby ny ezaka natao mba hamerenana amin’ny laoniny ny fahafahana miteraka, noho ny fisian’ny fitaovana manokana sy ny microchirurgie. Mahazatra ny mamaky fa, tamin’ireo olona notsongaina, dia mety ho 50 ka hatramin’ny 70 isan-jato ny fahombiazan’ny famerenana amin’ny laoniny ny fantson-dranonaina, tamin’ny nampitohizana indray ny tendron’ireo fantsona bitika notapahina. Voalaza fa 60 ka hatramin’ny 80 isan-jato ny fahombiazan’ny famerenana amin’ny laoniny ny lalan’atodinaina. Ny sasany izay nahafantatra izany dia nihevitra fa tsy tokony hoheverina ho maharitra intsony ny fanamombana. Mety hihevitra izy ireo fa ny famatorana ny fantson-dranonaina sy ny famatorana ny lalan’atodinaina dia azo heverina ho mitovy sokajy amin’ny fanafody fihinana tsy mampiteraka, ny kapaoty anglisy, sy ny fitaovana asarona ny vozon’ny tranon-jaza — fomba izay azo atsahatra raha tiana ny ho bevohoka. Na izany aza anefa, dia misy lafiny lehibe sasany tsy tokony hodian-tsy hita.

Ny iray dia ny hoe mety hisy fiantraikany goavana eo amin’ny mety ho fahafahana hiteraka indray ny lafin-javatra toy ireto: ny halehiben’ny fahasimban’ireo fantsona, nandritra ilay fikarakarana natao mba hahamomba; ny halavan’ny nesorina tamin’ilay fantsona na koa ny halavan’ny nanolatra tamin’izy io; ny isan’ny taona lasa taorian’ny nanaovana ilay fanamombana; ary raha ny famatorana ny fantson-dranonaina no resahina, dia eo ny hoe niteraka mpisetra (anticorps) izay miady amin’ny ranonainan’ilay lehilahy ve ilay izy sa tsia. Tsy tokony hodian-tsy hita fa mety tsy hisy any amin’ny faritra maro ny toerana fanaovana microchirurgie, na tsy takatry ny vola. Araka izany, dia olona maro izay mety ho naniry mafy ny hamerenana amin’ny laoniny ny fahafahany miteraka no tsy afaka nanao izany. Efa vita hatreo ny amin’izy ireny.a Ireo tarehimarika voalaza tetsy ambony mahakasika ny famerenana amin’ny laoniny ny fahafahana miteraka àry, dia salanisa teôrika fotsiny raha ny marina, fa tsy azo iankinana.

Mifandray amin’ny tena zava-misy ny tarehin-javatra sasany. Niompana tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fantson-dranonaina nofatorana, ny lahatsoratra iray navoaka tany Etazonia. Voalazan’izy io fa “ny 63 isan-jato monja tamin’ireo [lehilahy] nitsabo tena no afaka nahabevohoka ny vadiny”, taorian’ilay fandidiana nitentina 12 000 dolara (69 000 000 FMG eo ho eo). Ankoatra izany, dia tsy misy afa-tsy “enina isan-jaton’ny lehilahy nofatorana fantson-dranonaina no nitady hamerina izany tamin’ny laoniny, tatỳ aoriana”. Araka ny fanadihadiana iray natao tany Alemaina, mahakasika an’i Eoropa afovoany, dia eo amin’ny 3 isan-jaton’ny lehilahy izay nifidy ny hatao momba no nitady izay hamerenana izany tamin’ny laoniny, tatỳ aoriana. Na dia mety hahomby aza ny antsasak’ireo, dia hidika kosa ho fahamombana maharitra ny famatorana ny fantson-dranonaina, ho an’ny 98,5 isan-jato. Ary vao mainka ho ambony izany tarehimarika izany, any amin’ny tany izay tsy ahitana firy na tsy ahitana mihitsy dokotera mpandidy eo amin’ny sehatry ny microchirurgie.

Tsy araka ny tena zava-misy àry ny hiheverana ho zava-maivana ny fanamombana lehilahy na vehivavy, toy ny hoe fandrindram-piterahana vonjimaika ihany ilay izy. Ary ho an’ny Kristianina tso-po, dia misy lafin-javatra hafa koa tokony hoheverina.

Lafin-javatra tena lehibe iray ny hoe fanomezana avy amin’ny Mpamorona antsika ny fahafahana hiteraka. Anisan’ny fikasany tany am-boalohany ny hiterahan’ny olombelona lavorary izay ‘hameno ny tany sy hampanompo azy’. (Genesisy 1:28). Naverin’Andriamanitra ireo toromarika fototra ireo rehefa nahenan’ny Safo-drano ho valo ny isan’ny mponina teto ambonin’ny tany. (Genesisy 9:1). Tsy namerina an’io didy io tamin’ny firenen’ny Isiraely Andriamanitra, kanefa dia nihevitra ny fananan-janaka ho zavatra tena faniry ireo Isiraelita. — 1 Samoela 1:1-11; Salamo 128:3.

Ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely dia nahitana taratra fa nanaja ny fananahan’olombelona Andriamanitra. Ohatra, raha maty talohan’ny niterahany zazalahy hamelo-maso azy ny lehilahy iray manambady, dia hitondra loloha ny vadin’izy io ny rahalahiny mba hahazoana zazalahy. (Deoteronomia 25:5). Mifandray kokoa amin’izany fiheveran’Andriamanitra izany ilay lalàna momba ny vehivavy iray izay niezaka nanampy ny vadiny tamin’ny ady. Raha nambeda ny ankasarotan’ilay niady tamin-drangahy vadiny ilay vehivavy, dia tsy maintsy notapahina ny tanany; nisy dikany koa ny tsy nitakian’Andriamanitra ny hampiharana tamin-dravehivavy ny hoe maso solon’ny maso, sy ny tsy nitakiany ny taovam-pananahan’ny vadin’ilay vehivavy. (Deoteronomia 25:11, 12). Mazava fa hiteraka fanajana ny taovam-pananahana io lalàna io; tsy tokony hosimbana tsy amin’antony izy ireo.b

Fantatsika fa tsy eo ambanin’ny Lalàn’ny Isiraely ny Kristianina, koa tsy voafehin’ilay fitsipika ao amin’ny Deoteronomia 25:11, 12 àry izy ireo. I Jesosy dia sady tsy nandidy no tsy nilaza an-kolaka fa tsy maintsy manambady sy miteraka betsaka araka izay tratra ny mpianany. Mpivady maro no efa nandinika izany fony izy ireo nanapa-kevitra raha hampiasa fomba fandrindram-piterahana na tsia. (Matio 19:10-12). Nampirisihin’ny apostoly Paoly ‘ireo mpitondratena tanora [arehitry ny filany] mba hanambady sy hiteraka’. (1 Timoty 5:11-14). Tsy niresaka ny amin’ny fanamombana maharitra ny Kristianina izy, izany hoe ny fanaovan’izy ireo sorona an-tsitrapo ny fahafahany hiteraka.

Fahendrena ho an’ny Kristianina ny mandinika amim-pitandremana izany, satria hita taratra avy amin’izany fa sarobidy amin’Andriamanitra ny fahafahana hiteraka. Ny mpivady tsirairay no tsy maintsy manapaka raha hampiasa fomba fandrindram-piterahana mifanentana aminy izy ireo na tsia; izy ireo ihany koa no tsy maintsy manapaka ny fotoana hampiasany izany. Eny, tena havesa-danja ny fanapahan-kevitr’izy ireo raha misy antoka ara-pitsaboana marim-pototra fa hisetra loza ara-pahasalamana lehibe ilay reny na ilay zaza, eny, mety ho faty mihitsy aza, raha toa ka bevohoka ilay reny amin’ny hoavy. Ny sasany izay ao anatin’io toe-javatra io dia nanaiky tsy fidiny ny fanamombana araka ny voalazalaza tetsy aloha, mba hahazoana antoka fa tsy hisy fitondrana vohoka hahatandindomin-doza ny ain’ilay reny (izay mety ho efa manan-janaka hafa) na ny ain’ny zaza iray izay mety ho teraka any aoriana, nefa hanana tsy fahasalamana mety haningotra ny ainy.

Azo antoka anefa fa ny Kristianina izay tsy miatrika loza lehibe tsy fahita firy toy izany, dia haniry hampiasa ‘saina mahay mitsara zavatra’ ka hamela ny fisainany sy ny ataony ho voavolavolan’ny fiheveran’Andriamanitra ho sarobidy ny fahafahana miteraka. (1 Timoty 3:2, NW; Titosy 1:8, NW; 2:2, 5-8, NW ). Izany dia hanome taratry ny fahatsapana amim-pahamatorana ny zavatra tian’ny Soratra Masina holazaina. Ahoana kosa raha nanjary fantatry ny besinimaro fa tsy niraharaha tsotra izao izany fiheveran’Andriamanitra izany ny Kristianina iray? Moa ve ny hafa tsy hisalasala ny amin’ny hoe tena ohatra tsara ve izy, ka manana laza tsara ho mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny Baiboly? Ny zavatra mampikorontan-tsaina toy izany izay manamatroka ny lazan’ny olona iray, dia mazava ho azy fa mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahafenoany fepetra ho amin’ny tombontsoam-panompoana manokana, na dia mety tsy ho toy izany aza no izy ho an’ny olona iray izay efa nanamomba ny tenany tao anatin’ny tsy fahalalana. — 1 Timoty 3:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

a “Ahitana taham-pahombiazana 40 isan-jato, fara fahakeliny, ny fandidiana atao mba hampitohizana indray [ny fantson-dranonaina], ary misy porofo fa mety hitombo izany fahombiazana izany, amin’ny fampiasana ireo teknika nohatsaraina eo amin’ny sehatry ny microchirurgie. Na izany aza, dia tokony hoheverina ho maharitra ny fanamombana amin’ny alalan’ny famatorana ny fantson-dranonaina.” (Encyclopædia Britannica). “Tokony hoheverina ho maharitra ny fanamombana. Na dia eo aza izay zavatra mety ho efa ren’ilay olona mahakasika ny famerenana amin’ny laoniny ny fahafahana miteraka, dia lafo vidy ny fampitohizana indray ny fantson-dranonaina, ary tsy azo antoka ny fahombiazany. Ireo vehivavy izay naverina tamin’ny laoniny ny lalan’atodinainany, dia tena mety hanao zaza an-tsoso-koditra.” — Contemporary OB/GYN, Jona 1998.

b Voalazan’ny lalàna hafa iray izay mety ho toa mifandray amin’izany fa tsy nisy nahazo niditra tao amin’ny kôngregasiônan’Andriamanitra ny lehilahy rehetra izay nisy fahasimbana lehibe ny taovam-pananahany. (Deoteronomia 23:2). Araka ny Étude perspicace des Écritures anefa, dia miharihary fa “nifandray tamin’ny famosirana niniana natao mba hanaovana fitondran-tena maloto, toy ny firaisan’ny samy lehilahy”, izany. Tsy voafaoka ao anatin’io lalàna io àry ny famosirana sy izay mitovy lenta aminy ho fandrindram-piterahana. Milaza toy izao koa ny Étude perspicace: “Nitondra fampiononana i Jehovah tamin’ny nanambarany mialoha ny fotoana hanekeny ny ionoka [lehilahy novosirina] ho mpanompony, ka raha mankato izy ireny, dia hanana anarana tsara kokoa noho ny zanakalahy sy ny zanakavavy. Rehefa nofoanan’i Jesosy Kristy ny Lalàna, dia afaka ny ho tonga zanaka ara-panahin’Andriamanitra ny olona rehetra maneho finoana, na manao ahoana na manao ahoana ny mombamomba azy taloha na ny toe-piainana nisy azy taloha. Nesorina ny fahasamihafana araka ny nofo. — Isaia 56:4, 5; Jaona 1:12.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara