Ny Ankamantatr’Andriamanitra sy ny Fikasany
REHEFA tsy fantatry ny tena hoe inona ilay izy, dia sarotra erỳ, fa rehefa fantatra kosa, dia, hay zavatra tsotra kely. Inona moa izany? Ankamantatra.
Hevitra mivantana tsy misy olakolaka no tian’ny fiaraha-monina ankehitriny, hany ka mirona hihevitra ny fanaovana ankamantatra ho kilalaon’ankizy ny olona. Fahiny anefa, dia “nitsapana ny fahaiza-mahataka-javatra” ny ankamantatra, araka ny nomarihin’ny The Interpreter’s Dictionary of the Bible. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 1:5, 6.
Indraindray, dia tsy nilaza mazava ny sitrapony na ny fikasany i Jehovah, fa ninia kosa nampanjavozavo ny hevitry ny teniny ara-paminaniana, ka nampiasa fampitahan-javatra, na “teny tsy mazava” mahavaka ny saina, na ankamantatra mahavery hevitra. (Salamo 78:2, King James Version; Nomery 12:8, The Emphasized Bible). Raha ny marina, dia feno ankamantatra sy ohabolana ao amin’ny Soratra Masina, na dia im-17 monja aza ny Baiboly no mampiasa ilay teny hebreo adika hoe ankamantatra.
Maro dia maro ireo ankamantatra ao amin’ny Baiboly
Voalaza, mahakasika an’i Solomona Mpanjaka, fa na dia ny ankamantatra na ny fanontaniana sarotra indrindra nentina teo aminy aza, dia voavaliny. (1 Mpanjaka 10:1, Fandikan-teny Katolika). Azo antoka fa vokatry ny fahendrena nomen’Andriamanitra azy izany. Araka ny filazan’ireo mpahay tantara fahiny, dia resy tamin’ny ady ankamantatra iray nifanaovany tamin’i Hirama mpanjakan’i Tyro, i Solomona, indray mandeha. Raha misy fahamarinany izany, dia azo inoana fa nitranga taorian’ny namoizan’i Solomona ny fanahin’i Jehovah, noho fivadiham-pinoany. Tia nanao ankamantatra koa i Samsona Mpitsara. Indray mandeha, rehefa nahazo hery avy tamin’ny fanahy masina izy, dia nanome azy fahafahana hampisy tahotra tao am-pon’ireo fahavalon’Andriamanitra ny ankamantatra iray. — Mpitsara 14:12-19.
Ankamantatra maro ao amin’ny Baiboly anefa no mifandray mivantana amin’ny fikasan’i Jehovah. Diniho, ohatra, ny Genesisy 3:15. Io faminaniana io, izay mametraka ny fototra iorenan’ny votoatin’ny Baiboly, dia efa zavatra natao ankamantatra, “zava-niafina” masina. (Romana 16:25, 26). Ankoatra ireo fahitana mahagaga sy fanambarana nomena ny apostoly Paoly, dia nahita ny lafiny sasany tamin’ny fikasan’Andriamanitra koa izy, saingy tamin’ny “soritra manjavozavo”, na, ara-bakiteny, dia hoe “teny tsy mazava”. (1 Korintiana 13:12, NW, fanamarihana ambany pejy; 2 Korintiana 12:1-4). Ary ahoana ny amin’ny fanombantombanana tsy misy farany mahakasika ilay isa mifono zava-miafin’ny bibidia — “enina amby enim-polo amby enin-jato” — izay ampidirina tampoka tsy misy fanazavana, ao amin’ny Apokalypsy 13:18? Iza no afaka milaza ny valin’ireny ankamantatr’Andriamanitra ireny, ary inona no kendrena amin’izy ireny?
Fiezahana hahafantatra ireo zava-miafina masina
Ho an’ny ankamaroantsika, dia ny fahitana no sarobidy indrindra amin’ireo vavahadin-tsaina dimy ananantsika. Tsy hisy hilana azy firy anefa ny fahitan’olombelona raha tsy misy hazavana. Ho azo lazaina ihany ho jamba tanteraka isika amin’izay. Torak’izany koa ny sain’olombelona. Manana fahaizana mahagaga mampifandraika zavatra sy mampiasa lôjika izy io, ka, noho izany, dia afaka mahita valin’ankamantatra. Na izany aza anefa, dia bebe kokoa no ilaina mba hahafantarana ireo zava-miafina masina. Na dia mety hanome valiny amin’ireo ankamantatra ao amin’ny Baiboly aza ny hafa, dia Ilay namorona azy ireny ihany, izany hoe i Jehovah, Andriamanitry ny fahazavana, no afaka mampiharihary ny tena heviny araka ny nikasany azy. — 1 Jaona 1:5.
Mampalahelo fa matetika ny olona no mihevi-tena ho zavatra loatra sy tsy tia fiankinana, ka tsy miandry an’i Jehovah hanome ny valiny. Eo koa ireo liana tamin’ilay zava-miafina ka nitady valiny tany ivelan’ny Tenin’Andriamanitra, satria nitady zavatra nanaitaitra ny sainy fotsiny, fa tsy voatery ho nitady ny fahamarinana. Ohatra, ny fivavahana jiosy mifono zava-miafina, araka izay voalaza ao amin’ny Kabbale, dia nandinika ny hoe inona no hevitra majika fonosin’ireo tarehimarika sy litera ao amin’ny abidy hebreo. Ny Gnôstika tamin’ny taonjato faharoa kosa, tetsy an-danin’izany, dia nampiasa ny Soratra Hebreo sy Grika mba hisintonana izay hevitra miafina avy tao amin’izy ireo.
Izany fikarohana rehetra izany anefa, dia vao mainka nitarika azy ireo ho amin’ny fombafomba na finoanoam-poanan’ny mpanompo sampy, ary nahatonga azy ireo ho lavitra ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra. ‘Raha feno faharatsiana izao tontolo izao’, hoy ny fanjohian-kevitr’ireo Gnôstika, ‘dia tsy mety ho Andriamanitra tsara fanahy i Iaveh, Mpamorona azy io.’ Izany ve no mba fanatsoahan-kevitra tsara indrindra azon’izy ireo natolotra? Marivo tokoa lahy ny fisainan’olombelona! Tsy mahagaga raha nampitandrina mafy toy izao ny apostoly Paoly tao amin’ireo taratasiny: ‘Aza mihoatra noho ny voasoratra’! I Paoly tokoa mantsy dia niady tamin’ireo hevitry ny mpivadi-pinoana, hevitra nampiroboroboin’ny sekta gnôstika, tatỳ aoriana. — 1 Korintiana 4:6.
Fanazavana ireo “teny tsy mazava”
Nahoana tokoa anefa ny Andriamanitry ny fahazavana iray no milaza “teny tsy mazava”? Ny ankamantatra, amin’ny maha ankamantatra azy mihitsy, dia misedra ny fahaizan’ny tena maka sary an-tsaina sy manatsoaka hevitra. Miparitaka ao amin’ny Soratra Masina manontolo tahaka ny zava-py mandravaka sakafo matsiro ny ankamantatra. Indraindray àry, dia natao fotsiny mba hanairana ny fahalianan’ny mpamaky, na mba hahatonga ilay hafatra ampitaina ho azo sary an-tsaina kokoa, izy ireny. Amin’ireo toe-javatra ireo, dia mazàna no omena avy hatrany eo ny fanazavana azy. — Ezekiela 17:1-18; Matio 18:23-35.
Manome fahendrena amim-pahalalahan-tanana i Jehovah, nefa tsy manome azy io na oviana na oviana ho an’ny olona rehetra tsy an-kanavaka. (Jakoba 1:5-8). Diniho ny bokin’ny Ohabolana, fitambarana fitenenana maro mahavery hevitra, izay ara-tsindrimandry. Heverin’ny sasany ho ankamantatra izy ireo. Mitaky fotoana sy fisaintsainana ny fahazoana ny heviny. Firy anefa ny olona vonona hanao ilay ezaka? Ny fahendrena raketin’izy ireo dia tsy misokatra afa-tsy amin’ireo izay vonona ny hikaroka azy. — Ohabolana 2:1-5.
Nampiasa fanoharana toy izany koa i Jesosy mba hampibaribary ny toe-pon’ireo nihaino azy. Nirohotra nankeo aminy ny vahoaka. Finaritra tamin’ireo tantara nolazain’i Jesosy izy ireo. Tia ireo fahagagana nataony izy ireo. Firy anefa no vonona ny hanova ny fomba fiainany ka hanaraka azy? Mifanohitra amin’izany kosa ireo mpianatr’i Jesosy, izay matetika no niezaka hahatakatra ny fampianaran’i Jesosy, ary vonona ny handa tena mba hahatongavana ho mpanara-dia azy! — Matio 13:10-23, 34, 35; 16:24; Jaona 16:25, 29.
Fitodihana any amin’ilay fahazavana
“Ny fahalianana amin’ny ankamantatra”, hoy ny fanamarihan’ny loharanon-kevitra iray, “dia toa mifanitsy amin’ny vanim-potoan’ny fifohazana ara-tsaina.” Ankehitriny dia manana tombontsoa lehibe isika miaina amin’ny fotoana iray izay ‘ifafazan’ny fahazavana’ ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. (Salamo 97:11; Daniela 12:4, 9). Afaka miandry an’i Jehovah amim-paharetana mba hampiharihary ny fikasany araka izay fandaharam-potoanany ve isika? Ny mbola zava-dehibe kokoa dia hoe: Manao zavatra avy hatrany mba hanovana ny fiainantsika ve isika rehefa manjary fantatsika hoe ahoana no hanarahana amin’ny fomba feno kokoa ny sitrapon’Andriamanitra naharihary? (Salamo 1:1-3; Jakoba 1:22-25). Raha manao izany isika, dia hitahy ny fiezahantsika i Jehovah, ka amin’izay ny fanahy masina, izay tahaka ny solomaso manitsy ny fahitana manjavozavo, dia hahatonga ny mason’ny saintsika hahita mazava ny tsipiriany rehetra amin’ny fikasana kanton’Andriamanitra, ka hanatsara ny fahitantsika ara-panahy. — 1 Korintiana 2:7, 9, 10.
Eny tokoa, manandratra an’i Jehovah ho ‘Mpampiseho zava-miafina’ ireo ankamantatra ao amin’ny Soratra Masina. (Daniela 2:28, 29). Ambonin’izany, dia Mpandinika ny fo koa izy. (1 Tantara 28:9). Tsy tokony hahagaga antsika ny mahafantatra fa natao miandalana foana ny fampiharihariana ny fahazavan’ny fahamarinan’Andriamanitra. (Ohabolana 4:18; Romana 16:25, 26). Tsy ny fivavahana mifono zava-miafina na ny fahendrena marivon’olombelona, izay tsy mitarika afa-tsy ho amin’ny zava-poana, no hoentintsika hitady fahalalana mahakasika ireo zava-dalin’Andriamanitra, fa aoka kosa isika hitodika amin-toky any amin’i Jehovah Andriamanitra mba hanomezany ny fahazavan’ny fahamarinana ny amin’ireo ‘teniny tsy mazava’, ka hampahafantarany ny fikasany mahatalanjona amin’ny mpanompony mahatoky, amin’ny fotoana voatondrony. — Amosa 3:7; Matio 24:25-27.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Biblia Hebraica Stuttgartensia, Deutsche Bibelgesellschaft Stuttgart