FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/11 p. 28-31
  • Inona no Azo Atao Momba ny Fahakiviana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Azo Atao Momba ny Fahakiviana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahakiviana eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ataontsika
  • Fahazoana vokatra tsara kokoa
  • Fihazonana fihetsika tsara
  • Fahakiviana sy fifandraisana amin’ny olona
  • Fihetseham-pon’ny tenantsika manokana mahakivy
  • Roa amin’ireo fanafody tsara indrindra
  • Fandresena ny fahakiviana
  • Aza Manaiky ho Kivy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Mifampahereza satria mihantomotra ny andro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mahazo Hery Handresena Fakam-panahy sy Hakiviana Isika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Reraka Ara-batana fa Tsy Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/11 p. 28-31

Inona no Azo Atao Momba ny Fahakiviana?

AHOANA no ahafahan’ny olona iray miady amin’ny fahakiviana? Izany no fanontaniana napetraka tamin’ny mpiandraikitra mpitety faritany maromaro, izay mitsidika tsy tapaka ny kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny valin-tenin’izy ireo dia afaka manampy antsika hamakafaka ireo antony mahatonga ny fahakiviana sy ny fanafodin’io toe-javatra, izay afaka ny hahazo ny Kristianina rehetra, io.

Mihoatra noho ny famakafakana no ilaina, mba hiatrehana ny fahakiviana, kanefa mety ho anisan’ny soritra amantarana azy ny tsy fahalianana hivavaka na hanao fianarana manokana, ny fanaovana tsirambina ny fanatrehana fivoriana, ny tsy fisian’ny hafanam-po, ary na dia ny tsy fiarahana amin’ny namana kristianina mihitsy aza. Iray amin’ireo famantarana miavaka indrindra anefa ny fihenan’ny zotom-po ho amin’ny fitoriana ny filazantsara. Andeha hodinihintsika ireo soritra amantarana azy sy ny fanafody sasany.

Fahakiviana eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ataontsika

Fantatr’i Jesosy Kristy ireo zava-tsarotra nifandray tamin’ilay asa fanaovana mpianatra. (Matio 28:19, 20). Naniraka ny mpanara-dia azy ho toy ny “ondry ao ampovoan’ny amboadia”, izy, ka nahafantatra fa hitondra fanenjehana ho azy ireo ny asa fitoriana hataony. (Matio 10:16-23). Kanefa, tsy antony nahatonga azy ireo ho kivy izany. Raha ny marina, ireo mpanompon’Andriamanitra izay niantehitra tamim-bavaka tamin’i Jehovah, dia nohatanjahin’ny fanenjehana, matetika. — Asan’ny Apostoly 4:29-31; 5:41, 42.

Na dia tsy niaritra fanenjehana faran’izay mafy aza ireo mpianatr’i Kristy, dia tsy noraisina tsara foana izy ireo. (Matio 10:11-15). Toy izany koa fa tsy mora tanterahina foana ny asa fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao.a Ho an’ny olona maro, dia raharahan’ny tenany manokana ny finoana an’Andriamanitra, izay tsy iriny horesahina amin’ny hafa. Ny hafa dia tsy maniry hifandray amin’ny fandaminana ara-pivavahana iray, izay ananany fitsarana an-tendrony. Tsy isalasalana fa afaka ny ho loharanom-pahakiviana lehibe ny tsy firaikana, ny tsy fisian’ny vokatra, na ny zava-manahirana hafa isan-karazany. Ahoana no ahafahana mandresy ireny vato misakana ireny?

Fahazoana vokatra tsara kokoa

Ny fifaliana raisintsika avy amin’ny fanompoantsika, dia misy ifandraisany amin’ny vokatra azontsika. Ahoana àry no ahafahantsika mahita vokatra bebe kokoa eo amin’ny fanompoana? “Mpanarato olona” isika. (Marka 1:16-18). Ireo mpanarato teo amin’ny Isiraely fahiny dia nandeha nanarato tamin’ny alina, satria tamin’izay izy ireo no afaka nahazo hazandrano betsaka indrindra. Isika koa dia mila mamakafaka ny faritanintsika, mba handehanantsika ‘hanarato’, rehefa ao an-tranony sy vonon-kandray kokoa ny hafatra entintsika ny ankamaroan’ny olona. Mety ho amin’ny takariva izany, na amin’ny faran’ny herinandro, na koa amin’ny fotoana hafa. Araka ny nolazain’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, dia mety izany any amin’ireo faritra izay isian’ny olona miasa mandritra ny andro manontolo. Nomarihiny fa matetika no mitondra vokatra tsara dia tsara ny fitoriana amin’ny takariva. Mahatonga antsika hanatratra olona maro kokoa koa ny fitoriana amin’ny telefaonina, na tsy ara-potoana.

Mitera-boka-tsoa ny fikirizana eo amin’ny fanompoana. Any Eoropa Atsinanana sy any amin’ny tany sasany atsy Afrika, dia mandroso tsara ny asa fitoriana ilay Fanjakana, ary niteraka fitomboana tsara dia tsara izany. Toy izany koa fa nisy kôngregasiôna maro niforona tany amin’ireo faritra izay noheverina nandritra ny ela be ho tsy namokatra, eny fa na dia tany amin’ny faritany tena niasana matetika be aza. Kanefa, ahoana raha tsy mamokatra toy izany ny faritaninao?

Fihazonana fihetsika tsara

Ny fitadidiana mazava tsara ao an-tsaina ireo tanjona nosoritan’i Jesosy, dia hanampy antsika tsy hanjary ho kivy eo anoloan’ny tsy firaikana eny amin’ny fanompoana. Nirin’i Kristy ny hikarohan’ny mpianany ireo olona mendrika, fa tsy ny hanaovany fanovam-pinoana faobe. Imbetsaka izy no nilaza fa tsy hanaiky ilay vaovao tsara ny ankabeazan’ny olona, toy ny tsy nihainoan’ny ankamaroan’ny Isiraelita an’ireo mpaminany fahiny. — Ezekiela 9:4; Matio 10:11-15; Marka 4:14-20.

Ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” dia raisin’ireo olona “mahatsapa izay ilainy ara-panahy”, amim-pankasitrahana. (Matio 5:3, NW; 24:14, NW ). Maniry hanompo an’Andriamanitra araka ny fomba nofaritany tsara izy ireo. Noho izany, dia mifandray kokoa amin’ny toe-pon’ny olona ny vokatry ny asantsika, fa tsy amin’ny fahaizantsika mampiseho ilay hafatra. Mazava ho azy fa mila manao araka ny fara herintsika isika, mba hahatonga ny vaovao tsara hanintona. Kanefa, miankina amin’Andriamanitra ireo vokatra, satria hoy i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy”. — Jaona 6:44.

Mampahafantatra ny anaran’i Jehovah ny asa fitoriana ny filazantsara ataontsika. Na mihaino ny olona na tsia, dia mandray anjara amin’ny fanamasinana ny anarana masin’i Jehovah ny asa fitoriana ataontsika. Fanampin’izany, amin’ny alalan’ny asa fitoriana ny filazantsara ataontsika, dia asehontsika fa mpianatr’i Kristy isika, ary manana tombontsoa handray anjara amin’ilay asa nanirahana lehibe indrindra tanterahina amin’izao androntsika izao. — Matio 6:9; Jaona 15:8.

Fahakiviana sy fifandraisana amin’ny olona

Afaka miteraka fahakiviana ny fifandraisana amin’ny olona sasany, na ao amin’ny fianakaviana izany na ao amin’ny kôngregasiôna. Ohatra, eo ny fiheverana hoe tsy takatry ny hafa ny fomba fihevitsika. Mety hanakivy antsika koa ny tsy fahatanterahan’ireo mpiray finoana amintsika. Eto indray koa, dia afaka manampy be dia be antsika ny Soratra Masina.

Mahaforona fianakaviana ara-panahy lehibe iray “ny fitambaran-drahalahy manontolo” maneran-tany. (1 Petera 2:17, NW ). Ny fahatsapana ho anisan’ny vahoaka iray tafaray dia afaka ny hanjavona, rehefa mipoitra ny zava-tsarotra noho ny tsy fifanarahan-toetra. Niharihary fa tsy vita fanefitra tamin’ny zava-manahirana toy izany ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, satria imbetsaka ny apostoly Paoly no voatery nampahatsiahy azy ireo mba hiara-miaina amim-piraisan-tsaina. Ohatra, nampirisika ny vehivavy kristianina roa — i Eodia sy i Syntike — mba handamina ny tsy fifanarahany, i Paoly. — 1 Korintiana 1:10; Efesiana 4:1-3; Filipiana 4:2, 3.

Raha izany no zava-manahirana, ahoana no ahafahantsika mamelona indray fitiavana amim-pahatsorana an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika? Amin’ny fitadidiantsika fa maty ho azy ireo i Kristy, ary tahaka antsika, izy ireo dia naneho finoana ny sorom-panavotany. Afaka mitadidy koa isika fa maro amin’ireo rahalahintsika no vonona hanahaka an’i Jesosy Kristy, amin’ny fanaovana vivery ny ainy ho antsika.

Taona vitsivitsy lasa izay, tao Paris, any Frantsa, ny Vavolombelona tanora iray dia tsy nisalasala nandrombaka ny valizy iray nisy baomba, izay napetrak’olona teo ivelan’ny Efitrano Fanjakana. Nihazakazaka nidina tohatra maromaro izy, talohan’ny nanipazany ilay valizy tao amin’ny dobo iray misy rano mifantsitsitra, ary dia nipoaka tao ilay izy. Rehefa nanontaniana ny amin’izay nanosika azy hanao vivery ny ainy toy izany izy, dia namaly hoe: “Takatro fa notandindomin-doza ny ainay. Koa nihevitra aho fa tsara kokoa raha izaho irery no ho faty, fa tsy izahay rehetra.”b Fitahiana mihitsy ny manana namana toy izany, izay vonona ny hanaraka akaiky aoka izany ny ohatr’i Jesosy!

Fanampin’izany, dia afaka misaintsaina momba ny toe-tsaina tia fiaraha-miasa nisy teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay tany amin’ny toby fitanana nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, isika.c Vao haingana kokoa, ireo rahalahintsika sy anabavintsika atsy Malawi dia nihazona ny tsy fivadihany, ka hita ho Kristianina marina nahatoky tsy nisy hafa tamin’izany koa. Moa ve tsy manosika antsika tsy hijery, na, fara faharatsiny, tsy hanitatra loatra ireo fihenjanana sy zava-tsarotra isan’andro, ny fieritreretana fa hanao toy izany ireo rahalahintsika ao amin’ny kôngregasiôna eo an-toerana, ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra? Raha mamboly ny sain’i Kristy isika, dia ho loharanom-pamelombelomana ny fifandraisantsika isan’andro amin’ny mpiara-mivavaka amintsika, fa tsy ho loharanom-pahakiviana.

Fihetseham-pon’ny tenantsika manokana mahakivy

“Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; fa hazon’aina ny faniriana tanteraka.” (Ohabolana 13:12). Eo imason’ny mpanompon’i Jehovah sasany, dia ela loatra ny fahatongavan’ny faran’ity fandehan-javatra ity. Ny Kristianina dia mahita fa ‘sarotra sy tsy mora setraina’ ny vanim-potoana iainantsika, tsy misy hafa amin’ny tsy mpino maro ihany. — 2 Timoty 3:1-5, NW.

Mifanohitra amin’ny tsy mpino anefa, ny Kristianina dia tokony hifaly rehefa mahita fa izao toe-piainana misedra izao ilay “famantarana” ny fanatrehan’i Jesosy, izay manondro fa tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hamarana an’ity fandehan-javatra ratsy ity. (Matio 24:3-14). Na dia rehefa miharatsy aza ny toe-javatra — izay azo antoka fa hitranga mandritra ny “fahoriana lehibe” — dia loharanom-pifaliana ho antsika ireo fisehoan-javatra ireo, satria manambara ny hahatongavan’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. — Matio 24:21; 2 Petera 3:13.

Ny fanemorana ao an-tsaina ny fisalovanan’ilay Fanjakana amin’ireo raharaha ankehitriny, dia mety hahatonga ny Kristianina iray hanokana fotoana bebe kokoa hatrany hikatsahana zavatra ara-nofo. Raha mamela ny zavatra toy ny asa ara-nofo sy ny fialam-boly haka ny fotoanany sy ny heriny rehetra izy, dia ho sarotra aminy ny hiantsoroka araka ny tokony ho izy ny andraikiny araka ny Soratra Masina. (Matio 6:24, 33, 34). Ny fihetsika toy izany dia mahatonga fahatsapana ho tsy afa-manoatra, ary avy eo dia fahakiviana. Nilaza toy izao ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Tsy araka ny zava-misy ny fanandramana hanorina fiainana tahaka ny ao amin’ny tontolo vaovao, eto amin’ity fandehan-javatra ity.”

Roa amin’ireo fanafody tsara indrindra

Raha vao hita ny aretina, ahoana no fomba ahafahan’ny olona iray mahita fanafody mandaitra? Ny fianarana manokana no iray amin’ireo fomba tsara indrindra. Nahoana? “Mampahatsiahy antsika ny antony tsy maintsy anaovantsika izay ataontsika izy io”, hoy ny fanamarihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray. Hoy koa ny iray hafa: “Manjary enta-mavesatra ny fitoriana atosiky ny fahatsapana andraikitra fotsiny, amin’ny farany.” Ny fianarana manokana tsara anefa, dia manampy antsika hahazo indray fahitana mazava tsara ny anjara asantsika, arakaraka ny hanatonantsika ny farany. Mitovy amin’izany koa fa ny Soratra Masina dia mampahatsiahy antsika imbetsaka ny amin’ny ilana hamahanan-tena tsara ara-panahy, mba hananana tena fahasambarana amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. — Salamo 1:1-3; 19:7-10; 119:1, 2.

Ireo loholona dia afaka manampy ny hafa mba handresy ny fahakiviana, amin’ny alalan’ny fitsidihan’ny mpiandry mampahery. Mandritra ireny fitsidihana manokana ireny, ireo loholona dia afaka mampiseho fa tena ankasitrahana ny tsirairay amintsika no sady mitana toerana sarobidy eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah. (1 Korintiana 12:20-26). Hoy ny loholona iray, momba ireo Kristianina namany: “Mba hanamafisana ny hasarobidiny, dia mampahatsiahy azy ireo ny amin’izay vitany tamin’ny lasa aho. Lazaiko fa sarobidy eo imason’i Jehovah izy ireo, ary nomeny mba hamonjena azy ireo ny ran’ny Zanany. Noraisin’ireo rahalahy tsara foana io fanjohian-kevitra io. Raha vao tohanan’ny teny ara-baiboly mafy orina izany, dia afaka mametra tanjona vaovao, toy ny vavaka sy ny fianarana ary ny famakiana Baiboly, iarahan’ny fianakaviana, ireo olona kivy.” — Hebreo 6:10.

Mandritra ny fitsidihan’ny mpiandry, dia mila ny mitandrina ireo loholona mba tsy hampiseho an’Andriamanitra ho toa tsy azo ampifalina. Ireo loholona kosa dia afaka manampy ireo mpiara-mivavaka aminy izay kivy, mba hahita fa maivana ny entana entin’ny mpanara-dia an’i Jesosy. Noho izany, dia loharanom-pifaliana ny fanompoana kristianina ataontsika. — Matio 11:28-30.

Fandresena ny fahakiviana

Na inona na inona antony, ny fahakiviana dia loza iray izay tsy maintsy iadiana. Tadidio anefa fa tsy irery isika amin’io ady io. Raha kivy isika, dia aoka isika hanaiky ny fanampiana omen’ireo Kristianina namantsika, indrindra fa ireo loholona. Amin’ny fanaovana izany, dia mety hampihena ny fahatsapana fahakiviana isika.

Ambonin’izany rehetra izany, dia mila ny mitodika any amin’Andriamanitra mba hahazoana fanampiana isika, mba handresena ny fahakiviana. Raha miantehitra amim-bavaka amin’i Jehovah isika, dia mety hanampy antsika handresy tanteraka ny fahakiviana izy. (Salamo 55:22; Filipiana 4:6, 7). Na ahoana na ahoana, amin’ny maha vahoakany antsika, dia afaka miombom-pihetseham-po amin’ilay mpanao salamo izay nihira toy izao isika: “Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin’ny fahazavan’ny tavanao no handehanany. Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; ary ny fahamarinanao no hisandratany. Fa voninahitry ny heriny Hianao ary amin’ny fankasitrahanao no hisandratan’ny tandrokay.” — Salamo 89:15-17.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Isam-baravarana — Tena Zavatra Mila Fiezahana Mafy” ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1981.

b Jereo ny pejy 12 sy 13 ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 22 Febroary 1985, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

c Jereo ny lahatsoratra hoe “Tafita Velona Tamin’ny ‘Fandehanana ho Amin’ny Fahafatesana’ Aho”, ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1981, sy ny hoe “Intègre dans l’Allemagne nazie” ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 22 Jona 1985.

[Sary, pejy 31]

Ny fitsidihana mampahery ataon’ireo loholona be fitiavana dia afaka manampy ny Kristianina handresy ny fahakiviana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara